-
GihonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Rehefa hitan’i Hezekia Mpanjaka (732 T.K.) hoe tena hanafika ny Asyrianina, dia nataony izay tsy hahazoan’ny fahavalo mihitsy ny ranon’i Jerosalema. (2Ta 32:2-4) Notampenany ny ranon’i Gihona tamin’ny fotoana hafa iray, ka naviliny nankany andrefan’ny “Tanànan’i Davida”, tao anatin’ny mandan’i Jerosalema ihany. (2Ta 32:30) Nahalalana ny fomba nanaovany izany ilay soratra voasokitra teo amin’ny rindrin’ilay tionelin-drano izay tonga hatreo amin’ny Dobon’i Siloama, eo amin’ny ilany andrefana amin’ny “Tanànan’i Davida” taloha. Hita tamin’ny taona 1880 io soratra hebreo tranainy io. Nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. izy io, ary milaza fa nisy antokon’olona roa nandavaka an’ilay tionelina tao anaty vatolampy avy teo amin’ny andaniny roa, ka natao izay hifanenan’izy ireo. Tamin’ny 1910, dia afaka daholo izay nanentsina an’ilay tionelina ka hita fa 533 m ny halavany, manodidina ny 1,8 m ny haavony, ary antsasa-metatra monja indraindray ny sakany. Io zava-bita niavaka io dia vokatry ny fiezahan’i Hezekia hiaro ny ranon’i Gihona sy hampisy rano foana tao Jerosalema.
-
-
HezekiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Zava-bita niavaka. Hita mihitsy hoe hendry i Hezekia, rehefa nananontanona ny fanafihan’i Sankeriba, mpanjaka tsy nety afa-po. Nampiasa tetikady koa i Hezekia. Notampenany avokoa mantsy ireo loharano tany ivelan’ny tanànan’i Jerosalema, mba tsy hanan-drano ny Asyrianina raha tonga manao fahirano. Nohamafisiny ny mandan’ny tanàna, ary “nanao lefom-pohy be dia be sy ampinga koa izy.” Tsy nitoky tamin’ny fitaovam-piadiana anefa izy, satria rehefa nangoniny ny vahoaka sy ireo mpiadidy teo amin’ny tafika, dia hoy izy: “Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria sy ny olona rehetra miaraka aminy, fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hanampy antsika sy hiady ho antsika.”—2Ta 32:1-8.
-