-
LambaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fomba hafa nampiasana ny lamba. Nofehezina lamba ny zaza vao teraka. (Lk 2:7) Nofonosin’ny Jiosy fehim-paty na lamba rongony lavalava madio niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona ny faty halevina, fa tsy nokarakarainy hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina. (Jn 19:40; Mt 27:59) Hitan’i Jaona sy Petera nivalona nitokana tao am-pasana ny fehim-paty sy ny lamba natao tamin’i Jesosy rehefa natsangana izy. (Jn 20:5-7) Mbola nisy fehy lamba, izay toa lamba rongony lavalava, ny loha sy tarehin’i Lazarosy, tamin’izy natsangana tamin’ny maty ka nivoaka avy tao am-pasana.—Jn 11:44.
-
-
Fikarakarana FatyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nitondra “miora sy hazo manitra iray fehezana nilanja tokony ho zato livatra” i Nikodemosy, rehefa maty i Jesosy Kristy. ‘Nalainy ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny fehim-paty niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa mikarakara faty halevina.’ (Jn 19:39, 40) Tsy hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina anefa izany, fa nomanina halevina fotsiny ny fatin’i Jesosy, toy ny nanomanana ny fatin’i Lazarosy. Tsy fanaon’ny Jiosy ny nikarakara faty mba hotehirizina ela, satria rehefa niteny i Jesosy hoe: “Esory ny vato”, dia hoy i Marta: “Tompo ô, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” Tsy ho niteny izany i Marta raha efa voakarakara tsy ho simba ny fatin’i Lazarosy. Nisy fehim-paty ny tongotra aman-tanan’i Lazarosy, ary “nisy fehy lamba ny tarehiny.” Tsy natao hitehirizana ny fatiny tsy ho lo anefa izany.—Jn 11:39, 44; jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA.
-