“Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”
1, 2. a) Inona no mahatonga fiovana eo amin’ny fiainan’ireo tonga kristiana? b) Hatraiza ny Baiboly no afaka manan-kery eo amin’ny olona?
TEO ANTENATENAN’NY taonjato voalohany dia nanoratra taratasy ho an’ny kongregasiona kristiana tany Roma ny apostoly Paoly. Tao amin’izany no nasongadiny fa takina amin’ny kristiana marina ny tsy maintsy hanaovany fiovana. Hoy izy: “Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2). Inona no mampiova ny mpanara-dia an’i Jesosy ka manova na dia ny fomba fisainany aza? Amin’ny fotony, izany dia avy amin’ny herin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
2 Nasehon’i Paoly ny halalin’ny herin’ny Baiboly eo amintsika rehefa nanoratra toy izao izy: “Fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Marina tokoa fa ny hery mahatalanjona ananan’ny Baiboly mahatonga fiovana toy izany eo amin’ny olona dia porofo mampiaiky fa izy io dia mihoatra lavitra noho ny tenin’olombelona fotsiny.
3, 4. Hatraiza ny fetra iovan’ny toetran’ny kristiana?
3 Ny teny grika nadika hoe “miovà” ao amin’ny Romana 12:2 dia avy amin’ny teny hoe métamorphoô. Izany dia manondro fiovana tanteraka, toy ny fiofon’ny fanday ho lolo. Lehibe aoka izany ilay fiovana ka resahin’ny Baiboly ho fiovan’ny toetra maha-izy ny tena mihitsy. Izao no vakintsika ao amin’ny andininy hafa iray ao amin’ny Baiboly: “Fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.” — Kolosiana 3:9, 10.
4 Rehefa nanoratra ho an’ny kongregasionan’i Korinto i Paoly, dia nasehony ny halehiben’ny fiovan-toetra nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo.” (1 Korintiana 6:9-11). Eny, niova ho kristiana fakan-tahaka ny olona naloto fitondrantena sy tia ady, mpangalatra ary mpimamo.
Fiovan-toetra amin’izao androntsika izao
5, 6. Ahoana no nanovan’ny herin’ny Baiboly tanteraka ny toetran’ny zatovolahy iray?
5 Hita amin’izao androntsika izao ny fiovan-toetra toy izany. Ohatra, tany Amerika Atsimo, dia tonga kamboty ny zazalahy kely iray teo amin’ny fahasivy taonany. Nihalehibe tsy nisy fitarihan-dray aman-dreny izy ka nampitombo fahazaran-dratsy maro. Toy izao ny fitantarany: “Teo amin’ny faha-18 taonako aho dia nandevozin’ny zavatra mahadomelina tanteraka, ary efa tany am-ponja noho ny halatra nataoko mba hanomezana fahafahampo ny fahazaran-dratsiko.” Vavolombelon’i Jehovah anefa ny nenitoany, ary afaka nanampy azy tamin’ny farany.
6 Manazava toy izao ilay zatovolahy: “Nanomboka nampianatra ahy ny Baiboly ny nenitoako, ary taorian’ny fito volana, dia afaka tamin’ny fahazarana amin’ny zavatra mahadomelina aho.” Notapahiny koa ny fiarahana tamin’ireo namany taloha ary nahita sakaiza vaovao izy teo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Manohy ny teniny toy izao izy: “Ireo namana vaovao ireo, miaraka amin’ny fianarako ny Baiboly tsy tapaka, no nahatonga ahy handroso ary hanolotra ny fiainako hanompoana an’Andriamanitra tamin’ny farany.” Eny, amin’izao fotoana izao dia kristiana miasa mafy sady manana fiainana madio io mpampiasa zavatra mahadomelina sy mpangalatra taloha io. Ahoana no nandairan’ny fiovana lehibe toy izany? Avy amin’ny herin’ny Baiboly.
7, 8. Lazalazao ny fomba nialana tamin’ny zava-nanahirana avy amin’ny toetra ratsy noho ny fanampian’ny Baiboly.
7 Indro misy ohatra hafa iray avy any atsimon’i Eoropa. Tany, dia nihalehibe tamin’ny fananana toetra ratsy ny tovolahy iray: nahery setra izy. Niady mandrakariva izy. Tamin’ny adihevitra iray tao amin’ny fianakaviana, dia tonga hatramin’ny famelezana ny rainy izy ka nampitsitra azy teo amin’ny tany! Tatỳ aoriana anefa, dia nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nomarihiny ny didin’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Romana manao hoe: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana.” — Romana 12:17-19.
8 Nanampy azy ireo teny ireo hahatsapa ny haratsin’ny fahalemeny. Nandranitra ny feon’ny fieritreretany ny fahalalana ny Baiboly nitombo, ka izany dia nanampy azy handresy ny toetrany mora taitra. Indray mandeha, taorian’ny nandrosoany tamin’ny lafiny sasany teo amin’ny fianarany, dia nanompa azy mafy ny vahiny iray. Tsapan’ilay tovolahy ho nitroatra tao anatiny ny fahatezerana nahazatra azy. Nahatsapa zavatra hafa koa izy avy teo: nahatsiaro fahamenarana izy; ary izany no nanakana azy tsy hanampatra ny fahatezerany. Naneho fifehezan-tena izay anisan’ny vokatry ny fanahy lehibe izy (Galatiana 5:22, 23). Hafa ny toetrany izao noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.
9. Araka ny voalazan’i Paoly, amin’ny alalan’ny inona no iovan’ny toetrantsika?
9 Ahoana anefa no hahazoan’ny Baiboly vokatra mandaitra mahery toy izany? Nilaza i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:10 fa miova noho ny fahalalana marina ny toetrantsika, fahalalana izay hita ao amin’ny Baiboly. Ahoana anefa no anovan’ny fahalalana olona iray?
Ny anjara asan’ny fahalalana marina
10, 11. a) Rehefa mianatra ny Baiboly isika, inona no ianarantsika ny amin’ny toetra tsy faniry sy ny toetra faniry? b) Inona no ilaina fanampin’ny fahalalana mba hitondrana fiovana eo amin’ny toetrantsika?
10 Voalohany, dia tondroin’ny Baiboly ireo toetra mampiavaka tsy faniry izay tokony hariana. Voafaoka amin’izany ny “maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” (Ohabolana 6:16-19.) Faharoa, dia tanisain’ny Baiboly ireo toetra faniry izay tokony hambolentsika toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po”. — Galatiana 5:22, 23.
11 Ny fahalalana marina toy izany dia manampy ny olona tso-po handini-tena ary hahita ny toetra ilainy hambolena sy izay tokony hiezahany hesorina (Jakoba 1:25). Vao fanombohana fotsiny anefa izany. Ankoatra ny fahalalana dia ilaina ny antony manosika, zavatra izay manetsika azy ka mahatonga azy haniry ny hiova. Eto indray koa, dia mila ny fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly izy.
Voatosika ho tonga tsara
12. Amin’ny ahoana ny fahalalana ny toetran’Andriamanitra no manampy antsika hiova?
12 Nilaza i Paoly fa ny toetra voavao faniry dia voavolavola “araka ny endrik’Izay nahary azy”. (Kolosiana 3:10.) Tokony hanahaka ny toetran’Andriamanitra manokana àry ny toetra kristiana (Efesiana 5:1). Aharihary amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly ny toetran’Andriamanitra. Hitantsika ny fomba nifampiraharahany tamin’ny olombelona sy ny toetrany tsara, toy ny fitiavana, fahamoram-panahy, hatsaram-po, famindrampo, ary fahamarinana. Ny fahalalana toy izany dia manosika ny olona mahitsy fo ho tia an’Andriamanitra sy haniry ho tonga ny karazan’olona ankasitrahan’Andriamanitra (Matio 22:37). Toy ny zanaka tia, dia irintsika ny hampifaly ny Raintsika any an-danitra, ka andramantsika tahafina ny toetrany araka izay rehetra azontsika atao na dia eo aza ny fahalementsika sy ny tsy fahatanterahantsika. — Efesiana 5:1.
13. Fahalalana inona no mampianatra antsika ‘ho tia ny fahamarinana ary hankahala ny heloka’?
13 Ny antony manosika antsika dia atanjahin’ny fahalalana omen’ny Baiboly ny amin’ny vokatra ateraky ny toetra tsara sy ny toetra ratsy (Salamo 14:1-5; 15:1-5; 18:20, 24). Fantatsika fa notahina i Davida noho ny fifikirany tamin’Andriamanitra sy ny fitiavany ny fahamarinana, nefa nijaly izy rehefa tsy nahafehy tena. Hitantsika ny fiafarana nampalahelo nanjo an’i Solomona rehefa nihasimba ny toetra tsara nananany tamin’ny fahanterany. Ampifanoherina amin’ny fitahiana vokatry ny fahitsian’i Josia sy Hezekia ny vokatra nampidi-doza nateraky ny fahalemen’i Ahaba sy ny fikirizan’i Manase tamin’ny fivadiham-pinoana (Galatiana 6:7). Mianatra ny ‘ho tia ny fahamarinana sy hankahala ny heloka’ àry isika. — Hebreo 1:9; Salamo 45:7; 97:10.
14. Inona no fikasan’Andriamanitra ny amin’izao tontolo izao sy ny olona eo aminy?
14 Izany antony manosika izany dia mbola hamafisina bebe kokoa ihany amin’ny fahalalana marina ny fikasan’Andriamanitra. Ny fahalalana toy izany no manampy amin’ny fanovana ny ‘fanahin’ny saintsika’, izany hoe ny fanahy izay manosika ny saintsika sy ny asantsika (Efesiana 4:23, 24). Rehefa mianatra ny Baiboly isika, dia fantatsika fa tsy holeferin’Andriamanitra mandrakizay akory ny faharatsiana. Tsy ho ela dia horavany ity izao tontolo izao tsy marina ity ary hanorina “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” izy. (2 Petera 3:8-10, 13.) Iza no hiaina ao amin’io izao tontolo izao vaovao io? “Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” — Ohabolana 2:21, 22.
15. Raha tena mino izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fikasan’i Jehovah isika, amin’ny ahoana izany no hisy heriny amintsika?
15 Raha tena mino izany fampanantenana izany isika, dia hisy heriny eo amin’ny fomba fisainantsika manontolo izany. Rehefa avy naminany ny amin’ny fandringanana ny faharatsiana ny apostoly Petera, dia niteny hoe: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra.” (2 Petera 3:11, 12). Ny toetrantsika dia tokony hovolavolain’ny faniriantsika mafy ny ho anisan’ireo marina hotsimbinina rehefa ho ringana ny ratsy fanahy.
16. Karazan-toetra inona no tsy hanana ny toerany ao amin’izao tontolo izao vaovao, ary amin’ny ahoana izany fahalalana izany no tokony hanan-kery eo amintsika?
16 Mampanantena ny olona mahitsy ny bokin’ny Apokalypsy fa, aorian’ny faran’ity izao tontolo izao ity, dia “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. Avy eo anefa dia ampitandremany fa “ny osa [kanosa, MN ] sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra”, dia holavina (Apokalypsy 21:4, 8). Tena fahendrena tokoa ny hanariana ireo toetra tsy faniry izay tsy holeferin’Andriamanitra ao amin’izao tontolo izao vaovao!
Fanampiana avy any ivelany
17. Karazam-panampiana inona no asain’ny Baiboly tadiavintsika?
17 Na dia izany aza, dia malemy ny olombelona, ary mazàna mila zavatra ambonin’ny fahalalana sy ny antony manosika mba hiovana. Mila fanampiana manokana izy ireo, ary asehon’ny Baiboly antsika ny toerana mety hahitantsika izany. Izao no ambarany, ohatra: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Toy izany koa, raha mifanerasera amin’olona maneho ireo toetra tiantsika hambolena isika, dia hahazo fanampiana betsaka mba hitovy aminy kokoa. — Genesisy 6:9; Ohabolana 2:20; 1 Korintiana 15:33.
18, 19. Inona no ilaintsika hatao mba hamelana ny fanahin’Andriamanitra hiasa eo amin’ny saintsika sy ny fontsika?
18 Ambonin’izany, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no manome fanampiana amin’ny endriky ny fanahy masina — fanahy masina mitovy amin’ilay nampiasaina tamin’ny fahagagana fahiny. Raha ny marina dia antsoina hoe “vokatry ny Fanahy” ireo toetra faniry ambony toy ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa [hatsaram-po, MN ], fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (Galatiana 5:22, 23.) Ahoana no ahazoantsika ny fanampian’ny fanahy masina? Koa satria azo tamin’ny tsindrimandry tamin’ny alalan’ny fanahy masina ny Baiboly, rehefa mamaky azy isika na miresaka izany amin’ny hafa, dia mamela ny saintsika sy ny fontsika hiasan’ny hery mampiaiky avy amin’io fanahy io (2 Timoty 3:16). Raha ny marina, dia nampanantena i Jesosy fa rehefa miresaka amin’ny hafa ny amin’ny fanantenantsika isika, dia afaka mahatsapa ny fiasan’izany fanahy izany mivantana. — Matio 10:18-20.
19 Ankoatra izany dia mandidy ny Baiboly hoe: “Mahareta amin’ny fivavahana.” (Romana 12:12). Amin’ny vavaka no iresahantsika an’i Jehovah, iderantsika azy, isaorantsika azy, ary angatahantsika ny fanampiany. Raha mangataka fanampiana isika mba handresy toetra tsy faniry toy ny fahatezerana mora foana, ny kiry, ny tsy fahampiam-paharetana na ny avonavona, dia hanohana izay fiezahana ataontsika mifanaraka amin’izany vavaka izany ny fanahin’Andriamanitra. — Jaona 14:13, 14, MN; Jakoba 1:5; 1 Jaona 5:14.
20. Nahoana ny kristiana no tokony hiezaka hatrany mba hitafy ny toetra vaovao?
20 Nanoratra ho an’ny kongregasiona voaforon’ny kristiana vita batisa sy voahosotra i Paoly raha nilaza hoe: “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina” (Romana 1:7; 12:2). Ary ao amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia nampiasainy ny endriky ny matoanteny milaza asa mitohy. Toa milaza izany fa miandalana ny fiovana eo amintsika vokatry ny fahalalana marina avy ao amin’ny Baiboly. Toy ireo kristiana tamin’ny andron’i Paoly, dia voahodidin’izao tontolo izao manana hery manimba koa isika amin’izao fotoana izao. Ary sahala aminy, dia tsy tanteraka sy mirona hanao ratsy koa isika (Genesisy 8:21). Noho izany, dia tokony hanohy hiasa mba handresy ny toetra feno fitiavan-tena taloha isika ary hitafy ny toetra vaovao toy ny nataony. Nahita fahombiazana aoka izany ireo kristiana voalohany ka niharihary ho hafa tanteraka tamin’izao tontolo izao nanodidina azy. Manao toy izany koa ny kristiana amin’izao androntsika izao.
Vahoaka ‘ampianarin’i Jehovah’
21. Faminaniana inona avy no tanteraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao?
21 Raha ny marina dia tsy miasa eo amin’ny isam-batan’olona fotsiny ny fanahin’Andriamanitra amin’izao androntsika izao, fa eo amin’ny fandaminana kristiana iray manontolo voaforon’ny kristiana miisa an-tapitrisany maro. Amin’io fandaminana io no tanteraka ny tenin’i Isaia ara-paminaniana hoe: “Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” (Isaia 2:3). Tanteraka amin’izy ireo koa ity faminanian’i Isaia hafa ity: “Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” (Isaia 54:13). Iza moa ireo izay mifaly amin’ny fiadanana satria ampianarin’i Jehovah?
22. a) Iza amin’izao androntsika izao no ampianarin’i Jehovah? b) Manomeza ohatra mba hampisehoana fa miaiky ny maha-hafa ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona any ivelany.
22 Mariho àry ity tapany amin’ny taratasy nosoratana ho an’ny New Haven Register, gazety any Amerikana avaratra ity: “Na dia tezitra sy sosotra sahala amiko aza ianao noho ny fitaomany olona hanaraka izay inoany, dia voatery midera ny fahafoizan-tenany, ny fahadiovany, ny fitondrantenany fakan-tahaka ary ny fomba fiainany mahasalama ianao.” Niresaka ny amin’iza moa ilay mpanoratra? Ny amin’ny antokon’olona mitovy amin’izay voaresaka tao amin’ny Herald any Buenos Aires, any Argentine, izay nilaza hoe: “Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo taona fa izy ireo dia olom-pirenena tia miasa, mahalala onony, mahay mitsitsy ary matahotra an’Andriamanitra.” Toy izany koa, fa niteny toy izao ny gazety italiana La Stampa: “Tsy mandositra ny fandoavan-ketra na mitady hiala amin’ny lalàna manorisory azy noho ny tombontsoany manokana izy ireo. Tafiditra ao amin’ny fomba fiainany isan’andro ny fitsipi-pitondrantena tonga lafatra ny amin’ny fitiava-namana, ny tsy fanekena ho eo amin’ny fitondrana, ny tsy fampiasana herisetra ary ny fanaovana ny marina.”
23. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-fandaminana no miharihary ho hafa?
23 Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-antokon’olona azy, toy ireo kristiana voalohany, no miharihary ho hafa toy izany? Amin’ny lafiny maro, dia mitovy amin’ny olona hafa rehetra izy. Nandova tsy fahatanterahan’olombelona mitovy, sy manan-java-manahirana ara-bola mitovy ary manana zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana mitovy amin’ny an’ny rehetra izy ireo. Amin’ny maha-kongregasiona maneran-tany azy anefa, dia avelany hanan-kery eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra. Ny fisian’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany voaforon’ny tena kristiana dia fampisehoana amin-kery fa Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsindrimandry ny Baiboly. — Salamo 133:1.
Ara-tsindrimandry ny Baiboly
24. Inona no vavaka ataontsika ho an’ny olona maro kokoa?
24 Tao amin’ireo lahatsoratra roa ireo isika dia tsy niresaka afa-tsy ny amin’ny lafin-javatra manamarina roa mba hampiharihariana ny maha-Tenin’Andriamanitra fa tsy tenin’olona ny Baiboly. Na mandinika tsara ny fahendrena tsy manam-paharoan’ny Baiboly, na ny heriny mampiova olona — na koa zavatra hafa maro izay mahatonga azy ho manokana — ireo olona tso-po, dia ho sarotra aminy ny handa ny maha-avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra azy io. Amin’ny maha-kristiana, dia ivavahantsika ny mba hisian’ny olona maro kokoa hiaiky ny amin’izany fahamarinana izany. Avy eo, izy ireny koa dia hamerina ny tenim-pifaliana nataon’ny mpanao salamo hoe: “He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindramponao. Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.” — Salamo 119:159, 160.
Tadidinao ve?
◻ Inona no herin’ny Baiboly eo amin’ny kristiana marina?
◻ Ahoana no anampian’ny fahalalana marina hampiova antsika?
◻ Amin’ny ahoana ny fanampian’ny Baiboly no manosika antsika hamboly toetra tsara ka handresy ny toetra ratsy?
◻ Fanampiana inona no azo raisina mba hampitomboana toetra araka an’Andriamanitra?
◻ Zavatra inona no manamarina ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly no hita eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?
[Sary, pejy 18]
Ny vokatra ratsin’ny fivadihan’i Solomona teo amin’ny fahanterany dia tokony hanosika antsika ho tia ny fahamarinana sy hankahala ny heloka
[Sary, pejy 20]
Raha mangataka ny fanampian’i Jehovah isika, dia hanohana ny fiezahana rehetra ataontsika mba handresena toetra ratsy ny fanahiny.