Mahatoky Amin’ny Zava-drehetra ve Ianao?
“Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe.”—LIOKA 16:10.
1. Inona no endriny iray isehoan’ny fahatokian’i Jehovah?
EFA voamarikao ve hoe manao ahoana ny aloky ny hazo iray, arakaraka ny fandroson’ny andro? Mahavariana fa miova foana ny habeny ary mihetsika foana ilay izy! Tsy azo ianteherana koa matetika ny ezaka sy ny fampanantenan’olombelona, fa miovaova toy ny aloka. Tsy miova kosa anefa i Jehovah Andriamanitra, na dia mandeha aza ny fotoana. Nilaza i Jakoba mpianatra fa izy no “Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra”, ary “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.” (Jakoba 1:17) Tsy miova i Jehovah ary azo itokisana, na dia amin’ny zavatra madinika indrindra aza. “Andriamanitra mahatoky” izy.—Deoteronomia 32:4.
2. a) Nahoana isika no tokony handini-tena raha mahatoky? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika momba ny fahatokiana?
2 Ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireo mpanompony azo itokisana? Mitovy amin’ny niheveran’i Davida azy ireo. Hoy izy: “Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ny tany mba hitoerany ato amiko; izay mandeha amin’ny làlana marina no hanompo ahy.” (Salamo 101:6) Tena faly tokoa i Jehovah rehefa mahatoky ny mpanompony. Rariny àry raha nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Ny tadiavina amin’ny mpanompo ... dia ny ho olona mahatoky.” (1 Korintianina 4:2) Inona no atao hoe mahatoky? Amin’ny lafiny inona avy eo amin’ny fiainana isika no tokony hahatoky? Inona avy no fitahiana horaisintsika raha “mandeha amin’ny làlana marina isika”?
Ny dikan’ny hoe mahatoky
3. Inona no mampiseho raha mahatoky isika?
3 “Mosesy, izay mpanompo, dia nahatoky”, hoy ny Hebreo 3:5. Nahoana no nolazaina fa nahatoky io mpaminany io? Satria “araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony”, rehefa nanorina ny tabernakely izy. (Eksodosy 40:16) Asehontsika mpivavaka amin’i Jehovah fa mahatoky isika, raha mankatò sy manompo azy. Tsy misy isalasalana fa tafiditra amin’izany ny hoe tsy mivadika aminy, rehefa tojo fitsapana lehibe na fisedrana mafy. Tsy izany ihany anefa no isehoan’ny fahatokiantsika. Hoy i Jesosy: “Izay mahatoky amin-javatra madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe, ary izay tsy marina amin-javatra madinika dia tsy marina koa amin’ny zava-dehibe.” (Lioka 16:10) Tsy maintsy mahatoky foana isika, na dia amin’ny zavatra heverina ho madinika aza.
4, 5. Inona no miharihary rehefa mahatoky “amin-javatra madinika” isika?
4 Misy antony roa maha zava-dehibe ny fankatoavana isan’andro “amin-javatra madinika.” Voalohany, hita amin’izany ny fiheverantsika ny zon’i Jehovah hitondra. Eritrereto ny fitsapana ny tsy fivadihan’i Adama sy Eva, mpivady olombelona voalohany. Tsy sarotra ny zavatra notakina tamin’izy ireo. Azon’izy ireo nohanina daholo ny karazan-tsakafo tao amin’ny Saha Edena. Voan’ny hazo iray monja no tsy navela hohaniny, dia ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 2:16, 17) Ho nanaporofo ny fanohanany ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo, raha nahatoky ka nankatò io didy tsotra io. Ho hita fa manohana ny zon’i Jehovah hitondra koa isika, raha mankatò azy eo amin’ny fiainantsika andavanandro.
5 Faharoa, misy akony eo amin’ny fomba hiatrehantsika ny “zava-dehibe”, izany hoe ny fitsapana lehibe, ny fitondran-tenantsika “amin-javatra madinika.” Jereo, ohatra, izay nitranga tamin’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy nahatoky, dia i Hanania, Misaela, ary Azaria. Nentina ho babo tany Babylona izy ireo tamin’ny 617 T.K. Mbola zatovo izy efa-dahy, rehefa nentina tao amin’ny lapan’i Nebokadnezara Mpanjaka. “Nampanokana hanina ho an’ireo isan-andro avy tamin’ny haniny sy avy tamin’ny divay izay fisotrony” ny mpanjaka, “mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka izy.”—Daniela 1:3-5.
6. Inona no fitsapam-pinoana nihatra tamin’i Daniela sy ireo namany hebreo telo lahy, tao amin’ny lapan’ny mpanjaka babylonianina?
6 Niteraka zava-manahirana ho an’ireo Hebreo efa-dahy ireo anefa ny sakafo nomen’ilay mpanjaka babylonianina. Nety ho nisy hanina voararan’ny Lalàn’i Mosesy tao amin’ireo sakafo matsiron’ny mpanjaka. (Deoteronomia 14:3-20) Tsy nalatsa-dra tsara koa angamba ireo biby novonoina, ka nandika ny lalàn’Andriamanitra izay nihinana izany. (Deoteronomia 12:23-25) Nety ho efa natao fanatitra ho an’ny sampy koa ilay sakafo, araka ny fanaon’ny Babylonianina rehefa misy fanasana.
7. Inona no noporofoin’i Daniela sy ny namany telo lahy rehefa nankatò izy?
7 Azo inoana fa tsy nisy dikany firy tamin’ireo tandapa babylonianina ny fitsipika momba ny sakafo tsy azo hanina. Nianiana tao am-pony anefa i Daniela sy ny namany, fa tsy hihinana sakafo voararan’ny Lalàn’Andriamanitra, satria handoto azy izany. Nitsapa ny tsy fivadihany sy ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra izany. Legioma sy rano no nangatahiny, ary izany no nomena azy. (Daniela 1:9-14) Mety hisy olona hihevitra ankehitriny, fa tsy misy dikany firy ny nataon’izy efa-dahy. Noporofoin’izy ireo tamin’ny fankatoavany an’Andriamanitra anefa, hoe iza no notohanany tamin’ilay raharaha momba ny zon’i Jehovah hitondra.
8. a) Inona no fitsapana lehibe nahazo an’ireo Hebreo telo lahy? b) Ahoana no niafaran’ilay fitsapana, ary inona no lesona raisintsika avy amin’izany?
8 Nanomana an’i Daniela sy ny namany telo lahy hiatrika fitsapana lehibe kokoa, ny fahatokian’izy ireo tamin’ny zavatra noheverina ho tsy misy dikany. Sokafy ao amin’ny Daniela toko faha-3 ange ny Baibolinao e! Vakio ny fomba niatrehan’ireo Hebreo telo lahy ny fanamelohana azy ho faty, noho izy tsy nety nivavaka tamin’ilay sariolona volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka. Tsy nisalasala izy ireo nilaza tamin’ny mpanjaka fa tsy hivadika mihitsy. Hoy izy ireo: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” (Daniela 3:17, 18) Namonjy azy ireo ve i Jehovah? Maty ireo mpiambina nanipy azy telo lahy tao anatin’ilay lafaoro mirehitra, fa izy ireo kosa tsy naninon-tsy naninona. Tsy nisy may na dia ny singam-bolony aza! Efa zatra nahatoky tamin’ny zavatra madinika izy ireo, ka nanomana sy nanampy azy hahatoky nandritra io fitsapana lehibe io izany. Tsy hita amin’izany ve fa zava-dehibe ny hoe mahatoky amin’ny zavatra madinika?
Mahatoky rehefa mampiasa ny “harena tsy marina”
9. Inona no tenin’i Jesosy taloha sy taorian’ny nilazany ilay toro lalana ao amin’ny Lioka 16:10?
9 Nanome izao torohevitra izao i Jesosy, talohan’ny nilazany hoe izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky amin’ny be: “Ataovy izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny harena tsy marina, mba horaisiny any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo rehefa lany izany harena izany.” Niresaka momba ny fahatokiana izy taorian’izay, ary avy eo nilaza hoe: “Koa raha tsy asehonareo fa mahatoky ianareo amin’ny harena tsy marina, iza no hanankina aminareo ny tena harena? ... Tsy misy mpiasa an-trano mahay manompo mpampiasa roa, fa ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hifikirany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.”—Lioka 16:9-13.
10. Ahoana no ampisehoantsika fa mahatoky isika rehefa mampiasa ny “harena tsy marina”?
10 Ny fomba hampiasana ny “harena tsy marina”, izany hoe ny fananantsika, no tena tian’i Jesosy hohazavaina ao amin’ny Lioka 16:10, rehefa jerena ny teny manodidina. Olona mpanota no mitantana ny harena, indrindra fa ny vola, ka izany no iantsoana azy hoe harena tsy marina. Mety hahatonga ny olona tsy hanao ny marina koa ny faniriana hanan-karena. Mahatoky isika raha mampiasa amim-pahendrena ny fananantsika. Tsy ho tia tena isika, fa hampiasa azy ireny kosa mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana sy hanampiana ny sahirana. Raha mahatoky toy izany isika, dia ho naman’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, tompon’ny “fonenana mandrakizay.” Horaisiny ao amin’izany fonenana izany isika, izany hoe homeny ny fiainana mandrakizay any an-danitra na ao amin’ny Paradisa eto an-tany.
11. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hanazava amin’ny olona, fa afaka manao fanomezana izy hanohanana ny asantsika maneran-tany?
11 Eritrereto koa hoe inona no ampirisihantsika hataon’ny olona, rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana sy mametraka Baiboly na boky ara-baiboly aminy isika. Resahintsika aminy fa azony atao ny manolotra fanomezana, hanohanana ny asa maneran-tany ataon’ny vahoakan’i Jehovah. Moa ve izany tsy mampirisika azy hampiasa ny fananany amim-pahendrena? Azo ampiharina amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana koa anefa ny toro lalana ao amin’ny Lioka 16:10, fa tsy amin’ny fomba ampiasana ny fananana fotsiny.
Zava-dehibe ny fanaovana ny marina
12, 13. Amin’ny lafiny inona avy isika no tokony hanao ny marina?
12 Hoy ny apostoly Paoly: “Matoky ... izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.” (Hebreo 13:18) Azo antoka fa mahafaoka ny raharaha rehetra momba ny vola ilay hoe “zava-drehetra.” Tsy mangataka andro isika na manao hosoka, rehefa mandoa trosa sy hetra. Nahoana? Noho ny feon’ny fieritreretana, ary indrindra fa noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fankatoavana ny didiny. (Romanina 13:5, 6) Ary ahoana no hataontsika raha mahita zavatra tsy antsika isika? Tokony hamerina izany any amin’ny tompony isika. Rehefa hazavaintsika ny antony namerenantsika ilay zavatra, dia efa fitoriana vita ho azy izany!
13 Tsy maintsy manao ny marina any am-piasana koa, ny olona mahatoky sy manao ny marina amin’ny zava-drehetra. Misarika ny sain’ny olona ho amin’ilay Andriamanitra tompointsika ny fomba fiasantsika. Tsy kamo miasa isika satria toy ny ‘mangalatra’ fotoana izany. Miasa mafy toy ny ho an’i Jehovah kosa isika. (Efesianina 4:28; Kolosianina 3:23) Any amin’ny firenena iray any Eoropa, dia tombanana fa ny ampahatelon’ny mpiasa no mangataka taratasy any amin’ny dokotera mba tsy hiasana, nefa tsy marary akory. Tsy mamoron-dainga mba tsy handehanana hiasa ny tena mpanompon’Andriamanitra. Mahazo fisondrotana amin’ny asany indraindray ny Vavolombelon’i Jehovah, satria hitan’ny mpampiasa fa manao ny marina sy miasa mafy.—Ohabolana 10:4.
Mahatoky eo amin’ny fanompoana
14, 15. Inona avy no fomba azontsika ampisehoana fa mahatoky isika eo amin’ny fanompoana?
14 Ahoana no hampisehoana fa mahatoky isika eo amin’ny fanompoana nankinina tamintsika? Hoy ny Baiboly: “Aoka foana isika hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra ... dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.” (Hebreo 13:15) Ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, no tena ahitana fa mahatoky isika amin’io lafiny io. Nahoana moa isika no hamela volana iray handalo fotsiny, ka tsy hiresaka momba an’i Jehovah sy ny fikasany? Ankoatra izany, dia hahay hitory kokoa sy hahita vokatra kokoa isika, raha mitory tsy tapaka.
15 Mahatoky koa isika eo amin’ny fanompoana, raha mampihatra ny soso-kevitra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Tsy voamarikao ve fa mahita vokatra kokoa ianao eny amin’ny fanompoana, rehefa miomana sy manaraka ireny soso-kevitra ireny, na ny fomba fitory mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana? Moa ve isika miverina mitsidika haingana ireo olona liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? Ary ahoana ny amin’ny fampianarana Baiboly atombotsika amin’ireny olona liana ireny? Azo itokisana sy mahatoky ve isika ka mampianatra azy ireny tsy tapaka? Hamonjy ny aintsika sy ny ain’ireo mihaino antsika isika, raha mahatoky eo amin’ny fanompoana.—1 Timoty 4:15, 16.
Tafasaraka hatrany amin’izao tontolo izao
16, 17. Amin’ny lafiny inona avy no ampisehoantsika fa tafasaraka amin’izao tontolo izao isika?
16 Hoy i Jesosy momba ny mpanara-dia azy, tamin’izy nivavaka tamin’Andriamanitra: “Efa nomeko azy ny teninao. Halan’izao tontolo izao anefa izy, satria tsy anisan’izao tontolo izao, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao. Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14-16) Mety ho tapa-kevitra ny hisaraka hatrany amin’izao tontolo izao isika amin’ny raharaha lehibe toy ny raharaham-pirenena, fety sy fombafomba ara-pivavahana, ary fitondran-tena. Ahoana anefa ny amin’ny zavatra madinika kokoa? Lasa manahaka ny fanaon’izao tontolo izao ve isika, na dia tsy tsapantsika aza izany? Raha tsy mailo, ohatra, isika, dia mety tsy ho tandrintandrintsika akory fa efa tsy mendrika ny akanjo anaovantsika! Tokony ho “maotina” sy ahitana taratry ny ‘fahendrena’ ny fitafiantsika sy ny taovolontsika, raha mahatoky isika. (1 Timoty 2:9, 10) ‘Tsy manao izay hampihemotra olona mihitsy isika, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoantsika. Fa amin’ny lafiny rehetra, dia mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika.’—2 Korintianina 6:3, 4.
17 Maniry hanome voninahitra an’i Jehovah isika, ka manao akanjo mendrika rehefa manatrika fivoriana. Toy izany koa rehefa mamonjy fivoriambe. Tokony hifanentana amin’izany ny akanjo anaovantsika ary tokony hilamina tsara. Efa fitoriana amin’ny olona mijery antsika izany. Na ny anjely aza mijery ny ataontsika, toy ny nataony tamin’i Paoly sy ny namany. (1 Korintianina 4:9) Tokony ho mendrika foana àry ny akanjo anaovantsika. Mety tsy ho zava-dehibe loatra amin’ny sasany ny fahatokiana amin’io lafiny io, nefa zava-dehibe eo imason’Andriamanitra.
Mahazo fitahiana izay mahatoky
18, 19. Inona avy no fitahiana horaisintsika, raha mahatoky isika?
18 Resahina fa “mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra” ny tena Kristianina. Noho izany, dia ‘miantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra’ izy ireo. (1 Petera 4:10, 11) Nanankinana zavatra tsy antsika koa isika, dia ny fisehoan’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra. Anisan’izany ny fanompoana. Miantehitra amin’ny “hery fanampiny” omen’Andriamanitra àry isika, mba ho mpanompo tsara. (2 Korintianina 4:7) Tena manampy antsika hiatrika ny fitsapana mbola hiseho amin’ny hoavy izany!
19 Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Tiava an’i Jehovah, ry olony masina rehetra; miaro ny marina [“mahatoky”, TV ] Jehovah.” (Salamo 31:23) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hahatoky, ary hino tanteraka fa “Mpamonjy ny karazan’olona rehetra” i Jehovah, “indrindra fa ny mahatoky.”—1 Timoty 4:10.
Tadidinao ve?
• Nahoana isika no tokony ‘hahatoky amin-javatra madinika’?
• Ahoana no ampisehoantsika fa mahatoky isika
raha ny amin’ny fanaovana ny marina?
rehefa manao fanompoana?
raha ny amin’ny fisarahana amin’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 26]
Mahatoky amin’ny zava-dehibe ny olona mahatoky amin-javatra madinika
[Sary, pejy 29]
‘Manaova ny marina amin’ny zava-drehetra’
[Sary, pejy 29]
Mahatoky isika raha miomana tsara alohan’ny handehanana hanompo
[Sary, pejy 30]
Aoka ho maotina ny fitafianao sy ny taovolonao