-
BarakiaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Efa voalaza fa mbola hovaliana ny nandatsahana ny ran’i Abela sy Zakaria. (Ge 4:10; 2Ta 24:22) Mitovitovy ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’i Zakaria zanak’i Joiada, sy tamin’ny andron’ilay taranaka niresahan’i Jesosy. Hoy i Zakaria rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!” Tsy ela dia tanteraka ny teniny: Miaramila syrianina vitsy fotsiny no nanafika, nefa natolotr’i Jehovah teo an-tanan’izy ireo ny miaramilan’ny Joda be dia be, ka ripaka ireo andrianan’ny Joda sady nobaboina ny fananany. Nampiharin’ny Syrianina tamin’i Joasy ny didim-pitsaran’i Jehovah, ka navelany tao anatin’ny aretina mafy izy. Novonoin’ny mpanompony izy, taorian’izay. (2Ta 24:23-25) Hoy i Jesosy, rehefa avy nanazava fa meloka ho nandatsa-dra ireo niresahany: “Hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” (Mt 23:36) Tanteraka tamin’i Jerosalema sy Jodia tamin’ny taona 70-73 ny faminanian’i Jesosy.
-
-
TaranakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Ity taranaka ity” ao amin’ny faminanian’i Kristy. Ny teny manodidina no ahalalana hoe iza no resahin’ny faminanian’ny Baiboly hoe “ity taranaka ity.” Hoy i Jesosy Kristy rehefa avy nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana jiosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” Hitan’ilay taranaka tokoa ny nandravana an’i Jerosalema, 37 taona teo ho eo tatỳ aoriana (taona 70), hoy ny mpahay tantara.—Mt 23:36.
-