Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve Jehovah Andriamanitra niresaka nivantana tamin’i Adama sa tamin’ny alalan’ny Teny, ny Zanany lahy tokana?
Tsy mamaly mazava io fanontaniana io ny Baiboly. Ho afaka niresaka nivantana tamin’i Adama, zanany olombelona tanteraka tao Edena Andriamanitra, nefa toa marina fa nifandray taminy tamin’ny alalan’ny Teny izy.
Ambaran’ny Baiboly matetika fa nanao zavatra sasany Andriamanitra tao anatin’ny toe-javatra izay, raha ny marina, dia nataony tamin’ny alalan’ny anjely iray na maromaro. Izao, ohatra, no vakina ao amin’ny Genesisy 1:1: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Raha izany fotsiny no nambaran’ny Baiboly ny amin’ny fiandohan’izao rehetra izao, dia ho nanatsoaka hevitra isika fa noforonin’Andriamanitra nivantana izany, toy ny hoe tamin’ny tanany mihitsy. Omen’ny Soratra grika antsika anefa izao fanazavana hentitra manaraka izao: “Fa tao aminy [ny Zanak’Andriamanitra] no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita (...) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.” (Kolosiana 1:16, 17). Misy andinin-teny hafa manamarina fa nanana anjara tamin’ny famoronana an’izao rehetra izao ny Zanaka (Jaona 1:3, 10; Hebreo 1:1, 2.) Izany anefa dia anjara asan’ny mpiasa teo ambany fifehezan’i Jehovah izay mpanao sy tompo-marika tamin’ny famoronana, ary loharanon’ny hery nilaina tamin’izany. — Salamo 19:1.
Hoy Andriamanitra tamin’ny lehilahy voalohany: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany.” (Genesisy 2:16, 17). Tsy nila milina mekanika na elektrônika, na fandefasana lavitra ny feo na vata fandefasana onjam-peo (ondes courtes) ohatra, i Jehovah. Mikasika izany dia hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 novambra 1989: “Tsy hitany [ny lehilahy] ilay niteny. Avy any amin’ny faritra tsy hita maso ilay feo ka niteny taminy. Ny an’ny Mpamorona azy, ny an’ilay nanao azy izany. (...) Tsy nila vata fampielezam-peo toy ny amboarina amin’izao androntsika izao izy [ny lehilahy] vao handre ny feon’Andriamanitra. Niresaka nivantana taminy izay olombelona noforoniny Andriamanitra.”
Moa ve Andriamanitra niresaka tamin’i Adama tamin’ny alalan’ny anjely iray, angamba ny Logos izay tonga Jesosy? Mety ho izany tokoa. Tsy niseho ho hentitra i Charles Russel rehefa nanoratra hoe: “Tao amin’ny saha Edena, dia i Jesosy angamba no Solontenan’Andriamanitra teo amin’i Adama.” (Ny Tilikambo Fiambenana, fanontana anglisy tamin’ny 1 febroary 1915). Nitana hatramin’ny ela ny toerana ambony amin’ny maha-“Teny”, na Mpitondra tenin’Andriamanitra teo amin’ny anjely sy ny olombelona ny Zanak’Andriamanitra lahimatoa (Jaona 1:1; 12:49, 50; Apokalypsy 1:1, 2). Noho izany, na dia toa milaza aza ny fitantarana ao amin’ny Genesisy fa niresaka nivantana tamin’i Adama tamin’ny fotoana naha-irery azy Andriamanitra, izany akory tsy manilika ny mety ho nanaovany izany tamin’ny alalan’ny anjely iray, anisan’izany ny Teny, ilay Zanany tany an-danitra. Mbola azo ampoizina kokoa izany satria nampiasain’i Jehovah ny Logos hatrany am-boalohany mba hamoronana ny olombelona, ary ‘naharavoravo azy ny zanak’olombelona’. — Ohabolana 8:22, 31; Jaona 1:3.
Aoka hodinihintsika ohatra, izay nitranga rehefa nananika ny tendrombohitra Sinay i Mosesy. Izao no vakina ao amin’ny Eksodosy 19:21-24: “Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy (...). Ary hoy Mosesy tamin’i Jehovah (...). Ary hoy Jehovah taminy.” Avy eo dia nampidirina tamin’ireto teny ireto ny fampitana ny Didy Folo: “Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe.” (Eksodosy 20:1). Moa ve ireo andininy ireo tsy toa milaza fa nanonona manokana ireo tenin’ny Lalàna Andriamanitra? Toa manamafy izany fiheverana izany ny famakiana fa niteny “nifanatrika” tamin’i Mosesy Andriamanitra. — Eksodosy 33:11.
Nisy fanambarana hafa anefa nomena antsika mikasika izany. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly mikasika ny Lalàna: “Ary nalahatr’anjely teo an-tànan’ny mpanalalana izany.” (Galatiana 3:19). Tatỳ aoriana, dia nampifanoheriny tamin’ny fomba hentitra ireo toromarika nomen’Andriamanitra tao amin’ny Lalàna sy izay noraisin’ny kristiana tamin’ny alalan’i Jesosy: “Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly (...) avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ny fahotana, hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? Dia ilay nampilazaina ny Tompo [Jesosy] tamin’ny voalohany, ary nohamafin’izay nandre tamintsika kosa.” (Hebreo 2:2, 3). Araka izany, dia tsy nanonona ny tenin’ny Lalàna tamin’ny feon’ny tenany Andriamanitra, na nampiasa ny Logos, fa nifidy ny hampiasa anjely hafa.
Inona no tokony hotadidina avy amin’izany rehetra izany? Rehefa vakina fa niresaka tamin’olombelona Andriamanitra, dia voamarika fa matetika izy no nanao izany tamin’ny alalan’ny zavaboary ara-panahy nankatò izay niteny ho an’ny tenany (jereo Genesisy 18:2, 3, 33; 19:1; Eksodosy 3:2-4; Mpitsara 6:11, 12, 20-22). Koa satria Jesosy antsoina hoe ny Teny, dia azo atao ny mihevitra fa nampiasa azy matetika Andriamanitra mba hifandraisana amin’ny zavaboariny hafa. Izany ve no nitranga tamin’i Adama, zanak’Andriamanitra tanteraka? Mety ho izany tokoa. — Lioka 3:38.
Marina fa, tatỳ aoriana, fony teto an-tany ny Logos, dia niteny tamin’ny feo avo intelo ny Ray mba handrenesan’io “Adama farany” io azy (1 Korintiana 15:45; Matio 3:16, 17; 17:1-5; Jaona 12:28-30). Tamin’ireo toe-javatra ireo, nahoana moa Andriamanitra no ho niresaka tamin’ny Zanany sarobidy, na ny aminy, tamin’ny alalana anjely? Ara-dalàna kokoa ny hiheverana fa ny tenan’Andriamanitra mihitsy no niteny: nandre ny feon’Andriamanitra mihitsy ny Zanany tanteraka, ary na dia ny olombelona tsy tanteraka izay teo akaiky teo aza. Rehefa avy namorona an’i Adama ny Rain’io zavamiaina vaovao tanteraka io izay be fitiavana, dia ho afaka niresaka taminy nivantana. Kanefa, noho izay rehetra voalaza tetsy aloha, dia azo inoana ny nampiasany ny Teny.