‘Aoka mba ho Masina Ianareo Amin’ny Fitondran-tena Rehetra’
“Araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina aho’.” — 1 PETERA 1:15, 16.
1. Nahoana i Petera no nampirisika ny Kristiana ho masina?
NAHOANA ny apostoly Petera no nanome ilay torohevitra etsy ambony? Satria hitany fa ilain’ny Kristiana tsirairay ny hitandrina ny eritreriny sy ny ataony mba hihazonana azy ireny hifanaraka amin’ny fahamasinan’i Jehovah. Noho izany, dia hoy izy eo alohan’ireo teny etsy ambony: “Sikino ny sainareo, dia mahonòna tena (...) tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo [“fanirianareo”, NW ] fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo”. — 1 Petera 1:13, 14.
2. Nahoana no tsy masina ireo faniriantsika talohan’ny nianarantsika ny fahamarinana?
2 Tsy masina ireo faniriantsika taloha. Nahoana? Satria maro tamintsika no nanaraka lalam-pitondran-tena araka an’izao tontolo izao talohan’ny nanekentsika ny fahamarinana kristiana. Nahafantatra izany i Petera fony izy nanoratra mazava tsara toy izao: “Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”. Mazava ho azy fa tsy nanonona ny anaran’ireo fanaovan-javatra tsy masina mampiavaka ny tontolo maoderina misy antsika i Petera, satria tsy fantatra izy ireny tamin’izany. — 1 Petera 4:3, 4.
3, 4. a) Ahoana no ahafahantsika manohitra ireo fanirian-dratsy? b) Tsy mahazo mampiseho fihetseham-po ve ny Kristiana? Hazavao.
3 Voamarikao ve fa ireny faniriana ireny dia ireo izay manintona ny nofo sy ny fahatsapana ary ny fihetseham-po? Rehefa avelantsika hanapaka izy ireo, dia tena mora ny hahatongavan’ny eritreritsika sy ny ataontsika ho tsy masina. Izany dia manazava ny ilana hamelana ny herin-tsaina hanapaka ny ataontsika. Nilaza izany toy izao i Paoly: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia [fanompoana masina amin’ny herin-tsainareo, NW ]”. — Romana 12:1, 2.
4 Mba hanolorana ho an’Andriamanitra fanatitra masina, dia tsy maintsy avelantsika hanapaka ny herin-tsaina, fa tsy ny fihetseham-po. Firifiry akory moa ireo izay nanjary lavo tao anatin’ny fahalotoam-pitondran-tena noho izy ireo namela ny fihetseham-pony hifehy ny fitondran-tenany! Tsy midika akory izany fa tsy maintsy kobonina ny fihetseham-pontsika; raha tsy izany dia ahoana no ahafahantsika mampiseho fifaliana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Kanefa, raha maniry hamokatra ny vokatry ny fanahy fa tsy ny asan’ny nofo isika, dia tsy maintsy mamolavola indray ny saintsika hifanaraka amin’ny fomba fisainan’i Kristy isika. — Galatiana 5:22, 23; Filipiana 2:5.
Fiainana masina, vidiny masina
5. Nahoana i Petera no nahatsapa ny ilana fahamasinana?
5 Nahoana i Petera no nahatsapa aoka izany ny ilana fahamasinana kristiana? Satria fantany tsara ilay vidiny masina naloa mba hanavotana ny taranak’olombelona mpankato. Nanoratra toy izao izy: “Fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina”. (1 Petera 1:18, 19). Eny, i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fahamasinana dia naniraka ny Zanany lahitokana, ‘Ilay Masina’, tetỳ an-tany mba handoa ny avotra izay hahatonga ny olona hanana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. — Jaona 3:16; 6:69; Eksodosy 28:36; Matio 20:28.
6. a) Nahoana no tsy mora ho antsika ny mikatsaka fitondran-tena masina? b) Inona no afaka manampy antsika mba hihazona ny fitondran-tenantsika ho masina?
6 Kanefa, tsy maintsy miaiky isika fa tsy mora ny manana fiainana masina raha mbola eo anivon’ny tontolon’i Satana simba ara-pitondran-tena. Izy dia mamela-pandrika ho an’ireo Kristiana marina izay miezaka ny ho velona ao anatin’ny fandehan-javany. (Efesiana 6:12; 1 Timoty 6:9, 10). Ireo fanerena noho ny asa fivelomana, noho ny fanoheran’ny fianakaviana sy noho ny fanesoana any an-tsekoly ary noho ny faneren’ireo mitovy taona amin’ny tena dia mitaky fiainana ara-panahy matanjaka izay tena ilain’ny tena mba hihazonana ny fahamasinana. Izany dia manantitrantitra ny anjara asa tena lehibe tanan’ny fianarantsika manokana sy ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana. Nanoro hevitra toy izao an’i Timoty i Paoly: “Aza mitsahatra mitana ny firafitry ny teny mahasalama izay renao tamiko, amin’ny finoana sy ny fitiavana izay mifandray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 1:13, NW ). Mandre ireo teny mahasalama ireo isika any amin’ny Efitrano Fanjakanantsika sy amin’ny fianarantsika manokana ny Baiboly. Afaka manampy antsika ho masina eo amin’ny fitondran-tenantsika isan’andro ao anatin’ny tarehin-javatra maro samy hafa izy ireo.
Fitondran-tena masina ao anatin’ny fianakaviana
7. Inona no tokony ho fiantraikan’ny fahamasinana eo amin’ny fiainam-pianakaviantsika?
7 Rehefa nanonona ny Levitikosy 11:44 i Petera, dia nampiasa ilay teny grika hoe haʹgi·os, izay midika hoe “tafasaraka amin’ny ota ka noho izany dia voatokana ho an’Andriamanitra, masina”. (An Expository Dictionary of New Testament Words, nataon’i W. E. Vine). Ahoana no tokony ho fiantraikan’izany eo amintsika ao amin’ny fiainam-pianakaviantsika kristiana? Azo antoka fa tsy maintsy midika izany hoe ny fiainam-pianakaviantsika dia tokony hiorina amin’ny fitiavana, satria “Andriamanitra dia fitiavana”. (1 Jaona 4:8). Ny fitiavana feno fahafoizan-tena no menaka mampisosa tsara ny fifandraisana eo amin’ny mpivady sy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. — 1 Korintiana 13:4-8; Efesiana 5:28, 29, 33; 6:4; Kolosiana 3:18, 21.
8, 9. a) Toe-javatra inona indraindray no mitombo ao anatin’ny tokantrano kristiana iray? b) Torohevitra marim-pototra inona no omen’ny Baiboly momba io raharaha io?
8 Mety hieritreritra isika fa handeha ho azy ny fanehoam-pitiavana toy izany ao amin’ny fianakaviana kristiana iray. Kanefa dia tsy maintsy ekena fa tsy manjaka foana araka ny fetrany tokony ho izy ny fitiavana any amin’ny tokantrano kristiana sasany. Mety ho toa izany no hita any amin’ny Efitrano Fanjakana, nefa mora foana toy inona moa ny mety hihenan’ny fahamasinantsika any an-trano. Amin’izay isika dia mety hanadino tampoka fa ravehivavy dia mbola ilay anabavintsika kristiana ihany, na ralehilahy dia mbola ilay anadahy (angamba mpanampy amin’ny fanompoana na loholona) izay toa nohajaina tany amin’ny Efitrano Fanjakana ihany. Tonga ny fahasorisorena ary dia mety ho rafitra ny fifamaliana feno hatezerana. Mety hitsofoka tsikelikely ao amin’ny fiainantsika mihitsy aza ny fari-pitondran-tena roa sosona. Tsy fifandraisan’ny mpivady toy ny an’i Kristy intsony ilay izy fa lehilahy iray sy vehivavy iray tsy mifanaraka fotsiny. Hadinon’izy ireo fa tokony hisy rivo-piainana masina ao an-trano. Angamba izy ireo manomboka miteny toy ny olona eo amin’izao tontolo izao. Mora foana toy inona moa amin’izay, ny mety hivoahan’ny fanamarihana mahasosotra sy manindrona avy amin’ny vava! — Ohabolana 12:18; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:37-39.
9 Nanoro hevitra toy izao anefa i Paoly: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto [grika: loʹgos sa·prosʹ, “teny mandoto”, noho izany dia tsy masina], fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” Ary izany dia manisy firesahana an’izay rehetra mihaino ao an-trano, tafiditra amin’izany ireo ankizy. — Efesiana 4:29; Jakoba 3:8-10.
10. Ahoana no iharan’ny torohevitra momba ny fahamasinana amin’ireo ankizy?
10 Afa-tsy izany koa, io toro lalana momba ny fahamasinana io dia mihatra mitovy amin’izany amin’ireo ankizy ao anatin’ny fianakaviana kristiana. Mora toy inona ho azy ireo moa ny mody ao an-trano avy any an-tsekoly ka manomboka maka tahaka ilay fiteny mampiseho fikomiana sy tsy fanajana fanaon’ireo mitovy taona aminy eo amin’izao tontolo izao! Rankizy, aoka ianareo tsy ho voasinton’ny fihetsika nasehon’ireo zazalahy tsy nahalala fomba izay nanevateva ny mpaminanin’i Jehovah, dia ankizy izay manana ireo mpiteny ratsy sy mpanevateva mifanitsy aminy amin’izao andro izao. (2 Mpanjaka 2:23, 24). Ny resaka ataonareo dia tsy tokony ho voaloton’ny fiteny maitso ampiasain’ny olona kamo loatra, na tsy miraharaha ny hafa mba hampiasa teny maotina. Amin’ny maha-Kristiana antsika, ny resaka ataontsika dia tokony ho masina, mahafinaritra, mampahery, feno hatsaram-panahy, sy ho “mamy sira”. Tokony hampiavaka antsika ho tsy mitovy amin’ny olona hafa izany. — Kolosiana 3:8-10; 4:6.
Fahamasinana sy ireo mpianakavintsika tsy mpino
11. Nahoana ny hoe masina no tsy midika hoe mihevi-tena ho marina?
11 Eo am-piezahantsika amim-pitandremana fatratra mampihatra ny fahamasinana, dia tsy tokony hiseho ho ambony na ho marina isika, indrindra fa rehefa mifampiraharaha amin’ireo mpianakavy tsy mpino. Ny fitondran-tenantsika kristiana feno hatsaram-panahy dia tokony hanampy azy ireo hahita, fara faharatsiny, fa hafa amin’ny fomba tsara isika, fa haintsika ny maneho fitiavana sy fangorahana, toy ny nataon’ilay Samaritana tsara fanahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. — Lioka 10:30-37.
12. Ahoana no ahafahan’ny vady kristiana manao izay hahatonga ny fahamarinana hanintona kokoa ho an’ny vadiny?
12 Nantitranterin’i Petera ny naha-zava-dehibe ny fananana fihetsika mety manoloana ireo mpianakavintsika tsy mpino, fony izy nanoratra toy izao ho an’ireo vehivavy kristiana manambady: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana.” Ny vehivavy kristiana manambady (na ny lehilahy manambady, raha ny amin’io raharaha io) dia afaka manao izay hahatonga ny fahamarinana hanintona kokoa ho an’ny vady tsy mpino raha toa ny fitondran-tenany ka madio sy mampiseho fiheverana ary feno fanajana. Midika izany fa tokony hisy ny fahaiza-manovaova araka izay ilaina eo amin’ny fandaharam-potoana teokratika mba tsy hanaovana tsirambina ilay vady tsy mpino na hanilikilihana azy.a — 1 Petera 3:1, 2.
13. Ahoana no ahafahan’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana manampy ireo vady tsy mpino indraindray mba hankasitraka ny fahamarinana?
13 Indraindray ireo loholona sy ireo mpanampy amin’ny fanompoana dia afaka manampy amin’ny fifankahalalana amin’ilay vady tsy mpino amin’ny fakana azy ho namana. Amin’izany fomba izany dia mety ho hitany fa ny Vavolombelona dia salama saina, olona tsara fitondran-tena manan-java-mahaliana maro karazana, anisan’izany ireo foto-kevitra hafa ankoatra ny Baiboly. Tamin’ny toe-javatra iray, ny loholona dia nampiseho fahalianana tamin’ny fanjonoana izay fanalana andron’ilay lehilahy. Izay dia ampy mba hampisinda ny fihafahafana. Tonga rahalahy vita batisa io lehilahy manambady io tamin’ny farany. Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia revo tamin’ny voronkely canaris ny vady tsy mpino iray. Tsy nilavo lefona ireo loholona. Ny iray tamin’izy ireo dia nianatra ny foto-kevitra momba ny canaris mba hahafahany hanombo-dresaka momba io foto-kevitra nankafizin’ilay rangahy io, tamin’ny fotoana nanaraka nihaonany taminy! Ny hoe masina, àry, dia tsy midika hoe henjana na tery saina. — 1 Korintiana 9:20-23.
Ahoana no ahafahantsika ho masina ao amin’ny kongregasiona?
14. a) Inona no iray amin’ireo fomba fiasan’i Satana mba hanimbana tsikelikely ny kongregasiona? b) Ahoana no ahafahantsika manohitra ny fandrik’i Satana?
14 Mpanendrikendrika i Satana Devoly, satria ilay anarana grika hoe Devoly, di·aʹbo·los, dia midika hoe “mpiampanga” na “mpanendrikendrika”. Iray amin’ireo zavatra ananany fahaizana manokana ny fanendrikendrehana, ary manandrana mampiasa azy io ao amin’ny kongregasiona izy. Fomba fiasa ankafiziny indrindra ny resadresa-poana. Mamela ny tenantsika ho mora ambakainy ve isika eo amin’io fitondran-tena tsy masina io? Ahoana no mety hitrangan’izany? Amin’ny fanombohana resadresa-poana, amin’ny famerenana izany, na amin’ny fihainoana izany. Milaza toy izao ny ohabolana feno fahendrena: “Ny mpivadibadika mamafy ady; ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.” (Ohabolana 16:28). Inona no fanafodin’ny resadresa-poana sy ny fanendrikendrehana? Tokony hataontsika azo antoka fa mampahery sy miorina amin’ny fitiavana mandrakariva ny resaka ataontsika. Raha mitady ireo hatsaran-toetra isika fa tsy ireo lazaina fa fahazaran-dratsin’ireo rahalahintsika, dia hahafinaritra sy ho ara-panahy mandrakariva ny resaka ataontsika. Tadidio fa mora ny manakiana. Ary ilay olona manao resadresa-poana aminao momba ny hafa, dia mety hanao resadresa-poana momba anao koa any amin’ny hafa! — 1 Timoty 5:13; Titosy 2:3.
15. Toetra toy ny an’i Kristy inona avy no hanampy mba hihazonana ny rehetra ao amin’ny kongregasiona ho masina?
15 Mba hitanana ny kongregasiona ho masina, isika rehetra dia mila manana ny sain’i Kristy, ary fantatsika fa ny fitiavana no toetrany ambony indrindra. Noho izany, i Paoly dia nanoro hevitra ny Kolosiana mba hiantra sahala amin’i Kristy: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala (...), ka mifamelà heloka hianareo (...). Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.” Avy eo izy dia nanampy teny hoe: “Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy”. Azo antoka fa amin’ny fananana io toe-tsaina tia mamela heloka io, isika dia afaka mihazona ny firaisan-tsaina sy ny fahamasinan’ny kongregasiona. — Kolosiana 3:12-15.
Miseho eo amin’ny manodidina antsika ve ny fahamasinantsika?
16. Nahoana ny fanompoam-pivavahana masina ataontsika no tokony ho fanompoam-pivavahana mahafinaritra?
16 Ahoana ny amin’ireo mpiara-monina amintsika? Ahoana no fiheverany antsika? Moa ve isika mampiseho taratr’ilay fifaliana noho ny fahamarinana, sa isika manao izay hahitana azy io ho toy ny enta-mavesatra? Raha masina isika toy ny maha-masina an’i Jehovah, dia tokony hiharihary eo amin’ny resaka ataontsika sy eo amin’ny fitondran-tenantsika izany. Tokony hazava tsara fa ny fanompoam-pivavahana masina ataontsika dia fanompoam-pivavahana mahafinaritra. Nahoana no izany? Satria i Jehovah Andriamanitsika dia Andriamanitra sambatra, izay maniry ny hahafalifaly ireo mpivavaka aminy. Araka izany, dia afaka nilaza toy izao momba ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny andro fahiny, ny mpanao salamo: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” Manome taratr’izany fahasambarana izany ve isika? Moa ve ireo zanatsika koa mampiseho fahafaham-po noho ny maha-eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah azy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana sy any amin’ireo fivoriambe? — Salamo 89:15, 16; 144:15b.
17. Inona no azontsika atao amin’ny fomba azo ampiharina mba hanehoana fahamasinana voalanjalanja?
17 Afaka mampiseho ny fahaizantsika mandanjalanja eo amin’ny fahamasinana koa isika, amin’ny fananantsika toe-tsaina tia miara-miasa sy hatsaram-panahy amin’ny mpiara-monina. Indraindray dia tena ilaina ny hiarahan’ireo mpiara-monina mifarimbona, angamba mba hanadio ny manodidina, na toy ny any amin’ny tany sasany, mba hanampy amin’ny fanatsarana ny lalana na ny arabe lehibe. Amin’io lafiny io, ny fahamasinantsika dia mety hiharihary eo amin’ny fomba ikarakarantsika ny zaridainantsika sy ny tokotanintsika ary ny fananantsika hafa. Raha mamela fako hiparitaka manodidina isika na manana tokotany tsy milamina sy madio, angamba mihitsy aza misy fiarakodia efa tonta sy tsy mandeha intsony hitan’ny mason’ny rehetra, moa ve isika afaka milaza fa mitondra ny mpiara-monina amintsika amim-panajana? — Apokalypsy 11:18.
Fahamasinana any am-piasana sy any an-tsekoly
18. a) Inona no toe-javatra sarotra ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao? b) Ahoana no ahafahantsika tsy hitovy amin’izao tontolo izao?
18 Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana tao Korinto, tanàna tsy masina, ny apostoly Paoly: “Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao hianareo.” (1 Korintiana 5:9, 10). Izany dia toe-javatra sarotra ho an’ny Kristiana izay tsy maintsy miharoharo isan’andro amin’olona maloto fitondran-tena na tsy manana fitsipi-pitondran-tena. Fitsapana lehibe ho an’ny tsy fivadihana izany, indrindra fa any amin’ny kolontsaina izay ampirisihana na analana tsiny ny fanadalana momba ny lahy sy ny vavy, ny fandraisana kolikoly ary ny fanaovana ny tsy marina. Any amin’io faritra io dia tsy afaka mampietry ny fari-pitsipika ananantsika isika mba hisehoana ho “salama saina” ho an’ireo manodidina antsika. Ny fitondran-tenantsika kosa, izay feno hatsaram-panahy nefa hafa, dia tokony hampiavaka antsika eo imason’ireo olona mahay manava-javatra, ho an’ireo izay miaiky fa mila zavatra ara-panahy, ka mitady zavatra tsaratsara kokoa. — Matio 5:3, NW; 1 Petera 3:16, 17.
19. a) Fitsapana inona avy no mahazo anareo any an-tsekoly, rankizy? b) Inona no azon’ireo ray aman-dreny atao mba hanohanana ireo zanany sy ny fitondran-tenan’izy ireo masina?
19 Toy izany koa, fa misy fitsapana maro be atrehin’ireo zanatsika any an-tsekoly. Mitsidika ny sekoly ianaran’ny zanakareo ve ianareo ry ray aman-dreny? Fantatrareo ve ny karazana rivo-piainana manjaka any? Manana fifandraisana amin’ireo mpampianatra ve ianareo? Nahoana no zava-dehibe ireny fanontaniana ireny? Satria any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe maro eo amin’izao tontolo izao, ireo sekoly dia nanjary toerana feno herisetra sy zava-mahadomelina ary ny momba ny lahy sy ny vavy. Ahoana no hahafahan’ireo zanakareo hitana ny tsy fivadihany sy ny fitondran-tenany masina raha tsy mahazo fanohanana amim-pangorahana feno avy amin’ny ray aman-dreniny izy ireo? Ara-drariny ny nanoroan’i Paoly hevitra ireo ray aman-dreny toy izao: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Fomba iray ampahasosorana ny ankizy ny tsy fahatakarana ny zava-manahirana azy sy ny fitsapana mahazo azy isan’andro. Ny fiomanana ho amin’ireo fakam-panahy any an-tsekoly dia manomboka ao amin’ny rivo-piainana ara-panahin’ny tokantrano kristiana. — Deoteronomia 6:6-9; Ohabolana 22:6.
20. Nahoana no tena ilaina ny fahamasinana ho antsika rehetra?
20 Ho famaranana, nahoana no tena ilaina ny fahamasinana ho antsika rehetra? Satria izy io dia miasa ho toy ny fiarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny tontolon’i Satana sy ny fisainany. Fitahiana izy io dieny izao, ary ho toy izany amin’ny hoavy. Manampy izy io mba hiantohana fiainana ho antsika, dia izay ho tena fiainana ao amin’ilay tontolo vaovaon’ny fahitsiana. Manampy antsika izy io mba ho tonga Kristiana mahay mandanjalanja sy azo hatonina ary tia mampita hevitra — fa tsy olona mirehidrehitra tsy amin’antony sy tsy mety milefitra. Raha tsorina, izy io dia mahatonga antsika ho toa an’i Kristy. — 1 Timoty 6:19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny ny amin’ny fifandraisana amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ny vady tsy mpino, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1990, “Aza Atao Tsirambina ny Vadinao!”, pejy faha-20-22, sy tamin’ny 1 Febroary 1989, pejy faha-24-25, fehintsoratra faha-20-22.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana i Petera no nahita fa nilaina ny nanoro hevitra ireo Kristiana momba ny fahamasinana?
◻ Nahoana no tsy mora ny manana fiainana masina?
◻ Inona no azontsika rehetra atao mba hanatsarana ny fahamasinana ao amin’ny fianakaviana?
◻ Mba hitoeran’ny kongregasiona ho masina, dia fitondran-tena tsy masina inona no tokony hohalavirintsika?
◻ Ahoana no ahafahantsika mitoetra ho masina any am-piasana sy any an-tsekoly?
[Sary, pejy 16, 17]
Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia tokony ho falifaly isika eo am-panompoana an’Andriamanitra sy eo amin’ny asa hafa