-
Fihetsika sy FanaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Manintsana ny vovoka amin’ny tongotra. Fomba nampisehoan’ny olona iray fa tsy tompon’andraikitra amin’izay hitranga izy. Nasain’i Jesosy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony ny mpianany, rehefa nisy toerana na tanàna tsy nandray na tsy nihaino azy ireo.—Mt 10:14; Lk 10:10, 11; As 13:51.
-
-
VovokaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Inona no nasain’i Jesosy Kristy nataon’ny mpianany rehefa nisy olona tsy nandray na tsy nihaino azy ireo? Nasainy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony izy ireo, rehefa niala tao amin’izany trano na tanàna izany “mba ho vavolombelona hiampanga azy.” Midika izany fa hiala moramora fotsiny izy ireo ary havelany kosa Andriamanitra hamaly an’izay tao amin’ilay trano na ilay tanàna.—Mt 10:11-15; Lk 9:5; 10:10-12; As 13:50, 51.
-
-
TongotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
An’ohatra koa ny hevitry ny hoe “tongotra” ao amin’ireto: ‘Toerana hasiana ny tongotra’, izany hoe toeram-ponenana na trano sy tany fananan’ny olona iray (Ge 8:9; De 28:65); tany “eram-paladia”, na tany mitovy refy amin’ny sakan’ny tongotra, izany hoe sombin-tany kely indrindra mety hananan’ny olona (As 7:5; De 2:5; ampit. Js 1:3); ‘manainga tongotra’, na manombo-javatra (Ge 41:44, f.a.p.); “aza mandeha matetika mankany (a.b.t.: ataovy mahalana ny tongotrao vao mankany) an-tranon’ny namanao”, na aza hararaotina ny fahatsorany noho izy tia mandray vahiny (Oh 25:17); ‘tsy manao kapa’, na tsy asiana kapa ny tongotra mba hampisehoana hoe afa-baraka na misaona (matetika no tsy nanao kapa ireo nentina ho babo) (Is 20:2); ‘mametraka zavatra eo an-tongotr’olona’ ho fanomezana na ho fanatitra (As 5:1, 2); ‘miankohoka eo an-tongotr’olona’ ho fanajana azy (Mr 5:22); ‘atao eo ambany tongotra’, izany hoe asaina manaiky (1Ko 15:27; He 2:8); ‘manitsakitsaka na manorotoro eo ambany tongotra’, izany hoe mandresy (Ml 4:3; Ro 16:20); ‘mametraka tongotra eo amin’ny hatok’olona’ ho marika fa nandresy azy (Js 10:24); ‘manasa tongotra amin’ny ra’ na mandringana fahavalo (Sl 68:22, 23). Midika ara-bakiteny hoe “manafina tongotra” na ‘manarona tongotra’ ny hoe “mivoaka.” (Mpts 3:24; 1Sa 24:3) Faminaniana ny hoe “hanatsoboka ny tongony ao amin’ny menaka” ny fokon’i Asera. Midika izany fa hahazo ny matavy, na ny faritra lonaka be, izy eo amin’ireo foko hafan’ny Israely. (De 33:24) Nesorin’i Rota ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza, ary natory teo izy mba hiangaviana an’i Boaza hitondra loloha azy araka ny lalàna.—Rt 3:4, 7, 8.
-