Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fandrenesana fanintelony ny feon’Andriamanitra
FONY tao amin’ny tempoly i Jesosy dia nijaly noho izay hanjo azy amin’ny fahafatesana hatrehiny tsy ho ela. Ny zavatra nitana ny sainy indrindra dia ny naha-voatohina ny lazan’ny Rainy, hany ka nivavaka izy hoe: “Ray ô! mankalazà ny anaranao!”
Tamin’izay, dia nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.”
Very hevitra ireo vahoaka nitsangana nanodidina. “Anjely no niteny taminy,” hoy ny nolazain’ny sasany. Ny hafa nihevitra izany ho kotrokorana. Kanefa dia Jehovah Andriamanitra tokoa no niteny! Tsy vao voalohany anefa tamin’izay no nandrenesana ny feon’Andriamanitra nifandray tamin’i Jesosy.
Fony natao batisa i Jesosy, telo taona sy tapany talohan’izay, dia ren’i Jaona mpanao batisa Andriamanitra niteny toy izao ny amin’i Jesosy: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Fotoana fohy taorian’ilay Paska teo aloha, fony Jesosy niova tarehy teo anoloan’i Jakoba sy Jaona ary Petera, dia nandre an’Andriamanitra nanambara toy izao izy ireo: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako, Izy no henoy.” Ary izao, tamin’ny 10 Nisana, na efatra andro talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, no fanintelony nandrenesan’ny olona indray ny feon’Andriamanitra. Kanefa tamin’io fotoana io, dia Jehovah mihitsy no niteny mba hahafahan’ny olona maro be mandre.
Nanazava toy izao i Jesosy: “Tsy noho Izaho no nahatongavan’izany feo izany, fa noho hianareo.” Izany dia manome porofo fa Jesosy tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia nampanantenaina. “Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao”, hoy ny nanohizan’i Jesosy azy, “ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao no horoahina.” Noho izany, ny tsy fivadihan’i Jesosy teo amin’ny fiainany dia manamafy fa Satana Devoly, ilay filohan’izao tontolo izao, dia mendrika ny “horoahina”, hofoanana.
Nampiseho ny ho vokatry ny fahafatesany efa antomotra i Jesosy ka nilaza hoe: “Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.” Tsy faharesena ny fahafatesany, fa amin’ny alalan’izany no hitaomana ny hafa hanatona azy mba hahafahan’izy ireny hifaly amin’ny fiainana mandrakizay.
Fa namaly ny vahoaka hoe: “Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?
Na dia teo aza ny porofo rehetra tsy azo lavina, anisan’izany ny fandrenesana ny feon’Andriamanitra mihitsy, ny ankamaroan’ny olona dia tsy nino fa Jesosy tokoa no Zanak’olona, ilay Mesia nampanantenaina. Kanefa toy ny tamin’ny enim-bolana lasa, tamin’ny andro firavoravoana amin’ny tabernakely, dia mbola niresaka ny tenany ho toy ny “mazava” i Jesosy ary nampirisika ny mpihaino azy hoe: “Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava.” Rehefa nilaza izany i Jesosy, dia niala ka niery, niharihary fa satria notandindomin-doza ny ainy.
Ny tsy fahampian’ny finoan’ny Jiosy an’i Jesosy dia nahatanteraka ny tenin’Isaia hoe ‘tonga jamba ny mason’ny vahoaka ary mafy ny fony mba tsy hibebaka izy ka ho sitrana.’ Isaia dia nahita tao amin’ny fahitana tany an-danitra ny kianjan’i Jehovah, tao anatin’izany Jesosy tao amin’ny voninahiny talohan’ny naha-olombelona azy niaraka tamin’i Jehovah. Na dia izany aza, ireo Jiosy dia nanda tamin-kiry, ho fahatanterahan’izay nosoratan’i Isaia, fa Jesosy no ilay mpanafaka nampanantenaina azy ireo.
Tetsy an-daniny, dia maro tamin’ireo filoha koa (tsy isalasalana fa mpikambana tao amin’ny Synedriona, na Fitsarana tampony jiosy) no tena nino an’i Jesosy. Anisan’ireo i Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia. Kanefa, fara faharatsiny, tamin’io fotoana io, dia tsy nety nanambara ny finoany, noho ny tahotra ny horoahina amin’ny toerany ao amin’ny synagoga ireo filoha. Endrey izany fahavoazana!
Nanohy ny fanamarihana toy izao i Jesosy: “Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. (...) Ary izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy. (...) Ary raha misy mandre ny teniko, ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. (...) Ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany.”
Ny fitiavan’i Jehovah an’izao tontolo izaon’ny olombelona no nanosika azy haniraka an’i Jesosy mba hahazoan’izay mino azy famonjena. Hovonjena ny olona izay ho tapa-kevitra ny hankatò ireo zavatra nampianarin’i Jehovah ka notorin’i Jesosy. Hitranga ao amin’ny andro farany, mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, ny fitsarana.
Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Satria Izaho tsy miteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy. Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Raiko tamiko.” Jaona 12:28-50; 19:38, 39; Matio 3:17; 17:5; Isaia 6:1, 8-10.
◆Tao anatin’ny toe-javatra telo inona no nandrenesana ny feon’Andriamanitra niteny momba an’i Jesosy?
◆Ahoana no nahitan’i Isaia mpaminany ny voninahitr’i Jesosy?
◆Iza moa ireo filoha izay nino an’i Jesosy, nefa nahoana izy ireo no tsy naneho ny finoany azy?
◆Inona moa ny “andro farany” ary ny amin’inona no hitsarana ny olona?