Inona no Hataonao Manoloana ny Fihatsarambelatsihy?
NANATONA an’i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, i Jodasy Iskariota ary “nanoroka Azy.” Fomba fanehoana fitiavana ny fanorohana, kanefa tetika natao hanondroana an’i Jesosy tamin’ireo mpisambotra tonga tamin’ny alina fotsiny ny an’i Jodasy. (Matio 26:48, 49) Mpihatsaravelatsihy i Jodasy, izany hoe olona miseho ho tsara ivelany fotsiny, ka mody tsotra nefa ratsy toetra. Ilay teny grika nadika hoe “mpihatsaravelatsihy” dia midika hoe “olona manome valin-teny” na koa hoe mpilalao teatra. Nanjary nilazana olona mody miseho ho tsara mba hamitahana ny hafa anefa izy io, tatỳ aoriana.
Inona no hataonao rehefa misy olona mihatsaravelatsihy? Mahatezitra anao ve, ohatra, ireo mpanamboatra sigara mampirisika ny olona hifoka na dia lazain’ny dokotera aza fa manimba ny fahasalamana izany? Misafoaka ve ianao rehefa ampijalin’ireo miandry azy ny be taona, na ny ankizy, na ny marary? Malahelo ve ianao rehefa misy olona noheverinao ho tena namana kanefa namadika anao? Misy vokany aminao ve ny fihatsarambelatsihin’ireo mpivavaka?
“Lozanareo ... mpihatsaravelatsihy!”
Diniho ny zava-nisy teo amin’ny fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Niseho ho mpampianatra nahatoky ny lalàn’Andriamanitra ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Nameno ny sain’ny olona tamin’ny fampianaran’olombelona anefa izy ireo, raha ny marina, ka nampihataka ny olona tamin’Andriamanitra. Sarotiny erỳ tamin’ny tsipirian’ny lalàna izy ireo, kanefa tsy niraharaha ny tena hevitry ny lalàna, dia ny fitiavana sy ny fangoraham-po. Niseho ho tena tia an’Andriamanitra izy ireo teny imason’olona, fa tena ratsy kosa rehefa mitokana. Hafa ny zavatra nolazainy, ary hafa ny zavatra nataony. Ny “mba ho hitan’ny olona” no tanjon’izy ireo. Izy ireo dia tahaka ny “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.” Sahy nampiharihary ny fihatsarambelatsihin’izy ireo i Jesosy ka namerimberina niteny taminy hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy!”—Matio 23:5, 13-31.
Nety ho naharikoriko anao, toy ny olona tso-po hafa koa, ny fihatsarambelatsihin’ireo mpivavaka, raha niaina tamin’izany andro izany ianao. (Romana 2:21-24; 2 Petera 2:1-3) Ho navelanao hampahatezitra anao ve anefa ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ka handavanao ny fivavahana rehetra, na dia ilay an’i Jesosy Kristy sy ny mpianany aza? Tsy ho nitondra fahavoazana ho anao ve izany?
Mety haharikoriko antsika ny fivavahana satria mihatsaravelatsihy ireo mpivavaka. Mety hahatonga antsika tsy hahita ny fahatsoram-pon’ireo mpivavaka marina koa anefa izany. Io fiarovantsika tena amin’ny fihatsarambelatsihy io indrindra no mety hampanalavitra antsika amin’ireo tena namana. Tokony ho voalanjalanja àry ny fihetsitsika manoloana ny fihatsarambelatsihy.
“Mitandrema”
Tsy maintsy mamantatra ny mpihatsaravelatsihy aloha isika. Tsy mora foana izany. Niharam-pahavoazana be ny fianakaviana iray vao nahafantatra izany. Nanjary tsy nahatsiaro tena noho ny fitsaboana azy ilay renim-pianakaviana. Notorin’ilay fianakaviana ny hopitaly, ary nanakarama mpisolovava izay sady mpitory teny tao amin’ny fiangonana teo an-tanàna, izy ireo. Vao mainka nitombo anefa ny fahorian’ilay fianakaviana, na dia efa nandoa onitra 3 400 000 dolara aza ny hopitaly. Maty nahantra tanteraka ilay renim-pianakaviana, ary tsy nisy vola nandevenana azy. Nahoana? Satria nangalarin’ilay mpisolovava ny ankamaroan’ilay vola. Miresaka an’io mpisolovava io toy izao ny gazety iray momba ny lalàna: “Raha ny fitondran-tenany no toriny dia tsy hoe ‘aoka isika hivavaka’, fa hoe ‘aoka isika hangalatra.’ ” Ahoana no hiarovantsika tena amin’ny olona toy izany?
“Mitandrema”, hoy i Jesosy momba ireo mpivavaka mihatsaravelatsihy tamin’ny androny. (Matio 16:6; Lioka 12:1) Tsy maintsy mitandrina tsara tokoa isika. Mety hisy hidoka tena ho tsotra sy madio eritreritra. Mila mitandrina tsara anefa isika, ka tsy tonga dia handray ny olona rehetra araka izay hita etỳ ivelany. Tsy ho malina ve isika, ohatra, ka hijery ny tahirim-bolantsika, raha fantatsika fa misy vola sandoka mandehandeha any?
Nisy mpihatsaravelatsihy na dia teo anivon’ny Kristianina marina aza. Nampitandrina momba azy ireny toy izao i Joda mpianatra: “Ireo no harambato voasaron-drano eo amin’ny fanasam-pifankatiavanareo, raha miara-mihinana aminareo izy, dia mpiandry mamahan-tena, nefa tsy matahotra; rahona tsy misy rano, entin’ny rivotra, ireo; hazo fararano, nefa tsy misy voany.”—Joda 12.
Ny hoe “mitandrina” dia midika hoe tsy manaiky ho voafitak’ireo miseho ho tsara fanahy nefa tia tena sy manaparitaka hevitra tsy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tahaka ny vato maranitra saronan’ny rano tony, ny olona toy izany, ka mety hahavaky sambo ara-panahy an’ireo tsy mitandrina. (1 Timoty 1:19) Mety hampanantena famelombelomana ara-panahy ilay mpihatsaravelatsihy, kanefa hay ‘rahona tsy misy rano’, tsy mandatsaka na inona na inona izy. Tahaka ny hazo tsy mamoa ny mpamitaka, ka tsy afaka mamokatra voa toy ny an’ny Kristianina marina. (Matio 7:15-20; Galatiana 5:19-21) Eny, mila mitandrina amin’ny mpamitaka toy izany isika. Tsy tokony hiahiahy loatra ny antony manosika ny hafa anefa isika.
“Aza mitsara”
Tena mora ho an’ny olombelona tsy lavorary ny milaza ny fahadisoan’ny hafa nefa tsy mijery ny an’ny tenany! Mahatonga antsika ho mora mihatsaravelatsihy anefa izany. “Ry mpihatsaravelatsihy”, hoy i Jesosy, “esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” Tsara raha manaraka ity toroheviny ity isika: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo ... Nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?”—Matio 7:1-5.
Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ho maika hitsara ny hafa ho mpihatsaravelatsihy, raha manao zavatra toa misy fihatsarambelatsihy izy ireo. Nila sitraka tamin’ny Jiosy mpitsidika avy any Jerosalema, ohatra, ny apostoly Petera, ary “nihatakataka izy ka niala” tamin’ny Jentilisa mpino avy any Antiokia. “Barnabasy avy aza mba voataonan’ny fihatsarambelatsihiny koa.” I Petera anefa no nomena ilay tombontsoa manokana nanome fahafahana ny Jentilisa ho tonga anisan’ny fiangonana kristianina. (Galatiana 2:11-14; Asan’ny Apostoly 10:24-28, 34, 35) Azo antoka fa tsy nahatonga an’i Barnabasy sy i Petera hitovy tamin’ny mpanora-dalàna na tamin’i Jodasy Iskariota iny fahadisoana kely nataon’izy ireo iny.
“Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy”
“Rehefa manao soa ianareo”, hoy i Jesosy, “aza manakarama mpitsoka mozika hialoha anareo—tahaka ny ataon’ireo mpilalao teatra any amin’ny synagoga sy eny an-dalana, izay mila dera amin’ny olona.” (Matio 6:2, Phillips) “Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy”, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 12:9) Nampirisika an’i Timoty tanora izy mba hanana “fitiavana avy amin’ny fo madio ... ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.” (1 Timoty 1:5) Hatoky antsika ny hafa, raha tena marina ny fitiavantsika sy ny finoantsika, izany hoe tsy voapentimpentin’ny fitiavan-tena sy ny famitahana. Tena hanatanjaka sy hampahery ny manodidina antsika isika amin’izay. (Filipiana 2:4; 1 Jaona 3:17, 18; 4:20, 21) Ary ambonin’ny zava-drehetra, dia hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika.
Tsy maintsy ho faty kosa anefa ny mpihatsaravelatsihy. Hiharihary ihany ny fihatsarambelatsihy amin’ny farany. “Tsy misy afenina izay tsy haseho”, hoy i Jesosy, “na takona izay tsy ho fantatra.” (Matio 10:26; Lioka 12:2) Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.”—Mpitoriteny 12:14.
Mandra-pahatongan’izany, nahoana moa ny fihatsarambelatsihin’ny hafa no avelantsika hanakana antsika tsy hahita ny fitiavana marina asehon’ireo tena namana? Azontsika atao ny mitandrina nefa tsy hoe miahiahy tafahoatra. Na izany na tsy izany, dia aoka ny fitiavantsika sy ny finoantsika tsy ho amin’ny fihatsarambelatsihy.—Jakoba 3:17; 1 Petera 1:22.
[Sary, pejy 22, 23]
Ho navelanao hampiala anao tamin’i Jesosy sy ny mpianany ve ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo?