Mety Hahasambatra Anao ve ny Harena?
Nahafantatra ny hasarobidin’ny vola i Solomona. Nanoratra toy izao izy: “Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.” (Mpitoriteny 10:19). Mety ho faran’izay mahafinaritra ny fiaraha-misakafo amin’ny namana aman-tsakaiza, kanefa mila vola ianao mba hahazoana hanina na divay. Koa satria amin’ny alalan’ny vola no ahazoan-javatra ara-nofo, dia “hahazoana ny zavatra rehetra” izy io.
NA DIA faran’izay nanankarem-be aza i Solomona, dia fantany fa nisy fetrany ny harena. Nekeny fa tsy mitarika ho amin’ny fahasambarana akory ny fomba fiaina iahiana fatratra ny zavatra ara-nofo. Izao no nosoratany: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena”. — Mpitoriteny 5:9.
Aoka hatao hoe vao mainka mahazo harena bebe kokoa ny mpanan-karena iray. Hoy i Solomona: “Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy”. (Mpitoriteny 5:10). Arakaraka ny itomboan’ny ‘fananan’ny’ olona iray, no maha-maro kokoa ny olona ilaina mba hikarakara izany. Ireo mpanamboatra ny simba, ireo mpanao fikojakojana sy ireo mpiasa an-trano ary ireo mpiambina, mbamin’ny hafa — tsy maintsy karamaina avokoa ireo rehetra ireo. Izany kosa, ho setriny, dia vao mainka mitaky vola bebe kokoa.
Misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasambaran’ny olona iray ny toe-javatra toy izany. Nanoratra ny tenin’ny lehilahy nahantra iray, izay tonga mpanan-karena, i Xénophon, mpahay tantara grika, velona tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i.:
“Tena mihevitra ve ianao (...) fa arakaraka ny habetsahan’ny ananako no mahasambatra kokoa ny fiainako? Tsy fantatrao mantsy”, hoy ny tohin’ny teniny, “fa tsy manan-tombo na dia kely akory aza ny fahafinaretana hitako ankehitriny rehefa mihinana sy misotro ary matory, noho ny hitako fony aho nahantra. Ny hany tombony azoko tamin’ny fananana be toy izao, dia ny hoe voatery hikarakara zavatra bebe kokoa aho, voatery hizara bebe kokoa amin’ny hafa ary nidiran-doza aho fa mikarakara zavatra maro kokoa noho ny nananako taloha. Ankehitriny mantsy, dia mpiasa an-trano maro no manantena sakafo avy atỳ amiko, maro no manantena zava-pisotro ary maro no manantena fitafiana, fa ny sasany kosa mila dokotera; ary misy tonga atỳ amiko mitantara fa nisy ondry notafihin’ny amboadia, na omby maty fa nianjera teny amin’ny tevana, na milaza fa nisy aretina niely tao amin’ny andian’omby. Koa amiko, dia (...) toa bebe kokoa ny zava-manahirana hitako avy amin’ny fananam-be ankehitriny, noho ny hitako avy tamin’ny tsy fananana firy taloha.”
Ny antony hafa iray mahatonga ny olona vao mainka hikatsaka harena bebe kokoa dia izao: Voataonan’ilay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “fitaky ny harena” izy ireo. (Matio 13:22). Voafitaka izy ireo satria tsy hitany mihitsy ilay fahafaham-po na fahasambarana nantenainy ho hita ao amin’ireny harena katsahiny fatratra ireny. Ny mba eritreriny dia hoe izay tsy vitan’ny fananana kely, dia ho vitan’ny fananana bebe kokoa. Koa milofo tsy an-kijanona mba hahazo bebe kokoa izy ireo.
Tsy mitarika ho amin’ny fahasambarana ny fitiavam-bola
Mety hisakana mpanan-karena iray tsy hankafy fialan-tsasatra milamina amin’ny alina, ny fanahiana mahakasika ny fananany. Izao no nosoratan’i Solomona: “Mamy ny torimason’ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben’ny ananan’ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.” — Mpitoriteny 5:11.
Tsy vitan’ny hoe tsy fahampian-torimaso fotsiny no hita rehefa tafahoatra ny tebiteby momba ny mety hamoizana ny harenan’ny tena. Raha nilazalaza ny amin’ny olona kahihitra i Solomona, dia nanoratra toy izao: “Homa-maizina amin’ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.” (Mpitoriteny 5:16). Tsy mahita fahasambarana amin’ny hareny izy, fa homan-kanina ‘amin’alahelo be’ kosa, toy ny hoe tsy mahafaly azy na dia ilay vola tsy maintsy laniny amin’ny sakafo aza. Mety ho isan’ny mahatonga tsy fahasalamana ny toe-tsaina efa lasa aretina toy izany. Ny tsy fahasalamana kosa, ho setrin’izany, dia manampy trotraka ny fanahian’ilay kahihitra, satria misakana azy tsy hanangon-karena bebe kokoa izany.
Angamba izany mampahatsiaro anao izay nosoratan’ny apostoly Paoly manao hoe: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10). Rehefa hikatsaka vola izay ny olona, dia mamitaka izy, mandainga, mangalatra sy mivaro-tena ary mamono olona mihitsy aza. Ny vokatr’izany dia olona voatsindron’ny fanaintainana ara-pihetseham-po sy ara-batana ary ara-panahy noho izy miezaka misambotra sy mamikitra amin’ny harena. Toa lalana mankamin’ny fahasambarana ve izany aminao? Tsy izany velively!
Fianinana amin’izay ananantsika
Nanan-kambara bebe kokoa i Solomona raha ny amin’ny fiheverana voalanjalanja momba ny harena. Izao no nosoratany: “Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin’ny tànany ho valin’ny fisasarany. Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny fisasarana rehetra izay isasaran’ny olona atỳ ambanin’ny masoandro amin’izay andro vitsy iainany omen’Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.” — Mpitoriteny 5:14, 17.
Asehon’ireo teny ireo fa ny fahasambarana dia tsy miankina amin’ny filofosana hanangon-karem-be ho fitsinjovana ny hoavy iray mety tsy ho hitantsika akory. Tsara lavitra ny hoe afa-po amin’izay vokatry ny fisasarantsika ka mifaly amin’izany. Nilaza hevitra mitovy amin’izany ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry ho an’i Timoty, nanao hoe: “Tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — 1 Timoty 6:7, 8; ampitahao amin’ny Lioka 12:16-21.
Ny fomba ahazoana fahasambarana
Nananan’i Solomona be dia be na ny harena na ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Nampifandraisiny tamin’ny fahendrena anefa ny fahasambarana, fa tsy tamin’ny vola. Hoy izy: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” — Ohabolana 3:13-18.
Nahoana ny fahendrena no ambony kokoa noho ny fananana ara-nofo? Nanoratra toy izao i Solomona: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12). Na dia manome fialokalofana ihany aza ny vola, ahafahan’ilay manana azy mividy izay ilainy, ny fahendrena kosa dia afaka miaro ny olona iray tsy ho sahisahy ratsy hampisetra loza ny ainy. Tsy vitan’ny hoe mety hamonjy olona iray tsy ho faty aloha be fotsiny ny tena fahendrena, fa hitarika ho amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay koa izy io, satria miorina amin’ny tahotra an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy.
Nahoana no mitarika ho amin’ny fahasambarana ny fahendrena araka an’Andriamanitra? Satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra ihany ny fahasambarana marina. Porofoin’ny zavatra hita teo amin’ny fiainana fa ny tena fahasambarana dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Avo Indrindra. Miankina amin’ny toeram-pankasitrahana tanana eo anatrehan’Andriamanitra ny fahasambarana maharitra. (Matio 5:3-10). Rehefa mampihatra izay fantatsika avy amin’ny fianarana ny Baiboly isika, dia hampitombo ny fananantsika “ny fahendrena izay avy any ambony”. (Jakoba 3:17). Hanome antsika fahasambarana izay tsy azon’ny harena entina na oviana na oviana izany.
[Sary, pejy 5]
Nahafantatra izay mahasambatra ny olona i Solomona Mpanjaka. Ary ianao?