Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy
TONGA niaraka tamin’ny mpanotrona azy rehetra teo amin’ny fasana fahatsiarovana nisy an’i Lazarosy izao i Jesosy. Raha ny marina, izany dia zohy nasiana varavarana vato. Dia hoy i Jesosy: “Esory ny vato.”
“Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay”, hoy ny fanoheran’i Marta, izay tsy mbola nahay nanavaka ihany ny fikasan’i Jesosy.
Hoy anefa ny navalin’i Jesosy azy: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?”
Nesorina ny vato. Rehefa avy eo, dia niandrandra i Jesosy ka nivavaka tamin’izao teny izao: “Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.” Nivavaka ampahibemaso i Jesosy mba hahafantaran’ny olona fa noho ny hery noraisina avy amin’Andriamanitra no hanaovany izay nadiva hotanterahiny. Avy eo dia niantso mafy toy izao izy: “Ry Lazarosy, mivoaha!”
Tamin’izay, dia nivoaka avy tao am-pasana i Lazarosy. Mbola voafatopatotra ny tongony aman-tanany, ary voasaron-damba ny tavany. “Vahao izy, ka avelao handeha”, hoy i Jesosy tamin’izay.
Rehefa nahita ny fahagagana nitranga ny maro amin’ny Jiosy tonga hampionona an’i Maria sy Marta dia nino an’i Jesosy. Ny hafa kosa lasa nitantara tamin’ny Fariseo izay nitranga. Namory avy hatrany ny Synedriona, dia ny fitsarana tampony, ireo mbamin’ny lohan’ny mpisorona.
Ny nahaforona ny Synedriona dia Fariseo sy Sadoseo, lohan’ny mpisorona, Kaiafa nanao ny raharahan’ny mpisoronabe, mbamin’ny mpisorona taloha. Nitaraina toy izao izy ireo: “Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro? Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.”
Na dia niaiky aza ireny filoha ara-pivavahana ireny fa ‘nanao famantarana maro i Jesosy’, dia tsy niahy afa-tsy ny toerany sy ny fahefany izy ireo. Namely mafy ny Sadoseo ny namelomana an’i Lazarosy indray, satria tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo.
Nandray ny fitenenana izao i Kaiafa, angamba Sadoseo, ka hoy izy: “Hianareo tsy mahalala na inona na inona, na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.”
Andriamanitra no nanosika an’i Kaiafa hanonona ireo teny ireo. Izao tokoa no nosoratan’i Jaona eo ambany kokoa, ao amin’ny fitantarany: “Ary tsy niteny izany ho azy izy [Kaiafa].” Raha ny marina, ny tian’i Kaiafa holazaina tamin’izany dia hoe tokony hovonoina Jesosy mba hisakanana azy tsy handrava bebe kokoa ny fahefana sy ny hery nomen’ny toerany azy ireo. Araka ny nolazain’i Jaona anefa, dia ‘naminany i Kaiafa fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona koa ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray’. Marina tokoa fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahafatesan’ny Zanany ho avotra ho an’ny rehetra.
Nahomby izao i Kaiafa tamin’ny fanosehana ny Synedriona hiray tetika hamono an’i Jesosy. Niala teo anefa i Jesosy, angamba satria nampandre azy ny amin’ny volavolan-kevitr’izy ireo i Nikodemosy, anisan’ny Synedriona, izay niseho ho tsara fanahy taminy. Jaona 11:38-54.
◆ Nahoana moa no nivavaka ampahibemaso i Jesosy talohan’ny hananganana an’i Lazarosy?
◆ Inona moa no nataon’ireo nahita maso izany fananganana izany?
◆ Inona moa no mampiharihary ny faharatsian’ireo anisan’ny Synedriona?
◆ Inona moa no fikasan’i Kaiafa, nefa raha ny marina, nasain’Andriamanitra naminany ny amin’inona izy?