Lehilahy Manambady Sady Loholona — Fampifandanjana Ireo Andraikitra
‘Ny [mpiandraikitra, NW ] dia tsy maintsy manambady tokana.’ — 1 TIMOTY 3:2.
1, 2. Nahoana no tsy araka ny Soratra Masina ny fitoerana ho mpitovo ho an’ny pretra?
TAMIN’NY taonjato voalohany, ireo Kristiana nahatoky dia niahy ny amin’ny fampifandanjana ireo andraikiny maro samihafa. Rehefa nilaza ny apostoly Paoly fa “manao tsaratsara kokoa” ny Kristiana iray mitoetra ho mpitovo, te hilaza ve izy fa ny lehilahy toy izany dia mety tsara kokoa amin’ny fanompoana amin’ny maha-mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana? Raha ny marina, moa ve izy nanao ny fitoerana ho mpitovo ho zavatra takina mba hahatongavana ho loholona? (1 Korintiana 7:38). Zavatra takina amin’ny klerjy katolika ny fitoerana ho mpitovo. Kanefa araka ny Soratra Masina ve ny fitoerana ho mpitovo ho an’ny pretra? Ny Eglizy Ortodoksa Tatsinanana dia manome lalana ireo pretra ao amin’ny paroasiny ho lehilahy manambady, fa tsy ireo evekany. Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izany?
2 Ireo apostolin’i Kristy 12, izay mpikambana nahaforona ny fiorenan’ny kongregasiona kristiana, dia lehilahy nanambady. (Matio 8:14, 15; Efesiana 2:20). Nanoratra toy izao i Paoly: “Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary Kefasy [Petera]?” (1 Korintiana 9:5). Manaiky ny New Catholic Encyclopedia fa “ny lalàna momba ny fitoerana ho mpitovo dia avy tamin’ny Eglizy” ary “ireo minisitra tao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia tsy noterena ho mpitovo”. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny modely araka ny Soratra Masina, fa tsy ny didin’ny Eglizy. — 1 Timoty 4:1-3.
Azo ampiarahina ny maha-loholona sy ny fanambadiana
3. Zava-misy araka ny Soratra Masina inona avy no mampiseho fa afaka ny ho lehilahy manambady ny mpiandraikitra kristiana?
3 I Paoly dia tsy nitaky hoe tokony ho lehilahy tsy nanambady ireo notendrena ho mpiandraikitra, fa toy izao kosa no nosoratany ho an’i Titosy: “Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona [Grika: pre·sbyʹte·ros] amin’ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manam-bady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra. Fa ny [mpiandraikitra, NW ] [Grika: e·piʹsko·pos, izay niavian’ilay teny hoe “eveka”] dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’Andriamanitra”. — Titosy 1:5-7.
4. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy zavatra takina mba hahatongavana ho mpiandraikitra kristiana ny fanambadiana? b) Inona no tombony ananan’ny rahalahy mpitovo izay loholona?
4 Etsy an-danin’izany, ny fanambadiana dia tsy zavatra takina araka ny Soratra Masina mba hahatongavana ho loholona. Nitoetra ho mpitovo i Jesosy. (Efesiana 1:22). I Paoly, izay mpiandraikitra niavaka tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy nanambady tamin’izany fotoana izany. (1 Korintiana 7:7-9). Amin’izao andro izao, dia misy Kristiana mpitovo maro manompo amin’ny maha-loholona. Ny maha-mpitovo azy ireny dia azo inoana fa manome azy fotoana bebe kokoa mba hiantsorohana ny adidiny amin’ny maha-mpiandraikitra azy.
‘Ny lehilahy manambady dia voazarazara’
5. Zava-misy araka ny Soratra Masina inona no tokony heken’ireo rahalahy manambady?
5 Rehefa manambady ny lehilahy kristiana iray, dia tokony ho takany fa mandray andraikitra vaovao izy, ka izany dia hitaky aminy fotoana sy fiheverana. Milaza toy izao ny Baiboly: “Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin’ny zavatry ny Tompo, ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny Tompo. Fa ny lehilahy manambady kosa dia manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba mety hahazoany ny fankasitrahan’ny vadiny, ka voazarazara izy.” (1 Korintiana 7:32-34, NW ). Amin’ny heviny ahoana no hoe voazarazara?
6, 7. a) Inona ny lafiny iray maha-“voazarazara” ny lehilahy manambady? b) Torohevitra inona no omen’i Paoly an’ireo Kristiana manambady? d) Amin’ny ahoana izany no hisy heriny eo amin’ny fanapahan-kevitry ny lehilahy iray hanaiky asa iray anendrena?
6 Voalohany aloha, ny lehilahy manambady dia mamoy ny fahefana amin’ny tenany. Nohazavain’i Paoly tsara toy izao izany: “Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.” (1 Korintiana 7:4). Ny sasany amin’ireo izay misaintsaina ny hanambady dia mety hihevitra fa tsy hisy vokany firy io fananarana io, satria tsy ny firaisana no ho zava-dehibe ao amin’ny fanambadian’izy ireo. Kanefa, satria zavatra takina araka ny Soratra Masina ny fahadiovana ara-pitondran-tena alohan’ny fanambadiana, dia tsy tena fantatry ny Kristiana alohan’ny fampakaram-bady izay zavatra ilain’ilay ho vadiny eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy.
7 Asehon’i Paoly, fa na dia ny mpivady ‘mihevitra izay zavatra araka ny Fanahy’ aza, dia tsy maintsy mihevitra izay ilain’ny andaniny avy eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Nanome izao torohevitra izao an’ireo Kristiana tao Korinto izy: “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan’i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.” (Romana 8:5; 1 Korintiana 7:3, 5). Mampalahelo fa nisy ny fanitsakitsaham-bady, rehefa tsy narahina io torohevitra io. Koa satria izany no izy, dia tokony handanjalanja amim-pitandremana ny toe-javatra ny Kristiana manambady, alohan’ny hanekeny asa anendrena iray izay hampisaraka azy amin’ny vadiny mandritra ny fotoana lava be. Tsy ananany intsony ilay fahafahana manao zavatra izay nananany fony izy mbola mpitovo.
8, 9. a) Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy fa “manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao” ireo Kristiana manambady? b) Tokony ho feno fanahiana ny hanao inona ireo Kristiana manambady?
8 Amin’ny heviny ahoana no azo atao ny milaza fa ireo lehilahy kristiana manambady, anisan’izany ny loholona, dia “manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao [koʹsmos]”? (1 Korintiana 7:33, NW ). Tena miharihary fa tsy niresaka ny amin’ireo zava-dratsin’itỳ tontolo itỳ izay tsy maintsy halavirin’ny tena Kristiana rehetra, i Paoly. (2 Petera 1:4; 2:18-20; 1 Jaona 2:15-17). Ny Tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao [ko·smi·kosʹ] ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao”. — Titosy 2:12.
9 Ny Kristiana manambady àry dia “manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao” amin’ny heviny hoe, ara-dalàna raha manahy izy ny amin’ireo zavatra andavanandro anisan’ny fiainam-panambadiana mahazatra. Tafiditra amin’izany ny trano fonenana, ny sakafo, ny fitafiana sy ny fialam-boly — ankoatra ireo fanahiana tsy tambo isaina hafa, raha misy zanaka. Kanefa na dia ho an’ny mpivady tsy manan-janaka aza, raha tiana ho vanona ny fanambadiana, dia tsy maintsy miahy ny “hahafaly” ny vadiny ny andaniny avy. Zava-dehibe indrindra ho an’ny loholona kristiana izany, satria mampifandanja ireo andraikiny izy.
Lehilahy izay sady vady tsara no loholona tsara
10. Mba hahatonga ny Kristiana iray hahafeno fepetra mba ho loholona, inona no tokony ho azon’ireo rahalahiny sy ireo olona any ivelany marihina?
10 Na dia tsy zavatra takina mba hahatongavana ho loholona aza ny fanambadiana, raha manambady ny lehilahy kristiana iray, dia azo antoka fa tokony hanome porofon’ny fiezahany mba ho vady tsara sady be fitiavana izy, eo amin’ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny maha-loha azy, alohan’ny hanolorana azy ho loholona voatendry. (Efesiana 5:23-25, 28-31). Nanoratra toy izao i Paoly: “Raha misy olona maniry ny asan’ny [mpiandraikitra, NW ], dia maniry asa tsara izy. Koa ny [mpiandraikitra, NW ] dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana”. (1 Timoty 3:1, 2). Tokony hiharihary fa manao izay farany azony atao ny loholona iray mba ho vady tsara, na Kristiana tahaka azy ilay vadiny na tsia. Raha ny marina, na dia ny olona any ivelan’ny kongregasiona aza dia tokony ho afaka hahamarika fa mikarakara tsara ny vadiny sy ireo andraikiny hafa izy. Nanampy teny toy izao i Paoly: “Tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.” — 1 Timoty 3:7.
11. Inona no lazaina tsy mivantana amin’ilay fitenenana hoe “manam-bady tokana”, koa fepetra fiarovana inona no tokony horaisin’ireo loholona?
11 Mazava ho azy fa ilay fitenenana hoe “manam-bady tokana” dia manilika ny fananana vady maro, kanefa milaza tsy mivantana koa ny amin’ny fahatokiana amin’ny vadin’ny tena. (Hebreo 13:4). Ireo loholona indrindra indrindra no mila mitandrina manokana rehefa manampy ireo anabavy ao amin’ny kongregasiona. Tokony hataony izay tsy haha-irery azy rehefa mitsidika anabavy iray mila torohevitra sy fampiononana. Ho fahendrena ny hiarahany amin’ny loholona hafa iray, na mpanampy amin’ny fanompoana iray, na ny vadiny koa aza, raha fitsidihana ho fampaherezana fotsiny ilay izy. — 1 Timoty 5:1, 2.
12. Tokony hiezaka mafy mba hitovy amin’ilay filazalazana hoe ahoana ny vadina loholona sy ny vadina mpanampy amin’ny fanompoana?
12 Marihina fa teo am-pitanisany ireo zavatra takina mba hahatongavana ho loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana, ny apostoly Paoly dia nanome torohevitra ho an’ny vadin’ireo izay heverina fa hahazo izany tombontsoa izany. Toy izao no nosoratany: “Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.” (1 Timoty 3:11). Afaka manao zavatra betsaka ny lehilahy kristiana manambady mba hanampiana ny vadiny hitovy amin’io filazalazana io.
Adidy amin’ny vady, araka ny Soratra Masina
13, 14. Na dia tsy Vavolombelona tahaka azy aza ny vadin’ny loholona iray, nahoana ralehilahy no tokony hiara-mitoetra aminy sady ho vady tsara?
13 Mazava ho azy fa io torohevitra nomena ho an’ny vadina loholona na mpanampy amin’ny fanompoana io, dia toa milaza mialoha fa Kristiana vita fanoloran-tena izany vady izany. Amin’ny ankapobeny, dia izany no izy satria takina amin’ny Kristiana ny hanambadiany “ao amin’ny Tompo ihany”. (1 Korintiana 7:39). Kanefa ahoana ny amin’ny rahalahy iray izay efa nanambady tsy mpino fony izy nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, na koa niala tamin’ny fahamarinana ilay vadiny, kanefa tsy nisy fahadisoana avy aminy?
14 Raha izay ihany dia tsy hisakana azy tsy ho loholona. Ary izany koa anefa tsy hanamarina ny hisarahany amin’ilay vadiny, satria fotsiny hoe tsy manaiky ny zavatra inoany izy io. Nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana.” (1 Korintiana 7:27). Mbola nilaza toy izao koa izy: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fihavanana. Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?” (1 Korintiana 7:12, 15, 16). Na dia tsy Vavolombelona aza ny vadin’ny loholona iray, dia tokony ho vady tsara ralehilahy.
15. Inona no torohevitra omen’ny apostoly Petera an’ireo lehilahy kristiana manambady, ary inona no mety ho vokany raha hita fa vady manao tsirambina ny loholona iray?
15 Na mpiray finoana aminy na tsia ny vadin’ny loholona kristiana iray, dia tokony hekeny fa mila ny fiheverany feno fitiavana io vadiny io. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, — mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.” (1 Petera 3:7). Ny lehilahy manambady izay minia tsy mikarakara izay zavatra ilain’ny vadiny, dia mahatandindomin-doza ny fifandraisan’ny tenany amin’i Jehovah; izany dia ho afaka hisakana ny fanatonany an’i Jehovah toy ny hoe ‘misy rahona, ka dia voasakana ny vavaka’. (Fitomaniana 3:44). Mety hahatonga azy tsy hahafeno fepetra mba hanompo amin’ny maha-mpiandraikitra kristiana izany.
16. Inona no tena hevi-dehibe asehon’i Paoly, ary ahoana no tokony ho fiheveran’ireo loholona an’izany?
16 Araka ny voamarika, ny hevitra misongadina indrindra amin’ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly dia izao: Rehefa manambady ny lehilahy iray dia mamoy ampahany amin’ilay fahafahana nananany fony izy mpitovo, dia ilay namela azy ho ao amin’ny ‘fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy nisy fanelingelenana’. (1 Korintiana 7:35, NW ). Misy tatitra mampiseho fa tsy naneho fahaiza-mandanjalanja foana ny loholona manambady sasany teo amin’ny fanjohian-kevitra ny amin’ireo teny azon’i Paoly ara-tsindrimandry. Noho ny fanirian’izy ireo hanatontosa izay heveriny fa tokony hataon’ny loholona tsara, dia mety hanao tsirambina ny sasany amin’ireo adidy amin’ny maha-vady azy, izy ireo. Ny sasany dia hahita fa sarotra ny mandà tombontsoa ao amin’ny kongregasiona, na dia hita miharihary aza fa hanimba ny fahasalamana ara-panahin’ny vadiny ny fanekena azy io. Ankafiziny ny tombontsoa entin’ny fanambadiana, kanefa moa ve izy vonona hiantsoroka ny andraikitra entin’izany?
17. Inona no nitranga tamin’ny vehivavy manambady sasany, ary ahoana no nety ho nisorohana izany?
17 Azo antoka fa mendri-piderana ny zotom-po ananana amin’ny maha-loholona. Na dia izany aza, moa ve ny Kristiana iray manana fahaiza-mandanjalanja raha manao tsinontsinona ny andraikiny amin’ny vadiny araka ny Soratra Masina, sady manefa ny adidiny ao amin’ny kongregasiona? Na dia maniry hanohana an’ireo ao amin’ny kongregasiona aza ny loholona iray manana fahaiza-mandanjalanja, dia hiahy koa ny amin’izay ilain’ny vadiny amin’ny ara-panahy izy. Nisy vadina loholona sasany nanjary nalemy ara-panahy, ary ny sasany dia “vaky sambo” tamin’ny lafiny ara-panahy. (1 Timoty 1:19). Na dia tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny famonjena ny tenany aza ny vehivavy manambady, tamin’ny toe-javatra sasany dia ho azo nosorohina izany, raha ‘namelona sy nanolokolo’ ny vadiny ilay loholona, “dia tahaka ny ataon’i Kristy koa amin’ny kongregasiona”. (Efesiana 5:28, 29, NW ). Mba ho azo antoka, dia tsy maintsy ‘mitandrina ny tenany sy ny ondry rehetra’ ny loholona. (Asan’ny Apostoly 20:28, izahay no manao sora-mandry.) Raha manambady izy, dia tafiditra amin’izany ny vadiny.
‘Fahoriana amin’ny nofo’
18. Inona avy ny endrika sasany isehoan’ny ‘fahoriana’ mahazo ireo Kristiana manambady, ary amin’ny ahoana izany no mety hisy fiantraikany eo amin’ny asan’ny loholona iray?
18 Nanoratra toy izao koa ilay apostoly: “Na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.” (1 Korintiana 7:28). I Paoly dia naniry hiantra an’ireo izay afaka nanaraka ny ohatra navelany momba ny fitoerana ho mpitovo, mba tsy ho azon’ireo fanahiana izay tandra vadin-koditry ny fanambadiana. Na dia ho an’ireo mpivady tsy manan-janaka aza, ireny fanahiana ireny dia mety hahatafiditra zava-manahirana ara-pahasalamana, na fahasahiranana ara-bola, ary koa ireo andraikitra araka ny Soratra Masina atao amin’ny rafozana be taona. (1 Timoty 5:4, 8). Tsy maintsy miatrika ireny andraikitra ireny amin’ny fomba fakan-tahaka ny loholona, ary izany indraindray dia hisy fiantraikany eo amin’ny asany amin’ny maha-mpiandraikitra kristiana azy. Soa ihany fa ny ankamaroan’ny loholona dia mahavita tsara dia tsara ny fiantsorohana ny andraikiny ara-pianakaviana sy ny ao amin’ny kongregasiona koa.
19. Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa niteny toy izao izy: “Mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao”?
19 Nanampy teny toy izao i Paoly: “Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao”. (1 Korintiana 7:29). Mazava ho azy fa rehefa heverina izay efa nosoratany tao amin’io toko io ho an’ny Korintiana, dia miharihary fa tsy te hilaza izy akory hoe ny Kristiana manambady, amin’ny fomba iray na hafa, dia hanao tsirambina ny vadiny. (1 Korintiana 7:2, 3, 33). Nasehony izay tiany holazaina rehefa nanoratra toy izao izy: “[Aoka] mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” (1 Korintiana 7:31). Mbola mihoatra noho ny tamin’ny andron’i Paoly, na ny andron’ny apostoly Jaona aza ankehitriny, fa “mandalo izao fiainana izao”. (1 Jaona 2:15-17). Noho izany, ny Kristiana manambady izay mahatsapa fa mila manao sorona sasany eo am-panarahana an’i Kristy, dia tsy afaka ny ho revo tanteraka amin’ireo fifaliana sy tombontsoa entin’ny fanambadiana. — 1 Korintiana 7:5.
Vehivavy manambady feno fahafoizan-tena
20, 21. a) Vonona hanao sorona inona avy ny maro amin’ireo vehivavy kristiana manambady? b) Ara-dalàna raha manantena inona amin’ny vadiny ny vehivavy iray, na dia loholona aza izy io?
20 Tahaka ny anaovan’ireo loholona ezaka mba handraisan’ny hafa tombontsoa, dia toy izany koa no iezahan’ireo vadina loholona maro mba hampifandanja ireo andraikiny ara-panambadiana sy ireo tombontsoa lehiben’ilay Fanjakana. Vehivavy kristiana an’arivony maro no faly miara-miasa mba hamelana ny vadiny hanatontosa ny adidiny amin’ny maha-mpiandraikitra azy. Tian’i Jehovah izy ireny noho izany, ary tahiny ny toe-tsaina tsara dia tsara asehon’izy ireny. (Filemona 25). Na dia izany aza, ilay torohevitra voalanjalanja nomen’i Paoly dia mampiseho fa ara-dalàna ny hanantenan’ireo vadina mpiandraikitra ny hanomezan’ny vadiny azy, fotoana sy fiheverana antonona. Adidy araka ny Soratra Masina ho an’ny loholona manambady ny hanokanany fotoana ampy ho an’ny vadiny, ary izany dia mba hanefany tsara ilay adidiny roa sosona amin’ny maha-vady sady mpiandraikitra azy.
21 Kanefa ahoana raha ankoatra ny maha-vady azy, dia raim-pianakaviana ny loholona kristiana iray? Izany dia mampitombo ny andraikiny ary manokatra saha fiandraiketana fanampiny, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ho Famerenana
◻ Zava-misy araka ny Soratra Masina inona avy no mampiseho fa afaka ny ho lehilahy manambady ny mpiandraikitra kristiana iray?
◻ Raha manambady ny loholona mpitovo iray, inona no tokony ho takany?
◻ Eo amin’ny lafiny inona avy no “manahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao” ny Kristiana manambady?
◻ Ahoana no ampisehoan’ny maro amin’ireo vadina mpiandraikitra, toe-tsaina tsara dia tsara feno fahafoizan-tena?
[Sary, pejy 17]
Na dia revo amin’ny asa teokratika aza ny loholona iray, dia tokony haneho fiheverana feno fitiavana ho an’ny vadiny