Fambolena ny Toetra Vaovao ao Anatin’ny Fanambadiana
“Tokony hohavaozina kosa ianareo amin’ny hery izay manetsika ny sainareo, ary tokony hitafy ilay toetra vaovao”. — EFESIANA 4:23, 24, NW.
1. Nahoana no tsy azo hamaivanina ny fanambadiana?
NY FANAMBADIANA dia iray amin’ireo dingana lehibe indrindra ataon’ny olona iray eo amin’ny fiainana, koa tsy tokony hohamaivanina na oviana na oviana izy io. Nahoana no toy izany? Satria izy io dia mitaky fifanekena amin’olon-kafa iray mandritra ny androm-piainana. Izany dia midika fizarana ny fiainan’ny tena iray manontolo amin’io olona io. Ilaina ny fahaiza-mitsara zavatra amim-pahamatorana raha tiana hiorina tsara io fanekena io. Izy io koa dia mitaky ny hisian’ny hery manorina iray ‘hanetsika ny saina ka hamolavola amin’izany ilay toetra vaovao’. — Efesiana 4:23, 24, NW; ampitahao amin’ny Genesisy 24:10-58; Matio 19:5, 6.
2, 3. a) Inona no ilaina mba hifidianana vady amim-pahendrena? b) Inona no tafiditra amin’ny fanambadiana?
2 Misy antony tsara tsy hirotorotoana hiditra amin’ny fanambadiana, ka ho resy sy ho voataonan’ny faniriana maherin’ny nofo haingana dia haingana. Ilaina ny fotoana mba hitomboan’ny toetra maha-izy manokana sy mampiavaka ny olon-dehibe. Miaraka amin’ny fotoana koa no ahatongavan’ny fanandraman-javatra sy ny fahalalana izay afaka miasa ho fototra ho an’ny fahaiza-mitsara zavatra. Amin’izay, ny fifidianana namana iray mifanentana tsara eo amin’ny fiainana dia mety hahita fahombiazana bebe kokoa. Milaza izany mazava tsara toy izao ny ohabolana espaniola iray: “Aleo mandeha irery toy izay ratsy fanambadiana.” — Ohabolana 21:9; Mpitoriteny 5:1.
3 Ny fifidianana ilay namana sahaza dia miharihary fa tena zava-dehibe mba hahombiazan’ny fanambadiana. Noho izany, ny Kristiana dia tsy maintsy mampiasa sy manaraka ny torolalana omen’ny Baiboly, fa tsy hotarihin’ny fanintonana ara-batana sy ny fanerena ara-pihetseham-po, ary hoentanim-pitiavana fotsiny. Ny fanambadiana dia zavatra lehibe lavitra noho ny fanakambanana vatana roa. Izy io dia fanakambanana toetra maha-izy manokana roa, fianakaviana roa sy fanabeazana roa, ary angamba kolontsaina sy fiteny roa mihitsy aza. Ny fampiraisana olon-droa ao anatin’ny fanambadiana dia azo antoka fa mitaky fampiasana ny lela araka ny tokony ho izy; amin’ny fahaizana miteny dia mandrava isika na manorina. Avy amin’izany rehetra izany, dia hitantsika koa ny mahafeno fahendrena ny torohevitr’i Paoly mba ‘hanambady ao amin’ny Tompo ihany’, izany hoe mpiray finoana amin’ny tena. — 1 Korintiana 7:39; Genesisy 24:1-4; Ohabolana 12:18; 16:24.
Fiatrehana ny fihenjanana ao amin’ny fanambadiana
4. Nahoana ny tsy fifanarahana sy ny fihenjanana indraindray no mitranga ao anatin’ny fanambadiana?
4 Na dia manana fototra tsara aza ny fanambadiana, dia hisy ny fotoana tsy hifanarahana, fotoan’ny fanerena sy ny fihenjanana. Zavatra ara-dalàna ireo ho an’ny olona rehetra, na manambady izy na tsia. Ireo zava-manahirana ara-bola sy ara-pahasalamana dia mety hahatonga fihenjanana eo amin’izay mety ho fifandraisana. Ny fiovaovan’ny toe-po dia mety hitarika fifandonan’ny toetra maha-izy manokana na dia ao anatin’ny fanambadiana tsara indrindra aza. Anton-javatra hafa iray, ny tsy fisian’ny olona afaka mifehy tanteraka ny lelany, araka ny nambaran’i Jakoba hoe: “Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. (...) Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!” — Jakoba 3:2, 5.
5, 6. a) Inona no ilaina rehefa mitranga ny tsy fifankahazoana? b) Inona no mety hilaina hatao mba handravonana ny tsy metimety?
5 Rehefa mipoitra ao anatin’ny fanambadiana ny fanerena, ahoana no ahafahantsika mifehy ny tarehin-javatra? Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fitomboan’ny tsy fifankahazoan-kevitra tsy hanjary ho fifamaliana, ary ny fifamaliana tsy hanjary ho fifandraisana tapaka? Eo no miditra an-tsehatra ilay hery manetsika ny saina. Io hery manosika hanao zavatra io dia mety hanorina na tsy hanorina, hampandroso sy hirona amin-javatra ara-panahy, na hampietry sy tapahin’ny fironan’ny nofo. Raha mampandroso izy io, dia hanao zavatra mba handravonana izay tsy metimety sy mba hitanana ny fanambadiany ho eo amin’ny lalana mety ny tsirairay. Tsy tokony hamarana ny fanambadiana iray akory ireo fifamaliana sy tsy fifanarahana. Azo atao ny mampisava ny fihenjanana, ary azo averina indray ny fifanajana sy ny fifankahazoana amin’ny fampiharana ny torohevitry ny Baiboly. — Romana 14:19; Efesiana 4:23, 26, 27, NW.
6 Amin’ireo toe-javatra ireo dia tena mety ny tenin’i Paoly manao hoe: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa [fatorana mampiray tanteraka, NW ] izany.” — Kolosiana 3:12-14.
7. Zava-manahirana inona no mety ananan’ny sasany ao anatin’ny fanambadiany?
7 Mora vakina erỳ io andinin-teny io, fa tsy mora ampiharina foana rehefa ao anatin’ny faneren’ny fiainana maoderina. Inona no mety ho zava-manahirana fototra? Indraindray, tsy mahatsapa izany akory ny tenany, ny Kristiana iray dia mety hanaraka fari-pitondran-tena roa tsy mitovy. Any amin’ny Efitrano Fanjakana, dia eo anivon’ireo rahalahy izy, ka manao zavatra amin-katsaram-panahy sy amim-panehoam-piheverana. Avy eo, rehefa tonga any an-trano izy, ao amin’ny fahazarana any an-trano, dia mety hirona hanadino ny fifandraisany ara-panahy. Any izy ireo dia lehilahy iray sy ny vadiny fotsiny, i “rangahy” sy i “ramatoa”. Rehefa ao anatin’ny fihenjanana ny andaniny (na ny ankilany), dia mety hiafara amin’ny fitenenana zavatra feno haratsiam-panahy izay tsy ho nolazaina mihitsy tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Inona no nitranga? Nanjavona vetivety foana ilay toetra kristiana nananany. Nanadino ny mpanompon’Andriamanitra iray fa mbola rahalahy (na anabavy) kristiana ihany izy any an-trano. Nanjary tsy nanorina ilay hery manetsika ny saina tokony hanorina. — Jakoba 1:22-25.
8. Inona no mety hitranga rehefa tsy manorina ilay hery manetsika ny saina?
8 Inona no vokany? Ilay lehilahy dia mety hitsahatra tsy ‘hiara-mitoetra amin’ny vadiny araka ny fahalalana, tsy hanaja azy toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy’. Mety tsy hanaja intsony ny vadiny ilay vehivavy; very ilay ‘sainy tony sy malefaka’. Nanjary ara-nofo ilay hery manetsika ny saina fa tsy ara-panahy. Nisy “toe-tsaina araka ny nofo” nandresy. Koa inona àry no azo atao mba hitanana io hery manosika io ho ara-panahy sy hanorina? Tsy maintsy manatanjaka ny fiainantsika ara-panahy isika. — 1 Petera 3:1-4, 7, NW; Kolosiana 2:18, NW.
Atanjaho ilay hery
9. Fisafidianana inona no tsy maintsy ataontsika eo amin’ny fiainana andavanandro?
9 Io hery manosika hanao zavatra io dia fironan’ny saina izay miditra an-tsehatra rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra sy safidy isika. Manome karazana fisafidianana tsy miova foana ny fiainana: tsara na ratsy, tia tena na tsy tia tena, madio ara-pitondran-tena na maloto ara-pitondran-tena. Inona no hanampy antsika hanao ny fanapahan-kevitra mety? Ilay hery manetsika ny saina, raha toa izy io ka afantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Jehovah ô, toroy ny làlan’ny didinao aho; dia hotandremako hatramin’ny farany izany.” — Salamo 119:33; Ezekiela 18:31; Romana 12:2.
10. Ahoana no ahafahantsika manatanjaka amin’ny fomba manorina ny hery manetsika ny saintsika?
10 Ny fifandraisana matanjaka amin’i Jehovah dia hanampy antsika hampifaly azy ary hiala amin’izay ratsy, anisan’izany ny fivadihana ao anatin’ny fanambadiana. Nampirisihina ny Isiraelita mba ‘hanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Jehovah Andriamaniny’. Nanoro hevitra toy izao koa anefa Andriamanitra: “Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy”. Tsy maintsy nankahala ny fanitsakitsaham-bady ireo Isiraelita noho ilay didy fahafito amin’ny Didy Folo hoe: “Aza mijangajanga [“manitsakitsa-bady”, NW ].” Io didy io dia mampiseho ny fiheverana hentitra ananan’Andriamanitra momba ny tsy fivadihana ao anatin’ny fanambadiana. — Deoteronomia 12:28; Salamo 97:10; Eksodosy 20:14; Levitikosy 20:10.
11. Ahoana no ahafahantsika manamafy bebe kokoa ny hery manetsika ny saintsika?
11 Ahoana no ahafahantsika manatanjaka kokoa izany hery manetsika ny saina izany? Amin’ny fankasitrahana ireo asa sy zava-tsarobidy ara-panahy. Izany dia midika fa tsy maintsy manome fahafaham-po ny filantsika hianatra ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika ary tsy maintsy mianatra mahita fifaliana amin’ny fiaraha-midinika ny amin’ireo hevitra sy torohevitr’i Jehovah. Ny fihetseham-pontsika amim-pahatsorana dia tokony ho toy ny an’ny mpanao salamo hoe: “Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho. Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao. Jehovah ô, toroy ny làlan’ny didinao aho; dia hotandremako hatramin’ny farany izany. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho.” — Salamo 119:10, 11, 33, 34.
12. Zavatra inona avy no afaka mampiray antsika eo amin’ny fanehoana taratry ny sain’i Kristy?
12 Io karazana fankasitrahana ny fotopoto-pitsipika marin’i Jehovah io dia voatana, tsy amin’ny fianarana ny Baiboly ihany, fa amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivoriana kristiana sy amin’ny fanaovana ny fanompoana kristiana miaraka koa. Ireo hery mitaona mahery roa ireo dia afaka manatanjaka foana ilay hery manetsika ny saintsika mba hahatonga ny fomba fiainantsika tsy misy fitiavan-tena hanome lalandava taratry ny sain’i Kristy. — Romana 15:5; 1 Korintiana 2:16.
13. a) Nahoana ny vavaka no anton-javatra sarobidy iray eo amin’ny fanatanjahana ny hery manetsika ny saina? b) Ohatra inona no navelan’i Jesosy tamin’io lafiny io?
13 Antony hafa iray dia ilay asongadin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana manao hoe: “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana”. (Efesiana 6:18). Mila ny miara-mivavaka ny mpivady. Matetika ireny vavaka ireny dia manokatra ny fo ary mitarika ho amin’ny resaka atao amim-pahatsorana izay mandravona izay rehetra tsy metimety. Amin’ny fotoam-pitsapana sy amin’ny fotoana isian’ny fakam-panahy, dia mila mitodika any amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka isika, mangataka fanampiana sy tanjaka ara-panahy mba hanaovana izay mifanaraka amin’ny sain’i Kristy. Na dia i Jesosy izay tanteraka aza dia nitodika tany amin-dRainy tao amin’ny vavaka tamin’ny toe-javatra maro, nangataka hery. Feno fahatsorana sy lalina ireo vavaka nataony. Toy izany koa amin’izao andro izao, amin’ny fotoana isian’ny fakam-panahy, dia afaka mahazo tanjaka mba handray ny fanapahan-kevitra mety isika amin’ny fiangaviana an’i Jehovah mba hanampy antsika hahatohitra ny faniriana hanaiky ho resin’ny nofo ka hivadika amin’ny voadim-panambadiana. — Salamo 119:101, 102.
Oha-pitondran-tena mifanohitra
14, 15. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Josefa teo anoloan’ny fakam-panahy? b) Inona no nanampy an’i Josefa hanohitra fakam-panahy?
14 Ahoana no ahafahantsika miatrika fakam-panahy? Amin’io lafiny io isika dia mahita fiavahana roa mazava tsara eo amin’ny lalana narahin’i Josefa sy i Davida. Rehefa nikiry nanandrana nitaona an’i Josefa tsara tarehy handry taminy ny vadin’i Potifara, dia namaly azy toy izao tamin’ny farany i Josefa izay toa tokan-tena tamin’izany fotoana izany: “Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany [ny vadinao] amiko afa-tsy hianao ihany, satria vadiny hianao; koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” — Genesisy 39:6-9.
15 Inona no nanampy an’i Josefa hanaraka ny lalana mety kanefa dia ho mora aoka izany ny ho resy? Nanana hery iray natanjaka nanetsika ny sainy izy. Takany tsara ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Fantany fa ny fijangajangana tamin’io vehivavy lasa adala taminy io, raha ny marina, dia tsy vitan’ny hoe fahotana tamin’ny vadiny, fa, mbola zava-dehibe kokoa, fahotana tamin’Andriamanitra koa. — Genesisy 39:12.
16. Nanao ahoana ny fihetsik’i Davida teo anoloan’ny fakam-panahy?
16 Mifanohitra amin’izany, inona no nitranga tamin’i Davida? Lehilahy nanambady izy, nanana vady maromaro araka ny namelan’ny Lalàna. Indray takariva dia nandinika vehivavy nandro avy teny an-dapany izy. Io ilay Batseba tsara tarehy, vadin’i Oria. Mazava tsara fa nanan-tsafidy i Davida: na hanohy hijery ka hanaitra ao am-pony fahamaimaizana, na hiala teo ary handa ilay fakam-panahy. Inona no nofidiny hatao? Nampanalainy hankao an-dapany ilay vehivavy, ary nanitsakitsa-bady niaraka taminy izy. Ary mbola ratsy kokoa aza, dia mbola nanao izay hahafatesan’ny vadin-dravehivavy koa izy. — 2 Samoela 11:2-4, 12-27.
17. Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny toe-pahasalamana ara-panahin’i Davida?
17 Inona no zava-nanahirana an’i Davida? Afaka manatsoaka zava-misy sasany isika avy amin’ilay fieken-keloka feno fibebahana nataony tatỳ aoriana ao amin’ny Salamo faha-51. Hoy izy: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko [“saiko”, NW ] ato anatiko.” Miharihary fa tamin’ny fotoan’ny fakam-panahy nahazo azy, dia tsy nanana saina nadio sy niorina izy. Angamba izy nanao tsirambina ny famakiany ny Lalàn’i Jehovah, ary ho vokany, dia nihaosa ny fiainany ara-panahy. Na nety ho namela ny toerany tamin’ny naha-mpanjaka azy hanimba ny fisainany izy ka voafandriky ny fanirian-dratsy teo amin’ny lahy sy ny vavy. Azo antoka fa ilay hery nanetsika ny sainy tamin’io fotoana io dia feno fitiavan-tena sy ota. Noho izany, dia nanjary niaiky ny ilàny ‘saina vaovao sy miorina’ izy. — Salamo 51:10; Deoteronomia 17:18-20.
18. Torohevitra inona no nomen’i Jesosy mikasika ny fanitsakitsaham-bady?
18 Nirodana ny fanambadiana kristiana sasany satria namela ny tenany ho latsaka tao anatin’ny fahosana ara-panahy nitovy tamin’ny an’i Davida Mpanjaka ny iray tamin’ireo mpivady na izy roa mihitsy. Ny ohatr’i Davida dia tokony hampitandrina antsika ny amin’ny fanohizana mijery vehivavy na lehilahy hafa iray amim-pirehetam-po, satria mety hanaraka izany amin’ny farany ny fanitsakitsaham-bady. Nasehon’i Jesosy fa takany ny fihetseham-pon’olombelona amin’io lafiny io, satria hoy izy hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga [“manitsakitsa-bady”, NW ]’. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga [“nanitsakitsa-bady”, NW ] taminy tam-pony sahady.” Amin’ny toe-javatra toy izany, ilay hery manetsika ny saina dia feno fitiavan-tena sy araka ny nofo, fa tsy ara-panahy. Ahoana àry no ahafahan’ny Kristiana manalavitra ny fanitsakitsaham-bady sy ahafahany mitana ny fanambadiany ho sambatra sy hahafa-po? — Matio 5:27, 28.
Atanjaho ny fatoran’ny fanambadiana
19. Ahoana no azo anatanjahana ny fanambadiana iray?
19 Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.” Azo antoka fa ny olon-droa ao anatin’ny fanambadiana mirindra tsara iray dia afaka ny hahatohitra tsara kokoa miaraka ao anatin’ny fahoriana noho ny olona iray. Kanefa raha toy ny mahazaka telo olana ny fatoran’izy ireo amin’ny fananana an’Andriamanitra ao aminy, dia hatanjaka ny fanambadian’izy ireo. Ahoana no ahafahan’Andriamanitra ho ao anatin’ny fanambadiana? Amin’ny fampiharan’ny mpivady ny fotopoto-pitsipiny sy ny torohevitra omeny momba ny fanambadiana. — Mpitoriteny 4:12.
20. Torohevitry ny Baiboly inona no afaka manampy lehilahy manambady?
20 Azo antoka fa raha mampihatra ny torohevitra ao amin’ireto andinin-teny manaraka ireto ny lehilahy manambady, dia hanana fototra tsara kokoa ho amin’ny fahombiazana ny fanambadiany:
“Ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy toy izany hatrany araka ny fahalalana, manehoa fanajana aminy toy ny amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy, satria koa ianareo miara-mandova aminy ny fanomezam-piainana ho an’izay tsy mendrika akory, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo.” — 1 Petera 3:7, NW.
“Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy. Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.” — Efesiana 5:25, 28.
“Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: Maro ny zazavavy nanao soa, fa hianao manoatra noho izy rehetra”. — Ohabolana 31:28, 29.
“Misy mahadia vain’afo va, ka tsy ho may ny tongony? Dia toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany; tsy [ho afa-maina, “NW”] izay mikasika azy. Izay mijangajanga [dia] (...) ta-hanimba tena”. — Ohabolana 6:28, 29, 32.
21 Raha mitandrina ireto fotopoto-pitsipiky ny Baiboly manaraka ireto ny vehivavy manambady, izany dia handray anjara amin’ny faharetan’ny fanambadiany:
“Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny [fanajana lalina (sy ny) saina tony sy malefaka, NW ].” — 1 Petera 3:1-4.
“Aoka ny lahy hanao izay mety hatao [eo amin’ny firaisana] amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. (...) Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo”. — 1 Korintiana 7:3-5.
22 Asehon’ny Baiboly fa ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy, ny fangorahana, ny faharetana, ny fahatakarana, ny fampaherezana ary ny fiderana dia lafiny tena lehibe hafa eo amin’ny fanambadiana izay toy ny vatosoa. Ny fanambadiana tsy misy ireo toetra ireo dia toy ny zavamaniry tsy mahazo tanin’andro sy rano — mahalana vao mamelana. Koa aoka havelantsika ilay hery manetsika ny saintsika hanosika antsika hifampahery sy hifamelombelona ao amin’ny fanambadiantsika. Tsarovy fa ‘halan’i Jehovah ny fisaoram-bady’. Raha ampiharina ny fitiavana kristiana dia azo inoana fa tsy hisy toerana ho an’ny fanitsakitsaham-bady sy ny firodanan’ny fanambadiana. Nahoana? Satria “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. — Malakia 2:16; 1 Korintiana 13:4-8; Efesiana 5:3-5.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona no zavatra tena ilaina mba hananana fanambadiana sambatra?
◻ Ahoana no ahafahan’ilay hery manetsika ny saina hisy heriny eo amin’ny fanambadiana?
◻ Inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny hery manetsika ny saintsika?
◻ Tamin’ny ahoana i Josefa sy i Davida no nanana fihetsika tsy nitovy rehefa tojo fakam-panahy?
◻ Torohevitry ny Baiboly inona no hanampy ny lehilahy sy ny vehivavy manambady hanatanjaka ny fatoram-panambadiana?
21. Torohevitry ny Baiboly inona no afaka manampy vehivavy manambady?
22. a) Anton-javatra hafa inona avy no afaka manan-kery maharitra eo amin’ny fanambadiana? b) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana?
[Sary, pejy 18]
Moa ve isika miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika roa tsy mitovy — tsara fanahy rehefa any amin’ny kongregasiona, fa henjana rehefa any an-trano?