Fanadalana Momba ny Lahy sy ny Vavy — Ny Fomba Iarovanao ny Tenanao
“TSY misy vehivavy tokony hizaka isan’andro filazana tsy mivantana momba ny lahy sy ny vavy”, hoy i Gretchen Morgenson, mpampanonta gazetiboky, “kanefa tsy araka ny fandrindran-kevitra koa ny hanampoizan’ny vehivavy rivo-piainana madio any am-piasana, rivo-piainana tsy misy fitondran-tena mampiseho tsy fahalalam-pomba.” Tamin’ny fomba mendri-piderana, ireo ezaka nataon’ny mpampiasa sy ireo fitsarana mba hanaovana ny toeram-piasana ho tsy misy atahorana kokoa dia nitondra vokatra tsara sasany. Ny mety hisian’ny ady ara-pitsarana, ohatra, dia nanosika mpampiasa sy mpiasa maneran-tany hiezaka hanatsara ny rivo-piainana any am-piasana. Kompania maro no nametraka tao aminy, fomba fanaovan-javatra hoenti-miatrika ny fanaovana fihetsika vetaveta any amin’ny toeram-piasana. Misy fivoriana sy seminera atao mba hampianarana an’ireo mpiasa ny amin’ny fitondran-tena mendrika any amin’ny toeram-piasana.
Mazava ho azy fa fahendrena tsotra izao ny hahafantarana sy ny hanarahana an’ireo fomba fanao ao amin’ny kompania sy ireo lalàna eo an-toerana. (Romana 13:1; Titosy 2:9). Hitan’ny Kristiana koa fa mahasoa ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Afaka manampy be dia be anao mba hanalavirana ny hiharan’ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy — na ny hanao azy io — ny fanarahana ireny toro lalana nomen’ny tsindrimandry ireny, eo amin’ny fifampiraharahanao amin’ireo mpiara-miasa aminao.
Fitondran-tena mendrika ho an’ny lehilahy
Diniho ilay raharaha ny amin’ny fomba tokony hitondran’ny lehilahy ny vehivavy. Manam-pahaizana maro no mampitandrina ny amin’ny fikasihana an’ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena. Mampitandrina izy ireo fa ny fanehatehafana amim-pisakaizana eo amin’ny lamosina dia mety horaisina mora foana amin’ny fomba diso. “Mihevitra ny fikasihana ho tena zava-dehibe ireo mpitsara”, hoy ny fanamarihan’i Frank Harty, mpisolovavan’ny mpiasa. Ny fanoloran-keviny? “Raha mihoatra noho ny fandraisan-tanana no tafiditra amin’izany, dia aza atao izany.” Marina fa ny Baiboly mihitsy dia tsy manome fitsipika azo ampiharina foana ny amin’io raharaha io.a Rehefa heverina anefa ny rivo-piainana araka ny lalàna sy ara-pitondran-tena manjaka amin’izao fotoana izao, dia mety ny hanehoana fitandremana — indrindra fa ho an’ireo izay manana fironana hikasika nefa tsy tsapany akory, rehefa miresaka izy ireo.
Ekena fa tsy mora arahina foana akory izany torohevitra izany. I Glen, ohatra, dia avy amin’ny kolontsaina hispanika. “Any amin’ny toerana niaviako”, hoy izy, “ny olona dia mirona kokoa tsotra izao hamihina noho ny eto Etazonia. Ao amin’ny fianakaviako, dia matetika izahay no manoroka ny namana rehefa miarahaba azy, kanefa teto izahay dia nampitandremana mba tsy ho maika loatra hanao izany.” Hita ho mahasoa anefa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’io raharaha io. Nilaza toy izao tamin’i Timoty tovolahy ny apostoly Paoly: “Ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy; ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.” (1 Timoty 5:1, 2, DIEM ). Moa ve izany tsy manilika ny fikasihana tsy an-kifidy olona, ny fikasihana enti-manangoly, na tsy nirina?
Azo ampiharina amin’ny resaka koa io fotopoto-pitsipika io ihany. Mety ny ilazan’ny Baiboly hoe: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao”. (Efesiana 5:3, 4). Manolo-kevitra i Kathy Chinoy, mpisolovava ny amin’ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy, fa alohan’ny hitenenana, dia mandinika fanontaniana iray toy izao ianao: “Ho tianao ve ny hihainoan’ny reninao, ny anabavinao, na ny zanakao vavy an’izany?” Mampietry an’ilay miteny ary koa ilay mihaino, ny teny vetaveta sy mifono heviny ratsy.
Fisorohana ny fanadalana
Ahoana no azon’ny olona iray iezahana hanalavitra ny hiharan’ny fanadalana? Angamba azo ampiharina amin’itỳ toe-javatra itỳ ilay torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany, rehefa nandefa azy ireo ho amin’ny fanendreny azy ireo voalohany hitory izy, manao hoe: “Indro! Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia; noho izany, dia aoka ianareo hitandrina tahaka ny menarana ary anefa ho tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala.” (Matio 10:16, NW ). Na ahoana na ahoana, ny Kristiana iray dia tsy hoe tsy afa-manoatra. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, (...) dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana”. (Ohabolana 2:10, 11). Andeha àry hojerentsika ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly sasany izay afaka manampy anao hiaro ny tenanao.
1. Tandremo ny fomba fitondranao tena eo anoloan’ny mpiara-miasa. Tsy midika akory izany hoe hangatsiaka na ho montotra, satria mampirisika mafy antsika mba ‘hiezaka hitady fihavanana amin’ny olona rehetra’, ny Baiboly. (Hebreo 12:14; Romana 12:18). Kanefa, satria ny Baiboly tena mampitandrina ny Kristiana mba ‘handeha amin’ny fahendrena amin’izay any ivelany’, dia fahendrena ny hitanana fihetsika ivelany mifanentana amin’ny any am-piasana, indrindra fa rehefa mifampiraharaha amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena. (Kolosiana 4:5). Mampirisika mafy ny mpiasa mba “hahafantatra ny fiavahana eo amin’ny fihetsika mahafinaritra mifanentana amin’ny anjara asany sy ny karazana fisehoana ho sakaiza izay mety hilaza tsy mivantana fahavononana eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy”, ilay boky hoe Talking Back to Sexual Pressure, nataon’i Elizabeth Powell.
2. Mitafia amim-pahamaotinana. Mandefa hafatra amin’ny hafa izay anaovanao. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny fanaovana karazana akanjo sasany dia nanakilasy olona iray ho naloto fitondran-tena na nanao firaisana tamin’olona samy hafa. (Ohabolana 7:10). Matetika no marina izany amin’izao andro izao; afaka manintona ny saina karazany ratsy ny akanjo tery, mamirapiratra, na mampihanjahanja. Marina fa mety hihevitra ny sasany fa manana zo hitafy izay tiany izy ireo. Araka ny filazan’ilay mpanoratra atao hoe Elizabeth Powell azy anefa, “raha toa ianao ka miasa eo anivon’ny olona izay mino fa azo atao ny mangala-bola, dia hilazako ianao mba tsy hanao ny poketrakelinao ao amin’ny paosy aoriana. (...) Tsy maintsy mamantatra ny aretin’ny (...) fihetsiky ny fitambaran’olona ianao ka miezaka hiaro ny tenanao tsy ho voan’izy ireny”. Noho izany, dia araka ny toetr’andro ny torohevitry ny Baiboly. Mananatra ny vehivavy mba “hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena”, izy io. (1 Timoty 2:9). Mitafia amim-pahamaotinana, ary dia mety ho tsy azo inoana firy fa ho lasibatry ny resaka na ny fanaovan-javatra ratsy ianao.
3. Mitandrema amin’ny olona ifaneraseranao! Resahin’ny Baiboly amintsika ny amin’ny tovovavy iray natao hoe Dina, izay nanjary niharan’ny fanaovana an-keriny momba ny lahy sy ny vavy. Miharihary fa nanintona ny sain’ilay nanao an-keriny azy izy satria ‘[zatra, NW ] nivoaka tsy tapaka mba hizaha ny zazavavy tompon-tany’ tao Kanana — vehivavy fantatra ho nanao firaisana tamin’olona samy hafa! (Genesisy 34:1, 2). Toy izany koa amin’izao andro izao, raha toa ianao ka miresadresaka amim-pifankazarana amin’ny mpiara-miasa — na mihaino azy — tsy tapaka, mpiara-miasa izay fantatra ho miresaka foto-kevitra manaitra ny filan’ny nofo, dia mety hanatsoaka hevitra ny sasany fa hanaiky fitaomana hanao firaisana ianao.
Tsy midika akory izany hoe voatery hanao tsinontsinona ny mpiara-miasa aminao ianao. Raha mivadika ho tsy mendrika anefa ny resaka, nahoana no tsy miala fotsiny? Mahaliana fa hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro fa ny fananana laza ho manaraka fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony dia miaro azy ireo amin’ny fanadalana. — 1 Petera 2:12.
4. Halaviro ny tarehin-javatra mampanaiky lembenana. Resahin’ny Baiboly ny amin’ny fomba nitetehan’ny tovolahy iray natao hoe Amnona ny ho irery niaraka tamin’ny tovovavy iray natao hoe Tamara, mba hanararaotana azy teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. (2 Samoela 13:1-14). Mety hanao toy izany koa ireo mpanadala amin’izao andro izao, angamba amin’ny fanasana olona iray eo ambany fahefany hiara-misotro zava-pisotro misy alkaola na hijanona any am-piasana aorian’ny ora fiasana noho ny antony tsy mazava. Mitandrema amin’ny fanasana toy izany! Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. — Ohabolana 22:3.
Raha adalaina ianao
Mazava ho azy fa misy lehilahy sasany hanao fitaomana tsy mendrika, na dia rehefa mitondra tena amin’ny fomba tsy azo kianina aza ny vehivavy iray. Ahoana no tokony ho fihetsikao eo anoloan’ny fitaomana toy izany raha ianao no atao lasibatra? Ny sasany dia nanolo-kevitra ny amin’ny tsy hiraharahana fotsiny ilay zavatra manontolo! ‘Zavatra manome tsirony ny fiainana ny raharaha ny amin’ny lahy sy ny vavy any amin’ny birao!’, hoy ny vehivavy iray. Kanefa, tsy mihevitra velively ny fiheverana tsy mendrika toy izany ho mampihomehy na mandoka azy ny Kristiana marina, fa mahatsiaro rikoriko amin’izany kosa. ‘Mankahala ny ratsy’ izy ireo ary mahatakatra fa ny zava-kendren’ny fitaomana toy izany mazàna dia ny hanangoly ny olona iray ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. (Romana 12:9; ampitahao amin’ny 2 Timoty 3:6.) Fara faharatsiny, ilay fitondran-tena tsy mendrika dia faniratsirana ny fahamendrehana kristiana ananany. (Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 4:7, 8.) Ahoana no ahafahanao miatrika tarehin-javatra toy izany?
1. Lazao ny toeranao! Resahin’ny Baiboly amintsika ny fomba namalian’ny lehilahy iray natahotra an’Andriamanitra natao hoe Josefa ny fangatahana hanao firaisana maloto, manao hoe: “Ary taorian’izany ny vadin’ny tompony nanopy ny masony hijery an’i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.” Moa ve i Josefa nody tsy nahalala fotsiny ny fanasan’ilay vehivavy, ka nanantena fa hisinda ho azy ilay olana? Mifanohitra amin’izany! Resahin’ny Baiboly fa nanda tamim-pahasahiana ny fitaomany izy, ka nanao hoe: ‘Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?’ — Genesisy 39:7-9.
Namela ohatra tsara ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny zavatra nataon’i Josefa. Ny fodiana tsy mahalala — na ny ratsy kokoa aza, ny fahatahorana — resaka mifono heviny ratsy na fitondran-tena mihetraketraka dia mahalana vao mampisinda izany; mifanohitra amin’izany, ny tahotra na ny fihambahambana dia mety hahatonga an’izany hitombo! Mampitandrina i Martha Langelan, mpanolo-tsaina momba ny fisorohana ny fametavetana, fa matetika ireo mpametaveta no mampiasa ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy ho “fomba hanombanana raha mety hamaly ny vehivavy iray ao anatin’ny famelezana; raha manaiky sy saro-kenatra izy rehefa adalaina, dia heverin’izy ireo fa hanaiky sy hihorohoro izy rehefa tafihina”. Zava-dehibe, noho izany, ny hilazanao ny toeranao raha vao misy famantarana fanadalana. Araka ny filazan’ny mpanoratra iray, “ny filazana avy hatrany sy mazava hoe tsia dia matetika ampy mba hanajanonan’ilay mpanadala an’ilay fitondran-tena mahasosotra”.
2. Aoka ny teninao hoe tsia ho tsia! Nilaza izany tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra i Jesosy. (Matio 5:37). Mifanentana amin’ireo toe-javatra ireo ny fanambarany, satria matetika no tena mikiry ireo mpanadala. Mila ny ho hentitra manao ahoana tokoa moa ianao? Miankina amin’ny toe-javatra sy ny fihetsik’ilay mpanadala izany. Ampiasao ny fisehoana ho hentitra tena ilaina, na manao ahoana na manao ahoana, mba hahatakarana ny hevitrao. Amin’ny toe-javatra sasany, ny fanambarana tsotra, mivantana, amin’ny toe-peo tony dia ho ampy. Jereo ny masony. Misy manam-pahaizana manolo-kevitra toy izao manaraka izao: a) Ambarao ny fihetseham-ponao. (“Tsy tiako mihitsy ny ahy rehefa [...] ianao.”) b) Lazao amin’ny fomba voafaritra tsara ilay fitondran-tena mahasosotra. (“[...] rehefa mampiasa teny tsy mendrika, teny ratsy, ianao [...]”) d) Asehoy mazava izay tianao hataon’ilay olona. (“Tiako ny hitsaharanao tsy hiresaka amiko amin’izany fomba izany!”)
“Na ahoana na ahoana anefa”, hoy ny fampitandreman’i Langelan, “ilay fifanatrehana dia tsy tokony hihoa-pefy ka hanjary filana ady. Ny famaliana ny filana ady (fampiasana fanevatevana sy fandrahonana ary teny ratsy, famelezana totohondry, fandrorana mpanadala iray), dia mitondra vokatra mifanohitra amin’izay kendrena. Mampidi-doza ny herisetra am-bava, ary tsy misy ilana ny hampiasana herisetra ara-batana raha tsy hoe tena misy fanafihana ara-batana izay mitaky fiarovan-tena angaha.” Mifanaraka amin’ny tenin’ny Baiboly ao amin’ny Romana 12:17 toy izao izany torohevitra azo ampiharina izany: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza.”
Ahoana raha mitohy ilay fanadalana, na dia eo aza ireo ezaka tsara indrindra ataonao mba hampitsaharana azy io? Nanorina fomba fanaovan-javatra hoenti-miatrika fanadalana momba ny lahy sy ny vavy ny kompania sasany. Matetika ny fandrahonana fotsiny hoe hampiditra fitarainana ao amin’ilay kompania dia hahatonga an’ilay mpanadala anao hamela anao. Mety ho tsy izany koa anefa. Mampalahelo fa tsy mora foana akory, na ho an’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy, ny hahita mpampiasa mangoraka. I Glen, izay milaza fa nadalain’ny mpiasa vavy iray, dia niezaka hitaraina. Izao no tsaroany: “Rehefa nilaza izany tamin’ny lehibe aho, dia tsy nahazo fanampiana velively. Raha ny marina, dia nihevitra izy fa nahatsikaiky izany. Tsy maintsy mailo tsotra izao aho raha ny amin’ilay vehivavy ka nanao ezaka manokana mba hanalavirana azy.”
Niezaka hampiakatra fitsarana ny sasany. Tsy araka ny fahita velively anefa ireo didim-pitsarana goavana amin’ireo ady ara-pitsarana vakinao ao amin’ny fampitam-baovao. Ankoatra izany, dia mampitandrina toy izao ilay boky hoe Talking Back to Sexual Pressure: “Mitaky tanjaka ara-pihetseham-po sy fotoana goavana ny fanafody araka ny lalàna hanoherana ny fanadalana; miteraka fihenjanana ara-batana, ary koa ara-tsaina, izy ireny.” Noho ny antony tsara no ampitandreman’ny Baiboly hoe: “Aza maika [hitarika ady ara-pitsarana, NW ]”. (Ohabolana 25:8). Taorian’ny fanombanana ny vidiny ara-pihetseham-po sy ara-panahy ho lany amin’ny fampiakarana fitsarana, dia tian’ny sasany kokoa ny hitady asa hafa.
Ny faran’ny fanadalana
Tsy zava-baovao ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy. Fahita hatraiza hatraiza toy ny fo tsy tanteraka, manao teti-dratsy, sy mierina, izy io. Tsy hahafoana na oviana na oviana ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fitambaran’olona ireo famoahan-didy sy raharaha mandalo fitsarana. Mitaky fiovam-po tanteraka ao amin’ny olona ny fanafoanana ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy.
Amin’izao andro izao ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny dia manatontosa fiovana toy izany ao amin’ny olona manerana ny tany. Toy ny hoe mianatra hitondra tena toy ny zanak’ondry sy ny zanak’omby ny amboadia sy ny liona, tsy misy hafa amin’izay nambaran’i Isaia mpaminany mialoha. (Isaia 11:6-9). Amin’ny fiaraha-mianatra ny Baiboly amin’ny olona, isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy ‘amboadia’ taloha an’arivony maro mba hanao fiovana latsa-paka, maharitra, eo amin’ny maha-izy azy. Manaraka ny didin’ny Soratra Masina mba ‘hiala amin’ny toetranareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny’ ka hanolo izany amin’ny “toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”, ireny olona ireny. — Efesiana 4:22-24.
Indray andro any ny tany dia ho feno lehilahy sy vehivavy izay hifikitra amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly. Miandry amim-pahadodonana an’izany andro izany, izay hifaranan’ny karazana fitondrana amin’ny fomba ratsy rehetra, ny olona matahotra an’Andriamanitra. Mandra-pahatongan’izany, izy ireo dia miatrika amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azony atao ny zavatra tena misy maharikoriko amin’izao andro izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miharihary fa manisy firesahana ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, fa tsy ny fikasihana tsy nahy, ny fampitandreman’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:1 mba ‘tsy hikasi-behivavy’. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 6:29.) Eo amin’ny teny manodidina, i Paoly dia mampirisika ny hitoerana ho mpitovo ary mampitandrina ny amin’ny fanaranam-po amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. — Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1973 na Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Aprily 1973.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Ho tianao ve ny hihainoan’ny reninao, ny anabavinao, na ny zanakao vavy an’izany?”
[Sary, pejy 8]
Afaka manampy be dia be mba hiarovana ny olona iray amin’ny fanadalana ny fihetsika mifanentana amin’ny any am-piasana sy ny akanjo maotina
[Sary, pejy 10]
Mianatra ny hifampitondra amim-panajana ny Kristiana marina amin’izao andro izao