Nahoana isika no tokony hikatsaka ny fahamarinana?
TAO amin’ny tontolo iray feno herisetra talohan’ny Safodrano dia nisy lehilahy iray niavaka satria hafa. Izany lehilahy izany dia i Noa. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy sy ny fianakaviany, fa ninia tsy nahalala Azy kosa ny sisa tamin’ny taranak’olombelona. Vokatr’izany, i “Noa dia lehilahy marina” tamin’izany fotoan’ny faharatsiana izany, ary teo amin’ny olon’izao tontolo izao tsy nankatò dia tonga “mpitory ny fahamarinana” izy. — Genesisy 6:9; 2 Petera 2:5.
Tany amin’ny taona 56 amin’ny fanisan-taona iraisana tany ho any, ny apostoly Paoly dia tao an-tranomaizina tany Kaisaria. Fony izy voantso avy tany an-tranomaizina nisy azy hoentina teo anatrehan’i Feliksa governora, dia nanararaotra ny fahafahana hitory tamin’io manamboninahitra ambony romana io i Paoly. Inona no vontoatin’ny teniny? “Nitory ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana [fifehezan-tena, MN] ary ny fitsarana ho avy izy.” (Asan’ny apostoly 24:25) Eny, mpitory ny fahamarinana koa i Paoly.
Azo antoka fa nety tsara izay nasehon’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky roa ireo momba ny fahamarinana. Jehovah dia “Andriamanitra marina sady Mpamonjy.” (Isaia 45:21) Noho izany, dia milaza amintsika toy izao ny ohabolana ara-tsindrimandry iray: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny làlan’ny ratsy fanahy; fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.” (Ohabolana 15:9) Tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana ny mpanompon’Andriamanitra rehetra.
Mampalahelo fa, maro amin’izao andro izao no manana fihetsika tsy miraika manoloana an’io toetra tsara io. Miteny toy izao izy ireny: ‘Tsy manao ratsy amin’ny mpiara-belona amiko aho, noho izany dia azoko antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra aho.’ Na mitompo teny fantatra izy ireny hoe: ‘Misy lalana maro mankamin’ny fahamarinana. Handeha tsara avokoa ny zavatra rehetra raha mbola tso-po aho manaraka ny fivavahako.’ Heverinao ve fa azon’Andriamanitra ekena ny fihetsika milefitra loatra toy izany?
Ny hafa mety hampipoitra zava-manahirana hafa noho izany. Mety ho fantany tsara ny tenin’i Paoly hoe: “Efa nohamarinina tamin’ny finoana isika.” (Romana 5:1) Noho izany, izy ireo dia mety hanontany tena hoe: ‘Amin’ny ahoana ireo kristiana izay efa nohamarinina no natao tsy hitsahatra hikatsaka ny fahamarinana?’ Ahoana no hamalianao ny fanontaniana toy izany?
Andriamanitry ny fahamarinana
Araka ny voalazan’ny rakibolana, ny fahamarinana dia fahitsian’ny fitondrantena, rariny, fifanarahana amin’ny lalàn’Andriamanitra na lalàm-pitondrantena. Koa satria Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana, izay rehetra maniry hahazo ny fankasitrahany dia tsy maintsy miahy ny amin’io toetra lehibe dia lehibe io. “Marina Jehovah”, hoy ny mpanao salamo. “Fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.” (Salamo 11:7; Deoteronomia 32:4) Hoy ny apostoly Petera: “Fa ny mason’ny Tompo [Jehovah, MN] dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” — 1 Petera 3:12.
Noho izany, dia tsy azontsika atao ny tsy hiraika amin’izany raharaha izany, toy ny nataon’ny Jiosy maro. Tsy isalasalana fa ny maro taminy dia olona tsara fitondrantena izay tsy nanao ratsy tamin’ny mpiara-belona taminy. Tso-po koa izy ireo — be zotompo aza — raha ny amin’ny fivavahany. Nefa tamin’ny taonjato voalohany, ny ankamaroany dia tsy marina teo imason’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana [marina, MN]. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.” — Romana 10:2, 3.
Inona no tsy nety nataon’ny Jiosy? Milaza i Paoly fa tsy nikatsaka ny fahamarinana araka ny fahalalana marina izy ireo. Fampitandremana ho antsika ny ohatra nomen’izy ireo ka milaza amintsika fa tsy ampy ny manana toetra mahafinaritra sy mifady ny ratsy fotsiny. Manondro koa izany fa tsy misy lalana maro samy hafa mankany amin’ny fahamarinana. Mazava ho azy fa nisy zavatra tsy nety tamin’ny lalana nofidin’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny andron’ny apostoly. Raha mihaino an’Andriamanitra ihany isika vao afaka mikatsaka ny fahamarinana amim-pahombiazana. Hoy ny bokin’ny Ohabolana: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raha raketinao ao am-ponao ny didiko, (...) dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.” — Ohabolana 2:1, 9.
Ny lalan’ny fahamarinana
Hatramin’i Mosesy ka hatramin’i Jesosy, ny fahamarinana dia nifandray tamin’ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra voalaza ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Koa satria ny Isiraelita tsy tanteraka tsy nahavita nifehy tena tsy handika ireny didy ireny, dia voatery nanao ny sorona sy ny fanatitra noho ny ota voalazan’ny lalàna izy mba hanaronana ny helony. Nilaza tamin’ny Isiraelita i Mosesy hoe: “Ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.” — Deoteronomia 6:25.
Nandritra ny taonjato maro be dia tsy nisy olona nahatanteraka ny Lalàna tamin’ny fomba lavorary. Na dia izany aza, dia nisy olona maro nanandrana tamim-pahatsorana nikatsaka ny fahamarinana tamin’ny alalany, ary miresaka ny sasany amin’izy ireo hoe marina ny Baiboly. Ohatra, ny ray aman-drenin’i Jaona mpanao batisa dia lazalazaina ho “marina teo anatrehan’Andriamanitra (...) sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ny Tompo [Jehovah, MN].” — Lioka 1:6.
I Jesosy anefa dia nanokatra lalana vaovao hikatsahana ny fahamarinana. Nahatandrina tanteraka ny Lalàn’i Mosesy izy, ilay hany olona nahavita izany hatrizay hatrizay. Maty teo ambony hazo fijaliana i Jesosy, ary i Jehovah dia nanaiky ny vidin’ny aina lavorary nananany ho toy ny avotra ho an’ny taranak’olombelona. Hatreo, dia tsy nilaina intsony ny sorona teo ambany faneken’ny Lalàna. Ny sorona tanterak’i Jesosy dia nanarona ny fahotan’ny olombelona mahitsy fo rehetra. — Hebreo 10:4, 12.
Kristiana marina nohamarinina
Hatramin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany àry, ny fahamarinana dia nifamatotra tamin’ny fanehoana finoana an’io Zanak’Andriamanitra marina io. (Jaona 3:16, MN) Raha tsy nahatratra ny fahamarinana ireo Jiosy ôrtôdôksa tamin’ny andron’i Paoly noho ny nandavany ny fahalalana marina momba an’i Jesosy, dia izao kosa no vakintsika ny amin’ireo kristiana nahatoky: “Hamarinina (...) amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” — Romana 3:24.
Eo amin’ny teny manodidina, ireo teny ireo dia mihatra mivantana amin’ireo kristiana voahosotra izay, noho ny finoany ny soron’i Jesosy, dia nohamarinina mba ho mpiray lova amin’i Kristy any amin’ny Fanjakana any an-danitra. Ankehitriny anefa, araka ny nahitan’ny apostoly Jaona azy mialoha, dia misy olona betsaka voaforon’ny kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany miseho. Izy ireo koa dia maneho finoana ny avotra. ‘Manasa ny akanjony sy mamotsy izany amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo ka noho izany dia hamarinina amin’ny maha-sakaizan’Andriamanitra mba ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe. — Apokalypsy 7:9, 14; ampitahao amin’ny Jakoba 2:21-26.
Aza mitsahatra mikatsaka ny fahamarinana.
Mariho anefa fa tsy mifarana amin’ny fanehoantsika finoana an’i Jesosy ny fikatsahana ny fahamarinana. I Timoty dia kristiana vita fanoloran-tena sady voahosotra nandritra ny taona maro rehefa nanoratra ireto teny ireto ho azy i Paoly: “Mikatsaha ny fahamarinana, fifikirana amin’Andriamanitra, finoana, fitiavana, fiaretana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana.” (1 Timoty 6:11, 12, MN; 2 Timoty 2:22, MN) Nahoana i Timoty no voatery ‘hikatsaka ny fahamarinana’ raha efa nanamarina azy Andriamanitra?
Satria ny teny hoe “marina” dia ampiasaina koa ao amin’ny Baiboly amin’ny heviny malalaka kokoa mba hilazana olona iray manana fomba fiaina mahitsy sy madio ara-pitondrantena ary manao araka izay azony atao mba hankatoavana ny didin’Andriamanitra. Araka io heviny io, ny ray aman-drenin’i Jaona mpanao batisa no hoe marina. (Lioka 1:6) I Josefa ray nitaiza an’i Jesosy, sy i Josefa avy any Arimatia koa dia marina tamin’io heviny io. (Matio 1:19; Lioka 23:50) Ny hoe nanamarinana ny kristiana akory tsy manala aminy ny andraikitra hikatsaka ny fahamarinana amin’izany heviny izany. Eny tokoa, na iza na iza kristiana mitsahatra tsy manaraka fomba fiaina mahitsy sy madio ara-pitondrantena na tsy mankatò ny didin’Andriamanitra, dia hamoy ny maha-marina azy eo anatrehan’i Jehovah izy.
Ny fikatsahana ny fahamarinana — zava-tsarotra horesena
Zava-tsarotra horesena ny fikatsahana ny fahamarinana. Nahoana? Satria tsy tanteraka avokoa isika rehetra ary manana fironana mahery ho amin’ny tsy fahamarinana. (Genesisy 8:21; Romana 7:21-23) Ankoatra izany, isika dia miaina ao amin’ny tontolo iray izay mampirisika ny hananana fiheverana sy asa tsy marina sady eo ambany fifehezan’i Satana Devoly, “ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19; 2 Korintiana 4:4) Tsy mahagaga raha nampifandray ny fikatsahana ny fahamarinana tamin’ny ‘fiadiana ny ady tsaran’ny finoana’ i Paoly fony izy nanoratra ho an’i Timoty. — 1 Timoty 6:11, 12.
Afaka ny hahomby ve isika amin’izany “ady tsara” izany? Eny, nefa raha mamboly fitiavana amim-pahatsorana ireo fari-pitondrantenan’i Jehovah sy fankahalana ny ratsy ihany. Miresaka ny amin’i Jesosy toy izao ny Baiboly: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” (Hebreo 1:9) Tokony hanana fihetsika toy izany isika: faniriana mafy ny hamboly fitiavana izay ankasitrahan’Andriamanitra sy fankahalana izay tsy ankasitrahany.
Eo am-panaovana izany, isika dia tokony hitadidy koa fa ny fikatsahana ny fahamarinana dia tsy fifaninanana. Raha mihevitra ny tenantsika ho toa tsara kokoa noho ny hafa sasany isika, na koa mirehareha noho ny fahamarinan’ny tenantsika, dia mitovy amin’ireo Fariseo jiosy isika amin’izay. (Matio 6:1-4) Ireo izay mikatsaka amim-pahombiazana ny fahamarinana dia manana fomba fijery ny tenany amim-panetren-tena sy amim-pahatsorana, ‘amin’ny fiheverany ny hafa ho ambony noho ny tenany.’ — Filipiana 2:3, MN.
I Paoly dia nampisongadina ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny Baiboly eo amin’ny fikatsahana ny fahamarinana rehefa nanoratra hoe: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Raha mianatra ny Baiboly isika ka manatrika ireo fivoriana kristiana izay iresahana momba ny Baiboly, dia ho voaofana raha ny amin’ny fahamarinana. Ny Baiboly dia afaka mamolavola antsika mba hitafiantsika ‘ny toetra vaovao, izay noforonina amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.’ — Efesiana 4:24.
Rehefa tonga anisan’ny tapany amin’ny tenantsika ny fahamarinana, dia hankahala marina ny tsy fankatoavan-dalàna isika. Tsy halaim-panahy hitady ny fifaneraserana ratsin’ity tontolo ity isika. (1 Korintiana 15:33, MN) Tsy ho voataona ho tia ny zavatra eo amin’ity tontolo ity isika na hanahaka ny fomba fijeriny zavatra ara-nofo. (Ohabolana 16:8; 1 Timoty 6:9, 10; 1 Jaona 2:15-17) Azo antoka fa isika dia tsy ho voasinton’ny fialamboly maloto sy mahery setra izay hita hatraiza hatraiza amin’izao andro izao. — Efesiana 5:3, 4.
Ireo fitahiana noho ny fahamarinana
Eny, zava-tsarotra tsy maintsy resena ny fikatsahana ny fahamarinana araka ny fomba ankasitrahan’i Jehovah, nefa mendrika ny hanaovana fiezahana izany ady izany. Nahoana? Satria izany dia mitarika ho amin’ny fananantsika fifandraisana manokana amin’i Jehovah mihitsy. Tombontsoa miavaka re izany! Milaza toy izao amintsika ny Baiboly: “Ny fonenan’ny marina dia tahìny [Jehovah].” “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” (Ohabolana 3:33; 15:29) Ambonin’izany, dia tonga amin’ny fahalalana feno ireo fikasan’i Jehovah isika. “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” — Ohabolana 4:18.
Ny Baiboly dia mampanantena fiarovana ho an’ny mpikatsaka ny fahamarinana rehefa hifarana ity fandehan-javatra tsy misy fahamarinana ity. “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:3) Aorian’izay, ho an’ireo izay manana fanantenana ny ho eto an-tany, dia manolotra fampanantenana marina mahatalanjona ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Endrey izany antony mahatalanjona hikatsahana ny fahamarinana! Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe: “Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.” — Ohabolana 21:21.