Ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra sy Ireo Fampianaran’ny Demonia
“Hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. — 1 TIMOTY 4:1.
1. Eo afovoan’ny ady inona no misy ny Kristiana?
ALAO sary an-tsaina ny tenanao miaina ny androm-piainanao manontolo any amin’ny faritra iray misy ady. Hanao ahoana izany hoe mandeha matory amin’ny feon’ny poa-basy sy mifoha amin’ny fidoboky ny tafondro? Mampalahelo fa izany indrindra no iainan’ny olona any amin’ny faritra sasany eo amin’izao tontolo izao. Amin’ny heviny ara-panahy anefa, dia miaina toy izany ny Kristiana rehetra. Izy ireo dia eo afovoan’ny ady lehibe iray izay efa mamely mafy hatramin’ny 6 000 taona teo ho eo, ary mihamafy izy io amin’izao androntsika izao. Inona io ady maharitra ela be io? Ny adin’ny fahamarinana sy ny lainga, ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy ireo fampianaran’ny demonia. Tsy fanitaran-dresaka akory ny fiantsoana io ady io hoe ny fifandonana tsy nisy antra indrindra sy nahafaty indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona — fara faharatsiny ho an’ny andaniny iray amin’ireo mpifanandrina.
2. a) Araka ny voalazan’i Paoly, andaniny roa inona avy no mifanohitra? b) Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “ny finoana”?
2 Nanonona ny andaniny roa amin’io fifandonana io ny apostoly Paoly rehefa nanoratra toy izao ho an’i Timoty: “Ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (1 Timoty 4:1). Mariho fa hanan-kery fitaomana miavaka ireo fampianaran’ny demonia “amin’ny andro aoriana”. Raha jerena amin’ny andron’i Paoly, dia miaina amin’izany fotoana izany isika. Mariho koa hoe inona no ampifanoherina amin’ny fampianaran’ny demonia; tsy inona izany fa “ny finoana”. Eto “ny finoana” dia mampiseho ny fampianarana araka an’Andriamanitra izay miorina amin’ireo fanambaran’Andriamanitra ara-tsindrimandry voarakitra ao amin’ny Baiboly. Manome fiainana izany finoana izany. Izy io dia mampianatra ny Kristiana iray hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Io no fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Jaona 3:16; 6:40.
3. a) Inona no mitranga amin’ireo iharan-doza ao amin’ilay adin’ny fahamarinana sy ny lainga? b) Iza no ao ambadik’ireo fampianaran’ny demonia?
3 Na iza na iza mihemotra amin’ny finoana dia tsy hahazo fiainana mandrakizay. Niharan-doza tamin’ilay ady ireo. Vokany mampalahelo toy inona moa izany, noho ny famelana ny tena ho voafitaky ny fampianaran’ny demonia! (Matio 24:24). Ahoana no ahafahantsika isam-batan’olona manalavitra ny hiharan-doza? Amin’ny fandavana tanteraka ireny fampianarana mandainga ireny izay miasa ho an’ny fikasan’i Satana Devoly, “lohan’ny demonia”, fotsiny. (Matio 12:24). Azo lazaina mialoha fa lainga ireo fampianaran’i Satana, satria izy dia “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44). Diniho ny fahaizany nampiasa lainga mba hamitahana ireo ray aman-drenintsika voalohany.
Fampianaran’ny demonia naharihary
4, 5. Lainga inona no nolazain’i Satana tamin’i Eva, ary nahoana izany no ratsy aoka izany?
4 Voatana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 3:1-5 ny zava-nitranga. Tamin’ny fampiasana menarana iray, dia nitari-dresaka tamin’ilay vehivavy hoe Eva, i Satana ka nanontany hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Toa tsy nokendrena hanisian-dratsy ilay fanontaniana, kanefa jereo indray izy io. “Hanky!” Toa taitra i Satana, toy ny nilaza hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no nilaza zavatra toy izany?’
5 Tamin’ny fahatsorany, dia nambaran’i Eva fa izany no izy. Fantany ilay fampianarana araka an’Andriamanitra momba io raharaha io. Fantany fa Andriamanitra dia nilaza tamin’i Adama hoe ho faty izy ireo raha nihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Genesisy 2:16, 17). Niharihary fa nanaitra ny fahalianan’i Eva ny fanontanian’i Satana, hany ka nihaino izy rehefa tonga teo amin’ny vaindohan-kevitra i Satana: “Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo”. Vava ratsy re izany! Nampangain’i Satana ho nandainga tamin’ny olombelona zanany i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, ilay Andriamanitra fitiavana, ilay Mpamorona! — Salamo 31:5; 1 Jaona 4:16; Apokalypsy 4:11.
6. Ahoana no nihaikan’i Satana ny hatsaram-po sy ny fiandrianan’i Jehovah?
6 Nilaza zavatra bebe kokoa anefa i Satana. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Araka ny filazan’i Satana, i Jehovah Andriamanitra — izay nanome tamim-pahalalahan-tanana izay nilain’ireo ray aman-drenintsika voalohany — dia naniry ny hanaisotra tamin’izy ireo zava-nahatalanjona iray. Naniry ny hisakana azy ireo tsy ho tonga sahala amin’ireo andriamanitra, izy. Araka izany, dia nihaika ny hatsaram-pon’Andriamanitra i Satana. Nampandrosoany koa ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny tena sy ny tsy firaharahana an-kitsirano ny lalàn’Andriamanitra, tamin’ny filazana fa ny fanaovan-javatra toy izany dia hitondra soa. Raha ny marina, dia nihaika ny fiandrianan’Andriamanitra teo amin’ny zavatra noforoniny i Satana, tamin’ny filazana fa Andriamanitra dia tsy nanana zo hanisy fetra izay nataon’ny olona.
7. Oviana no re voalohany ireo fampianaran’ny demonia, ary amin’ny ahoana izany no mitovy amin’izao andro izao?
7 Tamin’ireo tenin’i Satana ireo no nanomboka re ireo fampianaran’ny demonia. Ireo fampianarana ratsy ireo dia mbola mampandroso fotopoto-pitsipika tsy araka an’Andriamanitra toy izany ihany. Toy ny nataony tany amin’ny saha Edena, dia mbola mihaika ny zon’Andriamanitra hanorina fari-pitsipika momba ny fanaovan-javatra ihany i Satana, izay arahin’ny fanahy nikomy hafa izao. Mbola manohitra ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah ihany izy, ary manandrana mitaona olona tsy hankato ny Rain’izy ireo any an-danitra. — 1 Jaona 3:8, 10.
8. Inona no nafoin’i Adama sy i Eva tao Edena, kanefa tamin’ny ahoana i Jehovah no hita fa marina?
8 Tamin’io fifampikatrohana voalohany tamin’ilay adin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy ireo fampianaran’ny demonia io, dia nanao fanapahan-kevitra ratsy i Adama sy i Eva, ka namoy ny fanantenany fiainana mandrakizay. (Genesisy 3:19). Rehefa nandeha ny fotoana ka nanomboka nihasimba ny vatan’izy ireo, dia voamarina tamin’ny fomba ampy tsara tamin’izy ireo ny hoe iza no nandainga ary iza no nilaza ny marina tany Edena. An-jatony taona maro talohan’ny nahafatesany ara-batana anefa, dia izy ireo no nanjary niharan-doza voalohany tamin’ilay adin’ny fahamarinana sy ny lainga, rehefa notsarain’ny Mpamorona azy, ilay Loharanon’aina, ho tsy mendrika ny fiainana izy ireo. Fony izy ireo maty tamin’ny heviny ara-panahy izany. — Salamo 36:9; ampitahao amin’ny Efesiana 2:1.
Ireo fampianaran’ny demonia amin’izao andro izao
9. Toy inona ny fandairan’ireo fampianaran’ny demonia nandritra ireo taonjato?
9 Araka ny voatantara ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ny apostoly Jaona dia nentina ara-tsindrimandry tany amin’ny “Andron’ny Tompo” izay nanomboka tamin’ny 1914. (Apokalypsy 1:10). Tamin’izay fotoana izay i Satana sy ireo demoniany dia nazera avy tany an-danitra ho eo amin’ny faritra manodidina ny tany — faharesena lehibe izany ho an’io mpanohitra ny Mpamorona antsika Lehibe io. Tsy re tany an-danitra intsony ny feony niampanga tsy an-kijanona ireo mpanompon’i Jehovah. (Apokalypsy 12:10). Toy inona anefa ny fandrosoana vitan’ireo fampianaran’ny demonia teto an-tany hatrany Edena? Hoy ny fitantarana: “Nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Tontolo iray manontolo no resin’ireo laingan’i Satana! Tsy mahagaga raha antsoina hoe “andrianan’izao tontolo izao” i Satana! — Jaona 12:31; 16:11.
10, 11. Amin’ny fomba ahoana avy no iasan’i Satana sy ireo demoniany amin’izao andro izao?
10 Nanaiky ho resy ve i Satana taorian’ny fandroahana azy avy tany an-danitra? Sanatria izany! Tapa-kevitra ny hiady hatrany amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra sy ireo izay mifikitra amin’izany izy. Taorian’ny fanjerana azy avy tany an-danitra, dia nanohy ny adiny i Satana: “Tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona [Satana] ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy.” — Apokalypsy 12:17.
11 Ho fanampin’ny fiadiana amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, dia manafotra izao tontolo izao amin’ny fampielezan-keviny i Satana, milofo amin’ny fitanana ny taranak’olombelona eo ambany vahohony. Tao amin’ny iray amin’ireo fahitany momba ny andron’ny Tompo ao amin’ny Apokalypsy, ny apostoly Jaona dia nahita biby dia telo izay nampiseho ara-panoharana an’i Satana sy ny fandaminany ara-politika eto an-tany ary ilay herim-panjakana manapaka amin’izao androntsika izao. Nisy sahona nivoaka avy tamin’ny vavan’izy telo ireo. Nampiseho inona ireny? Nanoratra toy izao i Jaona: “Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha.” (Apokalypsy 16:14). Mazava fa tena miasa be eto an-tany ireo fampianaran’ny demonia. Mbola miady amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ihany i Satana sy ireo demoniany, ary mbola hanohy hanao izany izy ireo mandra-panerin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mesianika, azy ireo hijanona. — Apokalypsy 20:2.
Famantarana an’ireo fampianaran’ny demonia
12. a) Nahoana no azo atao ny manohitra ireo fampianaran’ny demonia? b) Ahoana no anandraman’i Satana manatanteraka ny fikasany eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra?
12 Afaka manohitra ireo fampianaran’ny demonia ve ny olona matahotra an’Andriamanitra? Afaka manao izany tokoa izy ireo, noho ny antony roa. Voalohany, satria mahery kokoa ny fampianarana araka an’Andriamanitra; ary faharoa, satria nanala sarona ireo tetik’adin’i Satana i Jehovah, mba hahafahantsika hanohitra izany. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly, dia “fantatsika ny hafetseny”. (2 Korintiana 2:11). Fantatsika fa i Satana dia mampiasa fanenjehana ho fomba iray hanatanterahany ny fikasany. (2 Timoty 3:12). Mbola an-kolaka kokoa anefa fa manandrana mitaona ny saina sy ny fon’ireo manompo an’Andriamanitra izy. Namitaka an’i Eva izy, ary nametraka fanirian-dratsy tao am-pony. Manandrana manao izany zavatra izany ihany izy amin’izao andro izao. Nanoratra ho an’ny Korintiana toy izao i Paoly: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.” (2 Korintiana 11:3). Diniho ny fomba nanimbany ny fisainan’ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny.
13. Lainga inona avy no nolazain’i Satana tamin’ny taranak’olombelona hatrany Edena?
13 Teo amin’i Eva, i Satana dia niampanga an’i Jehovah ho nandainga, ary nilaza fa afaka ho tonga sahala amin’ireo andriamanitra ny olombelona raha tsy mankato ny Mpamorona azy. Ny toe-piainana feno ota misy ny taranak’olombelona amin’izao andro izao dia manaporofo fa i Satana, fa tsy i Jehovah, no mpandainga. Tsy andriamanitra ny olombelona amin’izao andro izao! Notohizin’i Satana tamin’ny lainga hafa anefa io lainga voalohany io. Nampidiriny ilay hevitra hoe tsy mety maty ny fanahy olombelona. Araka izany, dia naderaderany teo anoloan’ny taranak’olombelona ny fetezana ho tonga sahala amin’ireo andriamanitra amin’ny fomba hafa. Avy eo, niorina tamin’io foto-pampianaran-diso io, dia nampandroso ny fampianarana momba ny afobe mirehitra, ny afo fandiovana, ny spiritisma, ny fivavahana amin’ny razana, izy. Mbola manandevo olona an-jatony tapitrisa maro ihany ireo lainga ireo. — Deoteronomia 18:9-13.
14, 15. Inona no fahamarinana mikasika ny fahafatesana sy ny fanantenan’olombelona amin’ny hoavy?
14 Mazava ho azy fa izay nolazain’i Jehovah tamin’i Adama no fahamarinana. Maty tokoa i Adama rehefa nanota tamin’Andriamanitra. (Genesisy 5:5). Rehefa maty i Adama sy ny taranany, dia tonga fanahy (âme) maty izy ireo, tsy nahatsiaro tena sy tsy niasa. (Genesisy 2:7; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Noho ny fandovana ota tamin’i Adama, dia maty ny fanahy olombelona rehetra. (Romana 5:12). Tany Edena anefa, i Jehovah dia nampanantena ny fiavian’ny taranaka iray izay hiady amin’ireo asan’ny Devoly. (Genesisy 3:15). Izany Taranaka izany dia i Jesosy Kristy, Zanakalahy tokan’Andriamanitra. Maty tsy nanota i Jesosy, ary ny ainy natao sorona dia nanjary avotra nividianana ny taranak’olombelona tamin’ny toe-piainana mety maty misy azy. Ireo izay maneho finoana amim-pankatoavana an’i Jesosy dia manana fahafahana hahazo ilay fiainana mandrakizay izay nafoin’i Adama. — Jaona 3:36; Romana 6:23; 1 Timoty 2:5, 6.
15 Ny avotra, fa tsy izany hevitra manjavozavo hoe misy fanahy tsy maty eo amin’ny fahafatesana izany, no tena fanantenana ho an’ny taranak’olombelona. Fampianarana araka an’Andriamanitra io. Fahamarinana izy io. Izy io koa dia fampisehoana mahatalanjona ny fitiavana sy ny fahendren’i Jehovah. (Jaona 3:16). Tokony ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika nianatra io fahamarinana io, sy nafahana tamin’ireo fampianaran’ny demonia mikasika ireo zavatra ireo! — Jaona 8:32.
16. Rehefa manaraka ny fahendren’ny tenany ny olombelona, dia inona avy no vokany rehefa ela ny ela?
16 Tamin’ireo laingany tao amin’ny saha Edena, i Satana dia nampirisika an’i Adama sy i Eva hitady ny tsy hiankina amin’Andriamanitra sy hiantehitra amin’ny fahendren’ny tenany. Amin’izao andro izao dia hitantsika ireo vokatr’izany rehefa ela ny ela, eo amin’ny heloka bevava, ireo fahasahiranana ara-toe-karena, ny ady, sy ireo tsy fitoviana lehibe misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Tsy mahagaga raha milaza toy izao ny Baiboly: “Ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra”! (1 Korintiana 3:19). Na dia izany aza, ny ankamaroan’olona dia tia kokoa amin-kadalana ny mijaly, toy izay hihaino ireo fampianaran’i Jehovah. (Salamo 14:1-3; 107:17). Ireo Kristiana izay nanaiky ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia manalavitra ny fianjerana ao anatin’izany fandrika izany.
17. Inona ilay “atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy” nampandrosoan’i Satana, ary inona avy ny vokatr’izy io?
17 Nanoratra ho an’i Timoty toy izao i Paoly: “Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy, izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy.” (1 Timoty 6:20, 21). Fampianaran’ny demonia koa izany “fahalalana” izany. Tamin’ny andron’i Paoly, izany dia azo inoana fa nanondro ireo hevitry ny mpivadi-pinoana izay nampandrosoan’ny sasany tao amin’ny kongregasiona. (2 Timoty 2:16-18). Tatỳ aoriana, dia nanimba ny kongregasiona ilay natao hoe fahalalana kanjo tsy izy, toy ny Gnosticisme (filozofia ara-pivavahana, ka ireo mpanaraka azy dia mihambo ho manana fahalalana feno sy tanteraka ny amin’ny zava-drehetra) sy ny filozofia grika. Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny fisalasalana ny amin’ny fisiany ary ireo tsangan-kevitra momba ny fivoarana miandalana mbamin’ny fanakianana ambony atao amin’ny Baiboly dia ohatra ny amin’izay atao hoe fahalalana kanjo tsy izy, toy ireo hevitra tsy araka ny Soratra Masina izay ampandrosoan’ireo mpivadi-pinoana maoderina. Ny vokatr’izany atao hoe fahalalana kanjo tsy izy rehetra izany dia hita eo amin’ny fiharatsian’ny fitondran-tena, ny tsy fanajana ny fahefana miely patrana, ny tsy fanaovana ny marina, sy ny fitiavan-tena izay mampiavaka ny fandehan-javatr’i Satana.
Fifikirana amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra
18. Iza amin’izao andro izao no mitady ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
18 Na dia nanafotra ny tany tamin’ireo fampianaran’ny demonia aza i Satana hatramin’ny tany Edena, dia nisy foana olona sasany nitady ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Miisa an-tapitrisany maro ny olona toy izany amin’izao andro izao. Izy ireo dia mahafaoka ny Kristiana sisa voahosotra izay manana ilay fanantenana azo antoka ny hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, sy ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa” mitombo isa hatrany, izay manana fanantenana ny handova ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany. (Matio 25:34; Jaona 10:16; Apokalypsy 7:3, 9). Amin’izao andro izao izy ireo dia nangonina miaraka ao anatin’ny fandaminana maneran-tany iray izay iharan’ny tenin’i Isaia hoe: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.” — Isaia 54:13.
19. Mahafaoka inona ny hoe ampianarin’i Jehovah?
19 Ny hoe ampianarin’i Jehovah dia midika ho zavatra bebe kokoa noho ny fahafantarana foto-pampianarana marina — na dia zava-dehibe aza izany. Ampianarin’i Jehovah antsika ny fomba hiainana, ny fomba hampiharana ny fampianarana araka an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika manokana. Ohatra, isika dia manohitra ny fitiavan-tena sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny toe-tsaina tsy tia fiankinana izay miely patrana aoka izany eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika. Ny fikatsahana harena tsy misy antra eo amin’itỳ tontolo itỳ dia ekentsika araka ny maha-izy azy — mitarika ho amin’ny fahafatesana. (Jakoba 5:1-3). Tsy hadinointsika mihitsy ilay fampianarana araka an’Andriamanitra voalaza ao amin’ny tenin’ny apostoly Jaona hoe: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” — 1 Jaona 2:15.
20, 21. a) Inona no ampiasain’i Satana eo amin’ny fiezahany manajamba ny olombelona? b) Fitahiana inona avy no tonga amin’ireo mifikitra amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
20 Ny vokatr’ireo fampianaran’ny demonia eo amin’ireo nampitondrainy faisana, dia hita ao amin’ny tenin’i Paoly ho an’ny Korintiana manao hoe: ‘Nohajambain’[i Satana] ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra’. (2 Korintiana 4:4). Tian’i Satana hohajambaina amin’izany fomba izany koa ireo Kristiana marina. Tany Edena, dia nampiasa menarana iray izy mba hamitahana ny iray tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra. Amin’izao andro izao izy dia mampiasa sarimihetsika sy fandaharana ao amin’ny televiziona feno herisetra na fahalotoam-pitondran-tena. Hararaotiny ny radio sy ny haisoratra ary ny mozika. Fitaovam-piadiana mahery azony ampiasaina ny naman-dratsy. (Ohabolana 4:14; 28:7; 29:3). Ireny zavatra ireny dia ekeo foana araka ny maha-izy azy — dia fitaovana sy fampianaran’ny demonia.
21 Tsarovy fa ireo tenin’i Satana tany Edena dia lainga; ny tenin’i Jehovah no hita fa marina. Hatramin’ireo andro tany aloha ireo, dia toy izany hatrany ny tarehin-javatra. Hita fa mpandainga foana i Satana, ary marina tsy mety diso ny fampianarana araka an’Andriamanitra. (Romana 3:4). Raha mifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho eo amin’ny andaniny mpandresy foana amin’ilay adin’ny fahamarinana sy ny lainga. (2 Korintiana 10:4, 5). Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanary ireo fampianaran’ny demonia rehetra. Amin’izany fomba izany no hiaretantsika mandra-pahatongan’ilay fotoana hifaranan’ilay adin’ny fahamarinana sy ny lainga. Handresy ny fahamarinana. Tsy ho eo intsony i Satana, ary ny fampianarana araka an’Andriamanitra ihany no ho re eto an-tany. — Isaia 11:9.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Oviana no nandrenesana voalohany ny fampianarana araka ny demonia?
◻ Inona avy no lainga sasany ampandrosoan’i Satana sy ireo demoniany?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy i Satana no faran’izay miasa mafy amin’izao andro izao?
◻ Inona no ampiasain’i Satana mba hampandrosoana ireo fampianaran’ny demonia?
◻ Fitahiana inona avy no ananan’izay mifikitra amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 9]
Re voalohany tany amin’ny saha Edena ny fampianarana araka ny demonia
[Sary, pejy 10]
Manome ny hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona ny fampianarana araka an’Andriamanitra momba ny avotra sy ilay Fanjakana