‘Aoka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava’
“Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.” — ROMANA 13:12.
1, 2. Ahoana no fandraisan’ny ankamaroan’ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ilay “tena Mazava”, ary na dia teo aza ny tombontsoa inona avy?
JESOSY KRISTY no “tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra”. (Jaona 1:9). Rehefa tonga tamin’ny naha-Mesia izy tamin’ny taona 29 am.fan.ir., dia tonga teo amin’ny firenena iray izay voafidin’Andriamanitra ho Vavolombelony ary nanolo-tena ho an’i Jehovah, araka ny anarany fara faharatsiny. (Isaia 43:10). Teo am-piandrasana ny Mesia ny maro tamin’ireo Isiraelita, ary ny sasantsasany taminy dia nahalala faminaniana sasany izay ho nampahafantatra azy io. Ambonin’izany, i Jesosy dia nitory tany amin’ny faritra rehetra tao Palestina, nanao famantarana teo anatrehan’ny besinimaro. Nitangorona mba hihaino azy ny vahoaka, ary talanjona tamin’izay hitany sy reny. — Matio 4:23-25; 7:28,29; 9:32-36; Jaona 7:31.
2 Tamin’ny farany anefa, dia nanda an’i Jesosy ny ankamaroan’ny Jiosy. Hoy ny filazantsaran’i Jaona: “Tonga tany aminy izy, kanefa tsy nandray azy ny firenen’ny tenany.” (Jaona 1:11, MN) Fa nahoana? Ny valin’io fanontaniana io dia hanampy antsika hanalavitra ny famerenana ny fahadisoana nataon’izy ireo. Izany dia hanampy antsika mba ‘hanary ny asan’ny maizina ka hitafy ny fiadian’ny mazava’, ka amin’izany dia hanalavitra ny fanamelohana toy izay nanjo ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany. — Romana 13:12; Lioka 19:43, 44.
Fanoherana avy amin’ireo manam-pahefana ara-pivavahana
3. Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ireo filoham-pivavahana jiosy ho “mpitarika jamba”?
3 Teo amin’ny Isiraely, ireo filoham-pivavahana dia voalohany tamin’ny fandavana ny mazava. Na dia mpampianatra “mpahay lalàna” aza izy ireo, dia nanery ny olona hanaiky fandaharan-dalàna nisy antsipiriany be izay mazàna nifanohitra tamin’ny Lalàn’Andriamanitra. (Lioka 11:45, 46). Tamin’izany izy ireo dia ‘nanafoana ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fampianarana voatolotra azy’. (Marka 7:13; Matio 23:16, 23, 24). “Mpitarika jamba” izy ireo, tamin’ny fanakanana ny mazava tsy hamirapiratra. — Matio 15:14.
4, 5. a) Ahoana no fihetsik’ireo Fariseo rehefa nisy Jiosy sasantsasany nanomboka nanontany tena raha i Jesosy no Mesia? b) Toe-po ratsy inona no tsikaritra teo amin’ireo Fariseo?
4 Tamin’ny toe-javatra iray, rehefa maro ny Isiraelita nanontany tena raha nety ho ny Kristy i Jesosy, ireo Fariseo velona ahiahy dia nandefa mpiandry raharaha mba hisambotra azy. Niverim-potsiny ireo mpiandry raharaha ka nilaza hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Tsy nihontsina akory ireo Fariseo nanontany ny mpiandry raharaha hoe: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” Nanohitra i Nikodemosy, mpikambana iray tao amin’ny Synedriona, fa tsy araka ny lalàna ny manameloka olona iray alohan’ny nihainoana azy. Tamin-kasomparana, dia rafitra ady taminy izy ireo ary nilaza hoe: “Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.” — Jaona 7:46-52.
5 Nahoana ireo filoham-pivavahana tao amin’ny firenena iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra no nanao zavatra tamin’izany fomba izany? Satria izy ireo dia nampitombo toe-po ratsy. (Matio 12:34). Tsikaritra tamin’ny fanamavoany ny sarambabem-bahoaka ny avonavon’izy ireo. Ny filazany hoe: “Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?”, dia mampiseho ilay fihamboana feno fireharehana hoe tsy afaka ny ho tena izy ny Mesia iray raha tsy nahazo sitraka tamin’izy ireo. Ambonin’izany, dia nanao ny tsy marina izy ireo tamin’ny fanandramana nanaratsy an’i Jesosy noho izy avy tany Galilia, kanefa ny fanadihadihana tsotra iray dia ho nampahafantatra fa teraka tany Betlehema tokoa izy, tany amin’ilay toerana hahaterahan’ny Mesia nambaran’ny faminaniana. — Mika 5:1; Matio 2:1.
6, 7. a) Ahoana no fihetsik’ireo filoham-pivavahana tamin’ny fananganana an’i Lazarosy? b) Inona no nolazain’i Jesosy mba hampisehoana ny fitiavan’ireo filoham-pivavahana ny fahamaizinana?
6 Ny fanoherana tsy nisy indrafo nataon’ireo filoham-pivavahana ireo tamin’ny mazava dia niseho tamin’ny fomba nampiaiky rehefa nanangana an’i Lazarosy i Jesosy. Ho an’ny olona iray matahotra an’Andriamanitra, ny fanaovan-javatra toy izany dia ho nanaporofo fa nahazo ny fanohanan’i Jehovah i Jesosy. Ireo filoham-pivavahana anefa dia tsy afaka nahita afa-tsy fandrahonana nety hitranga tamin’ny toerana nisy tombontsoa nananany. Hoy izy ireo: “Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.” (Jaona 11:44, 47, 48). Koa dia nikaon-doha mba hamono an’i Jesosy sy Lazarosy miaraka izy ireo, angamba tamin’ny fanantenana ny hanakana tamin’izany ny mazava tsy hamirapiratra. — Jaona 11:53, 54; 12:9, 10.
7 Noho izany, ireo filoham-pivavahan’ny firenena voafidin’Andriamanitra ireo dia voatosika lavitra ny mazava noho ny avonavona, ny fireharehana, ny fanaovana ny tsy marina ara-tsaina, ary ny fitiavan-tena tsy hay toherina. Teo am-pifaranan’ny fanompoany, dia nasehon’i Jesosy ny helok’izy ireo tamin’ny filazana hoe: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.” — Matio 23:13.
Fitiavan-tena sy fireharehana
8. Zava-nitranga inona tany Nazareta no nampiharihary ny toe-po ratsy nananan’ny olona sasany tao?
8 Tamin’ny ankapobeny, ny vahoaka jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia naka tahaka ireo filoham-pivavahany tamin’ny fandavana ny mazava noho ny toe-po ratsy. Tamin’ny toe-javatra iray, ohatra, dia nasaina niteny tao amin’ny synagoga iray tany Nazareta i Jesosy. Namaky sy nanazava andinin-teny tao amin’ny Isaia izy, ary tamin’ny voalohany, dia nihaino azy ny kongregasiona. Kanefa rehefa nanonona fampitahana ara-tantara izay nampiharihary ny fitiavan-tenan’izy ireo sy ny tsy fahampiam-pinoany izy, dia tezitra mafy ireo ka nanandrana namono azy. (Lioka 4:16-30). Ny fireharehana, ankoatra ny toetra ratsy hafa, dia nanakana azy ireo tsy handray tsara ny mazava.
9. Ahoana no nihariharian’ny antony ratsy nanosika ny vahoaka Galiliana maro be?
9 Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia namahana tamin’ny fomba mahagaga vahoaka maro be teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy. Niteny toy izao ireo vavolombelon’io fahagagana io: “Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’izao tontolo izao.” (Jaona 6:10-14). Rehefa nandeha an-tsambo nankany an-toeran-kafa i Jesosy, dia nanaraka azy ny vahoaka. Fantatr’i Jesosy anefa fa ny antony nanosika ny maro dia tsy fitiavana ny mazava akory. Hoy izy taminy: “Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.” (Jaona 6:26). Tsy ela dia voaporofo fa marina ny nambarany rehefa nisy olona maromaro izay efa nanaraka azy, niverina indray tany amin’izao tontolo izao. (Jaona 6:66). Nanakona ny mazava ny fihetsika feno fitiavan-tena hoe: “Inona no soa ho azoko amin’izany?”
10. Ahoana no fihetsiky ny ankamaroan’ny Jentilisa tamin’ny mazava?
10 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty, dia nisy Jiosy nino nanohy nitondra ny mazava tany amin’ireo hafa izay nanaraka ny jodaisma, kanefa dia vitsy no nandray. Noho izany, ny apostoly Paoly sy ny hafa, dia nampiely ny vaovao tsara tany amin’ny tany hafa, niasa tamin’ny naha-“fahazavan’ny jentilisa”. (Asan’ny apostoly 13:44-47). Maro ny tsy Jiosy nandray, kanefa ny fihetsika ankapobeny dia nanjary sahala amin’ny nilazalazan’i Paoly azy hoe: “Fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana (...) [izay hafatra] fahadalana amin’ny jentilisa”. (1 Korintiana 1:22, 23). Nanda ny mazava ny ankamaroan’ny tsy Jiosy noho izy ireo nohajambain’ny finoanoam-poanan’ny mpanompo sampy na ny filôzôfian’izao tontolo izao. — Asan’ny apostoly 14:8-13; 17:32; 19:23-28.
‘Nantsoina hiala tamin’ny maizina’
11, 12. Iza no nandray ny mazava tamin’ny taonjato voalohany, ary iza no mandray izany amin’izao andro izao?
11 Tamin’ny taonjato voalohany, na dia teo aza ny tsy fisian’ny fandraisana tamin’ny ankapobeny, dia olona tso-po maro no ‘nantsoina hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagagan’Andriamanitra’. (1 Petera 2:9). Nanoratra toy izao ny amin’izy ireny ny apostoly Jaona: “Fa izay rehetra nandray Azy [Kristy] dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.” (Jaona 1:12). Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., ireo tia ny mazava ireo dia natao batisa tamin’ny fanahy masina ary tonga zanak’Andriamanitra nanana fanantenana ny hiara-manjaka amin’i Jesosy any amin’ny Fanjakany any an-danitra.
12 Amin’izao androntsika izao, dia efa voangona ny farany amin’ireo zanak’Andriamanitra voahosotra, ary ho fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela, izy ireo dia ‘mamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra (...) izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana”. (Daniela 12:3). Navelan’izy ireo hamirapiratra aoka izany ny fahazavany ka “ondry hafa” maherin’ny efatra tapitrisa no voasintona ho amin’ny fahamarinana ary manana toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra. (Jaona 10:16). Izy ireo kosa, ho setriny, dia manome taratr’ilay mazava manerana izao tontolo izao, ka amin’izao fotoana izao dia mamirapiratra mbola tsy nisy toy izany ny mazava. Amin’izao androntsika izao, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, “ny maizina dia tsy naharesy [ny mazava]”. — Jaona 1:5, MN.
‘Tsy misy maizina ao amin’Andriamanitra’
13. Fampitandremana inona no nomen’ny apostoly Jaona antsika?
13 Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana anefa ny fampitandreman’ny apostoly Jaona hoe: “Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.” (1 Jaona 1:5, 6) Mazava fa mety ho latsaka ao amin’ny fandrika nahavoa ny Jiosy ireo kristiana, amin’ny fisehoana ho vavolombelona ho an’Andriamanitra amin’ny anarana, kanefa manao ny asan’ny maizina.
14, 15. Asan’ny maizina inona avy no niseho niharihary tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
14 Marina tokoa fa nitranga izany tamin’ny taonjato voalohany. Vakintsika fa nisy fisaratsarahana lehibe tany Korinto (1 Korintiana 1:10-17). Voatery nampitandrina ny kristiana voahosotra mba tsy hifankahala ny apostoly Jaona, ary i Jakoba dia voatery nanoro hevitra ny sasany mba tsy hitondra tsara kokoa ny mpanankarena noho ny mahantra. (Jakoba 2:2-4; 1 Jaona 2:9, 10; 3 Jaona 11, 12) Fanampin’izany, rehefa nizaha ireo kongregasiona fito tao Azia Minora i Jesosy, araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia nambarany ny fitsofohan’ny asan’ny maizina, anisan’izany ny fivadiham-pinoana, ny fanompoan-tsampy, ny fahalotoam-pitondrantena ary ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. (Apokalypsy 2:4, 14, 15, 20-23; 3:1, 15-17). Tamin’izany fotoana fiandohan’ny kongregasiona kristiana izany àry, dia nisy maromaro nandao ny mazava: ny sasany voaroaka, ary ny hafa dia nindaosina niala nankany amin’ny “maizina any ivelany”. — Matio 25:30; Filipiana 3:18; Hebreo 2:1; 2 Jaona 8-11.
15 Ireo fitantarana rehetra avy tany amin’ny taonjato voalohany ireo dia mampiseho ireo fomba samy hafa ahafahan’ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana mitsofoka ao anatin’ny fisainan’ny kristiana isam-batan’olona na ao amin’ny kongregasiona iray manontolo mihitsy aza. Tokony ho mailo isika mba tsy hitrangan’ny zavatra toy izany amintsika mihitsy. Ahoana no ahafahantsika manao izany?
Ny toetra vaovao
16. Torohevitra marim-pototra inona no nomen’i Paoly ho an’ny Efesiana?
16 Nampirisika ireo Efesiana i Paoly mba tsy ho “maizin-tsaina sy olon-ko azy [lavitra, MN] ny fiainan’Andriamanitra” intsony. Mba tsy hianjerana indray any amin’izany haizina izany, dia tsy maintsy namboly toe-po izay an’ny mazava izy ireo. Hoy i Paoly: “Mba [tokony, MN] hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny [hery manosika ny, MN] sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” — Efesiana 4:18, 22-24.
17. Ahoana no azontsika analavirana ny fianjerana indray ao anatin’ny haizina?
17 Eto i Paoly dia manoro hevitra ny hanaovana fandidiana tena lehibe, raha azo atao ny milaza izany — dia fanapahana ny tapany tamin’ny tenantsika teo aloha, ny toetrantsika taloha, ary amin’ny famelana ny fitomboan’ny hery vaovao tanteraka mba ‘hanosika ny saintsika’. Ary tsy niresaka tamin’olona liana vao haingana izy fa tamina kristiana vita batisa. Ny fanovana ny toetrantsika dia tsy tokony hijanona eo amin’ny batisa. Izany dia fandrosoana mitohy. Raha mitsahatra tsy mamboly ny toetra vaovao isika, dia azo inoana fa hipoitra indray ilay taloha, miaraka amin’ny fireharehany sy ny avonavony ary ny fitiavan-tenany. (Genesisy 8:21; Romana 7:21-25) Izany dia mety hitarika ho amin’ny fiverenana amin’ireo asan’ny maizina.
“Ny fahazavanao no hahitanay fahazavana”
18, 19. Ahoana no nilazalazan’i Jesosy sy i Paoly ny fomba famantarana ireo “zanaky ny mazava”?
18 Tsarovy fa ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay dia miankina amin’ny didim-pitsarana tsara avy amin’Andriamanitra, fitsarana izay mifototra amin’ny fitiavantsika ny mazava. Rehefa avy nanisy fitenenana ny amin’io zava-misy farany io i Jesosy, dia nilaza hoe: “Izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.” — Jaona 3:19-21.
19 Nanohana io fiheverana io i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Efesiana hoe: “Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana)”. (Efesiana 5:8, 9). Koa asehon’ny asantsika àry raha zanaky ny mazava isika na zanaky ny maizina. Ireo asa marina anefa dia tsy afaka mivoaka afa-tsy avy ao amin’ny fo tsara ihany. Izany no antony tokony hiambenantsika ny fontsika, tokony hahatakarantsika ny ilàna hanavao hatrany ny toetrantsika sy hitandremantsika ny amin’ny hery manosika ny saintsika. — Ohabolana 4:23.
20, 21. a) Zava-tsarotra manokana inona no atrehin’ireo ankizy teraka tao anatin’ny fianakaviana kristiana? b) Zava-tsarotra inona no atrehin’ireo ankizy rehetra manana ray aman-dreny kristiana?
20 Tamin’ny toe-javatra sasany, izany dia hita fa zava-tsarotra manokana ho an’ireo ankizy nateraky ny Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena. Nahoana? Amin’ny lafiny iray, ny ankizy toy izany dia manana fitahiana mahatalanjona. Ny fahafantarana ny fahamarinana hatramin’ny fiandohan’ny fahazazana dia midika, raha ny marina, fa ny olona iray dia tsy voatery hanandrana mivantana ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana. (2 Timoty 3:14, 15). Etsy an-danin’izany anefa, ny ankizy sasany ao anatin’izany tarehin-javatra izany dia tsy mianatra mihitsy ny ho tia marina ny mazava. Izany no toe-javatra nisy ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Nihalehibe tao anatin’ny firenena iray nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ary tamin’ny fetrany sasany, izy ireo dia nanana fahalalana ny fahamarinana. Tsy tao am-pony anefa izany. — Matio 15:8, 9.
21 Tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny fitaizana ireo zanany ao amin’ny mazava ny ray aman-dreny kristiana. (Deoteronomia 6:4-9; Efesiana 6:4). Amin’ny farany anefa, dia ny tenan’ilay ankizy mihitsy no tsy maintsy tonga amin’ny fitiavana kokoa ny mazava noho ny haizina. Tsy maintsy ataony izay hahatonga ny fahazavan’ny fahamarinana ho tapany amin’ny tenany. Arakaraka ny hahalehibeazany, dia mety ho toa manintona ny endriny sasany amin’izao tontolo izaon’i Satana. Ny fomba fiainan’ireo mpiara-mianatra aminy, tsy misy fanahiana na fieritreretana izay ho vokatry ny atao, dia mety ho toa mahaliana erỳ. Ny fisalasalana ny amin’ny zavatra inoana izay ampianarina any an-dakilasy dia mety hanintona mafy. Tsy tokony hohadinoiny na oviana na oviana anefa fa, any ivelan’ny mazava, dia ‘manarona ny tany ny aizina’. (Isaia 60:2). Amin’ny farany, ity tontolo rakotry ny haizina ity dia tsy manan-javatra tsara na inona na inona hatolotra. — 1 Jaona 2:15-17.
22. Ahoana no itahian’i Jehovah an’ireo izay tonga eo amin’ny fahazavana amin’izao fotoana izao, ary ahoana no hitahiany azy amin’ny hoavy?
22 Nanoratra toy izao i Davida mpanjaka: “Fa ao aminao [Jehovah] no misy loharanon’aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. Ampahareto amin’izay mahalala Anao ny famindramponao [ny hatsaram-panahinao miharo fitiavana, NW]”. (Salamo 36:9, 10). Ireo tia ny mazava dia tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah, ary izany dia mety hidika ho fiainana ho azy ireo. (Jaona 17:3). Noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, i Jehovah dia manohana azy ireo izao, ary rehefa hamely ny fahoriana lehibe, dia hitondra azy ireo hamakivaky izany izy ho ao amin’ny tontolo vaovao iray. Mety handalo amin’izany isika raha manalavitra dieny izao ny haizin’izao tontolo izaon’i Satana. Ao amin’ilay tontolo vaovao, dia haverina indray ho amin’ny fiainana lavorary ao amin’ny Paradisa ny olombelona. (Apokalypsy 21:3-5). Ireo mahazo didim-pitsarana tsara amin’izay, dia hanana fanantenana ny hitanina eo amin’ny fahazavan’i Jehovah mandritra ny fotoana ho avy rehetra. Fahatsinjovan-javatra be voninahitra re izany! Ary antony mahery toy inona moa izany mba ‘hanariana ny asan’ny maizina ka hitafiana ny fiadian’ny mazava’! — Romana 13:12.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy no nanda ny mazava?
◻ Hatraiza no amirapiratan’ny mazava amin’izao androntsika izao?
◻ Fampitandremana inona mikasika ny fitiavan-tena sy ny fireharehana no omen’ireo ohatra tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Inona no tena zava-dehibe raha te hijanona ao amin’ny mazava isika?
◻ Fitahiana inona avy no tahirizina ho an’ireo tia ny mazava?
[Sary, pejy 14]
Tsy nandray ny mazava ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy
[Sary, pejy 17]
Hatramin’ny am-polony taona maro, dia nisy fomba isan-karazany nampiasaina mba hamelana ny mazava hamirapiratra tamin’ny fanaovana mpianatra
[Sary, pejy 18]
‘Tokony hanary ny toetranao taloha ianao (...) ary hitafy ny toetra vaovao’