Ny Andro Famalian’Andriamanitra
ARAKA ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia misy antony maromaro maha-ratsy ny hitadiavantsika hamaly faty. Ratsy izany satria eo amin’ny vokany farany, dia tsy hamaha olana velively izany. Ratsy izany satria manamafy ny fifandrafiana fa tsy mampiray ny fatoram-pisakaizana. Ary ratsy izany satria manimba ilay olona manolokolo eritreritra feno valifaty.
Kanefa ny antony lehibe indrindra maha-ratsy ny valifaty ataon’ny olona dia hita ao amin’ireto tenin’i Mosesy ho an’ny Isiraely ireto: “Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao.” (Deoteronomia 4:31). Koa satria mpamindra fo Andriamanitra, dia tokony ho mpamindra fo tahaka azy koa isika. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy: “Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” — Lioka 6:36.
Na dia izany aza, dia milazalaza an’i Jehovah ho “Andriamanitra Mpamaly ny natao” koa ny Baiboly. (Salamo 94:1). Ny mpaminany Isaia dia miresaka ny amin’ny “taona ankasitrahan’i Jehovah” ary koa ny amin’ny “andro famalian’Andriamanitsika”. (Isaia 61:2). Ahoana no ahafahan’Andriamanitra ho sady mpamindra fo no mpamaly faty? Ary raha tokony hanahaka ny famindrampon’Andriamanitra isika, nahoana no tsy afaka hanahaka azy raha ny amin’ny fanaovana valifaty?
Ho valin’ilay fanontaniana voalohany, dia mpamindra fo Andriamanitra satria tia ny taranak’olombelona izy, ary mamela heloka araka izay fetra azony avela izy mandritra ny fotoana azony anaovana izany mba hanomezana ho an’ny olombelona fahafahana manarina ny fitondrantenany ratsy. Maro be, sahala amin’ny apostoly Paoly, no nandray soa avy tamin’izany famindrampo izany. Mpamaly faty koa anefa Andriamanitra — amin’ny heviny hoe mitaky ny rariny izy — satria ny famindrampo toy izany dia afaka mitohy nefa tsy maharitra ela be. Rehefa mampiseho ny sasany fa tsy hanova na oviana na oviana ny fomba fiainany izy, dia hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra mandritra ilay antsoina hoe andro famaliany.
Ho valin’ilay fanontaniana faharoa indray, dia tsia, tsy hamarinina isika raha mamaly faty satria hoe mitaky famaliana Andriamanitra. Tanteraka i Jehovah raha ny amin’ny rariny. Tsy toy izany kosa ny olombelona. Mahita ny lafiny rehetra amin’ny raharaha iray Andriamanitra ary manao fanapahan-kevitra mahitsy mandrakariva. Tsy azo antenaina hahavita toy izany isika. Izany no antony nanoroan’i Paoly hevitra hoe: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:19). Mba hahasoa ny tenantsika, dia tsy maintsy mamela ny famaliana ho eo am-pelatanan’i Jehovah isika.
Nahoana no hisy andro famaliana?
Na dia izany aza, ny Baiboly, ao amin’ny toerana maro be ao anatiny, dia miaiky ny amin’ny ilàna fampamoahana ireo mpanao ratsy tsy mibebaka. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia nanambara mialoha fa Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy, dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesaloniana 1:8). Manana antony tsara tokony handraisana ho zava-dehibe an’ireo teny ireo isika. Nahoana?
Voalohany indrindra, dia satria mikiribiby manohitra ny fiandrianan’ny Mpamorona ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao ary tsy miraharaha ireo lalàny marina. Na milaza tena ho mino an’Andriamanitra izy ireo na tsia, ny fitondrantenany dia mampiseho miharihary fa tsy mahatsapa tena ho mbola hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra izy. Mihatra amin’izay rehetra toy izany ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?” (Salamo 10:13). Azo antoka fa tsy hamela ny tenany hovazivazìna amin’izany fomba izany tsy misy farany akory Andriamanitra. Na dia Andriamanitra fitiavana aza izy, dia Andriamanitry ny rariny koa. Hihaino ny fitarainana toy izao ataon’ireo miahy marina ny amin’ny rariny izy: “Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tànanao. Aza manadino ny ory.” — Salamo 10:12.
Ankoatra izany, ireo olona mpankahatra lalàna dia manimba ny tany onenantsika mihitsy. Mandoto ny rivotra sy ny vohontany ary ny rano izy ireo; mameno ny tany amin’ny tsy rariny sy ny habibiana izy ireo. Manangona be loatra fitaovam-piadiana mahafaty simika sy noklehera ary hafa izy ireo mba handrahonana ny ain’ny sisa velona amin’ny taranak’olombelona. Tsy azo sakanana ny fisalovanan’Andriamanitra mba hiantohana hoavy azo antoka iray ho an’ny taranak’olombelona mankatò. (Apokalypsy 11:18). Izany fisalovanana izany no noresahin’i Isaia tamin’ny hoe andro famaliana.
Inona no hotanterahin’ny andro famalian’Andriamanitra?
Araka ny voalazan’ny Rakibolana fanazavana ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, nataon’i Vine (anglisy), ao amin’ny Soratra grika, ny teny hoe valifaty, rehefa ampiasaina mifandray amin’Andriamanitra, dia midika ara-bakiteny hoe “ ‘izay avy amin’ny rariny’, tsy sahala amin’ny valifatin’ny olombelona izay matetika no avy amin’ny fikasana ny hanimba na vokatry ny fahatsapana fahatezerana tsotra fotsiny.” Araka izany, ny famalian’Andriamanitra ireo fahavalony dia tsy fotoana iray hisian’ny ra mandriaka tsy voafehy, toy ny valifaty ataon’ny tena manokana. “Fantatry ny Tompo [Jehovah, MN] izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana”, hoy ny Baiboly amintsika. — 2 Petera 2:9.
Ny mpanompon’Andriamanitra dia miandry amim-pahadodonana ny andro famalian’Andriamanitra izay ho fotoana hanamarinana ny fitondrantena mahitsy sy hanafahana ny olo-marina amin’ny fampahorian’ny ratsy fanahy. Tsy milaza akory izany fa mpanao an-dolompo na mpamaly faty izy ireo. “Izay faly amin’ny fahorian’ny sasany dia tsy maintsy hampijalina”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly. (Ohabolana 17:5). Mifanohitra amin’izany, fa mamboly famindrampo sy fangorahana izy ireo, ka mamela izay mety ho fanapahan-kevitra momba ny famaliana ho an’Andriamanitra.
Marina fa tsy mora ho an’ny olona tezitra ny manao zavatra amin’izany fomba izany. Nefa azo atao tsara izany, ary maro be no efa nanao toy izany. I Pedro, ohatra, dia nanana fotoam-pahazazana tsy nahasambatra ary voakapoky ny zokiny lahy matetika. Noho izany, dia tonga olon-dehibe nahery setra izy, nanan-java-nanahirana tamin’ny pôlisy mandrakariva, ary namaly tamin’ny vady aman-janany ny fahatezerany tamin’ny rahalahiny. Rehefa ela ny ela, dia nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary taorian’izay dia nanomboka nianatra ny Baiboly. “Noho ny fanampian’i Jehovah”, hoy ny fitantarany, “dia niova aho, ary ankehitriny dia tsy miady aman’olona intsony fa manampy azy ireny kosa amin’ny maha-loholona kristiana.” Noho ny fanampian’ny Baiboly sy ny fanahy masina, dia misy olon-kafa tsy tambo isaina nanao fiovana mitovy amin’izany ka niala tamin’ny lolompo na valifaty, ary mampiseho fitiavana sy faharetana amin’ny hafa kosa.
Inona no hataonao?
Ny fitadidiana ao an-tsaina ny fahatongavan’ny andro famalian’Andriamanitra dia hanampy antsika hahay hanararaotra ny faharetan’i Jehovah. Tsy hoe tsy voafetra anefa ny fahafahana manao toy izany. Tsy ho ela dia ho tonga io andro io. Nasehon’ny apostoly Petera toy izao ny antony tsy mbola nahatongavan’izy io: “Ny Tompo [Jehovah, MN] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” — 2 Petera 3:9.
Mahadodona àry ny hiomanana dieny izao ho amin’ny andro fampamoahana, amin’ny alalan’ny fianarana ny Soratra masina sy amin’ny fampiharana ireo toroheviny. Hanampy antsika izany mba hanarahana ny tenin’ny mpanao salamo, manao hoe: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany. Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” — Salamo 37:8, 9.
[Sary, pejy 7]
Aorian’ny andro famalian’Andriamanitra, izay miandry an’i Jehovah dia handova ny tany’