Ny zava-miafin’ny Kodeksa Vaticanus
NY KODEKSA Vaticanus 1209 dia hita ao amin’ny lisitra voalohany ao amin’ny Fitehirizam-boky vatikana, natao tamin’ny 1474. Tsy misy mahalala hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’io soratanana io tao amin’io toerana io. Io no anankiray amin’ireo kodeksa telo lehibe amin’ny teny grika voatahiry hatramin’izao androntsika izao, ka ny roa hafa natao tamin’izany fotoana izany koa, dia ny Sinaiticus (taonjato faha-4) ary ny Alexandrinus (voalohandohan’ny taonjato faha-5).
Na dia tsy niafina tamin’ireo mpandinika Baiboly aza, raha vao nanomboka ny taonjato faha-16, fa nahaliana io soratanana voatahiry ao Vatican io, dia vitsy tamin’izy ireny no nomen-dalana handinika azy. Marina fa tamin’ny 1669, ny Fitehirizam-boky vatikana dia nanomana fitambarana dikan-teny samihafa avy amin’io soratanana io, kanefa very izany ary tsy hita indray raha tsy tamin’ny 1819.
Tamin’ny 1809, dia nandresy an’i Roma i Napoléon emperora ary nitondra ilay soratanana sarobidy nankany Paris, nandinihan’i Leonhard Hug, mpivaofy teny nalaza, azy. Naverina tao Vatican anefa ny kodeksa tamin’ny 1815, taorian’ny nianjeran’i Napoléon. Nandritra ireo 75 taona nanaraka, dia nifono zava-miafina indray izy io, nafenina tao Vatican.
Tamin’ny 1843, rehefa niandry volana maromaro i Konstantin von Tischendorf, anankiray tamin’ireo manam-pahaizana manokana lehibe indrindra amin’ny soratanana momba ny Baiboly, dia nomen-dalana handinika azy, kanefa nandritra ny adiny enina monja. Roa taona tatỳ aoriana, dia nomen-dalana hijery io kodeksa io ilay Anglisy nantsoina hoe S. Tregelles, fa tsy hianatra azy. Hoy ny fitantarany: “Marina fa nahita matetika io soratanana io aho. Tsy navela hianatra azy anefa aho; tsy navela hijery azy aho raha tsy rehefa avy nosavana sy tsy navela hanana penina sy ranomainty ary taratasy; ambonin’izany, raha mbola nandinika azy aho, dia nisy prelati [pretra] roa tsy nitsahatra ny niresaka tamiko tamin’ny teny latina, ary raha sendra nijanona ela loatra teo amin’ny andinin-teny iray aho, dia nesoriny avy hatrany teny an-tanako ilay boky.”
Nahoana ny Eglizy katolika no tsy nazoto toy izany hampiseho an’io soratanana sarobidy tokoa io?
Nahoana no nafenina foana izy io?
Ho an’ny Eglizy katolika, dia ny Vulgate latina, fandikana ny Soratra masina amin’ny teny latina, hatrany no “fakàny teny ambony indrindra”. Araka ny taratasy ho an’ny eveka rehetra atao hoe Divino Afflante Spiritu, navoakan’ny Pie XII tamin’ny 1943, io fandikan-teny latina tamin’ny taonjato faha-4 io, azo avy amin’i Jérôme, dia heverina koa ho “tena tsy misy diso mihitsy raha ny amin’ny finoana na ny fitondrantena”. Inona no holazaina ny amin’ny soratra hebreo sy grika nandikana ny Vulgate? Araka ny filazan’io taratasin’ny papa ho an’ny eveka rehetra io ihany, dia sarobidy izy ireo mba ‘hanamarinana’ ny fahefan’ny Vulgate. Araka izany, dia tsy nomen’ny Eglizy katolika fahefana tahaka ny nomeny ny Vulgate mihitsy ny soratanana grika iray, na dia ny Kodeksa Vaticanus aza. Tsy maintsy hiteraka fahasahiranana ny fanaovana toy izany.
Ohatra, tamin’ny taonjato faha-16, rehefa nandika ny “Testamenta Vaovao” avy amin’ny teny grika ilay mpandinika ny fomba aman-toetr’olombelona atao hoe Erasme, dia nanonona ny fahefan’ny Kodeksa Vaticanus mba tsy handraisana teny nasisika ao amin’ny 1 Jaona toko faha-5, andininy faha-7 sy 8. Marina ny azy, kanefa izany tsy nahasakana ny papa Léon XIII tsy hankasitraka ny soratra latina diso ao amin’ny Vulgate, ary izany dia tamin’ny 1897 koa aza. Tamin’ny famoahana ireo fandikan-teny katolika amin’ny andro ankehitriny vao nekena io fahadisoan’ny teny io.
Rehefa nanjary fanta-bahoaka ny Kodeksa Sinaiticus tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia takatry ny manam-pahefana katolika fa nety ho takona ny Kodeksa Vaticanus nananany. Tamin’ny faran’ny taonjato, dia azo nampiasaina tamin’ny farany ny sariny nalaina vita tsara.
Misy raviny 759 ilay soratanana. Very ny tapany lehibe indrindra amin’ny Genesisy, ny salamo vitsivitsy ary ny sasany amin’ireo boky faramparany amin’ny Soratra grika kristiana. Natao tamin’ny soratra tsotra sy mahafinaritra izy io, eo amin’ny hodi-biby tena manify heverina fa natao tamin’ny hoditra antilopy. Azo atao ny mahita io soratanana io voalahatra amin’ny fomba ofisialy amin’ny anarana hoe Kodeksa B ao amin’ny Fitehirizam-boky vatikana. Tsy miafina izy io, ary maneran-tany dia azo atao, rehefa ela ny ela, ny mahatakatra sy manombana ny tena hasarobidiny.
[Sary, pejy 31]
Nandritra ny taonjato maro, dia nafenin’ny Vatican ny Kodeksa Vaticanus 1209 sarobidy.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary nalaina tamin’ny Codices E Vaticanis Selecti