Moa ve Ianao Hamono Lahin-jiro Manetona Iray?
NANAMBARA ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny karazan’olona rehetra i Jesosy Kristy. Maro tamin’izy ireo no nampahorina sy kivy. Nanome azy ireo hafatra nampahery fo anefa i Jesosy. Niantra ny olona nijaly izy.
I Matio, mpanoratra Filazantsara, dia nanasongadina ny fiantran’i Jesosy tamin’ny fisarihana ny saina ho amin’ny faminaniana iray noraketin’i Isaia an-tsoratra. Nanonona teny notanterahin’i Kristy i Matio, ka nanoratra hoe: “Tsy hotapahiny ny [zozoro, NW ] torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy”. (Matio 12:20; Isaia 42:3). Inona no tian’ireo teny ireo holazaina, ary ahoana no nanatanterahan’i Jesosy io faminaniana io?
Ilay faminaniana
Ny zozoro mazàna dia maniry eny amin’ny heniheny ary tsy zavamaniry matanjaka sy mafy orina izy io. Ny “zozoro torotoro” iray àry dia malemy tokoa. Noho izany, izy io dia toa mampiseho ireo olona ampahorina na mijaly toy ilay lehilahy maty tanana izay nositranin’i Jesosy tamin’ny Sabata. (Matio 12:10-14). Ahoana anefa ny amin’ilay faminaniana momba ilay lahin-jiro iray?
Ny jiro fahita tao an-tokantrano tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. dia vilany tany toy ny siny kely nisy tahony nanao faribolana. Nofenoina diloilon’oliva mazàna ilay jiro. Tamin’ny alalan’ny hirika kely, ny lahin-jiro iray vita tamin’ny rongonimbazaha dia nisintona sy nampakatra ilay diloilo mba hirehetan’ilay lelafo. Mazava ho azy fa ny ‘lahin-jiro iray nanetona’ dia lahin-jiro iray efa ho faty.
I Jesosy dia nanambara ny hafany feno fampiononana tamin’ny olona maro izay toy ny zozoro torotoro, niforitra sy voatositosika, amin’ny heviny ara-panoharana. Ireny olona ireny dia toy ny lahin-jiro nanetona koa satria kely foana sisa dia ho faty ny aina kely farany tao aminy. Tena nampahorina sy kivy izy ireny. Kanefa, i Jesosy dia tsy nanitsakitsaka ny zozoro torotoro ara-panoharana iray na namono ny lahin-jiro nanetona ara-panoharana iray. Ireo teniny feno fitiavana sy fanehoam-pitiavana ary fiantrana dia tsy nampitombo ny fahakiviana na ny fahaketrahan’ireo olona efa nijaly. Ireo teniny sy fomba nifampiraharahany taminy kosa dia nampitraka azy ireny. — Matio 11:28-30.
Amin’izao andro izao koa, dia olona maro no mila fiantrana sy fampaherezana satria miatrika zava-manahirana mahaketraka ny fo izy ireo. Na dia ny mpanompon’i Jehovah aza dia tsy andry matanjaka foana. Indraindray ny sasany dia mitovy amin’ny lahin-jiro manetona. Noho izany, ny Kristiana dia tokony hifampahery — hikopaka ny afo, raha azo atao ny milaza izany — ka hifampahatanjaka. — Lioka 22:32; Asan’ny Apostoly 11:23, NW.
Amin’ny maha-Kristiana antsika, isika dia maniry ny hampahery. Tsy hinia hitady ny hampahalemy na iza na iza mitady fanampiana ara-panahy isika. Eny tokoa, maniry ny hanahaka ny ohatr’i Jesosy isika amin’ny fanatanjahana ny hafa. (Hebreo 12:1-3; 1 Petera 2:21). Ny mety hanitsakitsahantsika tsy nahy an’izay manatona antsika mba hahazo fampaherezana dia antony tsara tokony hieritreretantsika tsara ny amin’ny fomba hifampiraharahantsika amin’ny hafa. Tena tsy maniry ‘hamono lahin-jiro manetona iray’ tokoa isika. Toro lalana araka ny Soratra Masina inona avy no afaka manampy antsika amin’io lafiny io?
Ireo vokatry ny fanakianana
Raha misy Kristiana iray ‘azon’ny ota tsy nahy, ireo izay manana ireo toetra ara-panahy ilaina dia tokony hiezaka hanarina izany olona izany amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy’. (Galatiana 6:1, NW ). Kanefa, hety ve ny hoe hitady fahadisoana ao amin’ny hafa, ka hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hanitsiana azy ireo? Na koa, ho araka ny hitsiny ve ny hoe hanosika azy ireo hanao tsaratsara kokoa amin’ny fanipazana hevitra fa hoe tsy ampy ny ezaka ataony izao, ka angamba hahatonga azy hahatsiaro tena ho meloka? Tsy misy porofo fa hoe nanao zavatra karazan’izany i Jesosy. Na dia ny hanampy ny hafa hihatsara aza no fikasantsika, ireo izay mahazo fanakianana tsy misy hatsaram-panahy dia mety hahatsiaro ho mihamalemy fa tsy ho mihamatanjaka. Na dia ny fanakianana mampiorina aza dia afaka ny ho tena hanakivy raha manjary tafahoatra. Raha tsy mahazo afa-tsy fanomezan-tsiny ny ezaka tsara indrindra ataon’ny Kristiana malina tsara iray, dia mety hiraviravy tanana tanteraka izy ka hanao hoe: ‘Inona akory no antony hanandramako?’ Eny tokoa, mety hanary toky tanteraka izy.
Na dia zava-dehibe aza ny fanomezana torohevitra araka ny Soratra Masina, dia tsy tokony ho izany no hampiavaka ny toe-tsain’ireo loholona voatendry na ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Ireo fivoriana kristiana dia tsy natao voalohany indrindra mba hanomezana sy handraisana torohevitra. Miara-mivory tsy tapaka kosa isika mba hifampahery sy hifampahatanjaka mba hahafahan’ny rehetra ho faly noho ny fifaneraserana amin’ny hafa sy noho ny fanompoana masina ataony ho an’Andriamanitra. (Romana 1:11, 12; Hebreo 10:24, 25). Tsara erỳ rehefa voavatsika ny fahasamihafana eo amin’ny fahadisoana lehibe iray sy ny tsy fahatanterahana iray izay fahendrena sy fanehoam-pitiavana ny manadino azy! — Mpitoriteny 3:1, 7; Kolosiana 3:13.
Manao zavatra haingana kokoa eo anoloan’ny fampaherezana noho ny fanakianana ny olona. Raha ny marina, rehefa mahatsiaro ho mahazo fanakianana tsy ara-drariny ny olona, dia mety ho vao mainka hifikitra mafy kokoa amin’ilay fitondran-tena nokianina! Rehefa anaovana teny fiderana mendrika azy anefa izy, dia mampitraka azy izany, ary dia voatosika hihatsara izy. (Ohabolana 12:18). Noho izany, toa an’i Jesosy, dia aoka isika hampahery ka tsy ‘hamono lahin-jiro manetona iray’ na oviana na oviana.
Ahoana ny amin’ny fanaovana fampitahana?
Tena afaka ny hanome antony manosika ny fandrenesana ireo fanandraman-javatra tsara hitan’ny Kristiana hafa. Ny tenan’i Jesosy dia nifaly rehefa nahare ny amin’ny fahombiazan’ny mpianany nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Lioka 10:17-21). Toy izany koa, rehefa mahare ny amin’ny fahombiazan’ny hafa, ny ohatra tsarany, na ny tsy fivadihany ao amin’ny finoana isika, dia mahazo fampaherezana ary mahatsiaro ho tapa-kevitra kokoa ny hifikitra amin’ny lalana kristiana arahintsika.
Kanefa, ahoana raha aseho amin’ny fomba izay toa milaza hoe: ‘Tsy tsara toy ireny Kristiana ireny ianao, ary tokony hanao be lavitra noho ny efa ataonao’, ny tatitra iray? Azo inoana ve fa hanomboka hanao ezaka mafy mba hihatsarana ilay nihaino izany? Azo heverina fa hanjary ho kivy izy ary angamba hanary toky, indrindra fa raha atao na anipazan-kevitra matetika ny fampitahana. Izany dia hitovy be dia be amin’ny ray na ny reny iray manontany ny zanany hoe: ‘Nahoana ianao no tsy mba tahaka ny zokinao [na zandrinao]?’ Ny teny toy izany dia mety hiteraka tsy fahafaliana sy fahakiviana, nefa tsy azo inoana fa hampirisika ho amin’ny fitondran-tena tsaratsara kokoa izany. Mety hisy vokatra mitovy amin’izany eo amin’ny olon-dehibe ny fanaovana fampitahana, ka hahatonga azy ho tsy faly amin’ilay anaovana fampitahana aminy mihitsy aza.
Tsy afaka ny hanantena ny hanaovan’ny rehetra zavatra mitovy eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika. Tao amin’ny iray tamin’ny fanoharan’i Jesosy, ny tompo iray dia nanome an’ireo mpanompony talenta iray, na roa, na dimy. Izy ireo dia nomena “samy araka izay fahaizany avy”. Ireo mpanompo roa izay nanao raharaham-barotra tamim-pahendrena ka nampitombo ny talentany avy, dia nanaovana teny fiderana satria nahatoky izy ireo, na dia vokatra samy hafa aza no nateraky ny asan’izy ireo. — Matio 25:14-30.
Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly araka ny mety: “Aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa”. (Galatiana 6:4). Mba hampaherezana marina ny hafa àry, dia tokony hiezaka ny hanalavitra ny fanaovana fampitahana tsy manorina isika.
Fomba sasany hampaherezana
Inona no azontsika atao mba hampaherezana ireo kivy sy mba hanalavirana ny ‘famonoana lahin-jiro manetona iray’? Ny fanomezana fampaherezana akory tsy raharaha momba ny fanarahana formule voafaritra tsara iray. Kanefa, azo inoana fa ireo tenintsika dia hampahery ny hafa raha mampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly isika. Inona avy ny sasany amin’izy ireo?
Aoka ianao hanetry tena. Ao amin’ny Filipiana 2:3, i Paoly dia nampirisika antsika mba ‘tsy hanao na inona na inona [noho ny fitiavana fifandirana na noho ny fizahozahoana, NW ]’. Tokony hiteny sy hanao zavatra amim-panetren-tena kosa isika. ‘Amin’ny fanetren-tena dia tokony hanao ny namantsika ho mihoatra noho ny tenantsika isika.’ Tsy nilaza akory i Paoly hoe tokony hihevitra ny tenantsika ho tsinontsinona isika. Kanefa, tokony hahatakatra isika fa misy ihoaran’ny olona tsirairay antsika. Ilay teny grika nadika eto hoe “mihoatra” dia manipy hevitra fa ny lehilahy iray dia “mampivily ny masony tsy hahita ny tombontsoan’ny tenany manokana, ka mandinika amim-pitandremana ireo fahaizana voajanaharin’ny olon-kafa iray izay mahatonga azy io hihoatra ny hafa”. (New Testament Word Studies, nataon’i John Albert Bengel, Boky 2, pejy 432). Raha manao izany isika, ka mihevitra ny hafa ho mihoatra noho isika, dia hifampiraharaha amin’izy ireo amim-panetren-tena.
Manehoa fanajana. Amin’ny filazana ny hevitsika amim-pahatsoram-po, dia afaka mampiseho mazava isika fa manam-patokiana an’ireo mpiray finoana amintsika mahatoky, ka mihevitra azy ireo ho toy ny olona maniry ny hampifaly an’Andriamanitra. Aoka anefa hatao hoe mila fanampiana ara-panahy izy ireo. Amin’izay, dia aoka isika hanome fanampiana amin’ny fomba feno fanajana sy fahamendrehana. Nilaza izany tamin’izao fomba izao i Paoly: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” — Romana 12:10.
Mahaiza mihaino. Eny, mba hampaherezana an’ireo izay miatrika zava-manahirana mahakivy, dia mila ny ho olona mahay mihaino, fa tsy ho mpibedibedy, isika. Tsy hanolotra fanipazan-kevitra haingana sy marivo isika, fa aoka kosa isika haka ny fotoana ilaina mba hanomezana toro lalana araka ny Soratra Masina izay mifanentana marina amin’izay tena ilaina. Raha tsy fantatsika izay tokony holazaintsika, ny fikarohana ara-baiboly dia hanampy antsika hiteny amin’ny fomba mampionona sy hanatanjaka ny hafa.
Aoka ianao ho be fitiavana. Mila ny mahatsapa fitiavana an’ireo izay irintsika hampaherezina isika. Rehefa ampiharina amin’ireo mpiara-manompo an’i Jehovah amintsika ny fitiavantsika, dia tokony hihoatra ny fanaovan-javatra mba hahasoa azy ireo fotsiny. Tokony ho fihetseham-po lalina no ho tafiditra amin’izy io. Raha manana izany fitiavana izany ho an’ny rehetra anisan’ny vahoakan’i Jehovah isika, ny tenintsika dia ho tena fampaherezana marina ho azy ireo. Na dia mila ny manolotra fanipazan-kevitra mba hihatsarana aza isika, dia tsy azo inoana hoe ho diso ny fandraisana izay lazaintsika na hoe hiteraka fahavoazana, rehefa tsy ny hilaza ny hevitsika fotsiny no antony manosika antsika, fa ny hanome fanampiana feno fitiavana. Araka ny nilazan’i Paoly azy tsara, “ny fitiavana dia mampahery”. — 1 Korintiana 8:1, NW; Filipiana 2:4; 1 Petera 1:22.
Aoka ianao hampahery foana
Amin’izao “andro farany” sarotra izao, ny vahoakan’i Jehovah dia miatrika fisedrana maro. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Tsy mahagaga raha tonga hatramin’izay toa faran’ny fahafahany miaritra izy ireo indraindray. Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia azo antoka fa tsy haniry ny hilaza na hanao zavatra izay mety hahatonga na iza na iza amin’ireo mpiara-manompo amintsika hahatsiaro ho toy ny lahin-jiro manetona izay efa ho faty, isika.
Zava-dehibe toy inona àry ny hifampaherezantsika! Aoka isika hanao ny ezaka rehetra mba hampahery, amin’ny fitoerana ho manetry tena sy feno fanajana an’ireo mpiara-manompo amintsika izay kivy. Enga anie isika ka hihaino amim-pitandremana rehefa mamboraka ny ao am-pony amintsika izy ireo, ary enga anie isika ka hitady foana ny hanampy azy ireo amin’ny fitarihana ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia aoka isika haneho fitiavana, satria io vokatry ny fanahy masin’i Jehovah io dia hanampy antsika hifampahatanjaka. Enga anie isika ka tsy hiteny na hanao zavatra amin’ny fomba izay mety ‘hamono lahin-jiro manetona iray’ na oviana na oviana.