MPANOME LALÀNA
Mpanao na mpamoaka lalàna. Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no Mpanome Lalàna ho an’izao rehetra izao.
Jehovah. I Jehovah no tena Mpanome Lalàna eo amin’izao rehetra izao, satria izy no nanao an’ireo lalàna mifehy ny zavaboary tsy mananaina (Jb 38:4-38; Sl 104:5-19) sy ny biby. (Jb 39:1-30) Fehezin’izany lalàna izany koa ny olombelona satria noforonin’i Jehovah. Tokony hanaraka ny lalàny momba ny fitondran-tena koa ny olombelona, satria zavaboary misaina afaka mifandray aminy sy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Ro 12:1; 1Ko 2:14-16) Mifehy an’ireo anjely koa ny lalàn’i Jehovah.—Sl 103:20; 2Pe 2:4, 11.
Tsy azo foanana ny lalàn’i Jehovah mifehy ny natiora. (Je 33:20, 21) Tsy miovaova sady azo itokisana ny lalàny mifehy an’izao rehetra izao hita maso. Ny mpahay siansa mahay an’ireny lalàna ireny àry dia afaka mamantatra tsara hoe aiza ho aiza no hisy ny volana, planeta, na kintana, amin’ny fotoana iray. Hahita loza avy hatrany izay manohitra an’ireny lalàna ireny. Tsy azo foanana koa ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, ary tsy ho afa-maina izay mandika na mitady hirika tsy hanarahana izany. Hahita loza tokoa izy ireo, na dia mety tsy ho eo no ho eo aza ny sazy, satria “Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Ga 6:7; 1Ti 5:24.
Ahoana no nahalalan’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra, tamin’izy mbola tsy nanome lalàna ho an’ny Israely?
Nitombo ny faharatsiana teto an-tany, taorian’ny nikomian’i Adama ka hatramin’ny Safodrano. Nisy lehilahy vitsivitsy tsy nivadika anefa, fa “niara-nandeha foana tamin’Andriamanitra.” (Ge 5:22-24; 6:9; He 11:4-7) Ny toromarika nomen’Andriamanitra an’i Noa momba ny sambofiara no hany didy nomeny tamin’izany. Nankatò an’izany an-tsakany sy an-davany i Noa. (Ge 6:13-22) Nisy ihany anefa toro lalana sy zava-nitranga fahiny nanampy an’ireo olona tsy nivadika ‘hiara-mandeha amin’Andriamanitra.’
Fantatr’izy ireo, ohatra, fa nanome izay rehetra nilain’ny olona Andriamanitra tao Edena. Tena nalala-tanana sy be fiahiana izy fa tsy tia tena. Efa lamina napetrany koa ny hoe Izy no lohan’ny olombelona, ary ny lahy no lohan’ny vavy. Nisy asa nampanaoviny ny olona, ary tiany raha nokarakarain’izy ireo tsara ny zava-drehetra nomeny azy mba hampiasainy sy hifaliany amin’ny fiainana. Fantatr’ireo olona tsy nivadika fa lehilahy sy vehivavy no tokony hanao firaisana, ary ny mpivady ihany no tokony hanao izany. “Handao ny rainy sy ny reniny” izy roa, mba hiaraka foana fa tsy vetivety fotsiny (toy ny rehefa mijangajanga). Namoaka didy momba ireo hazo tao amin’ny zaridainan’i Edena Andriamanitra, indrindra momba ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Azy daholo mantsy ireo hazo ireo ka tokony hohajaina ny zony. Fantatr’ireo olona tsy nivadika koa ny voka-dratsin’ny lainga voalohany. Fantany koa fa nankasitrahan’Andriamanitra i Abela sy ny fanatiny. Tsy nankasitrahany kosa i Kaina izay nialona sy nankahala ny rahalahiny, ka nosaziny noho izy namono an’i Abela.—Ge 1:26–4:16.
Tsy nila nanome didy sy fitsipika àry Andriamanitra, fa ireny toro lalana sy zava-nitranga ireny no nahafahan’ny mpanompony namantatra an’izay tokony hatao, rehefa sendra zavatra nitovitovy tamin’izany. Nasongadin’i Jesosy sy ny apostoliny koa fa azo akana fianarana ireo zava-nitranga talohan’ny Safodrano. (Mt 19:3-9; Jn 8:43-47; 1Ti 2:11-14; 1Jn 3:11, 12) Fitsipika tsy maintsy arahina ny lalàna. Izay nolazain’Andriamanitra sy nataony no nanampy an’ireo olona tsy nivadika hahafantatra ny fomba fiasany sy ny fiheverany momba izay tsara sy ratsy. Ireny àry no tokony ho lalàna na fitsipika harahin’izy ireo, mba hahafahany ‘hiara-mandeha foana amin’Andriamanitra.’ Nanota na ‘tsy nahavoa an’izay nokendrena’ ireo tsy nanaraka an’ireny, na dia tsy nisy lalàna nanameloka azy mivantana aza.
Nolazain’Andriamanitra tamin’i Noa taorian’ny Safodrano ny lalàna namela ny olona hihinan-kena, nefa nandrara ny fihinanan-dra. Lalàna ho an’ny olona rehetra izy io. Nilaza koa Andriamanitra fa hovonoina ho faty izay mamono olona. (Ge 9:1-6) Tena niezaka nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra i Abrahama, Isaka, Jakoba ary Josefa, taorian’ny Safodrano. (Ge 18:17-19; 39:7-9; Ek 3:6) Nisy didy mazava nomen’Andriamanitra an’ireo lehilahy tsy nivadika (Ge 26:5), toy ny momba ny famorana. Tsy nanome fehezan-dalàna be tsipiriany anefa izy. (Ampit. De 5:1-3.) Ankoatra ny toro lalana talohan’ny Safodrano, dia toro lalana azo narahina koa àry izay nolazain’Andriamanitra sy ny fomba nifandraisany tamin’ny olona taorian’ny Safodrano.
Efa tamin’ny andron’ny Israelita Andriamanitra vao nanome fehezan-dalàna be tsipiriany. Azon’ny olona velona talohan’izay nofantarina ihany anefa hoe inona no mety sy tsy mety. Tsy nisy lalàna, ohatra, nandrara mivantana ny fanompoan-tsampy. Tsy afa-tsiny anefa ny mpanompo sampy, hoy ny apostoly Paoly, satria “ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” Hadalana tanteraka ny nanompo “zavatra noforonina sy nivavaka tamin’izany, fa tsy tamin’ny Mpamorona.” Tsy nisaina ny olona toy ireny ka nanao zavatra mamoafady. Ny lehilahy, ohatra, lasa niray tamin’ny lehilahy ka “nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary.” Marina fa tsy nisy lalàna nandrara izany. Tsy nifanaraka tamin’ny fomba namoronan’Andriamanitra ny lahy sy vavy anefa izany, ka nanota taminy na ‘tsy nahavoa an’izay nokendrena’ izay nanao an’izany. Natao araka ny endrik’Andriamanitra ny olona ka tokony ho nahatakatra fa ratsy izany. Nataony ampamoaka àry ireny olona nanota ireny, na dia tsy nisy lalàna nanameloka azy aza.—Ro 1:18-27; ampit. Ro 5:13.
Ny fifaneken’ny Lalàna. Efa nanome lalàna ho an’ny Israely i Jehovah, talohan’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. (Ek 12:1, 14-20; 13:10) Tamin’izy nanao ny fifaneken’ny Lalàna anefa no tena niharihary hoe Mpanome Lalàna an’ilay firenena izy. Sambany tamin’izay vao nisy fehezan-dalàna momba ny lafim-piainana rehetra. Lasa an’i Jehovah irery àry ny firenen’Israely, ka niavaka tamin’ny firenen-kafa rehetra.—Ek 31:16, 17; De 4:8; Sl 78:5; 147:19, 20.
Hoy ny faminanian’i Isaia momba ny famonjen’i Jehovah: “I Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna [Prot., JM] antsika, Jehovah no Mpanjakantsika, ary izy no hamonjy antsika.” (Is 33:22) Teo am-pelatanan’i Jehovah àry ny fahefana rehetra teo amin’ny Israely, satria izy no mpitsara sy mpanao lalàna ary mpanatanteraka. Nanome toky an’ilay firenena koa i Isaia fa azo antoka tanteraka hoe hiaro sy hitarika azy i Jehovah, satria izy no Mpanjakany fara tampony.
Nampiasa endriny hafa amin’ny teny hebreo hoe hakak i Isaia rehefa nilaza hoe i Jehovah no Mpanome Lalàna. Midika ara-bakiteny hoe “manao sokitra” na “manoratra” io teny io. Nohazavain’ny diksionera nataon’i W. Gesenius toy izao ny nahatonga an’io teny io hidika hoe “mamoaka lalàna”: “Ny mpanome lalàna no nanoratra didy aman-dalàna teo amin’ny takela-bato sy tsangambato, mba ho hitan’ny besinimaro. Nanana fahefana hamoaka lalàna koa àry izy.” (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 366) Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “mpamoaka lalàna”, “mpitari-tafika”, “mpifehy”, na ‘fahefana’ io teny hebreo io. (Ge 49:10; De 33:21; Mpts 5:14; Sl 60:7; 108:8; ampit. TV, DIEM.) Mifanaraka amin’ny hevitr’ilay teny hebreo àry ny hoe “Mpanome lalàna.” Mahalaza tsara ny fahefana feno ananan’i Jehovah koa ny Isaia 33:22, rehefa milaza fa “Mpanome lalàna” izy sady “Mpitsara” no “Mpanjaka.”
Tsy nisy firenen-kafa nomen’Andriamanitra lalàna toy ny an’ny Israely. Efa noforoniny ho afaka ny hanao ny marina anefa ny olona, sady nomeny feon’ny fieritreretana. Lasa tsy lavorary ny olona ary mora manota, nefa mbola hita ihany hoe natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ary manana feon’ny fieritreretana. Azo lazaina hoe nifanaraka tamin’ny toro lalan’Andriamanitra ihany àry ny fitsipika sy didim-pitsarana navoakan’ny firenena sasany tsy israelita.
Hoy i Paoly momba izany: “Ho faty tsy manana lalàna [ilay lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoakany], ohatra, izay rehetra nanota tsy nanana lalàna, fa hotsarain’ny lalàna kosa izay rehetra nanota teo ambanin’ny lalàna. Ary tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hambara hoe marina. Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:12-15) Tsy nomen’Andriamanitra lalàna ireny firenena ireny, nefa nanota ihany satria ‘tsy nahavoa an’izay nokendrena’, izany hoe tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah.—Ampit. Ro 3:9.
Nahariharin’ny Lalàna nomena ny Israely fa mpanota daholo ny olona rehetra, na Israelita na mpanompo sampy. Nanjary tsapan’ny Israelita tsara fa tsy nahavita nanaraka an’ireo fitsipik’Andriamanitra tonga lafatra izy ireo, tamin’ny lafiny maro. ‘Voatampina [àry] ny vava rehetra ary hiharan’ny sazy avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao. Fa ny lalàna no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.’ (Ro 3:19, 20) Mety ho tsy nanompo sampy na nihinan-dra na namono olona ny Israelita iray, nefa mbola mpanota foana izy teo anatrehan’ny Lalàna. Fanao sy toe-tsaina maro koa mantsy no nofaritan’ny Lalàna hoe ota. Hoy àry i Paoly: “Tsy ho nahafantatra ny ota ... aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ ... Raha ny marina, dia velona tsy nanan-dalàna aho fahiny. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.” Te hilaza izy eo hoe toy ny efa tao an-kibon’ny razambeny izy talohan’ny nanomezana ny Lalàna.—Ro 7:7-9.
Olon-kafa mpanome lalàna. Niaiky ny Zanak’Andriamanitra tamin’izy teto an-tany fa i Jehovah no Mpanome Lalàna sy Andriamaniny. Teraka teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy satria Jiosy, ka tsy maintsy nankatò azy io tanteraka. (Ga 4:4, 5) Nanome lalàna ho an’ny mpanara-dia azy indray izy avy eo, rehefa niresaka tamin’izy ireo na nanome ny fanahy masina ho an’ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Ireny lalàna rehetra ireny no atao hoe “lalàn’i Kristy.” (Ga 6:2; Jn 15:10-15; 1Ko 9:21) Fehezin’io lalàna io ny “Israelin’Andriamanitra”, izay “firenena” ara-panahy. (Ga 6:16; 1Pe 2:9) Tsy avy tamin’i Kristy anefa izy io, raha ny marina, fa avy tamin’i Jehovah Mpanome Lalàna.—Jn 14:10.
Mosesy. Resahin’ny Baiboly imbetsaka ny hoe “lalàn’i Mosesy.” (Js 8:31, 32; 1Mp 2:3; 2Ta 23:18; 30:16) Milaza koa anefa ny Baiboly fa i Jehovah no tena Mpanome Lalàna, fa tamin’ny alalan’i Mosesy fotsiny no nanomezany azy io ho an’ny Israely. (2Ta 34:14) Nisolo tena an’Andriamanitra koa ny anjely satria “nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely izy io [ny Lalàna], teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.” Voatendrin’i Jehovah ho mpanelanelana tamin’ilay fifanekena nataony tamin’ny Israely anefa i Mosesy, ka toy ny hoe izy no mpanome lalàna.—Ga 3:19; He 2:2.
Mpitondra fanjakana. Tsy Andriamanitra no manangana na manome fahefana ny fitondran’olombelona, nefa avelany hisy izy ireo. Misy koa esoriny ary avelany hosoloana, raha izay no mifanaraka amin’ny fikasany. (De 32:8; Da 4:35; 5:26-31; As 17:26; Ro 13:1) Lasa mpanome lalàna ho an’ny fanjakany sy ny fireneny ny mpitondra sasany. Rehefa mifanaraka amin’ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra, ilay tena Mpanome Lalàna, ihany anefa ireny lalàna ireny vao tsara. Hoy Atoa William Blackstone, anglisy mpahay lalàna malaza, momba ny lalàn’Andriamanitra mifehy ny zavaboary: “Manan-kery eran-tany izy io, na aiza na aiza, ary na rahoviana na rahoviana: Tsy manan-kery izay lalàn’olombelona mifanohitra amin’izy io. Avy amin’izy io mivantana na tsy mivantana no mahatonga ny lalàn’olombelona hanan-kery.” Hoy koa izy: “Mifototra amin’ireo lalàna roa ireo, dia ny lalàn’ny natiora sy ny lalàna naharihary [ao amin’ny Soratra Masina ihany], ny lalàn’olombelona rehetra, izany hoe tsy manan-kery izay lalàn’olombelona mifanohitra amin’ireo.”—Rakipahalalana Momba ny Lalàna Nataon’i Chadman, 1912, Boky I, p. 89, 91; ampit. Mt 22:21; As 5:29.
Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy i Jakoba rahalahin’i Jesosy tamin’ny Kristianina nirehareha sy nanambony tena ary nanakiana ny Kristianina hafa: “Aza mifanaratsy intsony, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny lalàna sady mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna anefa ianao, dia tsy mpankatò lalàna fa mpitsara. Iray monja ny mpanome lalàna [gr.: nômôtetes] sy mpitsara, dia ilay afaka mamonjy sy mandringana. Fa iza moa ianao no mitsara ny namanao?” Nisy koa ireo nirehareha ny amin’izay hataony amin’ny hoavy, toy ny hoe tsy hisy fiantraikany aminy izay hitranga. Tsy mba niteny izy ireo hoe: “Raha sitrapon’i Jehovah.” (Jk 4:11-16) Nilaza i Jakoba fa “mpanjakan’ny lalàna” ny hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Jk 2:8) Tsy tia ny namany anefa ireny Kristianina ireny fa nanaratsy azy, ka toy ny hoe nanao ny tenany ho mpitsara ny lalàn’Andriamanitra, na ho mpanao lalàna.
Nanarin’i Paoly koa ny Kristianina sasany tany Roma, satria nitsaratsara ny hafa momba ny sakafo sy zava-pisotro. Hoy izy: “Fa iza moa ianao no hitsara ny mpiasa an-tranon’ny hafa? Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany. Eny tokoa, hajoro izy, fa afaka mampijoro azy i Jehovah.”—Ro 14:4.
Nahoana anefa i Paoly no nanome toromarika ho an’ny fiangonan’i Korinto momba an’ilay lehilahy nijangajanga teo anivony? Hoy mantsy izy: “Izaho kosa, na tsy any aminareo aza fa ny saiko any aminareo ihany, dia efa nitsara tokoa an’ilay lehilahy nanao toy izany, toy ny hoe any aho. ... Tsy ianareo ve no mitsara ny ato anatiny, fa Andriamanitra kosa no mitsara ny any ivelany? ‘Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.’” Noresahiny koa ny amin’ny fitsarana raharaha momba izao fiainana izao sy ny amin’ny lehilahy ‘napetrak’izy ireo ho mpitsara’ azy.—1Ko 5:1-3, 12, 13; 6:3, 4; ampit. Jn 7:24.
Tsy maintsy nitandro ny fahadiovan’ny fiangonana sy nitady izay hahasoa azy io i Paoly, satria nomen’i Jesosy Kristy fahefana ho apostoliny izy. (2Ko 1:1; 11:28) Nanoratra tany amin’ireo voatendrin’ny filan-kevi-pitantanana hanana fahefana teo anivon’ny fiangonana àry izy. (As 14:23; 16:4, 5; 1Ti 3:1-13; 5:22) Andraikitr’izy ireo koa ny nanampy ny fiangonana mba hadio eo imason’Andriamanitra. Tsy lasa mpitsara ny lalàn’Andriamanitra na nanao lalàna araka izay tiany àry izy ireo, raha nitsara an’ilay lehilahy nijangajanga, izay ninia nandika ny lalàn’Andriamanitra. Tsy nihoatra an’izay voasoratra tao amin’ilay lalàna izy ireo, fa nanaraka an’izany kosa satria nomelohin’izy ireo ny fijangajangana. Milaza mantsy ny lalàn’Andriamanitra fa tsy handova ny Fanjakany ny mpijangajanga. (1Ko 6:9, 10) Tsy mendrika ny hijanona eo anivon’ny fiangonan’i Kristy ny olona toy izany. Nandroaka azy fotsiny ny mpiandraikitra nitandro ny fahadiovan’ny fiangonana, fa tsy afaka namono azy. Andriamanitra ilay Mpanome Lalàna ihany no handringana an’izay tsy mety mibebaka.—Ro 1:24-27, 32.
Nilaza koa i Paoly fa “hitsara an’izao tontolo izao ny olona masina” ary “hitsara anjely isika.” Ho mpitsara any an-danitra tokoa izy ireo, rehefa miara-manjaka amin’i Kristy. Hifototra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny fitsarany, ary hampihatra didim-pitsarana amin’ny ratsy fanahy izy ireo.—1Ko 6:1-3; Ap 20:6; ampit. 1Ko 4:8.
Tsodranon’i Mosesy ho an’i Gada. Nitso-drano an’ireo fokon’ny Israely i Mosesy, taloha kelin’ny nahafatesany. “Ny amin’i Gada, dia hoy izy: ‘Mahazo fitahiana ilay manitatra ny sisin-tanin’i Gada. ... Ary hifidy ny ampahany tsara indrindra izy [Gada], satria teo no voatokana ho anjarany, avy tamin’ny mpamoaka lalàna.’” (De 33:20, 21) Mety ho izao no antony nampiasana ilay hoe “mpamoaka lalàna”: Nataon’i Josoa sy Eleazara mpisoronabe antsapaka ny anjara lovan’ny ankamaroan’ireo foko. Nangataka ny faritra atsinanan’ny Reniranon’i Jordana anefa ireo fokon’i Gada sy Robena, taoriana kelin’ny nandresen’ny Israely ny Midianita. Nanana biby fiompy be dia be mantsy izy ireo ka nety tsara taminy ilay faritra. Nanaiky ny fangatahan’izy ireo i Mosesy. (No 32:1-5, 20-22, 28) “Avy tamin’ny mpamoaka lalàna” àry ilay anjarany satria avy tamin’i Mosesy, izay nanome lalàna ho an’ny Israely.