LESONA 48
Fahaizana Manjohy Hevitra
VELOM-PANKASITRAHANA isika fa nanova ny fiainantsika ny Tenin’Andriamanitra, ary tiantsika handray soa toy izany koa ny hafa. Fantatsika koa fa miankina amin’ny fihetsiky ny olona manoloana ny vaovao tsara ny hoaviny. (Matio 7:13, 14; Jaona 12:48) Tena tiantsika hanaiky ny fahamarinana izy ireo. Mba hahitana vokatra tsara anefa, dia tsy ampy fotsiny ny mino mafy izay fantatsika sy ny ho be zotom-po, fa tsy maintsy ilaina koa ny fahaiza-manavaka.
Raha mivantambantam-piteny isika milaza fahamarinana izay mampiseho amin’ilay olona fa diso ny zavatra inoany sy ankamaminy, dia hanohitra antsika izy, na dia mitanisa andinin-teny maro be aza isika. Ohatra, mety tsy hampiova ny fiheveran’ny olona momba ny fety tiam-bahoaka ny filazantsika fotsiny hoe fanaon’ny mpanompo sampy izy io. Mandaitra kokoa mazàna ny fanjohiana hevitra. Inona anefa no atao amin’izany?
Milaza amintsika ny Soratra Masina fa “ny fahendrena izay avy any ambony dia ... tia fihavanana, mandefitra.” (Jak. 3:17) Misy fandikan-teny nandika ny hoe “mandefitra” ho “mahalala ny antonony”, “be fiheverana”, “mora fanahy”, na “mahatsindry fo.” Mariho fa ampifandraisina amin’ny fandeferana ny hoe tia fihavanana. Ao amin’ny Titosy 3:2, dia ampiarahina amin’ny fandeferana ny hoe malemy fanahy, fa ampifanoherina kosa amin’ny hoe mpila ady. Ampirisihin’ny Filipiana 4:5 isika mba hampahafantatra ny ‘fandeferantsika’ amin’ny olona. Ny mpandefitra dia mijery ny toe-piainana niavian’ilay iresahany, sy ny toe-javatra misy azy, ary ny fihetseham-pony. Vonon-kandefitra izy, rehefa mety ny hanaovana izany. Hanokatra ny sainy sy ny fony ny olona rehefa entina toy izany, ka hanaiky ny fiarahantsika manjohy hevitra aminy amin’ny alalan’ny Soratra Masina.
Inona no hanombohana azy? Nolazain’i Lioka, mpanoratra tantara, fa fony tany Tesalonika ny apostoly Paoly, dia nampiasa ny Soratra Masina, ka “nanambara [ary] naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy.” (Asa. 17:2, 3) Tsara homarihina fa tao amin’ny synagoga jiosy no nanaovany izany. Nanaiky ny Soratra Hebreo ireo niresahany tao. Nety àry ny nanombohany tamin’izay zavatra neken’izy ireo.
Tsy natombok’i Paoly tamin’ny fanononana teny avy tao amin’ny Soratra Masina anefa ny resaka nataony tamin’ny Grika teo amin’ny Areopago tany Atena. Zavatra fantatr’izy ireo sy neken’izy ireo kosa no nanombohany ny resaka, mba hitarihana azy ireo hihevitra ny Mpamorona sy ny fikasany.—Asa. 17:22-31.
Olona an-tapitrisany ankehitriny no tsy manaiky ny Baiboly ho mpitari-dalana azy eo amin’ny fiainany. Saika ny fiainan’ny rehetra mihitsy anefa no iharan-java-tsarotra eto amin’ity tontolo ity. Maniry zavatra tsara kokoa ny olona. Miresaha aloha momba izay zavatra mampanahy azy, avy eo vao asehoy izay hazavain’ny Baiboly momba izany. Mety hanosika azy hihaino izay lazain’ny Baiboly momba ny fikasan’Andriamanitra izany fanehoana fiheverana azy izany.
Mety ho avy tamin’ny ray aman-dreniny no nahazoan’ny mpianatra ny Baiboly iray ny fivavahany sy ireo fanao mahazatra azy. Fantany anefa izao fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra sasany inoany sy arahiny. Tsy manaraka azy ireny intsony izy, mba hankatoavana izay ampianarin’ny Baiboly. Ahoana no hanazavany izany amin’ny ray aman-dreniny? Mety hihevitra izy ireo fa tsy ilay fivavahana no lavin-janany amin’izany, fa izy ireo mihitsy. Mety hanapa-kevitra ilay mpianatra Baiboly fa tokony hanome toky ny ray aman-dreniny aloha izy fa tia sy manaja azy ireo, izay vao hanazava ny antony ara-baiboly iorenan’ny fanapahan-keviny.
Rahoviana no mandefitra? Na dia manana ny fahefana hibaiko sy handidy aza i Jehovah, dia maneho fiheverana tsy misy toy izany. Nampirisika toy izao ny anjelin’i Jehovah, fony namonjy an’i Lota sy ny fianakaviany tany Sodoma: “Mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.” Niangavy anefa i Lota hoe: “Aza an’izany, Tompo ô!” Nangata-dalana handositra tany Zoara izy. Naneho fiheverana an’i Lota i Jehovah, ka namela azy hankany Zoara, hany ka tsy niara-noringaniny tamin’ireo tanàna hafa i Zoara. Nanaraka ilay toromarik’i Jehovah tany am-boalohany ihany anefa i Lota tatỳ aoriana, ka nankany an-tendrombohitra. (Gen. 19:17-30) Efa fantatr’i Jehovah fa ny azy no marina, nefa naharitra sy nandefitra izy, mandra-pahatakatr’i Lota an’izany.
Mila maneho fiheverana toy izany koa isika, mba hananana fifandraisana tsara amin’ny hafa. Mety ho azontsika antoka fa diso hevitra ilay olona iresahantsika, ary mety hahita hevitra tsara hanaporofoana izany isika. Indraindray anefa dia tsara kokoa ny tsy manizingizina ny amin’izany. Tsy hoe mampandefitra ny fitsipik’i Jehovah akory isika, raha mandefitra toy izany. Aleo fotsiny misaotra ilay olona noho izy nilaza ny heviny, na avela fa tsy toherina ny teny diso sasany, mba hahafahana hampifantoka ilay resaka amin-javatra mahasoa kokoa. Aza misafoaka na dia melohiny aza ny zavatra inoanao. Anontanio azy ny antony ilazany izany. Henoy tsara izay lazainy. Hanampy anao hahafantatra kokoa ny fomba fisainany izany. Mety hahafahana hiresaka tsara aminy koa izany, amin’ny manaraka.—Ohab. 16:23; 19:11.
Nataon’i Jehovah hanan-tsafidy ny olombelona. Avelany hampiasa izany fahafahana izany izy ireo, na dia mety tsy hanao izany amim-pahendrena aza. Nisolo tena an’i Jehovah i Josoa, fony nitantara ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely. Hoy izy anefa avy eo: “Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.” (Josoa 24:15) Nirahina mba ‘hitory ho vavolombelona’ isika ankehitriny, ary matoky izay lazaintsika isika, nefa tsy mitady hanery ny hafa hino. (Matio 24:14) Tsy maintsy mifidy izy ireo, ary tsy esorintsika aminy izany zo izany.
Mametraha fanontaniana. Namela ohatra faran’izay tsara i Jesosy rehefa nanjohy hevitra. Nanisy fiheverana ny toe-piainana niavian’ny olona izy, ary nampiasa fanoharana izay neken’izy ireo mora foana. Nahay nampiasa fanontaniana koa izy. Nahatonga ny hafa ho afaka hilaza ny heviny sy hampiharihary ny tao am-pony izany. Nampirisika azy ireo hanjohy hevitra momba ilay zavatra noresahina koa izany.
Hoy ny lehilahy iray mpahay Lalàna tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Afaka nanome azy ny valiny mora foana i Jesosy. Nanasa an’ilay lehilahy hilaza ny heviny anefa izy. “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?” Marina ny valin-teny nomen’ilay lehilahy. Nifarana teo ve ilay resaka? Tsia. Navelan’i Jesosy hanohy ny teniny izy, ary hitany tamin’ny fanontaniana napetrak’ilay lehilahy fa nitady hanamarin-tena izy. Nanontany izy hoe: “Iza ary no namako?” Tsy namaritra ny atao hoe namana i Jesosy, satria mety ho nolavin’ilay lehilahy izany, noho ny fihetsiky ny Jiosy teo anoloan’ny Jentilisa sy ny Samaritanina. Nasain’i Jesosy nanjohy hevitra tamin’ny alalan’ny fanoharana iray kosa izy. Momba ny Samaritanina tsara fanahy iray ilay fanoharana: Namonjy lehilahy iray nisy nanendaka sy namono izy, fa tsy nanao izany kosa ny mpisorona iray sy ny Levita iray. Fanontaniana tsotra no napetrak’i Jesosy, dia azony antoka fa azon’ilay lehilahy tsara ny hevitr’ilay fanoharana. Nanjary nisy heviny mbola tsy hain’io lehilahy io taloha ilay teny hoe ‘namana’, noho ilay fanjohian-kevitra narahin’i Jesosy. (Lioka 10:25-37) Izany ka ohatra tsara hotahafina! Aza miteny foana, ka tsy mamela ilay olona hieritreritra, fa mianara kosa mampiasa fanontaniana sy fanoharana voalanjalanja, mba hampirisihana azy hieritreritra.
Manomeza antony. Tsy namaky teny izay neken’ny mpihaino fotsiny ny apostoly Paoly, fony niteny tao amin’ny synagogan’i Tesalonika. Notantarain’i Lioka fa nanazava sy nanome porofo ary nampihatra izay novakiny i Paoly. Ny vokatr’izany? “Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy Silasy.”—Asa. 17:1-4.
Manampy foana ny fanjohian-kevitra toy izany, na iza na iza mihaino anao. Marina izany, na mitory amin’ny havana ianao, na miteny amin’ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra aminao, na miresaka amin’olon-tsy fantatra eny amin’ny fanompoana, na mitarika fampianarana Baiboly, na mandaha-teny ho an’ny fiangonana. Mety hazava aminao ny andinin-teny vakinao, nefa mety tsy ho azon’ny hafa ny heviny. Toa mitompo teny fantatra ny fandrenesany ianao, rehefa manazava na manao fampiharana ilay andinin-teny. Nahoana raha singanina sy hazavaina ny teny fototra sasany ao amin’ilay andinin-teny? Sao dia hanampy ny fanomezana porofo, angamba avy amin’ny teny manodidina na ny andinin-teny iray hafa? Sa fanoharana iray no ilaina mba hampisehoana fa azo ekena ilay zavatra nolazainao? Hanampy ny mpihaino hanjohy hevitra momba ilay foto-kevitra ve ny fametrahana fanontaniana? Horaisin’izy ireo tsara ny fanjohian-kevitra toy izany ary hahatonga azy hieritreritra.