Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve ny Matio 28:17 midika fa nanohy nisalasala ny apostoly sasany, ela be taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy ny nisehoany tamin’izy ireo?
Tsia, tsy voatery ho tonga amin’izany fanatsoahan-kevitra izany isika avy amin’ny Matio 28:16, 17 izay vakina toy izao: “Ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany. Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana [“nisalasala”, NW ].”
Efa ela be mialoha i Jesosy dia niezaka nanampy ny mpianany hahatakatra fa “tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo”. (Matio 16:21). Na dia izany aza, dia nandiso fanantenana sy nahavery hevitra ireo mpianatra ny fisamborana sy ny famonoana azy ho faty. Toa tonga zavatra tsy nampoizina ny fitsanganany. Ary rehefa niseho tamin’ny endrik’olombelona izy, dia “mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana” tamin’ny voalohany. (Lioka 24:36-41). Ny fisehoany taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty anefa, dia tena nanampy ireo mpanara-dia azy akaiky mba hanaiky ny naha-zava-nisy ny fitsanganany; na dia ny apostoly Tomasy aza dia niaiky mafy fa natsangana i Jesosy. — Jaona 20:24-29.
Taorian’izay dia “nankany Galilia” ireo apostoly 11 nahatoky. (Matio 28:16; Jaona 21:1). Raha mbola tany izy ireo, dia “niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy”. (1 Korintiana 15:6). Tamin’io fisehoan-javatra io no nilazan’ny Matio 28:17 fa “ny sasany niahanahana”. Koa ireo izay mbola nisalasala dia nety ho teo anivon’ireo mpanara-dia 500 ireo.
Mariho ilay fanazavana mahaliana momba izany nataon’i C. T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany:
“Ireo izay nisalasala dia tsy azontsika heverina ara-drariny ho iray tamin’ireo apostoly 11, noho izy ireo afa-po tanteraka sy niaiky mafy tokoa ary nilaza izany mihitsy talohan’izay. Heverinay fa, ireo izay nisalasala dia tsy maintsy ho anisan’ireo ‘rahalahy diman-jato’ nanatrika io fivoriana nalamina io ka mbola tsy nanana fifandraisana taminy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty. Ary azontsika heverina ara-drariny fa ny sasany tamin’ireny dia osa kokoa teo amin’ny finoana noho ireo apostoly sy ireo sakaiza manokana izay efa niresahan’i Jesosy taorian’ny nitsanganany. Ilay filazana hoe ‘nisalasala ny sasany’ dia porofon’ny fahatsoran’ny fitantarana nataon’ilay mpanoratra ny Filazantsara. Asehon’izy io amintsika koa fa tsy ninonino foana tafahoatra akory ireo mpanara-dia ny Tompo, fa vonona ny handinika akaiky sy handanjalanja ireo porofo naseho. Ary ny zotom-po sy ny hery ary ny fahafoizan-tena vokatr’izany teo amin’ireo izay nino dia manome antsika porofo sesehena ny amin’ny fahatsoran’ny fieken’izy ireo mafy ny amin’ny fitsanganan’ny Tompontsika izay neken’izy ireo sy ekentsika koa ho ilay vato fehizoron’ny finoantsika. Raha tsy natsangana i Kristy, dia tsinontsinona ny finoantsika ary mbola ao anatin’ny fahotantsika ihany isika. — 1 Kor. 15:17.” — Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpitondra Hafatra Momba ny Fanatrehan’i Kristy, 1 May 1901, pejy faha-152.
Azontsika marihina kely fotsiny fa ny fomba nanisian’i Matio fitenenana ny amin’io hevitra io dia manome antsika porofo fa azo itokiana sy milaza ny marina ny Baiboly. Raha namorona tantara ny olona iray, dia hirona hanampy ireo tsipirian-javatra izay hahatonga ilay tantara noforoniny ho toa azo inoana izy; azo inoana fa hieritreritra izy hoe hahatonga fisalasalana momba ilay zavatra noforoniny ny tsipirian-javatra tsy voalaza na ny toa fahabangan-javatra. Ahoana ny amin’i Matio?
Tsy nahatsiaro tena ho voatery hanome fanazavana be tsipiriany momba ilay filazany hoe “ny sasany niahanahana” izy. Tsy nilaza na inona na inona momba izany ny fitantarana nataon’i Marka sy i Lioka ary i Jaona. Koa raha raisina mitokana ilay fanamarihana nataon’i Matio, dia mety ho toa voasingotsingotra ireo apostoly 11, ka anisan’izany ny tenany. Na dia izany aza, dia nanao filazana fohy tsy nisy fanomezana fanazavana i Matio. Efatra ambin’ny folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanoratra ny bokin’ny Korintiana Voalohany ny apostoly Paoly. Raha dinihina araka ny tsipirian-javatra nomeny ao amin’ny 1 Korintiana 15:6, dia afaka ny ho tonga amin’ilay fanatsoahan-kevitra izay azo inoana fa marina isika, dia ny hoe: ireo izay nisalasala dia tsy apostoly fa mpianatra tany Galilia izay mbola tsy nisehoan’i Jesosy. Noho izany, dia toa marina ilay fanazavan’i Matio hoe “ny sasany niahanahana”; izy io dia toa mampiseho ara-drariny, mpanoratra iray nanao ny marina izay nanolotra fitantarana marina tsy nisy fanandramana hanazava izay tsipirian-javatra madinika rehetra.