KAPA
Karazan-kiraro tsy feno ary hoditra, hazo, na tahon-javamaniry ny faladiany. Misy tadiny hoditra eo anelanelan’ny ankibe sy ny rantsantongotra iray, ary mihodina mankeo amin’ny vodin-tongotra sy tampon-tongotra ilay izy. Miakatra hatreny an-kitrokely indraindray ny ao aoriana.
Nifaingoka niakatra ny lohan’ny kapa ejipsianina. Ny kapa asyrianina sasany kosa tsy nisy faladiany teo ambany lohatongotra fa teo ambany voditongotra sy sisin-tongotra ihany no nisy, ary nisy tady hoditra nifatotra tamin’ny tongotra. Nanao kapa ny Romanina sady nanana kiraro toy ny fahita ankehitriny, hono. Ny andriana sy mpanjaka tany Asyria sy Roma ary toeran-kafa indray nanao kapa arifomba kokoa na karazana baoty. Vita tamin’ny hoditra lambondriaka kosa ny kapan’ny Arabo sasany mpifindrafindra monina teny akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Toy ny hoe nampanaovin’i Jehovah kiraro vita tamin’ny “hoditra faoky” (heb.: tahash) i Jerosalema.—Ezk 16:10.
Tsy nanao kapa, hono, ny mpisorona nanompo tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly tany Israely. (Ampit. Ek 3:5; Js 5:15; As 7:33.) Nisy koa anefa nandeha tsy nikapa teny an-dalana ho fanehoana alahelo sy henatra.—2Sa 15:30; Is 20:2-5; ampifanohero amin’ilay didy ao amin’ny Ezekiela (24:17, 23).
Nitondra kapa fanampiny ireo nanao dia lavitra, sao lany ny faladian’ilay iray na tapaka ny tadiny. Tsy navelan’i Jesosy hitondra kapa hafa ny apostoly sy ireo mpianatra 70 nirahiny hitory, satria azo inoana fa handray tsara azy ireo ny olona nanaiky ny vaovao tsara.—Mt 10:5, 9, 10; Mr 6:7-9; Lk 10:1, 4.
Heviny an’ohatra. Nesorin’ny vehivavy mpitondratena ny kapan’izay lehilahy tsy nanaiky hitondra loloha azy, ary nantsoina hoe “Ny ankohonan’ilay nalana kapa” ralehilahy. (De 25:9, 10) Fanaon’ny olona ny nanome ny kapany ho an’izay nividy ny fananany na nomeny zo hanavotra.—Rt 4:7-10; jereo LOLOHA.
Ho resy angamba i Edoma matoa nilaza i Jehovah hoe: “I Edoma no hanipazako ny kapako.” (Sl 60:8; 108:9) Fanaon’ny olona mantsy tamin’izany ny nanipy ny kapany teo amin’izay tany ho lasa fananany. Mety ho fanamavoana an’i Edoma koa anefa ireo teny ireo, satria natao hoe “koveta isasako” i Moaba ao amin’ilay andininy. Fanamavoana ny hoe manipy kapa ankehitriny any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.
Nasain’i Davida nosazin’i Solomona i Joaba satria ‘voaloton’ny ra toy ny amin’ny ady ny kapany’, noho izy namono ny Jeneraly Abnera sy Amasa tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady. (1Mp 2:5, 6) Andeha hiasa tany ivelan’ny tranony (na izay nisy azy; ampit. As 12:8) koa ny olona nampiditra kapa. Mazava àry ny antony nilazan’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina hoe: “Kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.”—Ef 6:14, 15.
Asan’ny mpanompo matetika ny namaha ny fehin-kapan’ny olona iray na nitondra ny kapany. Te hilaza àry i Jaona fa ambany noho i Kristy izy.—Mt 3:11; Mr 1:7.