Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanantenana fitsanganan’ny maty
FARANY dia tonga teny akaikin’i Betania, tanàna eo amin’ny 3 kilaometatra avy eo Jerosalema i Jesosy. Vao andro vitsivitsy izay no lasa hatramin’ny nahafatesan’i Lazarosy sy ny nandevenana azy. Marta sy Maria, anabavin’ny maty, dia mbola nisaona ary maro no tonga tao aminy mba hampionona azy.
Raha mbola nitomany ny anadahiny izy ireo dia nisy nilaza tamin’i Marta fa any an-dalana i Jesosy. Niainga àry izy ka nihazakazaka nitsena azy, ary toa tsy nampandre ny rahavaviny. Rehefa tonga teo amin’i Jesosy izy, dia nambaran’i Marta fa nandritra ny efatra andro farany dia tsy nitsahatra namerimberina matetika izy sy Maria nanao hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.”
Na dia izany aza, ny tenin’i Marta dia nampiseho ny fanantenany fa mbola afaka manao zavatra ho an’ny anadahiny i Jesosy. Hoy izy: “Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra dia omen’Andriamanitra Anao.”
“Hitsangana ny anadahinao”, hoy ny fampanantenana nomen’i Jesosy azy.
Noho ny fiheverany fa eto Jesosy dia niresaka ny amin’ny fitsanganan’ny maty eto an-tany mbola ho avy, fitsanganana izay nandrasan’i Abrahama sy ny mpanompon’i Jehovah hafa koa, dia namaly i Marta nanao hoe: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.”
Ny valintenin’i Jesosy anefa dia milaza fanantenana fanamaivanana avy hatrany. Izao tokoa no nambarany: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Notsahiviny an’i Marta fa nomen’i Jehovah fahefana amin’ny fahafatesana izy: “Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.”
Tsy te-hilaza amin’i Marta akory i Jesosy fa ireo mpino velona tamin’izay dia tsy ho faty mihitsy. Tsia, fa ny tiany holazaina dia hoe afaka mahazo ny fiainana mandrakizay ny tena amin’ny fanehoana finoana azy. Ny ankamaroan’ireo ho velona mandrakizay dia ireo hatsangana amin’ny andro farany. Mifanohitra amin’izany kosa fa ireo mpino hafa dia ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra eto an-tany ankehitriny, ka amin’izy ireo no tena ho tanteraka ara-bakiteny ny tenin’i Jesosy. Tsy ho faty mandrakizay izy ireo! Rehefa avy nanao izany fanambarana miavaka izany i Jesosy dia nanontany an’i Marta nanao hoe: “Mino izany va hianao?”
“Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.”
Niverina faingana niantso ny rahavaviny àry i Marta. Nilaza taminy manokana izy nanao hoe: “Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.” Nandao ny trano avy hatrany i Maria. Rehefa nahita azy niainga ny olona hafa dia nanaraka azy satria nihevitra fa nankany am-pasana izy.
Rehefa nanatona an’i Jesosy i Maria dia niankohoka tamin-dranomaso teo an-tongony nanao hoe: “Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.” Nihetsi-po lalina i Jesosy raha nahita an’i Maria sy ny vahoaka izay nanaraka azy nitomany. “Aiza moa no nandevenanareo azy?” hoy ny fanontaniany.
Namaly ireo nanao hoe: “Tompoko, andeha hizaha.”
Nitomany koa i Jesosy ka hoy ny Jiosy hoe: “Akory ity haben’ny fitiavany azy!”
Nahatsiaro ny sasany fa volana vitsivitsy talohan’izay, tamin’ny andro firavoravoana ny amin’ny Tabernakely, Jesosy dia nanasitrana lehilahy teraka jamba iray, ka nanontany toy izao izy ireo: “Moa tsy hain’Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?” Jaona 5:21; 6:40; 9:1-7; 11:17-37.
◆ Tamin’ny farany, oviana Jesosy no tonga tany Betania, ary inona no nitranga tao?
◆ Miorina amin’inona ny finoan’i Marta ny amin’ny fitsanganan’ny maty?
◆ Hatraiza ny fahafatesan’i Lazarosy no nampalahelo an’i Jesosy?