Ankafizo “ny Tena Fiainana”
NOMEN’I Jehovah Andriamanitra ny hevitry ny hoe mandrakizay ny olombelona. (Mpitoriteny 3:11). Izany dia mahatonga ny olombelona hahatsapa ho tsy manan-kery eo anoloan’ny fahafatesana, no sady mamoha ao aminy ny faniriana raikitra ny ho velona.
Manome antsika fanantenana mahatalanjona ny Baiboly Masina, dia ilay Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:16). I Jehovah, ilay tena fitiavana mihitsy, dia tsy ho nanao olombelona hanana ny fahafahana hahatakatra ilay hevitra ny amin’ny mandrakizay, ary avy eo dia hanameloka azy hiaina mandritra ny taona vitsivitsy monja. Mifanohitra tsotra izao amin’ny toetran’Andriamanitra ny hoe hamorona antsika hijaly noho ny toe-piainana misy antsika. Isika dia tsy noforonina ho tahaka ny “biby tsy manan-tsaina, [dia] zava-manan-aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono”. — 2 Petera 2:12.
Rehefa namorona an’i Adama sy i Eva hanana fahatsapana voajanahary ny amin’ny mandrakizay i Jehovah Andriamanitra, dia nanao zavatra “tsara indrindra”; nanao azy ireo hanana fahafahana ny hiaina mandrakizay izy. (Genesisy 1:31). Mampalahelo anefa fa nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy malalaka nananany ilay mpivady voalohany, ka tsy nankato fandrarana iray nazava tsara avy tamin’ilay Mpamorona, ary namoy ny fahalavorariany. Ho vokatr’izany, dia maty izy ireo ka namindra tsy fahalavorariana sy fahafatesana tamin’ny taranany. — Genesisy 2:17; 3:1-24; Romana 5:12.
Ny Baiboly dia tsy mamela ny zava-kendren’ny fiainana sy ny hevitry ny fahafatesana ho voarakotry ny zava-miafina. Milaza izy io fa amin’ny fahafatesana, dia “tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana”, ary ny maty dia “tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5, 10). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tena maty tokoa ny maty. Tsy ara-baiboly ny foto-pampianarana momba ny fanahy (âme) tsy mety maty, koa tsy misy zava-miafina lalina hofantarina àry momba ny toetran’ny maty. — Genesisy 3:19; Salamo 146:4; Mpitoriteny 3:19, 20; Ezekiela 18:4.a
Nanana fikasana Andriamanitra; tsy namorona ny tany ho “tsy tamin’ny antony” izy. Nataony ‘honenan’olombelona’ lavorary tao amin’ny toe-piainana paradisa izy io, ary tsy nanova ny fikasany Andriamanitra. (Isaia 45:18, NW; Malakia 3:6). Mba hanatanterahana izany, dia naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany izy. Tamin’ny fitoerana ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana, dia nanome ny fomba hanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana i Jesosy Kristy. Raha ny marina, dia nilaza toy izao i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16.
Taloha ela be, dia nampanantena Andriamanitra fa hamorona “lanitra vaovao sy tany vaovao”. (Isaia 65:17; 2 Petera 3:13). Nahafaoka ny fifidianany antokona Kristianina nahatoky voafetra isa ho amin’ny fiainana ho any an-danitra izany. Miaraka amin’i Jesosy Kristy, izy ireo dia mahaforona ny votoatin’ny fitondram-panjakana iray. Ny Baiboly dia miantso azy io hoe “ny fanjakan’ny lanitra”, na ny “fanjakan’Andriamanitra”, izay hitantana “ny etỳ an-tany”. (Matio 4:17; 12:28; Efesiana 1:10; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3). Rehefa ho avy nandrava ny faharatsiana rehetra tsy ho eto amin’ny tanintsika sy nanadio azy io Andriamanitra, dia hampiditra fitambaran’olona vaovao sy marina, na “tany vaovao”. Izany dia hahafaoka ny olona izay harovan’Andriamanitra amin’ny fandringanana an’ity fandehan-javatra ratsy izay mihamanatona ity. (Matio 24:3, 7-14, 21; Apokalypsy 7:9, 13, 14). Hiaraka amin’izy ireo, ireo izay haverina indray ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty nampanantenaina. — Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.
“Ny tena fiainana” avy eo
Ho fanamafisana ilay filazalazana mampientana ny amin’ny fiainana ao amin’ny tany zary paradisa ho avy, dia milaza toy izao Andriamanitra: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:5). Tsy azon’ny sain’olombelona takarina amin’ny fomba feno ireo asa mahatalanjona izay hotanterahin’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona. Hamorona paradisa iray haneran-tany, izay hatao tahaka an’i Edena, Andriamanitra. (Lioka 23:43, NW ). Tahaka ny tao Edena, dia ho tonga lafatra ny hakanto sy ny hatsaran’ny loko sy ny feo ary ny tsiron-javatra. Tsy hisy intsony ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo, satria hoy ny Baiboly, momba izany fotoana izany: “Efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4; Salamo 72:16). Tsy hisy intsony hilaza hoe: “Marary aho”, satria hofoanana mandrakizay ny aretina. (Isaia 33:24). Eny, hanjavona avokoa ireo antony mahatonga fanaintainana, anisan’izany ilay fahavalon’ny taranak’olombelona efa ela be, dia ny fahafatesana. (1 Korintiana 15:26). Tao amin’ny fahitana iray mahazendana ny amin’ny “tany vaovao” — ilay fitambaran’olona vaovao eo ambany fanapahan’i Kristy — ny apostoly Jaona dia nahare feo nanao hoe: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Inona no mety hitondra fampiononana sy fifaliana lehibe kokoa noho ny fahatanterahan’io fampanantenan’Andriamanitra io?
Rehefa nilazalaza ny fiainana ho avy ny Baiboly, dia manantitrantitra indrindra ireo toe-piainana izay hanome fahafaham-po ny fanirian’ny olona eo amin’ny ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Ho tratra amin’ny fomba feno ireo filamatra ara-drariny izay nisasaran’ny olombelona, nefa tsy nisy vokany mandraka ankehitriny. (Matio 6:10). Anisan’ireny ny faniriana ny rariny, izay mbola tsy tanteraka ihany, satria matetika ny olombelona no nampijalin’ireo mpampahory lozabe izay nanjakazaka teo amin’ireo madinika. (Mpitoriteny 8:9). Toy izao no nosoratan’ny mpanao salamo ara-paminaniana momba ny toe-piainana eo ambany fanapahan’i Kristy: “Amin’ny androny dia hiroborobo ny fahitsiana, ary ho be dia be ny fiadanana.” — Salamo 72:7, The New Jerusalem Bible.
Ny fitovian-jo dia faniriana iray hafa izay nanaovan’ny maro sorona. Amin’ny “famoronana indray”, dia hanafoana ny fanavakavahana Andriamanitra. (Matio 19:28, NW ). Hitovy fahamendrehana ny rehetra. Tsy ho fitoviana izay haneren’ny fitondram-panjakana henjana iray ny hananana azy akory izy io. Mifanohitra amin’izany, fa hofoanana ireo antony mahatonga fanavakavahana, anisan’izany ny fierenana sy ny avonavona izay mitarika ny olona hitady hanapaka ny hafa na hanangona harena tsy toko tsy forohana. Naminany toy izao i Isaia: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa”. — Isaia 65:21, 22.
Tena nijaly mihitsy ny olombelona, noho ny fandatsahan-dra teo amin’ny adin’olona manokana sy ny ady nifanaovan’olona maro! Nanomboka tamin’ny famonoana an’i Abela izany, ka nitohy hatramin’ireo ady amin’izao fotoana izao. Toa very maina ilay fotoana lava be nanantenan’ny olombelona sy niandrasany ny hiorenan’ny fiadanana! Ao amin’ilay Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny, dia ho tia fihavanana sy halemy fanahy ny olombelona rehetra; “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” izy ireo. — Salamo 37:11.
Milaza toy izao ny Isaia 11:9: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Noho ny tsy fahalavorariana nolovana, ankoatra ny zavatra hafa, dia tsy azontsika amin’izao andro izao atao ny mahatakatra amin’ny fomba feno ny hevitr’ireo teny ireo. Ny fomba hampiraisan’ny fahalalana tanteraka an’Andriamanitra antsika aminy, sy ny fomba hitondran’izany fifaliana feno, dia mety ho tsy maintsy mbola hianarantsika. Koa satria ny Soratra Masina anefa mampahafantatra antsika fa Andriamanitra manan-kery, fahendrena, fitiavana ny rariny ary fitiavana mahatalanjona i Jehovah, dia afaka mahazo antoka isika fa hihaino ny vavaka rehetra ataon’ireo mponina ao amin’ilay “tany vaovao” izy.
Zavatra azo antoka “ny tena fiainana” — Miezaha hahazo azy io!
Ho an’ny maro, dia nofinofy na noforomporonin’ny saina fotsiny ihany ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo iray tsaratsara kokoa. Kanefa, ho an’ireo izay tena manana finoana ny fampanantenan’ny Baiboly, dia azo antoka io fanantenana io. Toy ny vatofantsika iray ho an’ny fiainany izy io. (Hebreo 6:19). Toy ny vatofantsika mihazona sambo iray tsy hihetsika sy hisakana azy tsy hihilangilana, dia toy izany koa fa ny fanantenana ny fiainana mandrakizay dia mahatonga ny olona tsy hihilangilana sy hatoky ary manampy azy ireo hiatrika ireo zava-tsarotra lehibe eo amin’ny fiainana, sy handresy azy ireo mihitsy aza.
Afaka matoky isika fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. Nanome antoka mihitsy izy tamin’ny fanaovana fianianana, na fanekena adidy tsy azo ovana, iray. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany, mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay (...) hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika”. (Hebreo 6:17, 18). Ireo “zavatra roa loha tsy mety miova”, izay tsy azon’Andriamanitra foanana mihitsy, dia ilay fampanantenany sy ilay voady nataony, izay anorenantsika ireo fanantenantsika.
Manome fampiononana sy tanjaka ara-panahy lehibe ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra. Nanana izany finoana izany i Josoa, mpitarika ny vahoakan’ny Isiraely. Fony i Josoa nanao ny lahateniny fanaovam-beloma ho an’ny Isiraelita, dia efa antitra izy, ary fantany fa efa nadiva ho faty. Na izany aza, dia nampiseho tanjaka sy tsy fivadihana tsy azo noravana, izay avy tamin’ny fitokisany tanteraka tamin’ny fampanantenan’Andriamanitra, izy. Taorian’ny nilazany fa handeha ho “amin’ny làlana falehan’ny tany rehetra” izy, izany hoe ilay lalana mitondra ny olombelona rehetra ho amin’ny fahafatesana, dia nilaza toy izao i Josoa: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” Eny, intelo i Josoa no namerina fa mitana foana ny fampanantenany rehetra Andriamanitra. — Josoa 23:14.
Ianao koa dia afaka manana finoana toy izany ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao iray, izay haorina tsy ho ela. Amin’ny fianarana amim-pitandremana ny Baiboly, dia hanjary hahatakatra ianao hoe iza i Jehovah, sy hoe nahoana izy no mendrika ny fitokisanao feno. (Apokalypsy 4:11). Nanana finoana tsy azo noravana, niorina tamin’ny fahalalany tsara dia tsara an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Jakoba, ary ireo olona nahatoky hafa fahiny. Nanana fanantenana natanjaka hatrany izy ireo, na dia “tsy nahita ny fahatanterahan’ireo fampanantenana” aza, fony fahavelony. Na dia izany aza, dia “nahatsinjo izany lavitra izy ireo ary nirary izany ho tonga soa”. — Hebreo 11:13, NW.
Amin’ny fahatakarana ireo faminanian’ny Baiboly, dia hitantsika izao ny fahantomoran’ilay “andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, izay hahitana ny tany ho voadio tsy hisy ny faharatsiana rehetra. (Apokalypsy 16:14, 16). Toy ireo olona nahatoky fahiny, dia tsy maintsy miandry amim-patokisana hatrany ireo fisehoan-javatra ho avy isika, atosiky ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra sy “ny tena fiainana”. Ny fahantomoran’ilay tontolo vaovao dia manome fandrisihana mafy an’ireo maneho finoana an’i Jehovah sy tia azy. Ilaina hambolena ny finoana sy ny fitiavana toy izany, mba hahazoana sitraka sy fiarovana avy amin’Andriamanitra, mandritra ilay androny lehibe efa antomotra. — Zefania 2:3; 2 Tesaloniana 1:3; Hebreo 10:37-39.
Koa tia ny fiainana àry ve ianao? Ary moa ve ianao vao mainka maniry “ny tena fiainana”, dia fiainana amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra ankasitrahany anao, omban’ny fahatsinjovana hoavy sambatra iray, eny, ho fitsinjovana ny fiainana mandrakizay? Raha izany no tadiavinao, dia araho ny fananaran’ny apostoly Paoly, izay nanoratra fa isika dia tokony ‘hatoky, tsy ny harena miovaova, fa Andriamanitra’. Nanohy toy izao i Paoly: ‘Aoka ianao hanan-karena amin’ny asa tsara’, izay manome voninahitra an’Andriamanitra, mba ‘hihazonana ny tena fiainana’. — 1 Timoty 6:17-19.
Amin’ny fanekena ny fanasana hianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia afaka mahazo fahalalana izay “midika ho fiainana mandrakizay” ianao. (Jaona 17:3, NW ). Voarakitra an-tsoratra amim-pitiavana ao amin’ny Baiboly izao fanasana toy ny an’ny ray, ho an’ny rehetra, izao: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona maro ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” — Ohabolana 3:1, 2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila mandinika amin’ny an-tsipiriany ilay foto-kevitra, dia jereo ny bokikely Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.