Aoka Ianao ho Sambatra Sady Hahay Handamin-javatra
NY FAHAIZA-MANDAMIN-JAVATRA dia mahatonga antsika hanao zavatra amin’ny fomba tsara. Ny fahaiza-miasa mandaitra dia manampy antsika hampiasa ny fotoanantsika sy ny fananantsika amin’ny fomba tsara indrindra. (Galatiana 6:16, NW; Filipiana 3:16, NW; 1 Timoty 3:2). Tsy ny fahaiza-mandamin-javatra sy ny fahaiza-miasa mandaitra ihany anefa no eo amin’ny fiainana. Hoy ny nosoratan’ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Salamo 144:15). Ny zava-tsarotra dia ny ho sambatra sady hahay handamin-javatra amin’ny zavatra rehetra ataontsika.
Mahay mandamin-javatra sady sambatra
I Jehovah Andriamanitra no ohatra lehibe indrindra ny amin’ny fahaiza-mandamin-javatra tsara. Ny zavatra noforoniny rehetra, manomboka amin’ireo sela tokana ka hatramin’ireo zavamananaina be kojakojany indrindra, manomboka amin’ireo atoma bitika indrindra ka hatramin’ireo vahindanitra goavam-be, dia mampiseho filaminana sy fahamarinana tsara avokoa. Ireo lalàny eo amin’izao rehetra izao dia mamela antsika hanao volavolan-kevitra amim-patokiana eo amin’ny fiainantsika. Fantatsika fa hipoitra ny masoandro isa-maraina ary koa fa handimby ny ririnina ny fahavaratra. — Genesisy 8:22; Isaia 40:26.
I Jehovah anefa dia tsy Andriamanitry ny filaminana fotsiny. “Andriamanitra sambatra” koa izy. (1 Timoty 1:11, NW; 1 Korintiana 14:33). Hita eo amin’ireo zavatra noforoniny ny maha-sambatra azy. Ireo zana-tsaka kely milalao, ny masoandro mody tsara tarehy, ny sakafo mampitelin-drora, ny mozika mampientana, ny asa mandrisika ary zavatra maro hafa dia samy mampiseho fa ny fikasany dia ny hankafizantsika ny fiainana. Ireo lalàny dia tsy fameperana manasatra fa miaro antsika mba hahasambatra.
Nanahaka ny ohatry ny Rainy i Jesosy Kristy. Izy no ilay “Andriana [sambatra, NW ] sady tokana” ary tena mitondra tena tsy misy hafa amin’ny Rainy izy. (1 Timoty 6:15; Jaona 5:19). Rehefa niara-niasa tamin-dRainy teo am-panaovana ny asa famoronana izy, dia tsy “mpità-marika” nahay niasa tamin’ny fomba nandaitra fotsiny. Sambatra izy teo am-panaovana izany. ‘[Faly, NW ] mandrakariva teo anatrehan’i Jehovah izy; eny, nahafaly azy ny tany nataony honenana, ary [nanam-pitiavana, NW ] ny zanak’olombelona izy.’ — Ohabolana 8:30, 31.
Maniry hanome taratry ny hatsaram-panahy sy ny hafaliana ary ny fitiavana olona toy izany koa isika amin’izay rehetra ataontsika. Indraindray anefa, rehefa miezaka mba hahay hiasa amin’ny fomba mandaitra isika, dia mety hanadino fa ny hoe ‘mandeha araka ny fanahin’Andriamanitra’ dia mahafaoka ny famokarana ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (Galatiana 5:22-25). Koa ho tsara àry ny hanontaniantsika hoe: Ahoana no ahafahantsika hahay handamin-javatra sady ho sambatra eo amin’ny asantsika sy eo amin’ny fitarihantsika ny asan’ny hafa?
Aza lozabe amin’ny tenanao
Diniho ny torohevitra tsara voarakitra ao amin’ny Ohabolana 11:17 (NW ). Voalohany aloha, ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry dia milaza amintsika fa “ny olona manana hatsaram-panahy miharo fitiavana dia mitondra ny fanahiny amin’ny fomba ahazoany valisoa”. Avy eo dia hoy ny fifanoheran-kevitra nolazainy: “Fa ny olona lozabe dia mampizaka ny vatany ny vokatry ny fandroahan’ny hafa azy.” Milaza io andinin-teny io toy izao ny fandikan-teny malagasy: “Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany; fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.”
Ahoana no mety hahatongavantsika tsy nahy ho lozabe amin’ny tenantsika? Ny fomba iray dia rehefa tsara fikasa isika kanefa tsy mahay mandamin-javatra mihitsy. Inona no vokatr’izany? Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ny tsy fitadidiana kely, ny antontan-taratasy tsy voapirina any amin’ny tokony hisy azy, ny baiko iray tsy azo tsara, ny antso an-telefaonina iray tsy voaray araka ny marina — ireo dia zavatra madinika kely maneho tsy fahombiazana, toy ny kankana mikiky ny lamban’ny fahaiza-miasa mandaitra, ary manimba ireo fikasana tsara indrindra.” — Ampianaro ny Fahaiza-miasa Mandaitra ny Tenanao (anglisy).
Izany dia mitovy amin’ny hevitr’ilay mpanoratra nahazo tsindrimandry nanao hoe: “Izay malaina [“hita fa manao kitoatoa”, NW ] amin’ny asany dia rahalahin’ny mpanimba.” (Ohabolana 18:9). Eny tokoa, ireo olona tsy mahay mandamin-javatra sy tsy mahay miasa amin’ny fomba mandaitra dia afaka miteraka loza sy fahavoazana ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa koa. Noho izany, matetika dia ihatahan’ny hafa izy ireny. Noho ny fanaovany kitoatoa, dia mizaka ny vokatry ny fandroahan’ny hafa azy ny tenany.
Amboa velona sa liona maty?
Kanefa afaka ny ho lozabe amin’ny tenantsika koa isika amin’ny famerana fari-pitsipika ambony loatra. Afaka ny hikendry ny hahatratra “fari-pitsipiky ny fahatanterahana tsy mety ho tratra amin’ny fomba feno” isika, hoy ilay mpanoratra momba ny fahaiza-miasa mandaitra voatonona tetsy ambony. Ny vokatr’izany, hoy izy, dia ny “fahatsapantsika ratram-po sy fahadisoam-panantenana amin’ny farany”. Ny olona mpitady fahatanterahana dia mety hahay handamin-javatra tsara sy hahay hiasa amin’ny fomba mandaitra, kanefa tsy ho sambatra marina na oviana na oviana izy. Na ho ela na ho haingana dia tsy hahita afa-tsy ratram-po izy.
Raha mirona ho tonga mpitady fahatanterahana isika, dia tsara ny hitadidiantsika fa “ny amboa velona no tsara noho ny liona maty”. (Mpitoriteny 9:4). Mety tsy hahafaty ny tenantsika ara-bakiteny isika amin’ny fitadiavana tsy araka ny tena izy ny hahatratra ny fahatanterahana. Afaka ny hanimba ny tenantsika ara-bakiteny anefa isika noho ny fahasasarana. Tafiditra amin’izany, hoy ny manam-pahaizana iray, “ny faharerahana ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-panahy, ara-tsaina ary eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa”. (Job Stress and Burnout). Ny fanasarantsika ny tenantsika amin’ny fiezahana hahatratra zava-kendrena tsy azo tratrarina dia tena fisehoana ho lozabe amin’ny tenantsika ary tsy maintsy hanaisotra amintsika ny fahasambarantsika.
Ento amin’ny fomba ahazoany valisoa ny fanahinao
Tadidio ny hoe: “Ny olona manana hatsaram-panahy miharo fitiavana dia mitondra ny fanahiny amin’ny fomba ahazoany valisoa”. (Ohabolana 11:17, NW). Mitondra soa ho an’ny tenantsika isika rehefa mametra zava-kendrena araka ny tena izy sy antonony, ka mitadidy ao an-tsaina fa i Jehovah, ilay Andriamanitra sambatra, dia mahafantatra ireo fetran’ny mety ho vitantsika. (Salamo 103:8-14). Afaka ny ho sambatra isika raha manaiky koa ireo fetran’ny mety ho vitantsika ireo ka ‘manao izay faran’ny azontsika atao’, izay tratran’ny fahafahantsika, mba hiantsorohana ireo adidintsika amin’ny fomba tsara. — Hebreo 4:11, NW; 2 Timoty 2:15, NW; 2 Petera 1:10, NW.
Mazava ho azy fa eo foana ny loza hivadika ho any amin’ilay ilany mifanipaka amin’izay — ny ho tsara fanahy loatra amin’ny tenantsika. Aza hadinoina ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ny fanipazan-kevitry ny apostoly Petera hoe “Mbà tsara fanahy amin’ny tenanao, Tompo ô”, kanefa, raha ny tena izy, dia nilaina ny hanaovana asa tamim-pahatapahan-kevitra tamin’izay. Nampidi-doza aoka izany ny fomba fisainan’i Petera hany ka hoy i Jesosy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato fahatafintohinana ho ahy ianao, satria tsy misaina ny fisainan’Andriamanitra ianao, fa ny an’olona.” (Matio 16:22, 23, NW ). Ny fitondrantsika ny fanahintsika amin’ny fomba ahazoany valisoa dia tsy manaiky ny hananana fihetsika manao tsirambina sy mitsitsy aina. Izany dia afaka manaisotra amintsika ny fahasambarana rehetra koa. Ny fahalalana ny antonony, fa tsy ny firehetana tafahoatra tsy amin’ny antony, no ilaintsika. — Filipiana 4:5.
Ento amin’ny fomba hahazoany valisoa ny hafa
Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy dia azo inoana fa nihevitra fa tena nahay niasa tamin’ny fomba nandaitra sy nahay nandamin-javatra ny tenany. Hoy ny A Dictionary of the Bible momba ny fanompoam-pivavahany: “Ny baiko ara-baiboly tsirairay dia narahina fitsipika madinika kely be dia be. Izany dia tsy nanaiky ny hisian’ny fiovana teo amin’ny toe-javatra nisy ny olona; ny fankatoavana feno ny Lalàna tamin’ireo andinindininy rehetra no notakina tsy nisy antra tamin’ny Jiosy tsirairay (...) Ireo tsipirian-javatra tao amin’ny Lalàna dia nampitomboina mandra-pahatongan’ny fivavahana ho raharaham-barotra, sy ny fiainana ho enta-mavesatra tsy hay zakaina. Tsy inona fa milina mandeha ho azy eo amin’ny ara-pitondran-tena ny olona. Nodontoina ny feon’ny fieritreretany; novonoina ny hery misy ainan’ny tenin’Andriamanitra ary voatsindry tao ambany lalàna tsy toko tsy forohana tsy nisy farany.”
Tsy mahagaga raha nanameloka azy ireo noho izany i Jesosy Kristy. “Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy”, hoy izy, “ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” (Matio 23:4). Ireo loholona be fitiavana dia tsy manome enta-mavesatra ho an’ny andian’ondry amin’ny alalan’ny fitsipika sy lalàna madinika isan-karazany. Mitondra ny andian’ondrin’Andriamanitra amin’ny fomba ahazoan’izy ireo valisoa kosa izy ireo amin’ny fanarahana ny ohatra feno hatsaram-panahy sy mamelombelon’i Kristy Jesosy. — Matio 11:28-30, NW; Filipiana 2:1-5.
Na dia mitombo aza ireo andraikitra ara-pandaminana, ireo loholona miahy ny hafa dia tsy manadino na oviana na oviana fa olona — olona izay tian’Andriamanitra — no karakarainy. (1 Petera 5:2, 3, 7; 1 Jaona 4:8-10). Tsy ho sahirana loatra amin’ireo raharaha sy fomba fanaovan-javatra ara-pandaminana izy ireo ka hoe hanadino ny anjara asany voalohany indrindra, dia ny an’ny mpiandry sy mpiambina ary mpiaro ny andian’ondry. — Ohabolana 3:3, NW; 19:22; 21:21, NW; Isaia 32:1, 2; Jeremia 23:3, 4.
Ny firaharahana tafahoatra ny amin’ny fandaraham-potoana sy ny amin’ny isa, ohatra, dia mety hampanadino ny fiahiana olona. Diniho ny amin’ny mpitondra aotobisy iray izay mihevitra fa ny adidiny voalohany indrindra dia ny fanarahana amin’ny fomba mandaitra tsara ny fandaharam-potoanany, na inon-kidona na inon-kihatra. Tsy mieritreritra afa-tsy ny faniriana ho tonga any amin’ny toerana tokony halehany ao anatin’ny fotoana nomena azy tsara, izy. Kanefa, araka izay fomba fijeriny izay, ireo mpandeha dia manelingelina. Miadam-pihetsika sy tsy milamina ary tsy tonga eo amin’ny fijanonan’ilay aotobisy afa-tsy amin’ny fotoana iaingany foana izy ireo. Tsy tadidiny fa ny zava-kendren’ny asany dia ny hitondra fanampiana ho an’ireo mpandeha, ka raisiny ho toy ny fanakantsakanana ho amin’ny fandairan’ny asany kosa izy ireo ary dia ialany.
Fiahiana ny olona tsirairay
Ny fiezahana tsy milefitra mba hahay hiasa amin’ny fomba mandaitra matetika dia tsy miraharaha izay ilain’ny olona tsirairay. Ireo izay malemy kokoa sy tsy mahay miasa dia mety hoheverina ho toy ny olona mahatonga fatiantoka. Rehefa mitranga izany, dia mety hiteraka vokany mahatsiravina. Ohatra, tany Sparta, tanàna nahaforona fanjakana iray tany Grisia fahizay, ireo ankizy nalemy sy farofy dia nilaozana mba ho faty. Tsy ho tonga miaramila natanjaka sy nahay niasa tamin’ny fomba nandaitra izay ho afaka niaro fanjakana iray natanjaka sy nahay niasa tamin’ny fomba nandaitra izy ireny. “Rehefa nisy zaza iray teraka”, hoy ilay filozofa atao hoe Bertrand Russell, “dia nentin’ny rainy teo anoloan’ireo loholon’ny fianakaviana izy io mba hodinihin’ireo: raha salama tsara ilay izy, dia naverina hotezain-drainy; fa raha tsy izany kosa, dia natsipy tany an-dava-drano.” — History of Western Philosophy.
Ny tsy fileferana sy ny fahamafisam-po, fa tsy ny fahasambarana, no nampiavaka ny fanjakana tsy nisy famindram-po toy izany. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:9.) Tsy isalasalana fa ireo nanam-pahefana tany Sparta dia nihevitra fa nanamarina tsara ny zavatra nataony ny hoe fahaiza-miasa amin’ny fomba mandaitra. Tsy nisy fiantrana na hatsaram-panahy velively anefa ny fitondran-tenany. Tsy ny lalan’Andriamanitra no lalana narahin’izy ireny. (Salamo 41:1; Ohabolana 14:21). Mifanohitra amin’izany kosa, ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana dia mahatsiaro fa ny ondrin’Andriamanitra rehetra dia sarobidy eo imasony, ary dia mitondra azy ireo amin’ny fomba ahazoan’ny tsirairay avy aminy valisoa izy ireo. Tsy ireo 99 salama tsara ihany no karakarain’izy ireo fa ilay anankiray izay malemy na manan-java-manahirana ara-pihetseham-po koa. — Matio 18:12-14; Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Tesaloniana 5:14, 15; 1 Petera 5:7.
Mitoera ho akaiky ny andian’ondry
Ireo loholona dia mitoetra ho akaiky an’ilay andian’ondry eo ambany fiahiany. Ny fikarohana maoderina iray natao teo amin’ireo fomba ampiasaina eo amin’ny raharaham-barotra anefa dia mety hanipy hevitra fa, mba hahaizan’ny mpitari-draharaha iray na ny mpiandraikitra iray hiasa amin’ny fomba mandaitra indrindra, dia tsy tokony ho akaiky loatra an’ireo iandraiketany izy. Nasehon’ny mpanao fikarohana iray toy izao ny vokatra samy hafa hitan’ny manamboninahitra iray tao amin’ny tafika ana habakabaka rehefa akaiky na tsia an’ireo teo ambany fiadidiany izy: “Rehefa nanana fifandraisana tena akaiky tamin’ireo manamboninahitra teo ambany fiadidiany izy, dia toa nahatsapa tsy fananana ahiahy ireo ka tsy nanahy be loatra ny amin’ny fahaiza-miasa mandaitra teo amin’ny unité-ny. Raha vantany vao nanjary nihataka kely izy ka nieritreritra ny amin’ny toerany, ireo mpibaiko lefitra dia nanomboka nanahy raha nisy zavatra nanjary tsy nety (...) ka namily ny tebitebiny hifantoka kokoa amin’ny asany. Ho vokatr’izany, dia nihatsara ny fitomboan’ny fahaiza-miasa nandaitra tao amin’ilay toby.” — Understanding Organizations.
Tsy fandaminana miaramila anefa ny kongregasiona kristiana. Ireo loholona kristiana izay miandraikitra ny asan’ny hafa dia manahaka ny ohatr’i Jesosy Kristy. Akaiky an’ireo mpianany foana izy. (Matio 12:49, 50; Jaona 13:34, 35). Tsy nanararaotra ny tebitebin’izy ireo mihitsy izy mba hahazoana fahaiza-miasa mandaitra fanampiny. Nanorina fatorana mafy izy raha ny amin’ny fifampitokiana teo aminy sy ny mpanara-dia azy. Nampiavaka ireo mpianany ny fatoram-pitiavana akaiky. (1 Tesaloniana 2:7, 8). Rehefa misy ny fatorana toy izany, dia hanaraka tsara ny fitarihana, tsy mila ny hoteriterena, ny andian’ondry iray sambatra atosiky ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fomba feno, ka hanao ny faran’izay azony atao eo amin’ny fanompoana azy ataony an-tsitrapo. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 35:21.
Andinin-teny maro no manasongadina ireo toetra kristiana toy ny fahasambarana sy ny fitiavana ny fitambaran’ny rahalahy. (Matio 5:3-12; 1 Korintiana 13:1-13). Raha oharina amin’izany, dia vitsy ireo izay manasongadina ny ilana fahaiza-miasa mandaitra. Tena marina fa ilaina ny fahaiza-mandamin-javatra tsara. Nilamina foana ny vahoakan’Andriamanitra. Kanefa eritrereto hoe impiry ireo mpanoratra ny salamo, ohatra, no milaza ny mpanompon’Andriamanitra ho sambatra. Ny salamo faha-119, izay miresaka be dia be momba ireo lalàna sy fampahatsiahivana ary fitsipik’i Jehovah, dia manomboka toy izao: “Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’i Jehovah. Sambatra izay mitandrina ny [fampahatsiahivany, NW ] ka mitady Azy amin’ny fo rehetra”. (Salamo 119:1, 2). Ho resinao ve ilay zava-tsarotra momba ny hahaiza-mandamin-javatra sady ho sambatra?
[Sary, pejy 28]
Ny sphère armillaire — fitaovana tranainy natao hampisehoana ireo faritra boribory eny amin’ny lanitra
[Sary, pejy 31]
I Jehovah, amin’ny maha-Mpiandry be fitiavana azy, dia tsy vitan’ny hoe Andriamanitry ny filaminana ihany, fa Andriamanitry ny fahasambarana koa
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian