Olona an-tapitrisany maro maty ankehitriny no ho velona indray
OLONA an-tapitrisany maro maty ankehitriny no ho velona indray; fanantenana mampientana re izany! Araka ny tena izy anefa ve ny finoana izany? Inona no afaka hampino anao izany? Mba hinoana izany fampanantenana izany, dia tsy maintsy azo antoka fa ilay nanao izany dia, tsy maniry fotsiny, fa afaka koa ny hanatanteraka izany. Iza àry no nampanantena fa olona an-tapitrisany maro maty ankehitriny no ho velona indray?
Tamin’ny lohataonan’ny taona 31, i Jesosy dia nanambara tamim-pahasahiana fa nomen’Andriamanitra fahefana hanangana ny maty izy. Nampanantena toy izao izy: “Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany. Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ny feony [ny an’i Jesosy]; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:21, 28, 29). Nampanantena tokoa i Jesosy Kristy fa olona an-tapitrisany maro maty ankehitriny no ho velona indray eto an-tany, ka hanana fahatsinjovana ny hiaina eto mandrakizay. (Jaona 3:16; 17:3; jereo Salamo 37:29 sy Matio 5:5)a. Azo atao ny manantitrantitra tsy misy fahatahorana ny ho diso hevitra, fa, matoa i Jesosy nanome izany fampanantenana izany, dia maniry ny hanatanteraka izany izy. Afaka ny hanao izany anefa ve izy?
Araka ny fitantaran’ny Baiboly, tamin’ny fotoana nanomezan’i Jesosy io fampanantenana io, dia mbola tsy nanangana olona tamin’ny maty izy. Roa taona latsaka taorian’izay anefa, dia noporofoiny tamin’ny fomba mahery fa, tsy hoe naniry fotsiny izy, fa afaka nanao izany ihany koa.
“Ry Lazarosy, mivoaha!”
Nampihetsi-po ilay fisehoan-javatra. Narary mafy i Lazarosy. Nandeha nampilaza izao manaraka izao tany amin’i Jesosy izay tany an-dafin’ny Jordana, ry Maria sy Marta anabaviny: “Tompoko, marary ilay tianao.” (Jaona 11:3). Marina fa tian’i Jesosy tokoa i Lazarosy sy ireo anabaviny. Toa nilasy matetika tany aminy, tany Betania, izy. (Lioka 10:38-42; jereo Lioka 9:58). Izao anefa dia narary mafy ilay sakaizany tiany aoka izany.
Inona anefa no nandrasan-dry Maria sy Marta tamin’i Jesosy? Tsy nangataka azy ho any Betania izy ireo. Kanefa fantany fa tia an’i Lazarosy izy. Tsy haniry ny hahita ny sakaizany marary ve izy? Azo inoana fa nanantena fanasitranana mahagaga avy taminy izy ireo. Moa tokoa ve i Jesosy, hatramin’izao, tsy efa nanao fanasitranana maro be, ary na dia ny elanelan-tany aza dia tsy vato nisakana taminy? (jereo Matio 8:5-13). Moa ve ho latsa-danja noho izany no hataony ho an’ny sakaizany malala aoka izany? Mahagaga fa tsy avy hatrany dia nankany Betania i Jesosy, fa mbola nijanona roa andro tany amin’ny nisy azy. — Jaona 11:5, 6.
Fotoana fohy taorian’ny nandefasana ilay hafatra dia maty i Lazarosy, angamba tamin’ny fotoana nandrenesan’i Jesosy fa narary izy. (jereo Jaona 11:3, 6, 17). Tsy nila fampandrenesana fanampiny anefa i Jesosy. Rehefa maty Lazarosy, dia fantany izany ary ny fikasany dia ny hanao zavatra momba izany. Izao no nolazainy tamin’ny mpianany momba ny fahafatesan’i Lazarosy: “Matory Lazarosy, sakaizantsika; fa handeha hamoha azy aho.” (Jaona 11:11). Talohan’io, dia efa nanangana olona roa tamin’ny maty i Jesosy, ary samy fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ireob. Amin’ity indray mandeha ity anefa dia ho hafa ny tarehin-javatra; rehefa tonga tany Betania izy rehefa ela ny ela, dia efa maty efatra andro ilay sakaizany. (Jaona 11:17, 39). Ho hain’i Jesosy ve ny hamerina indray amin’ny fiainana lehilahy iray maty efa ela be toy izany ary izay efa nanomboka nihalo ny fatiny?
Nony ren’i Marta, vehivavy haingana fandray fanapahan-kevitra, fa avy i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena azy izy. (Jereo Lioka 10:38-42). Raha vao nahita azy izy, dia nanosika azy hiteny toy izao ny fony: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” Kanefa naneho ny finoany toy izao izy: “Fantatro fa (...) na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao.” Voatohin’ny alahelony ny fon’i Jesosy ka nanome toky azy toy izao izy: “Hitsangana ny anadahinao.” Rehefa avy naneho ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty ho avy izy, dia nilaza taminy mazava i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” — Jaona 11:20-25.
Teny amin’ny fasana, dia nangataka ny hanesorana ny vato nanidy izany izy. Tamin’ny voalohany, dia tsy nanaiky i Marta ka nanao hoe: “Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.” Fa hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Rehefa avy nivavaka tamin’ny feo mafy àry izy, dia nanome baiko hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” Dia nivoaka i Lazarosy na dia efa maty efa efatra andro aza izay! — Jaona 11:38-44.
Tena nitranga tokoa ve izany?
Ny filazantsaran’i Jaona dia mampiseho ny fitantarana ny nitsanganan’i Lazarosy ho toy ny zava-nitranga ara-tantara. Io fitantarana io dia feno tsipiriany araka ny tena izy aoka izany, hany ka tsy mety ho fanoharana tsotra fotsiny. Ny fandavana ny maha-ara-tantara azy io dia midika ho fandavana ireo fahagagana rehetra ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fitsanganan’ny tenan’i Jesosy mihitsyc. Ary ny fandavana ny fitsanganan’i Jesosy dia midika ho fandavana ny finoana kristiana manontolo. — 1 Korintiana 15:13-15.
Raha manaiky ny fisian’Andriamanitra tokoa ianao, dia tsy tokony ho sarotra aminao ny haneho finoana ny fitsanganana amin’ny maty. Indro misy ohatra hanazava izany. Ankehitriny ny olona iray dia afaka mandray amin’ny “cassette vidéo” ny sitrapony farany sy ny didim-pananany, mba hahitan’ny havana aman-tsakaizany azy aorian’ny hahafatesany sy handrenesany ny tenany mihitsy manazava ny fomba tiany hizarana ny fananany. Zato taona lasa izay, dia tsy ho azo noeritreretina mihitsy ny zavatra toy izany, ary ho an’ny olona monina any amin’ny toerana lavitra amin’ny tany velona amin’izao androntsika izao, izany “fahagagana” momba ny fandraisan-tsary sy feo izany dia mihoatra izay azon’ny saina takarina. Raha afaka mampiasa ireo lalàn’ny siansa, izay naorin’ny Mpamorona, ny olombelona, mba hamerenana ny fisehoan-javatra iray amin’ny alalan’ny sary sy ny feo, dia tsy araka ny fandrindran-kevitra ve ny hiheverana fa ny tenan’ny Mpamorona dia mbola afaka ny hanao mihoatra noho izany? Araka izany, tsy araka ny mety ve ny hinoana fa Ilay namorona ny aina dia afaka ny hanangana olona iray amin’ny maty amin’ny famerenana indray ny maha-izy azy ao amin’ny vatana vaovao iray?
Ny fahagagana ny amin’ny niverenan’i Lazarosy ho amin’ny fiainana indray dia nahatonga olona maro hampitombo ny finoany an’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 11:41, 42; 12:9-11, 17-19). Izany koa dia nampiharihary, tamin’ny fomba nampihetsi-po, ny sitrapon’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fanirian’izy ireo hanangana ny maty.
‘Ho manina Andriamanitra’
Ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy dia nampiharihary ny halehiben’ny fangorahan’ilay Zanakalahin’Andriamanitra. Ireo fihetseham-po lalina nasehony tamin’io tarehin-javatra io dia mampiseho mazava ny faniriany mafy ny hanangana ny maty. Izao no vakintsika: “Ary Maria, rehefa tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny [nitoloko tao an-tsaina, MN ], ka tora-kovitra [nitebiteby, MN ] izy; ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. Jesosy nitomany [latsa-dranomaso, MN ]. Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy!’ ” — Jaona 11:32-36.
Ny fangoraham-po lalina tsapan’i Jesosy dia asehon’ireto teny telo ireto: “nitoloko”, “nitebiteby” ary “latsa-dranomaso”. Ireo teny nampiasain’ny apostoly Jaona tany am-boalohany mba hitantarana io fisehoan-javatra nampihetsi-po io dia mampiharihary ny haben’ny fitseran’i Jesosy.
Ny teny grika nadika hoe “nitoloko” dia avy amin’ny matoanteny grika hoe embrimaomaï, izay midika hoe “mangora-po lalina na amim-panaintainana.” Ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe William Barclay dia nanamarika toy izao: “Amin’ny teny grika klasika, mazàna ny [embrimaomaï ] dia nampiasaina mba hanondroana ny fisefosefon’ny soavaly mafy. Eto izy io dia mety hidika fotsiny hoe azon’ny fihetseham-po mafy aoka izany i Jesosy, hany ka tsy voatanany ny fitarainana avy tao am-pony.”
Ny teny nadika hoe “nitebiteby” dia avy amin’ny matoanteny grika hoe tarassô, izay manondro fisamboaravoarana. Araka ny The New Thayer’s Greek English Lexicon of the New Testament (rakibolana anglisy), izy io dia midika hoe “miteraka fisamboaravoarana anaty, (...) mahatonga fijaliana na alahelo lalina.” Ny teny hoe “latsa-dranomaso” dia avy amin’ny matoanteny grika hoe dakruô, izay midika hoe “mandatsa-dranomaso, mitomany mangina”. Tsy mitovy amin’ny ‘fitomanian’i Maria sy ny an’ireo Jiosy niaraka taminy izany, araka ny hita ao amin’ny Jaona 11:33. Ao amin’io andinin-teny io, dia ampiasaina ny teny grika hoe klaïô izay midika hoe “mitomany amin’ny feo avo na mafyd”.
Nihetsi-po lalina àry i Jesosy noho ny nahafatesan’i Lazarosy sakaizany sy ny fahitana ny fitomanian’ireo anabaviny. Nijaly aoka izany izy ka vonton-dranomaso ny masony. Ny tokony homarihina dia ny efa nananganany olona roa tamin’ny maty, ary izao indray dia nanam-pikasana ny hanao toy izany tamin’i Lazarosy koa izy. (Jaona 11:11, 23, 25). Kanefa mbola “latsa-dranomaso” ihany izy. Tsy fombafomba fotsiny àry izany amin’i Jesosy ny fananganana olona amin’ny maty. Ny fangoraham-po sy ny fihetseham-po lalina nasehony tamin’io tarehin-javatra io dia mampiseho mazava ny faniriany mafy ny hamerina amin’ny laoniny ny fandravana nateraky ny fahafatesana.
Koa satria Jesosy ‘endriky ny tenan’i Jehovah Andriamanitra indrindra’, dia azontsika atao ny manantena ny hanaovan’ny Raintsika any an-danitra toy izany koa. Raha ny amin’ny sitrapon’i Jehovah ny hanangana ny olombelona amin’ny maty, dia hoy i Joba nahatoky: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? (...) Hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; Ary mba halahelo [ho manina, MN ] ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15). Ny teny tany am-boalohany nadika hoe “ho manina ianao” dia manondro faniriana mafy. (Genesisy 31:30; Salamo 84:2). Miharihary fa tsy maintsy efa mankafỳ mialoha ny fotoana hitrangan’ny fitsanganana amin’ny maty i Jehovah.
Azo atao tokoa ve ny mino ny fampanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty? Tsy misy isalasalana fa tsy maniry fotsiny ny hitana azy io i Jehovah sy i Jesosy, fa afaka ny hanao izany koa. Midika inona ho anao izany? Fa manana fanantenana ny hahita indray ireo olo-malalanao nody mandry ianao, eto an-tany mihitsy izay hanjakan’ny fiadanana.
Ankehitriny dia izany no fanantenan’i Roberta (voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha). Taona maromaro taorian’ny nahafatesan’ny reniny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanampy azy hianatra ny Baiboly amin’ny fomba lalina. Izao no tsaroany: “Rehefa nianatra ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty aho, dia nitomany. Nahafinaritra aoka izany ny nahafantatra fa hahita ny reniko indray aho.” Raha toa, sahala amin’ny an’i Roberta, ka manina olo-malala iray ny fonao, dia tsy isalasalana fa ho tianao ny hianatra bebe kokoa ny amin’io fahatsinjovan-javatra mahatalanjona io. Hodinihina amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny pejy faha-18 ka hatramin’ny pejy faha-28 amin’ity gazety ity ihany ireo antony mafy orina inoana io fampanantenana io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra hoe “Aoka isika haneho finoana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay”, pejy faha-23 ka hatramin’ny faha-28.
b Teo anelanelan’ny fotoana nanomezan’i Jesosy ny fampanantenana voarakitra ao amin’ny Jaona 5:28, 29 sy ny nahafatesan’i Lazarosy, dia nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tany Naina sy ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty i Jesosy. — Lioka 7:11-17; 8:40-56.
c Jereo ny toko faha-6 hoe: “Les miracles se sont-ils réellement produits?” ao amin’ilay boky hoe La Bible: Parole de Dieu ou des hommes?, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
d Mariho fa ny teny grika hoe klaïô, “mitomany mafy”, no ampiasaina mba hilazana an’i Jesosy fony izy naminany ny amin’ny fandringanana an’i Jerosalema. Hoy i Lioka ao amin’ny fitantarany: “Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna [Jerosalema], dia nitomany azy.” — Lioka 19:41.
[Sary, pejy 5]
Tamin’ny nananganany ny zanakavavin’i Jairo, i Jesosy dia nanome antony mafy orina mba hinoana ny fitsanganana amin’ny maty ho avy.
[Sary, pejy 6]
Tohina mafy i Jesosy tamin’ny fahafatesan’i Lazarosy.
[Sary, pejy 7]
Izay rehetra hahita ny fitsanganan’ny maty dia hahatsapa fifaliana mitovy amin’ny an’ilay mpitondratena tany Naina, rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanany lahy.