-
Mihoby Ilay Vehivavy MombaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
Fantatra ilay vehivavy
3. Nahoana no hanana antony hihobiana ilay vehivavy momba?
3 Izao teny falifaly izao no anombohan’ny toko faha-54: “Mihobia, ry momba, hianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, hianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manam-bady, hoy Jehovah.” (Isaia 54:1) Tena tsy maintsy ho nampihetsi-po an’i Isaia ny nilaza ireo teny ireo! Ary endrey ny fampiononana hoentin’ny fahatanterahan’izy ireo ho an’ny Jiosy babo tany Babylona! Mbola ho lao i Jerosalema amin’izay. Toa tsy ho azo nantenaina ny hisian’ny mponina ao indray, raha araka ny fijerintsika olombelona. Toy ny vehivavy momba efa antitra, izay tsy afaka nanantena ny hiteraka intsony, izy. Nisy fitahiana lehibe niandry an’io vehivavy an’ohatra io anefa: Hiteraka izy. Tsy ho omby tratra ny hafalian’i Jerosalema amin’izay. Ho feno ‘zanaka’, na mponina, indray izy.
4. a) Inona no tenin’i Paoly mampiseho fa tsy maintsy tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa noho ny tamin’ny 537 T.K. ny Isaia toko faha-54? b) Inona moa ilay “Jerosalema any ambony”?
4 Mety ho tsy fantatr’i Isaia akory fa hisy fahatanterahany maromaro io faminaniana io. Manonona ny Isaia toko faha-54, ohatra, ny apostoly Paoly, ary manazava fa mifanitsy amin-javatra lehibe kokoa noho ny tanànan’i Jerosalema teto an-tany ny hoe “vehivavy.” Hoy izy: “Jerosalema any ambony . . ., izay renintsika, dia tsy mba andevo.” (Galatiana 4:26) Inona moa io “Jerosalema any ambony” io? Mazava fa tsy ilay tanànan’i Jerosalema tany amin’ny Tany Nampanantenaina, izay teto an-tany, izy io. ‘Vadin’Andriamanitra’ any an-danitra i “Jerosalema any ambony”, izany hoe ny fandaminany voaforon’ireo anjely mahery.
5. Araka ny Galatiana 4:22-31, mifanandrify amin’iza moa i a) Abrahama? b) Saraha? d) Isaka? e) Hagara? f) Isimaela?
5 Ahoana anefa no ananan’i Jehovah vady an’ohatra roa, ka ny iray any an-danitra ary ilay faharoa eto an-tany? Misy zavatra tsy mifanaraka ve amin’izany? Tsia! Ny tenin’ny apostoly Paoly momba izay mifanandrify amin’ny mpianakavin’i Abrahama no hanazava izany. (Galatiana 4:22-31; jereo “Iza no Mifanandrify Amin’ny Fianakavian’i Abrahama?”, eo amin’ny pejy 218.) I Saraha, ilay vehivavy “tsy andevo” sady vadin’i Abrahama, dia mifanandrify amin’ny fandaminan’i Jehovah voaforon’ireo anjely ary antsoina hoe vadin’i Jehovah. I Hagara, ilay andevovavy sady vadikelin’i Abrahama, kosa dia mifanandrify amin’i Jerosalema eto an-tany.
6. Tamin’ny heviny ahoana ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra no momba, nandritra ny ela be?
6 Rehefa heverina izany, dia mihamazava amintsika izao ny hevitra lalina fonosin’ny Isaia 54:1. Momba nandritra ny am-polo taona i Saraha, nefa rehefa 90 taona izy dia niteraka an’i Isaka. Momba nandritra ny ela be toy izany koa ilay fandaminan’i Jehovah any an-danitra. Nampanantena i Jehovah tany Edena fa hanana ‘taranaka’ io “vehivavy” vadiny io. (Genesisy 3:15) Roa arivo taona mahery tatỳ aoriana, dia nanao fanekena tamin’i Abrahama i Jehovah, momba ilay Taranaka nampanantenaina. Tsy maintsy niandry an-jato taona anefa ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra, vao niteraka an’io Taranaka io. Na izany aza dia nihoatra noho ny isan’ny zanak’i Isiraely araka ny nofo ny an’ny zanak’io ‘vehivavy momba’ taloha io, rehefa nandeha ny fotoana. Iny ohatra ny amin’ilay vehivavy momba iny dia manampy antsika hahazo hoe nahoana ny anjely no may hanambara ny fahatongavan’ilay Taranaka nampanantenaina. (1 Petera 1:12) Oviana tokoa izany no tanteraka?
7. Oviana i “Jerosalema any ambony” no afaka nihoby, ho fahatanterahan’ny Isaia 54:1, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
7 Tena nihoby tokoa ny anjely, rehefa teraka teto an-tany i Jesosy. (Lioka 2:9-14) Tsy io anefa ilay nambaran’ny faminanian’ny Isaia 54:1. Fony i Jesosy nateraky ny fanahy masina tamin’ny taona 29 vao tonga zanaka ara-panahin’i “Jerosalema any ambony” izy. Nambaran’Andriamanitra ampahibemaso tamin’io fa ‘Zanany malalany’ izy. (Marka 1:10, 11; Hebreo 1:5; 5:4, 5) Tamin’izay ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra no tena nihoby, ho fahatanterahan’ny Isaia 54:1. Niteraka an’ilay Taranaka nampanantenaina, dia ny Mesia, ihany izy rehefa ela ny ela! Momba nandritra ny an-jato taona izy, nefa niova izany izao. Mbola nanana antony hafa hihobiana koa anefa izy.
Nanjary maro anaka ilay vehivavy momba
8. Nahoana no afaka nihoby ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra, rehefa niteraka an’ilay Taranaka nampanantenaina?
8 Rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nihoby ilay vadin’Andriamanitra any an-danitra nandray indray an’io Zanaka nankasitrahana io, dia ilay “Lahimatoa tamin’ny maty.” (Kolosiana 1:18) Nanomboka niteraka zanaka ara-panahy hafa koa izy avy eo. Nisy mpanara-dia an’i Jesosy 120 voahosotry ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, ka tonga zanaka koa sady mpiara-mandova amin’i Kristy. Nisy 3 000 nanampy azy ireo, taoriana kely tamin’io andro io ihany. (Jaona 1:12; Asan’ny Apostoly 1:13-15; 2:1-4, 41; Romana 8:14-16) Nihanitombo ny isan’ireo zanaka ireo. Tsy nitombo firy intsony anefa io isany io, rehefa nipoitra kosa ny Kristianina Anarana mpivadi-pinoana. Kanefa niova izany tamin’ny taonjato faha-20.
-
-
Mihoby Ilay Vehivavy MombaNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
-
-
[Sary, pejy 220]
Voahosotry ny fanahy masina i Jesosy, rehefa avy natao batisa, ary nanomboka tamin’izay ny fahatanterahan’ny Isaia 54:1 amin’ny ambaratonga lehibe
-