Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
“Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy”. — DEOTERONOMIA 32:4.
1. Nahoana isika no manana faniriana raiki-tampisaka hanao ny rariny?
TOY ny ananan’ny olona rehetra faniriana voajanahary ny hotiavina, dia maniry hoentina araka ny rariny koa isika rehetra. Araka ny nosoratan’i Thomas Jefferson, mpitondra fanjakana amerikanina, “[ny fitiavana ny rariny] dia tonga ho azy sy voajanahary, (...) tena anisan’ny maha isika antsika, toy ny fahatsapana, na ny fahitana na ny fandrenesana”. Tsy mahagaga izany, satria noforonin’i Jehovah tahaka ny endriny isika. (Genesisy 1:26). Eny tokoa, nomeny ireo toetra tsara izay manome taratry ny toetrany manokana isika, ka iray amin’izany ny fitiavana ny rariny. Izany no antony ananantsika faniriana raiki-tampisaka ho tia ny rariny, sy aniriantsika mafy ny hiaina ao amin’ny tontolo iray hisian’ny tena rariny sy fahamarinana.
2. Toy inona ny maha zava-dehibe ny fitiavana ny rariny, eo imason’i Jehovah, ary nahoana isika no mila mahatakatra ny atao hoe rariny araka an’Andriamanitra?
2 Manome toky antsika toy izao momba an’i Jehovah ny Baiboly: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4). Ao amin’ny tontolo iray anjakan’ny tsy rariny anefa, dia tsy mora ny mahatakatra ny atao hoe rariny araka an’Andriamanitra. Kanefa, amin’ny alalan’ireo fitantarana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Teniny, dia azontsika atao ny manavaka ny fomba ampiharan’Andriamanitra ny rariny, ary azontsika atao mihitsy aza ny ho tonga amin’ny fahatakarana bebe kokoa ireo lalany mampitolagaga. (Romana 11:33). Zava-dehibe ny fahatakarana ny atao hoe rariny araka ny Baiboly, satria mety hisy heriny eo amin’ny fihevitsika ny atao hoe rariny, ny fihevitr’olombelona. Araka ny fihevitr’olombelona, ny rariny dia mety hoheverina ho fampiharana tsotra fotsiny ny fitsipiky ny lalàna, amin’ny fomba tsy misy fiangarana. Na hoe “ny rariny dia fanomezana ho an’ny olona izay mendrika azy avy”, araka ny nosoratan’ilay filôzôfa atao hoe Francis Bacon. Mihoatra lavitra noho izany anefa no tafiditra ao amin’ny fitiavan’i Jehovah ny rariny.
Mahafaly ny fo ny fitiavan’i Jehovah ny rariny
3. Inona no azo ianarana avy amin’ny fandinihana ireo teny tany am-boalohany ampiasaina ao amin’ny Baiboly, nadika hoe rariny sy fahamarinana?
3 Azo atao ny mahatakatra tsara kokoa ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny, amin’ny fandinihana ny fomba nampiasan’ny Baiboly ireo teny tany am-boalohany.a Mahaliana fa tsy misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny rariny sy ny fahamarinana, ao amin’ny Soratra Masina. Raha ny marina dia miara-ampiasaina ireo teny hebreo indraindray, araka ny hitantsika ao amin’ny Amosa 5:24, izay nampirisihan’i Jehovah ny vahoakany toy izao: “Aoka [ny rariny, NW ] hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.” Ankoatra izany, dia imbetsaka no miara-miseho ny teny hoe “rariny sy fahamarinana” ho fanantitranterana. — Salamo 33:5; Isaia 33:5; Jeremia 33:15, NW; Ezekiela 18:21, NW; 45:9, NW.
4. Inona ny dikan’ny hoe manao ny rariny, ary inona no fari-pitsipika amaritana ny atao hoe rariny fara tampony?
4 Inona no hevitr’ireo teny hebreo sy grika ireo? Ny hoe manao ny rariny, araka ny heviny ao amin’ny Soratra Masina, dia hoe manao izay marina, sy tsy miangatra. I Jehovah no mpanorina ireo lalàna sy foto-pitsipika ara-pitondran-tena, izany hoe, izy no mamaritra izay atao hoe marina sy tsy miangatra. Ny fomba fanaovany zavatra àry izany no fari-pitsipika fara tampony amaritana ny atao hoe rariny. Manazava ny Theological Wordbook of the Old Testament fa ilay teny hebreo nadika hoe fahamarinana (tseʹdheq) dia “manondro fari-pitsipika ara-pitondran-tena iray, ary mazava ho azy fa araka ny toetra sy ny sitrapon’Andriamanitra izany fari-pitsipika izany, ao amin’ny T[estamenta] T[aloha]”. Araka izany, ny fomba ampiharan’Andriamanitra ireo foto-pitsipiny, ary indrindra ny fomba itondrany ny olombelona tsy lavorary, dia mampiharihary ny tena hevitry ny hoe rariny sy fahamarinana.
5. Inona avy ireo toetra mifamatotra akaiky amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny?
5 Asehon’ny Soratra Masina mazava fa mahafaly ny fo ny rariny araka an’Andriamanitra fa tsy henjana sy tsy milefitra. Nihira toy izao i Davida: “Jehovah tia ny rariny sady tsy hahafoy ny olony masina”. (Salamo 37:28). Manosika an’Andriamanitra haneho fahatokiana amin’ireo mpanompony sy fangorahana azy ireny, ny fitiavany ny rariny. Mahatsapa izay ilaintsika sady manisy fiheverana ny tsy fahalavorariantsika, ny rariny araka an’Andriamanitra. (Salamo 103:14). Tsy midika akory izany fa manala tsiny ny faharatsiana Andriamanitra, satria ny fanaovany izany dia handrisika ny fitiavana ny tsy rariny. (1 Samoela 3:12, 13; Mpitoriteny 8:11). Nanazava tamin’i Mosesy i Jehovah fa ‘mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana’. Na dia vonona hamela heloka sy fahadisoana aza Andriamanitra, dia tsy hamela ireo mendrika ny famaizana ho afa-maina amin’izany kosa. — Eksodosy 34:6, 7.
6. Ahoana no itondran’i Jehovah ireo zanany etỳ an-tany?
6 Rehefa misaintsaina ny amin’ny fomba ampiharan’i Jehovah ny rariny isika, dia tsy tokony hihevitra azy ho mpitsara tsy azo ivalozana, izay tsy miraharaha afa-tsy ny hampihatra sazy amin’ny mpanao ratsy. Mifanohitra amin’izany kosa, fa tokony hihevitra azy ho ray be fitiavana nefa hentitra isika, dia ray izay mitondra ny zanany amin’ny fomba tsara indrindra foana. “Jehovah ô, Rainay Hianao”, hoy i Isaia mpaminany. (Isaia 64:7). Amin’ny maha Ray tia ny rariny sy fahamarinana an’i Jehovah, dia hentitra izy raha ny amin’izay marina. Izany anefa dia ampifandanjainy amin’ny fangoraham-po miharo fitiavana an’ireo zanany etỳ an-tany, izay mila fanampiana sy famelan-keloka noho ny tarehin-javatra sarotra misy azy sy ny fahalemen’ny nofony. — Salamo 103:6, 10, 13.
Fanazavana ny atao hoe rariny
7. a) Inona no ianarantsika momba ny rariny araka an’Andriamanitra, avy amin’ny faminanian’i Isaia? b) Inona no anjara asan’i Jesosy teo amin’ny fampianarana ny jentilisa momba ny rariny?
7 Nisongadina ny maha feno fangoraham-po ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, fony tonga ny Mesia. Nampianatra ny rariny araka an’Andriamanitra i Jesosy sady niaina nifanaraka tamin’izany, araka ny nambaran’i Isaia mpaminany mialoha. Mazava fa tafiditra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny ny fitondrana amim-pitiavana ireo voahosihosy. Araka izany, dia tsy hoe tsy misy fanafany akory ny toe-javatra misy azy ireny. Tonga tetỳ an-tany i Jesosy, ilay ‘mpanompon’i Jehovah’ mba ‘hitory tamin’ny jentilisa’ momba an’io lafiny amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny io. Nanao izany indrindra indrindra izy tamin’ny fanomezana antsika ohatra velona ny amin’ny dikan’ny hoe rariny araka an’Andriamanitra. Tamin’ny naha “Rantsana marina” avy amin’i Davida Mpanjaka azy, i Jesosy dia dodona ‘nikatsaka ny rariny ary mailaka hanao ny fahamarinana’. — Isaia 16:5, NW; 42:1-4; Matio 12:18-21; Jeremia 33:14, 15.
8. Nahoana no nanjary tsy nazava ny tena rariny sy fahamarinana tamin’ny taonjato voalohany?
8 Tena nilaina indrindra izany fanazavana momba ny fitiavan’i Jehovah ny rariny izany tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Ireo loholona sy mpitarika ara-pivavahana jiosy — ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary ny hafa — dia sady nanambara fomba fihevitra naolana ny amin’ny rariny sy ny fahamarinana, no ohatra velona nampiseho izany fomba fihevitra izany koa. Ho vokatr’izany, ny sarambabem-bahoaka izay nahita fa tsy azo natao ny hiaina nifanaraka tamin’ireo zavatra notakin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia azo inoana fa nieritreritra hoe tsy azo notratrarina velively ny fahamarinan’Andriamanitra. (Matio 23:4; Lioka 11:46). Nasehon’i Jesosy fa tsy izany no izy. Nifidy ny mpianany avy tamin’ireny sarambabem-bahoaka ireny izy, ary nampianatra azy ireo ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra. — Matio 9:36; 11:28-30.
9, 10. a) Ahoana no nitadiavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hampiseho ny fahamarinany? b) Ahoana no nampihariharian’i Jesosy fa zava-poana ny fanaon’ny mpanora-dalàna sy Fariseo, ary nahoana izy no nampiharihary izany?
9 Ny Fariseo, tetsy an-danin’izany, dia nitady fahafahana hampideradera ny ‘fahamarinany’, tamin’ny fanaovana vavaka na fanomezana teny ampahibemaso. (Matio 6:1-6). Niezaka nampiseho ny fahamarinany koa izy ireo tamin’ny fifikirana tamin’ny lalàna sy fitsipika tsy hita isa — ka ny maro tamin’ireny dia notefitefen’izy ireo ihany. Nahatonga azy ireo ‘handalo ny [rariny, NW ] sy ny fitiavana an’Andriamanitra’ ny ezaka toy izany. (Lioka 11:42). Tetỳ ivelany, izy ireny dia nety ho niseho ho marina, kanefa tao anatiny dia ‘feno tsy fankatoavan-dalàna’ na tsy fahamarinana. (Matio 23:28). Raha lazaina tsotra, dia tena tsy nahalala firy momba ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo.
10 Noho izany, dia nampitandrina ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy: “Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” (Matio 5:20). Loharanon’ny fifandirana matetika teo amin’i Jesosy sy ny mpanora-dalàna ary ny Fariseo ny fahasamihafana nibaribary teo amin’ny rariny araka an’Andriamanitra nasehon’ny ohatr’i Jesosy, sy ny fanamarinan-tena nampiseho fahateren-tsaina teo amin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo.
Fifanoheran’ny rariny araka an’Andriamanitra sy ny rariny naolana
11. a) Nahoana ny Fariseo no nanontany an’i Jesosy momba ny fanasitranana tamin’ny Sabata? b) Inona no nahariharin’ny valin-tenin’i Jesosy?
11 Nandritra ny fanompoany tany Galilia tamin’ny lohataonan’ny 31 am.f.i., dia nahita lehilahy iray maty tanana tao amin’ny synagoga, i Jesosy. Koa satria Sabata tamin’izay, dia nanontany an’i Jesosy toy izao ny Fariseo: “Mety va ny mahasitrana amin’ny Sabata?” Tena tsy niraharaha ny fahorian’io lehilahy nampahonena io izy ireo fa naniry hitady hirika kosa hanamelohana an’i Jesosy, araka ny nahariharin’ny fanontaniany. Tsy mahagaga àry raha nalahelo noho ny hamafin’ny fon’izy ireo i Jesosy! Tamin’izay fotoana izay dia fanontaniana nitovy tamin’izany ihany no nasetriny nivantana ny an’ireo Fariseo. Hoy izy: ‘Mety ve ny manao soa amin’ny sabata?’ Rehefa tsy nahateny ireo, dia ny tenan’i Jesosy ihany no namaly ilay fanontaniana. Nanontaniany izy ireo raha tsy hamonjy ny ondry iray latsaka any an-kady amin’ny Sabata.b “Tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona?”, hoy i Jesosy nanjohy hevitra tamin’ny fomba lôjika tsy azo nolavina. “Koa amin’izany dia mety [na rariny] ny manao soa amin’ny Sabata”, hoy ny fanatsoahan-keviny. Tsy tokony ho voasakantsakan’ny lovantsofin’olombelona na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny. Rehefa avy nanazava tsara io hevitra io i Jesosy, dia niroso tamin’ny fanasitranana ny tanan’ilay lehilahy. — Matio 12:9-13; Marka 3:1-5.
12, 13. a) Nifanohitra tamin’ny nataon’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ahoana no nanehoan’i Jesosy ny fahalianany hanampy ny mpanota? b) Inona no fahasamihafana eo amin’ny rariny araka an’Andriamanitra sy ny fanamarinan-tena?
12 Raha tsy niraharaha firy ireo kilemaina ara-batana ny Fariseo, dia vao mainka koa tsy niraharaha ireo nampahantraina tamin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Nahatonga azy ireo hanao tsinontsinona sy hanamavo ny mpamory hetra sy ny mpanota ny fomba fiheviny niolana mahakasika ny fahamarinana. (Jaona 7:49). Na izany aza, dia maro tamin’ireny olona ireny no nandray tsara ny fampianaran’i Jesosy, tsy isalasalana fa noho ny fahatsapany ny fanirian’i Jesosy hanampy fa tsy hitsara. (Matio 21:31; Lioka 15:1). Nanao tsinontsinona ny fiezahan’i Jesosy hanasitrana ireo narary ara-panahy anefa ny Fariseo. “Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy”, hoy izy ireo nimonomonona sy nanome tsiny. (Lioka 15:2). Ho setrin’ny fiampangan’izy ireo azy, dia nampiasa fanoharana ny amin’ny mpiandry ondry indray i Jesosy. Toy ny ifalian’ny mpiandry ondry rehefa hitany ilay ondriny very, no ifalian’ny anjely any an-danitra rehefa mibebaka ny mpanota iray. (Lioka 15:3-7). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nifaly rehefa afaka nanampy an’i Zakaiosy hibebaka sy hiala tamin’ny lalam-pitondran-tena ratsy narahiny teo aloha, izy. “Tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very”, hoy izy. — Lioka 19:8-10.
13 Ireny fifandonana ireny dia mampiharihary ny fahasamihafan’ny rariny araka an’Andriamanitra izay miezaka hanasitrana sy hamonjy, sy ny fanamarinan-tena izay miezaka hanandratra olom-bitsy fa hanameloka ny maro kosa. Nahatonga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hieboebo ary hihevi-tena ho zavatra, ireo fombafomba poaka aty sy lovantsofina nataon’olombelona. Nasehon’i Jesosy mazava tsara anefa, fa ‘navelan’izy ireo izay lehibe tamin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana’. (Matio 23:23). Enga anie isika hanahaka an’i Jesosy eo amin’ny fitiavana ny tena rariny, ka haneho izany eo amin’izay rehetra ataontsika, ary hitandrina koa mba tsy ho latsaka ao amin’ny fanamarinan-tena.
14. Ahoana no ampisehoan’ny iray tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy fa manisy fiheverana ny tarehin-javatra misy ny olona, ny rariny araka an’Andriamanitra?
14 Na dia nanda ireo fitsipika jadon’ny Fariseo aza i Jesosy, dia tena notandremany kosa ny Lalàn’i Mosesy. (Matio 5:17, 18). Tamin’ny fanaovana izany, dia tsy navelan’i Jesosy hitranga ny hoe tsy hanan-kery intsony ireo foto-pitsipika raketin’io Lalàna marina io, noho ny fandraisana ara-bakiteny ilay hevitra fonosiny. Rehefa nikasika ny akanjony ny vehivavy iray nitsi-dra nandritra ny 12 taona, ka sitrana, dia hoy i Jesosy taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 8:43-48). Ireo tenin’i Jesosy feno hatsaram-panahy ireo dia nanamafy fa nanisy fiheverana ny tarehin-javatra nisy an’ilay vehivavy ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny. Na dia naloto ara-pomba sy araka ny lalàna aza io vehivavy io, ka nandika araka izany ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny fiharoharoany tamin’ny vahoaka, dia mendrika ny hovalian-tsoa ny finoany. — Levitikosy 15:25-27; ampitahao amin’ny Romana 9:30-33.
Ho an’ny rehetra ny fahamarinana
15, 16. a) Mampianatra inona antsika momba ny rariny ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy? b) Nahoana isika no tokony hanalavitra ny ho “marina loatra”?
15 Tsy vitan’ny hoe nanantitrantitra ny naha feno fangorahana ny rariny araka an’Andriamanitra i Jesosy, fa nampianatra ireo mpianany koa izy fa tokony hahafaoka ny olona rehetra, izy io. Ny sitrapon’i Jehovah dia ny ‘hamoahany [ny rariny, NW ] ho an’ny jentilisa’. (Isaia 42:1). Izany no hevi-dehibe tao amin’ny iray tamin’ireo fanoharana malaza indrindra nataon’i Jesosy, dia ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. Valin’ny fanontaniana napoitran’ny lehilahy iray nahay tsara ny Lalàna, ka “ta-hanamarina ny tenany”, io fanoharana io. “Iza ary no namako?”, hoy izy nanontany, tsy isalasalana fa satria tiany hoferana amin’ny vahoaka jiosy, ny adidiny amin’ny namana. Nampiseho fahamarinana araka an’Andriamanitra ilay Samaritana tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, satria vonona handany ny fotoanany sy ny volany hanampiana olon-tsy fantatra iray hafa firenena, ny tenany. Nofaranan’i Jesosy ilay fanoharany tamin’ny fanoroana an’ilay nametraka fanontaniana taminy izao hevitra izao: “Mba manaova toy izany koa.” (Lioka 10:25-37). Raha manao soa amin’ny olona rehetra toy izany koa isika, na inona na inona firazanany na foko niaviany, dia hanahaka ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny isika. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
16 Ny ohatry ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo kosa etsy an-danin’izany, dia mampahatsiahy antsika fa raha manao ny rariny araka an’Andriamanitra isika, dia tsy tokony ho “marina loatra”. (Mpitoriteny 7:16). Tsy hahazoantsika sitraka amin’Andriamanitra ny fitadiavana hampiaiky volana ny hafa amin’ny fampideraderana ny fahamarinantsika, na amin’ny fanaovantsika ho zava-dehibe loatra ireo fitsipika nataon’olombelona. — Matio 6:1.
17. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hanehoantsika rariny araka an’Andriamanitra?
17 Ny antony iray nanazavan’i Jesosy tamin’ny jentilisa momba ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny, dia ny mba hahafahan’ny mpianany rehetra hianatra haneho io toetra io. Nahoana izany no zava-dehibe aoka izany? Mampirisika mafy antsika ny Soratra Masina mba “hanahaka an’Andriamanitra”, ary ny lalan’Andriamanitra rehetra dia amin’ny rariny avokoa. (Efesiana 5:1). Manazava toy izany koa ny Mika 6:8 (NW ) fa iray amin’ireo zavatra takin’i Jehovah ny ‘hanaovantsika ny rariny’ eo am-piarahantsika mandeha amin’Andriamanitra. Ankoatra izany, ny Zefania 2:2, 3, dia mampahatsiahy antsika fa tsy maintsy ‘mitady ny fahamarinana’ isika, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, raha irintsika ny ho voafina mandritra io andro fahatezerany io.
18. Inona avy no fanontaniana hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Izao andro farany sarotra izao àry no “andro fankasitrahana” mba hanaovana ny rariny. (2 Korintiana 6:2). Afaka matoky isika fa raha ‘mitafy ny fahamarinana sy ny rariny tahaka ny lamba’, toa an’i Joba, isika, dia hitahy antsika i Jehovah. (Joba 29:14). Amin’ny ahoana ny finoana ny fitiavan’i Jehovah ny rariny no hanampy antsika hibanjina amim-patokiana ny hoavy? Ambonin’izany, eo am-piandrasantsika ny “tany vaovao” sy marina, ahoana no iarovan’ny rariny araka an’Andriamanitra antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy? (2 Petera 3:13). Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teny lehibe telo no ampiasaina ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny iray amin’ireny (mish·patʹ), dia adika matetika hoe “rariny”. Ireo roa hafa (tseʹdheq sy ilay teny iray tarika aminy hoe tsedha·qahʹ) dia adika hoe “fahamarinana” amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. Ilay teny grika nadika hoe “fahamarinana” (di·kai·o·syʹne) dia nofaritana hoe “izay araka ny marina na araka ny rariny”.
b Nahay nifidy tsara ilay ohatra i Jesosy, satria ny lalàna am-bava jiosy dia namela mazava azy ireo hitondra fanampiana ho an’ny biby iray tra-doza tamin’ny Sabata. Tamin’ny tarehin-javatra maromaro hafa, dia mbola nisy fifandonana momba io raharaha niadian-kevitra io ihany, dia ny hoe nety sa tsia ny nanasitrana tamin’ny Sabata. — Lioka 13:10-17; 14:1-6; Jaona 9:13-16.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no dikan’ny hoe rariny araka an’Andriamanitra?
◻ Ahoana no nampianaran’i Jesosy ny rariny tamin’ny jentilisa?
◻ Nahoana no niolana ny fahamarinan’ny Fariseo?
◻ Nahoana isika no mila manao ny rariny?
[Sary, pejy 8]
Nohazavain’i Jesosy ny maha zava-dehibe ny rariny araka an’Andriamanitra