Manehoa fitiavana sy finoana mandrakariva
“Izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra (...). Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” — I JAONA 4:16; 5:4.
1, 2. Toetra inona avy no asongadina indrindra ao amin’ny I Jaona 4:7 ka hatramin’ny 5:21?
JEHOVAH no sary velona mampiseho ny fitiavana, koa izay rehetra maniry hahazo sitraka aminy dia tokony haneho an’io toetran’Andriamanitra io. Izany no asehon’ny apostoly Jaona mazava ao amin’ny tapany farany amin’ny taratasiny voalohany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.
2 Tokony haneho finoana koa ny kristiana marina. Amin’izany ihany no mety handreseny izao tontolo izao sy hitoerany tsy hanana ahiahy ao amin’ny fankasitrahan’i Jehovah. Amin’ny fianarana ny tapany farany amin’ny taratasin’i Jaona, dia aoka hoeritreretintsika ao amin’ny vavaka ny hoe hatraiza no maha-zava-dehibe ny hanehoana fitiavana sy finoana.
‘Aoka isika hifankatia’
3, 4. Inona moa no fifandraisana eo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahalalana an’Andriamanitra?
3 Nosoritan’i Jaona ny maha-zava-dehibe ny fitiavana (vakio I Jaona 4:7, 8). Amporisihina ireo kristiana “malala” mba ‘hifankatia hatrany, satria avy amin’Andriamanitra ny fitiavana’. Jehovah no loharanon’ny fitiavana. “Izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra [noho izy nateraky ny fanahy] sady mahalala an’Andriamanitra.” Mianatra ireo toetra sy ireo fikasan’i Jehovah izy, ary ny fomba anehoany ny fitiavana. Amin’izao androntsika izao, izany ‘fahalalana an’Andriamanitra’ izany dia omena koa ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’i Kristy.
4 Ny hoe mahalala an’Andriamanitra raha ny marina dia milaza fankamamiana ny toetrany, fitiavana azy tanteraka sy fifikirana aminy hatrany amin’ny maha-Tompom-piandrianana. Nefa kosa, “izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra”. Ireo olona tsy maneho fitiavana kristiana dia tsy tonga amin’ny ‘fahalalana an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana’. Ny fitiavana tokoa no toetra lehibe indrindra ananan’i Jehovah, ka izany dia miharihary amin’izay rehetra nataony ho an’ny olombelona, na ara-panahy na ara-nofo.
5. Inona moa no porofo mahalaza zavatra betsaka indrindra fa “Andriamanitra dia fitiavana”?
5 Tononin’i Jaona manaraka izany ny porofo mahalaza zavatra betsaka indrindra fa “Andriamanitra dia fitiavana”. (Vakio I Jaona 4:9, 10.) Izao no voasoratra: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika [isika mpanota izay mendrika ny fahafatesana]: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” Jesosy dia Zanak’i Jehovah “Lahitokana” amin’ny heviny hoe izy irery ihany no noforonin’Andriamanitra nivantana (Jaona 1:1-3, 14; Kolosiana 1:13-16). ‘Nirahina ho eo amin’izao tontolo izao’ i Jesosy rehefa tonga olombelona; nahatanteraka ampahibemaso ny fanompoany izy ary nahita fahafatesana ho sorona (Jaona 11:27; 12:46). Mba hahatongavana ‘amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalany’, na ho any an-danitra na ho eto an-tany, dia ilaina ny maneho finoana ny vidin’ny sorom-panavotany.
6. Inona no nataon’Andriamanitra fony mbola mpanota isika ka tsy tia azy?
6 Mbola mpanota tsy tia an’Andriamanitra isika rehefa ‘tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika’. Noho ny soron’i Kristy dia azontsika natao ny nampifamatotra fifandraisana tsara tamin’Andriamanitra (Romana 3:24, 25; Hebreo 2:17). Velom-pankasitrahana ve ianao noho izany fisehoana mahatalanjon’ny fitiavana an’izay tsy mendrika akory avy amin’ny Raintsika any an-danitra izany?
7. a) Tsy afaka milaza isika hoe tia an’Andriamanitra satria nahita azy, nefa ahoana no azontsika anaporofoana fa tia azy isika? b) Inona no asehontsika amin’ny fanehoana fitiavan-drahalahy?
7 Ny fitiavan’Andriamanitra dia tokony hisy heriny eo amin’ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ny mpiara-belona amintsika (vakio I Jaona 4:11-13). Koa satria izy tia antsika fony isika mbola mpanota, dia “mba tokony hifankatia kosa isika”. Tsy nisy mihitsy olona “nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. Tsy afaka milaza àry isika fa tia an’i Jehovah satria efa nahita azy (Eksodosy 33:20; Jaona 1:18; 4:24). Amin’ny fanehoana fitiavana anefa no ampisehoantsika fa tiantsika ny Loharanon’io toetra io. Amin’ny alalan’ny fitiavantsika ny rahalahy no ampisehoantsika fa “mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany”, na mahatratra ny fisehoany tanteraka ao amintsika. Fantatsika fa ‘mitoetra ao amin’i Jehovah isika’ satria ‘nomeny antsika ny Fanahiny’. Amin’ny alalan’ny fitiavan-drahalahy asehontsika no anaporofoantsika fa miasa eo amintsika ny fanahin’i Jehovah, satria ny fitiavana dia anankiray amin’ireo vokatr’io fanahy io (Galatiana 5:22, 23). Mampiseho izany fa mahalala an’Andriamanitra isika ary mankasitraka antsika izy.
8. Inona koa no porofo hafa fa “ao amin’Andriamanitra” isika?
8 Misy porofo hafa koa fa “ao amin’Andriamanitra” isika. (Vakio I Jaona 4:14-16a.) Noho izy “nahita” izay nataon’i Jesosy teto an-tany sy ny fomba nijaliany ho an’ny olombelona, Jaona dia afaka ‘nanambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao’ raha miaiky amim-pahatsorana isika fa Zanany Jesosy Kristy. Izany dia mitaky ny hanehoantsika finoana sy hanaporofoantsika ampahibemaso fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy (Jaona 3:36; Romana 10:10). Ny fitokisantsika “ny fitiavan’Andriamanitra antsika” dia porofo fanampiny ny amin’ny firaisantsika amin’i Jehovah, na anisan’ny sisa voahosotra isika na anisan’ny kilasin’ny “ondry hafa”.
9. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny fitiavana an’Andriamanitra no mety ho tonga “tanteraka”, ary inona no herin’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa? b) Miteraka inona moa ny “fitiavana” tanteraka?
9 Asehon’i Jaona manaraka izany fa ny fitiavana dia mety ho tonga “tanteraka”. (Vakio I Jaona 4:16b, 17.) Ampahatsiaroviny antsika fa “Andriamanitra dia fitiavana”. Noho isika “mitoetra amin’ny fitiavana” ka maneho an’io vokatry ny fanahin’i Jehovah io, dia “mitoetra ao amin’Andriamanitra” isika. Raha toa ny fitiavana an’i Jehovah ka nanjary “tanteraka ato amintsika”, raha nahatratra ny fisehoany feno izany, dia ho tiantsika ireo namantsika kristiana (jereo ny 1Jn 4 andininy faha-12). Ny fitiavana “tanteraka” dia miteraka “fahasahiana” eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny vavaka ataontsika dieny izao sy amin’ny “andro fitsarana” mifandray amin’ny fanatrehan’i Kristy. Ireo kristiana izay maneho fitiavana toy izany dia tsy hanana antony tokony hatahorana mihitsy fa hanameloka azy ny fitsaran’Andriamanitra. Raha maneho izany fitiavana izany isika, amin’io lafiny io, dia “ho tahaka Azy [Jesosy] isika eo amin’izao tontolo izao”. Marina tokoa fa sahala aminy dia manandrana ny tombontsoa ho zanak’Andriamanitra isika eo amin’izao tontolo izaon’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra.
10. Tsy mahita inona moa ireo izay tonga “tanteraka” ao aminy ny fitiavana?
10 Ireo izay ahitana ny fitiavana tonga “tanteraka” ao aminy dia tsy mahalala ny tahotra manakantsakana ny vavaka (vakio I Jaona 4:18, 19). “Mampahory [zava-misakana, MN ] ny tahotra”, ka misakana antsika tsy hanatona an’i Jehovah amim-pahatsorana. Koa raha mahatsapa izany tahotra izany isika, dia “tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana”. Raha ‘tonga tanteraka amin’ny fitiavana’ isika, io toetra io dia mameno ny fontsika; izany dia manosika antsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hitoetra ho akaiky dia akaikin’ny Raintsika any an-danitra noho ny vavaka. Tsy isalasalana mihitsy fa manana antony tokony hitiavana an’i Jehovah sy hivavahana aminy isika, satria, araka ny nolazain’i Jaona, ‘isika tia, satria Andriamanitra efa tia antsika taloha’.
11. Nahoana moa no mety ny hanarahana izao didy izao: “Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”
11 Mazava ho azy fa tsy ampy ny milaza fa tia an’Andriamanitra isika (vakio I Jaona 4:20, 21). Izay milaza hoe “tia an’Andriamanitra aho”, nefa mankahala ny rahalahiny ara-panahy “dia mpandainga”. Koa satria isika afaka mahita ny rahalahintsika ka manamarika ireo toetrany tsara, dia tokony ho mora kokoa ny maneho aminy fitiavana noho ny amin’ny Andriamanitra tsy hita maso iray. Marina tokoa fa “izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany”. Mety àry ny hanarahana izao “didy” izao: “Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.”
Iza no mpandresy izao tontolo izao?
12. Koa satria tia an’Andriamanitra isika, inona no antenaina amintsika?
12 Asehon’i Jaona manaraka izany ny tena hevitry ny hoe tia an’Andriamanitra (vakio I Jaona 5:1-5). Hazavain’ilay apostoly voalohany fa “izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy”, izany hoe Mesia no Voahosotr’i Jehovah, dia “naterak’Andriamanitra”, izany hoe nateraky ny fanahin’i Jehovah. Afa-tsy izany koa, izay rehetra tia an’i Jehovah, Ilay miteraka, dia tia izay rehetra “naterany [Andriamanitra]” koa. Eny, ny zanaka voahosotry ny fanahin’Andriamanitra rehetra dia tia ny Rainy, ary antenaina ny hifankatiavan’izy ireo. Izany fitiavan-drahalahy izany koa dia marika mampiavaka ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” manana fanantenana ny ho eto an-tany. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9.
13. a) Nahoana moa ny didin’Andriamanitra no tsy “mavesatra” ho antsika? b) Ahoana no azontsika ‘andresena izao tontolo izao’?
13 ‘Fantatsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika rehefa tia an’Andriamanitra sy mankatò ny didiny.’ ‘Ny fitiavana an’Andriamanitra tokoa dia milaza fitandremantsika ny didiny’. Noho isika tia an’Andriamanitra sy ny rariny, dia faly isika manaraka ny didiny. Lazain’i Jaona anefa fa tsy “mavesatra” ho antsika ny didiny, satria “izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao”. Ny tiana holazaina amin’ny hoe “rehetra” angamba dia ny hery omen’i Jehovah mba ‘handresena izao tontolo izao’ na ny fitambaran’olona tsy marina sy ireo fakam-panahiny mikendry ny hampandika antsika ireo didin’Andriamanitra (Jaona 16:33). “Ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao”, dia “ny finoantsika” an’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny Zanany. Raha ‘mino isika fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy’, dia ‘handresy izao tontolo izao’ isika amin’ny fandavana ny hevi-disony, ny lalany tsy madio sy amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra.
14. a) Tamin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe tonga “tamin’ny alalan’ny rano”? b) Ahoana no nampisehoana “tamin’ny ra” fa Zanak’Andriamanitra Kristy? d) Ahoana no nanambaran’ny ‘fanahy masina’ ny amin’i Jesosy Kristy?
14 Koa satria ny finoana zava-dehibe tokoa mba ‘handresena izao tontolo izao’, dia notononin’i Jaona ireo porofo omen’ny [vavolombelona] telo izay manambara”. (Vakio I Jaona 5:6-8.) Nolazainy aloha fa Jesosy dia “avy tamin’ny rano”. Fony natao batisa tao amin’ny rano i Jesosy ho mariky ny fisehoany teo anatrehan’Andriamanitra, dia izao no nambaran’ny Rainy: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17). Naseho koa fa Kristy dia Zanak’Andriamanitra ‘tamin’ny ra’, dia ny ra nalatsany tamin’ny nahafatesany mba hanome ny avotra (I Timoty 2:5, 6). Izao koa no teny nanampin’i Jaona: “Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.” Tamin’ny batisan’i Jesosy, rehefa nidina teo amboniny ny fanahy, dia voaporofo fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa izy (Matio 3:16; Jaona 1:29-34). Ny fanahin’i Jehovah dia nahatonga an’i Jesosy ho afaka hanatanteraka ny asa nanirahana azy sy hanao asa mahagaga (Jaona 10:37, 38; Asan’ny apostoly 10:38). Rehefa maty Jesosy, dia tamin’ny alalan’ny fanahiny no nanaovan’Andriamanitra izay hisian’ny haizina hafa dia hafa sy ny horohorontany, avy eo, tamin’io fanahy io ihany no nananganany azy tamin’ny maty. — Matio 27:45-54.
15. Inona moa ireo “[vavolombelona] telo izay manambara”?
15 Misy telo “izay manambara” àry fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Izany dia 1) ny fanahy masina, 2) ny ranon’ny batisan’i Jesosy sy izay nasehony (ny fisehoan’i Jesosy teo amin’i Jehovah) ary 3) ny ra nalatsak’i Jesosy tamin’ny nahafatesany mba hanome ny avotra. “Mifanaraka” ireo telo ireo mba hanaporofo fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra tokony hinoantsika tokoa raha tiantsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. — Jereo Deoteronomia 19:15.
Ny fanambaran’Andriamanitra
16. Ahoana no nanaovan’i Jehovah fanambarana ny amin’i Jesosy?
16 Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nanao fanambarana ny amin’ny Zanany (vakio I Jaona 5:9-12). “Raha mandray [ho marina] ny fanambaran’ny olona [tsy tanteraka, araka ny fanaontsika ao amin’ny resaka na ao amin’ny raharaha ara-pitsarana iray] isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra.” (Jaona 8:17, 18). Koa satria ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’, dia azontsika atao ny manana fitokisana tanteraka “ny nanambarany ny Zanany”. Nilaza anefa i Jehovah fa Zanany Jesosy Kristy (Matio 3:17; 17:5; Titosy 1:2). Ambonin’izany, dia Andriamanitra no fototry ny “telo izay manambara”, izany hoe ny fanahiny masina, ny ranon’ny batisa sy ny ra nalatsak’i Kristy.
17. Inona moa no hany fomba hahazoana famonjena?
17 “Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny”, satria mampiaiky azy daholo ny zava-mitranga rehetra fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Nefa kosa, “izay tsy mino an’Andriamanitra” ho vavolombelona mendrika inoana ny amin’ny Zanany, dia mampiseho azy ho mpandainga. Miharihary fa ny fitambaran’ireo fanambarana dia mampiseho fa “fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany”. Amin’ny fanehoana finoana an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra ihany no mety hahavoavonjy sy hahazoana ny fiainana mandrakizay (Jaona 11:25, 26; 14:6; 17:1-3). Araka izany, “izay manana ny Zanaka”, izany hoe mino azy, no manana ny fiainana mandrakizay ho fanomezana ho an’izay tsy mendrika akory (Jaona 20:21). Fa izay rehetra tsy mino kosa fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy dia tsy hanana izany “fiainana” izany.
Mandaitra ny vavaka
18. Nahoana moa i Jaona no nanoratra “izany” zavatra izany?
18 Rehefa avy eo i Jaona dia mampiseho ny zava-kendren’ny taratasiny indrindra ary miresaka ny amin’ny vavaka (vakio I Jaona 5:13-15). Nanoratra “izany” zavatra izany izy mba hahafantarana fa ‘manana fiainana mandrakizay isika’. Matoky izany isika, dia isika izay nametraka ny finoantsika ny ‘anaran’ny’ Zanak’Andriamanitra (jereo I Jaona 3:23). Ary tsy afaka mandrava izany finoana izany ireo mpivadi-pinoana izay tsy anisantsika. — I Jaona 2:18, 19.
19. a) Araka ny I Jaona 5:14, 15, “fahasahiana” inona no ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra? b) Inona moa no sasantsasany amin’ireo zavatra mety raha angatahintsika amin’ny vavaka?
19 Manana “fahasahiana” na “fahatsorana” eo anatrehan’Andriamanitra isika fa na inona na inona angatahintsika ao amin’ny vavaka, “araka ny sitrapony (...), dia mihaino antsika izy”. Ara-drariny tokoa ny hivavahantsika aminy ny amin’ny fanamasinana ny anarany, ny fanahiny, ny fahendrena araka an’Andriamanitra sy ny fanafahana amin’ny ziogan’ny ratsy fanahy (Matio 6:9, 13; Lioka 11:13; Jakoba 1:5-8). “Fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy”, dia izy ‘izay mihaino vavaka’. — Salamo 65:2.
20, 21. a) Inona moa no atao hoe “ota tsy mahafaty”? b) Nahoana moa no ratsy ny mivavaka ny amin’ny “ota mahafaty”?
20 Resahin’i Jaona manaraka izany ny amin’ny vavaka sy ireo sokajim-pahotana roa (vakio I Jaona 5:16, 17). Tsy atao an-tsitrapo “ny ota tsy mahafaty”. Tsy ratsy àry ny hivavahana mba hahazoan’ilay mpanota mibebaka famelana (Asan’ny apostoly 2:36-38; 3:19; Jakoba 5:13-18). Tsy hety kosa anefa ny hivavahana ny amin’ny “ota mahafaty”, satria izany dia fanotana an-tsitrapo amin’ny fanahy masina izay tsy mety hahazoana famelana (Matio 12:22-32; Hebreo 6:4-6; 10:26-31). Ireo izay manao izany karazam-pahotana izany dia mankany amin’ny Gehena, izay ahitany ny fandringanana mandrakizay, “ny fahafatesana faharoa”. (Matio 23:15; Apokalypsy 21:8.) Na dia Jehovah aza no tena Mpitsara, dia tsy hisetra tsy fankasitrahana avy aminy isika amin’ny fivavahana ho an’ny mpanota iray rehefa asehon’ny zava-mitranga fa meloka ho nanao fahotana an-tsitrapo “mahafaty” izy.
21 Noho izany, “raha misy [indrindra fa ny loholona iray voahosotry ny fanahy] mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty [“fahafatesana faharoa”], dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy [an’ilay nanota] fiainana”, ka hamonjy azy amin’izany amin’ny fandringanana mandrakizay. Miharihary tokoa fa “ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra”, izany hoe tsy mahatratra ny zava-kendrena raha ny amin’ny fitsipiky ny rariny noferan’Andriamanitra. “Misy ota tsy mahafaty” anefa satria izany avy amin’ny tsy fahatanterahantsika, ka mibebaka isika ary voasaron’ny soron’i Kristy izany fahotana izany.
Ireo hevitra tena lehibe ao amin’ny taratasin’i Jaona
22. Iza moa no “tsy misy heriny” eo amin’ny kristiana mahatoky iray, ary afaka mangataka inona amim-pitokisana ny kristiana toy izany?
22 Farany dia fintinin’i Jaona ireo hevitra tena lehibe ao amin’ny taratasiny (vakio I Jaona 5:18-21). “Izay rehetra naterak’Andriamanitra” amin’ny maha-kristiana voahosotry ny fanahy dia “tsy manota [zatra manota MN ]”. Jesosy Kristy, “izay naterak’Andriamanitra” tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia ‘miaro azy’, ka “tsy mikasika azy akory [tsy misy heriny eo aminy, MN ] ilay ratsy [Satana]”. Ny kristiana voahosotra toy izany dia hivavaka amim-pitokisana mba hafahana amin’ny ratsy ary, amin’ny fampiasana ny “finoana ho ampinga”, dia hiaro tena amin’ny ratra ateraky ny “zana-tsipìka mirehitra” avy amin’i Satana izy. — Matio 6:13; Efesiana 6:16.
23. Amin’ny heviny ahoana moa ‘izao tontolo izao no mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’?
23 Koa satria ireo kristiana voahosotra manana porofo fa zanak’i Jehovah ara-panahy izy ireo, dia azony atao ny manantitrantitra hoe: “Avy amin’Andriamanitra isika.” Ny fanehoany finoana an’i Kristy sy ny tsy fahazarany manota dia manaporofo fa izy ireny dia zanak’Andriamanitra ka ‘tsy misy heriny eo aminy’ Satana. “Izao tontolo izao [ny fitambaran’olona tsy marina] kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, dia eo amin’i Satana Devoly (Efesiana 2:1, 2; Apokalypsy 12:9). Izao tontolo izao tokoa dia manaiky ny fitaomana sy ny fanapahan-dratsin’i Satana, ary tsy manao fiezahana mihitsy izy mba hanafa-tena amin’izany sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.
24. Noho ny fikendrena inona moa no ‘nanomezan’i Jesosy antsika fahazavan-tsaina’?
24 Nisy mpampianatra sandoka nilaza fa tsy tonga tao amin’ny nofo Kristy (II Jaona 7). Ireo zava-nisy notononin’i Jaona tao amin’ny taratasiny anefa dia nahatonga azy ho afaka hilaza hoe: “Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra.” (I Jaona 1:1-4; 5:5-8). Ambonin’izany, dia “nanome antsika ny fahazavan-tsaina” na “fahaiza-manavaka ara-panahy” i Jesosy, “mba ho fantatsika Ilay marina”, izany hoe mba hahatongavantsika amin’ny fahalalana miandalana ny amin’Andriamanitra (Matio 11:27). Amin’izany isika dia “ao amin’Ilay marina [Jehovah Andriamanitra], dia ao amin’i [amin’ny alalan’i, MN ] Jesosy Kristy Zanany”. — Jereo Jaona 17:20, 21.
25. Ahoana, amin’ny maha-kristiana, moa no azontsika anarahana ny torohevitra omena ao amin’ny I Jaona 5:21?
25 Na anisan’ny sisa voahosotra izy na anisan’ny “ondry hafa”, ireo kristiana tafaray amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia maniry ny hahazo sitraka aminy amin’ny zavatra rehetra. Amin’izao andro izao anefa, toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia mety hisy ho voan’ny fakam-panahy hanaraka fanompoan-tsampy. Noho izany antony izany, Jaona dia namarana ny taratasiny tamin’ny fomba mety tamin’izao torohevi-dray izao: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” Amin’ny maha-kristiana antsika, dia tsy hiankohoka eo anoloan’ny sary isika (Eksodosy 20:4-6). Fantatsika koa fa tsy ho tsara ny hametrahana ny tenantsika, ny fahafinaretantsika na zavatra hafa na inona na inona eo amin’ny toeran’Andriamanitra (II Timoty 3:1, 2, 4). Ny nanolorantsika tena ho azy dia mandrara antsika tsy hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny “bibi-dia” ara-politika sy ho an’ny ‘sariny’. (Apokalypsy 13:14-18; 14:9-12.) Mba hahazoana sitraka amin’ny Raintsika any an-danitra sy handraisana avy aminy ny fanomezana fiainana mandrakizay, dia aoka isika ho vonona tsara ny hanary ny karazam-panompoan-tsampy rehetra ka tsy hamela na inona na inona hanimba ny fifandraisantsika sarobidy amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Fanampiana mitohy
26. Inona moa no sasantsasany amin’ireo hevitra mahaliana indrindra ao amin’ny taratasy voalohany nosoratan’i Jaona?
26 Io taratasin’i Jaona ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io dia nanampy ireo kristiana voalohany hanary ny fanompoan-tsampy. Izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hanohitra ireo laingan’ny mpivadi-pinoana, ary mbola miasa noho izany fikasana izany ihany. Ohatra, porofoiny fa Jesosy Kristy dia velona tamin’ny naha-olombelona ary maty ho “avotra” noho ny ota. Ampahafantarin’io taratasy io “ny antikristy” ary avahany ireo zanak’Andriamanitra sy ireo an’ny Devoly. Asehony ny fomba hitsapana “ireo teny ara-tolotsaina” mba hahafantarana raha avy amin’i Jehovah izany na tsia. Afa-tsy izany koa, ny tenin’i Jaona dia mampiaiky antsika fa “Andriamanitra dia fitiavana”, fa ny tena finoana dia mandresy izao tontolo izao ary mihaino ny vavaka ataon’ireo vavolombelony mahatoky Jehovah.
27. Amin’ny fomba ahoana avy moa ny taratasin’i Jaona voalohany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra no mety hanampy antsika?
27 Rehefa heverina amin’ireo fakam-panahy atolotr’izao tontolo izao, dia tena fahendrena tokoa ny hitadidiana ao an-tsaina ny fampitandreman’i Jaona izay mampitandrina antsika amin’ny fitiavana an’izao tontolo izao. Raha sanatria ka misedra ny fifandraisantsika amin’ny rahalahy sasany ny tsy fifanarahana manokana, ny tenin’ilay apostoly dia hampahatsiahy antsika fa azontsika atao ny mampiseho ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny fanehoana fitiavan-drahalahy. Noho ny fanampian’Andriamanitra sy amin’ny fanarahana ireo torohevitr’i Jaona, dia hohalavirintsika ny fahazarana manota ary hitana finoana afaka mandresy izao tontolo izao isika. Aoka àry isika hampiseho ny fankasitrahantsika noho io taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io amin’ny fanohizana mandeha ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra, amin’ny tsy fitsaharana miaina ho toy ny zanak’Andriamanitra sy amin’ny fanehoana fitiavana sy finoana, ho voninahitr’i Jehovah, Raintsika any an-danitra.
Ahoana no havalinao?
◻ Raha tia an’i Jehovah isika, inona moa no tokony ho vokatr’izany fitiavana izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika?
◻ Ahoana no azontsika ‘andresena izao tontolo izao’?
◻ Inona moa ireo vavolombelona “telo izay manambara” ny amin’ny Zanak’Andriamanitra?
◻ Ny amin’ny vavaka, “fahasahiana” inona no mety hananantsika?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy moa no anampian’ny taratasin’i Jaona voalohany antsika?
[Teny notsongaina, 22]
Koa satria Jehovah tia antsika fony isika mbola mpanota, “dia mba tokony hifankatia kosa isika”.
[Teny notsongaina, 23]
Ny finoantsika an’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny Zanany dia mahatonga antsika ho afaka ‘handresy izao tontolo izao’.
[Sary, pejy 25]
Ny fanahy masina, ny ranon’ny batisan’i Jesosy sy ny ra nalatsany dia manambara fa Zanak’Andriamanitra Jesosy Kristy.