Ry Ray Aman-dreny sy Zanaka: Apetraho eo Amin’ny Toerana Voalohany Andriamanitra!
“Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo”. — MPITORITENY 12:13.
1. Tahotra inona no ilain’ireo ray aman-dreny sy zanaka hambolena, ary hitondra inona ho azy ireo izany?
NILAZA ny faminaniana iray momba an’i Jesosy Kristy fa ho “hanitra ankasitrahana aminy ny [tahotra, NW ] an’i Jehovah”. (Isaia 11:3). Ny tahotra nananany, tamin’ny fotony, dia fanajana ara-pivavahana sy fahatahorana an’Andriamanitra lalina, tahotra sao tsy hampifaly an’Andriamanitra satria tia azy izy. Ireo ray aman-dreny sy zanaka dia mila mamboly io tahotra an’Andriamanitra toy ny an’i Kristy io, izay hitondra fifaliana ho azy ireo, toy ny nitondran’izany ho an’i Jesosy. Mila mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainany izy ireo, amin’ny fankatoavana ny didiny. Araka ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, dia “izany no tokony hataon’ny olona rehetra”. — Mpitoriteny 12:13.
2. Inona ilay didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna, ary nomena an’iza voalohany indrindra izy io?
2 Ilay didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna, dia ny hoe tokony ‘hitiavantsika an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny herintsika rehetra’, dia nomena voalohany indrindra an’ireo ray aman-dreny. Izany dia asehon’ireo teny fanampiny ao amin’ny Lalàna manao hoe: “Ampianaro tsara ny zanakao [ireo teny momba ny hitiavana an’i Jehovah ireo], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. (Deoteronomia 6:4-7; Marka 12:28-30). Araka izany, dia nodidiana ireo ray aman-dreny mba hametraka an’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany, tamin’ny nitiavan’ny tenan’izy ireo azy, sy tamin’ny nampianaran’izy ireo ny zanany hanao toy izany koa.
Andraikitra kristiana
3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny hanehoana fiheverana an’ireo ankizy?
3 Nasehon’i Jesosy ny maha-zava-dehibe ny hanehoana fiheverana na dia ireo ankizy madinika aza. Indray mandeha, tany amin’ny faramparan’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia nanomboka nitondra ireo zanany kely teo aminy ny olona. Niharihary fa noho ireo mpianatra nino hoe sahirana loatra i Jesosy ka tsy tokony hohelingelenina, dia nanandrana nanakana ny olona izy ireo. Niteny mafy ny mpianany toy izao anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana”. ‘Nitrotro ireo zaza’ mihitsy aza i Jesosy, ka nasehony araka izany, tamin’ny fomba mampihetsi-po ny maha-zava-dehibe ny hanehoana fiheverana an’ireo ankizy madinika. — Lioka 18:15-17; Marka 10:13-16.
4. Iza no nomena ny didy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’, ary mitaky ny hanaovan’izy ireo inona izany?
4 Nohazavain’i Jesosy koa fa nanana andraikitra hampianatra olon-kafa ankoatra ireo zanany manokana ireo mpanara-dia azy. Taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy “dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dima[n]-jato” — anisan’izany ny ray aman-dreny sasany. (1 Korintiana 15:6). Toa nitranga teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia izay nivorian’ireo apostoliny 11 koa, izany. Teo i Jesosy dia nampirisika azy rehetra hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidi[ak]o anareo”. (Matio 28:16-20, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy Kristiana afaka manao tsirambina ara-drariny an’io didy io! Ho an’ireo ray sy reny, ny fanatanterahana azy io dia mitaky ny hikarakaran’izy ireo ny zanany ary koa ny handraisany anjara amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ampahibemaso.
5. a) Inona no mampiseho fa ny ankamaroan’ireo apostoly, raha tsy izy rehetra mihitsy aza, dia nanambady, ary noho izany, dia nety ho nanan-janaka ihany koa? b) Torohevitra inona no nilain’ireo loham-pianakaviana hoheverina ho zava-dehibe?
5 Tena zava-dehibe fa, na dia ireo apostoly aza dia tsy maintsy nampifandanja ireo andraikiny ara-pianakaviana sy ilay adidy hitory ary koa hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Jaona 21:1-3, 15-17; Asan’ny Apostoly 1:8). Izany dia satria ny ankamaroan’izy ireo, raha tsy izy rehetra mihitsy aza, dia nanambady. Noho izany, dia nanazava ny apostoly Paoly hoe: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary Kefasy?” (1 Korintiana 9:5, izahay no manao sora-mandry; Matio 8:14). Nety ho nanan-janaka ihany koa ny apostoly sasany. Nilaza ireo mpanoratra tantara tany am-boalohany, toa an’i Eusèbe, fa toy izany ny amin’i Petera. Nila nanaraka izao torohevitra araka ny Soratra Masina izao, ireo ray aman-dreny kristiana tany am-boalohany rehetra: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” — 1 Timoty 5:8.
Ny andraikitra voalohany indrindra
6. a) Zava-tsarotra inona no ananan’ireo loholona kristiana manana fianakaviana? b) Inona no andraikitry ny loholona voalohany indrindra?
6 Ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izay nisy ireo apostoly, ireo loholona kristiana izay manana fianakaviana amin’izao andro izao. Izy ireo dia tsy maintsy mampifandanja ny andraikiny hikarakara izay ilain’ny fianakaviany amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo, sy ny adidiny hitory ampahibemaso sy hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. Asa inona no tokony hahazo ny laharam-pahamehana? Nanao izao fanamarihana izao Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Martsa 1964: “Ny adid[in’ny ray] voalohany indrindra dia ny fianakaviany, ary tsy afaka manompo araka ny tokony ho izy, izy raha ny marina, raha tsy manatanteraka io adidy io.”
7. Ahoana no ametrahan’ireo ray kristiana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany?
7 Koa tsy maintsy mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany àry ireo ray, amin’ny fanarahana ilay didy ‘hanohy hitaiza ny zanany ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah’. (Efesiana 6:4, NW ). Tsy azo afindra amin’olon-kafa izany andraikitra izany, na dia mety hahazo fanendrena mba hiandraikitra ireo asa ao amin’ny kongregasiona kristiana koa aza, ny ray iray. Ahoana no ahafahan’ny ray toy izany miantsoroka ireo andraikiny — fanomezana an’ireo mpianakavy izay ilainy amin’ny ara-nofo sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po — ary amin’izay fotoana izay ihany, dia mitantan-draharaha sy manao ny fanaraha-maso ao amin’ny kongregasiona koa?
Fanomezana fanohanana ilaina
8. Ahoana no azon’ny vadin’ny loholona iray anohanana azy?
8 Mazava fa afaka mandray soa avy amin’ny fanohanana ireo loholona manana andraikitra ara-pianakaviana. Nomarihin’ilay Ny Tilikambo Fiambenana voatonona tetsy ambony fa ny vehivavy kristiana iray dia afaka manohana ny vadiny. Hoy izy io hoe: “Azony [io vehivavy io] atao izay haha-faran’izay mora ho [an’ny vadiny] ny fanomanana ireo anjara maro samihafa anendrena azy, sy ny manampy mba hitsitsy fotoana sarobidy [ho an’ny vadiny] sy ho an’ny tenany koa, amin’ny fananany fandaharam-potoana tsara ao an-tokantrano, amin’ny fikarakarana ny sakafo ho ara-potoana, amin’ny fahavononany hiainga avy hatrany ho any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. (...) Eo ambany fitarihan’ny vadiny, ny vehivavy kristiana dia afaka manao zavatra betsaka mba hitaizana ny zanaka eo amin’ny lalana tokony halehany mba hampifaliana an’i Jehovah.” (Ohabolana 22:6, NW ). Eny, noforonina mba ho “mpanampy tandrifiny” ny vehivavy, ary ho faly handray amim-pahendrena ny fanampiany ny vadiny. (Genesisy 2:18, fanamarihana ambany pejy). Ny fanohanany dia afaka mamela an-dralehilahy hiantsoroka amin’ny fomba mandaitra kokoa ireo andraikiny ara-pianakaviana sy ny ao amin’ny kongregasiona.
9. Iza tao amin’ny kongregasiona tao Tesalonika no nampirisihina mba hanampy ireo mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona?
9 Kanefa tsy ny vadin’ny loholona kristiana ihany akory no hany afaka mandray anjara amin’ny asa fanohanana ny mpiandraikitra, izay tsy maintsy ‘miandry ny ondrin’Andriamanitra’ no sady mikarakara ny ankohonan’ny tenany koa. (1 Petera 5:2). Iza koa no afaka manao toy izany? Nampirisika ireo rahalahy tany Tesalonika ny apostoly Paoly, mba haneho fiheverana an’ireo ‘nitantan-draharaha’ teo amin’izy ireo. Kanefa, nanohy ny teniny i Paoly ary niresaka tamin’ireo rahalahy ireo ihany — indrindra fa ireo izay tsy nitantan-draharaha — ka nanoratra hoe: “Mananatra anareo izahay, ry rahalahy, anaro ny mpanakorontana, miresaha amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka, tohano ny reraka, aoka hahari-po amin’ny rehetra.” — 1 Tesaloniana 5:12-14, NW.
10. Inona no vokatra tsara dia tsara entin’ny fanampiana feno fitiavan’ireo rahalahy rehetra eo amin’ny kongregasiona?
10 Tsara dia tsara toy inona moa rehefa manana ilay fitiavana izay manosika azy hampionona ny ketraka, hanohana ny reraka, hananatra ny mpanakorontana, sy hahari-po amin’ny rehetra, ireo rahalahy ao amin’ny kongregasiona! Nampihatra ny torohevitr’i Paoly mba hanao toy izany ireo rahalahy tany Tesalonika, izay nanaiky vao haingana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na dia nijaly tamin’ny fahoriana be aza. (Asan’ny Apostoly 17:1-9; 1 Tesaloniana 1:6; 2:14; 5:11). Eritrereto ny vokatra tsara dia tsaran’ny fiaraha-miasa feno fitiavana nasehon’izy ireo, teo amin’ny fanatanjahana sy ny fampiraisan-tsaina ny kongregasiona manontolo! Toy izany koa, rehefa mifampionona sy mifanohana ary mifananatra ireo rahalahy amin’izao andro izao, izany dia manamora be dia be ny fiantsorohan’ireo loholona, izay matetika no manana fianakaviana hokarakaraina, ny andraikitry ny mpiandry.
11. a) Nahoana no azon’ny saina ekena ny anatsoahana hevitra fa tafiditra tao amin’ilay teny hoe “rahalahy” ireo vehivavy? b) Fanampiana inona no azon’ny vehivavy kristiana matotra iray omena an’ireo vehivavy tanora amin’izao andro izao?
11 Tafiditra tamin’ireo “rahalahy” izay niresahan’ny apostoly Paoly ve ireo vehivavy? Eny, tafiditra izy ireo, satria nisy vehivavy maro tonga mpino. (Asan’ny Apostoly 17:1, 4; 1 Petera 2:17; 5:9). Karazana fanampiana inona no azon’ireny vehivavy ireny omena? Nisy vehivavy tanora tao amin’ny kongregasiona izay nanana zava-nanahirana teo amin’ny fifehezana ny ‘fahamaimaizany teo amin’ny lahy sy ny vavy’, na nanjary “fanahy ketraka”. (1 Timoty 5:11-13, NW ). Misy vehivavy sasany amin’izao andro izao manana zava-manahirana mitovy amin’izany. Izay mety hilain’izy ireo indrindra, dia olona hihaino ny zava-manahirana azy ireo fotsiny ka hangoraka. Matetika dia vehivavy kristiana matotra iray no tsara indrindra mba hanome fanampiana toy izany. Izy io, ohatra, dia afaka miresaka zava-manahirana manokana miaraka amin’ny vehivavy hafa iray, zavatra izay tsy ho azon’ny lehilahy kristiana samirery halamina araka ny mety. Mba hanasongadinana ny hasarobidin’ny fanomezana fanampiana toy izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “[Aoka] ny vehivavy anti-panahy (...) ho mpampianatra ny zavatra tsara, mba [hahafahany hampahatsiaro saina, NW ] ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.” — Titosy 2:3-5.
12. Fitarihan’iza no tena zava-dehibe ny hanarahan’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona azy?
12 Fitahiana toy inona moa ireo anabavy manetry tena ao amin’ny kongregasiona, rehefa manohana amim-piaraha-miasa ny vadiny sy ireo loholona koa, izy ireo! (1 Timoty 2:11, 12; Hebreo 13:17). Mandray soa indrindra ireo loholona manana andraikitra ara-pianakaviana, rehefa miara-miasa mba hifanampy amin’ny toe-tsaina feno fitiavana ny rehetra, sy rehefa manaiky ny fitarihan’ireo mpiandry voatendry ny rehetra. — 1 Petera 5:1, 2.
Ry ray aman-dreny, inona no apetrakareo eo amin’ny toerana voalohany?
13. Ahoana no tsy ahombiazan’ny ray maro ao amin’ny fianakaviany?
13 Taona maro lasa izay, dia nanao fanamarihana toy izao ny mpampiala voly malaza iray: “Mahita aho lehilahy mahomby amin’ny fitantanana kompania misy olona an-jatony maro; hainy ny fomba hiatrehana ny tarehin-javatra rehetra, ny fomba hifehezana sy hanomezana valisoa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Kanefa ny fandraharahana lehibe indrindra tantanany dia ny fianakaviany, ary dia tsy mahomby izy amin’izany.” Nahoana? Moa ve tsy satria apetrany eo amin’ny toerana voalohany ny fandraharahana sy ny tombontsoa hafa ka ataony tsirambina ny torohevitr’Andriamanitra? Hoy ny Teniny hoe: ‘Izao teny andidiako anao izao, dia ampianaro tsara ny zanakao’. Ary tokony ho natao isan’andro izany. Ireo ray aman-dreny dia mila manome malalaka ny fotoanany — ary indrindra fa ny fitiavany sy ny fiahiany lalina. — Deoteronomia 6:6-9.
14. a) Ahoana no tokony hikarakaran’ireo ray aman-dreny ny zanany? b) Inona no tafiditra ao amin’ny fitaizana ireo zanaka araka ny tokony ho izy?
14 Mampahatsiaro antsika ny Baiboly fa lova avy amin’i Jehovah ny zanaka. (Salamo 127:3). Mikarakara ny zanakao toy ny fananan’Andriamanitra, dia fanomezana izay nankininy taminao, ve ianao? Azo inoana fa hamaly tsara ny zanakao raha trotroinao izy, ka asehonao amin’izany ny fikarakarana sy ny fiheveranao feno fitiavana. (Marka 10:16). Kanefa, ny ‘fitaizana ny zaza iray amin’ny lalana tokony halehany’, dia mitaky mihoatra noho ny fanomezana azy famihinana eo an-tratra sy oroka fotsiny. Mba ho voaomana tsara miaraka amin’ny fahendrena hanalavirana ireo fandrika eo amin’ny fiainana, ny zaza iray dia mila fifehezana mampiseho fitiavana koa. Mampiseho tena fitiavana marina ny ray na reny iray amin’ny ‘famaizana ny zanany’. — Ohabolana 13:1, 24; 22:6, NW.
15. Inona no mampiseho ny ilana ny fifehezan’ny ray aman-dreny?
15 Azo atao ny mahita ny ilana ny fifehezan’ny ray aman-dreny, avy amin’ny filazalazana iray nataon’ny mpanolo-tsaina ao an-tsekoly, momba ireo ankizy tonga ao amin’ny biraony, manao hoe: “Mampalahelo, ketraka sy tsy matoky tena izy ireo. Mitomany izy ireo eo am-piresahana ny amin’ny hoe manao ahoana tokoa ny toe-javatra. Maro — maro kokoa noho izay mety hoheverin’ny olona iray — no nanandrana namono tena, tsy hoe noho ny hafaliana be loatra akory; izany dia satria mahatsiaro tena ho malahelo loatra, tsy anehoana fiheverana mihitsy ka resin’ny fihenjanana izy ireo, satria mbola kely toy izany dia ‘vesaran’andraikitra’, ary be loatra fotsiny izany ka tsy zakany.” Toy izao ny teny nanampiny: “Zavatra mampahatahotra ny tanora iray ny fahatsapana fa tompon’andraikitra amina raharaha ny tenany.” Marina fa mety handa fifehezana ny zanaka, kanefa raha ny marina dia ankasitrahany ireo toro lalana sy fameperana avy amin’ny ray aman-dreny. Faly izy ireo satria ampy fiheverana ireo ray aman-dreniny mba hanisy fetra tsy azo ihoarana ho azy. “Fanamaivanana goavana ho ahy ilay izy”, hoy ny zatovo iray izay nanao toy izany ny ray aman-dreniny.
16. a) Inona no mitranga amin’ireo zanaka sasany nobeazina tao amin’ny tokantrano kristiana? b) Nahoana ny lalam-pitondran-tena nania arahin’ny zanaka iray no tsy voatery hidika fa tsy tsara ny fitaizana nomen’ny ray aman-dreny?
16 Kanefa, na dia manana ray aman-dreny tia azy sy manome azy fitaizana tsara dia tsara aza ny tanora sasany, sahala amin’ilay zanaka mpandanilany foana tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, dia mandà ny fitarihan’ireo ray aman-dreny ka mania. (Lioka 15:11-16). Izany fotsiny anefa dia mety tsy hidika fa hoe tsy niantsoroka ny andraikiny hitaiza ny zanany araka ny tokony ho izy ireo ray aman-dreny, araka ny toromariky ny Ohabolana 22:6 (NW ). Ny filazana momba ny ‘fitaizana ny zanaka iray amin’izay lalana tokony halehany, fa tsy hiala amin’izany izy’, dia nomena ho toy ny fitsipika ankapobeny. Mampalahelo fa sahala amin’ilay mpandanilany foana, dia ‘hanao tsinontsinona ny fankatoavana ny ray na reny’ ny zanaka sasany. — Ohabolana 30:17, NW.
17. Avy amin’inona no mety hanovozan’ireo ray aman-drenin’ny zanaka mania fampiononana?
17 Nitaraina toy izao ny rain’ny zazalahy nania iray: “Efa niezaka tsy an-kijanona aho mba hanohina ny fony. Tsy fantatro izay tokony hatao satria efa nanandrana zavatra maro aoka izany aho. Tsy nisy nahomby.” Antenaina fa amin’ny farany ireny zanaka mania ireny dia hahatsiaro ny fitaizana feno fitiavana izay azony ka hiverina toy ny nataon’ilay mpandanilany foana. Ny zava-misy anefa dia hoe, misy zanaka sasany mikomy sy manao fahalotoam-pitondran-tena izay miteraka alahelo be ho an’ny ray aman-drenin’izy ireo. Mety hanovo fampiononana ny ray aman-dreny avy amin’ny fahafantarana fa na dia ilay mpampianatra lehibe indrindra tamin’izay velona teto an-tany aza, dia nahita ilay mpianany hatramin’ny ela, i Jodasy Iskariota, namadika azy. Ary ny tenan’i Jehovah dia tsy isalasalana fa nalahelo rehefa nanda ny toroheviny ny maro tamin’ireo zanany ara-panahy mihitsy ka niharihary ho mpikomy, kanefa dia tsy nisy fahadisoana avy taminy. — Lioka 22:47, 48; Apokalypsy 12:9.
Rankizy — Iza no hampifalinareo?
18. Ahoana no azon’ireo zanaka ampisehoana fa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany izy ireo?
18 Mampirisika anareo tanora toy izao i Jehovah: “Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo”. (Efesiana 6:1). Mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany ny tanora amin’ny fanaovana toy izany. Aza manao adaladala! “Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tokony hihevitra amim-pieboeboana koa ianareo fa afaka ny ho tafavoaka tsy misy fifehezana ianareo. Ny marina dia hoe: “Misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka amin’ny fahalotoany.” (Ohabolana 15:5; 30:12). Koa araho ny fitarihan’Andriamanitra manao hoe “mihainoa”, ‘raketo’, “aza manadino”, “tandremo”, ary “aza mahafoy” ny didy sy ny fifehezan’ny ray aman-dreny. — Ohabolana 1:8; 2:1; 3:1; 4:1; 6:20.
19. a) Antony mahery inona avy no ananan’ny zanaka mba hankatoavana an’i Jehovah? b) Ahoana no azon’ireo tanora ampisehoana fa velom-pankasitrahana an’Andriamanitra izy ireo?
19 Manana antony mahery hankatoavana an’i Jehovah ianareo. Tia anareo izy, ary nanome ireo lalàny izy, anisan’izany ilay lalàna ny amin’ny hankatoavan’ny zanaka ireo ray aman-dreniny, mba hiarovana anareo sy mba hanampiana anareo hifaly amin’ny fiainana sambatra. (Isaia 48:17). Nomeny koa ny Zanany mba ho faty ho anareo, mba ho azo vonjena amin’ny ota sy ny fahafatesana ianareo ka hahazo fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Velom-pankasitrahana ve ianareo? Mijery avy any an-danitra Andriamanitra, ary mandinika ny fonareo mba hahitana raha tia azy marina tokoa ianareo sy mankasitraka ireo fandaharana nataony. (Salamo 14:2). Mijery koa i Satana, ary mihaika an’Andriamanitra izy, ka milaza fa tsy hankato Azy ianareo. Mampifaly an’i Satana ary ‘mampalahelo’ an’i Jehovah ianareo, rehefa tsy mankato an’Andriamanitra. (Salamo 78:40, 41). Mangataka aminareo toy izao i Jehovah: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko [amin’ny fankatoavana ahy], mba hamaliako izay [mihaika, NW ] ahy.” (Ohabolana 27:11). Eny, ny fanontaniana dia hoe Iza no hampifalinareo, i Satana sa i Jehovah?
20. Ahoana no nihazonan’ny tanora iray ny herim-po hanompo an’i Jehovah na dia rehefa matahotra aza izy?
20 Tsy mora ny manao ny sitrapon’Andriamanitra manoloana ireo fanerena ampiharin’i Satana sy ny tontolony aminareo. Mety hampahatahotra izany. Toy izao ny fanamarihan’ny tanora iray: “Ny hoe matahotra dia mitovy amin’ny hoe mangatsiaka. Afaka manao zavatra amin’izany ianao.” Nohazavainy hoe: “Rehefa mangatsiaka ianao dia manao akanjo ba. Raha mbola mangatsiaka ianao dia manao akanjo ba hafa iray. Ary dia manampy zavatra hatrany ianao mandra-pialan’ny hatsiaka ka tsy mangatsiaka intsony ianao. Koa ny fanaovana vavaka amin’i Jehovah rehefa matahotra ianao dia mitovy amin’ny hoe manao akanjo ba rehefa mangatsiaka ianao. Raha mbola matahotra aho aorian’ny vavaka iray, dia mamerina, mamerina ary mamerina mivavaka aho mandra-pahatongan’ny fotoana tsy ahatsapako tahotra intsony. Ary mandaitra ilay izy. Nihazona ahy ho tsy nanana zava-nanahirana ilay izy!”
21. Ahoana no hanohanan’i Jehovah antsika raha tena miezaka tokoa mametraka azy eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika isika?
21 Raha tena miezaka tokoa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika isika, dia hanohana antsika i Jehovah. Hanatanjaka antsika izy, amin’ny fanomezana ny fanampian’ny anjely rehefa ilaina izany, dia toy ny nataony tamin’ny Zanany. (Matio 18:10; Lioka 22:43). Mahereza ianareo rehetra, ry ray aman-dreny sy zanaka. Manàna tahotra toy ny an’i Kristy, ary dia hitondra fifaliana ho anareo izany. (Isaia 11:3). Eny, “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13.
Afaka Mamaly ve Ianao?
◻ Andraikitra inona avy no nilain’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tany am-boalohany hampifandanjaina?
◻ Andraikitra inona no tsy maintsy iantsorohan’ireo ray aman-dreny kristiana?
◻ Fanampiana inona no azon’ireo loholona kristiana manana fianakaviana raisina?
◻ Fanompoana sarobidy inona no azon’ireo anabavy atao ao amin’ny kongregasiona?
◻ Torohevitra sy fitarihan-dalana inona no iankinan’ny aina ny hanarahan’ireo zanaka azy?
[Sary, pejy 15]
Matetika ny vehivavy kristiana matotra iray dia afaka manome ho an’ny vehivavy tanora kokoa iray ny fanampiana ilaina
[Sary, pejy 17]
Fampiononana inona no azon’ireo ray aman-dreny manana zanaka mania raisina avy ao amin’ny Soratra Masina?