Iza no Andriamanitra tompoinao?
MANERANA ny tany, ny olona dia hamaly izany fanontaniana izany amin’ny fomba maro samy hafa. Nanao izao fanamarihana izao ny apostoly Paoly: “Misy andriamanitra maro sy tompo maro”, ary ankehitriny dia an-tapitrisany maro ireo andriamanitra tompoina. (1 Korintiana 8:5). Fantatrao ve anefa fa misy olona maro izay manompo andriamanitra hafa noho izay heveriny fa tompoiny? Ary voamarikao ve fa misy olona tsy mino an’Andriamanitra izay mafana fo kokoa noho ireo izay mino andriamanitra iray? Amin’ny fomba ahoana?
Ny iray amin’ireo dikan’ny hoe ‘manompo’ dia hoe “mihevitra amim-panajana, voninahitra na fifikirana lehibe tokoa, eny tafahoatra aza”. Amin’ireo fiteny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany, ireo teny nadika hoe ‘manompo’ dia manana heviny hoe manao raharaha ho an’ny olona iray na mitsaoka azy. Aoka hotadidintsika ao an-tsaina izany rehefa hojerentsika izao fa diso hevitra ny olona raha ny amin’ny hoe iza na inona no tena tompoiny.
Fifangaroam-panompoana
Raiso ho ohatra ny amin’ireo Samaritana fahizay. Ny maro tamin’izy ireo, tany am-boalohany, dia vahiny izay nampidirin’ny Asyriana tao Palestina mba hanoloana ireo foko folon’ny Isiraely tany avaratra izay babo. Teo aloha dia nanaraka andriamanitra sampy izy ireo, nefa izao izy dia nanao fiezahana mba hianatra momba an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Moa ve namela ny fivavahany teo aloha izy? Tsia. Mitantara toy izao ny Baiboly: “Nanao tahaka ny fanaony taloha ihany [izy]. Ka dia natahotra an’i Jehovah ihany ireo firenena ireo, kanefa nanompo ny sarin-javatra voasokitra izy”. (2 Mpanjaka 17:40, 41). Koa na dia nanaiky an’i Jehovah tamin’ny vava aza ireo Samaritana, dia mbola nanompo ireo andriamaniny taloha ihany, ka nanaraka tamin’izany fanao izany karazana fifangaroam-pivavahana iray.
Nisy zavatra nitovy tamin’izany nitranga rehefa nampiditra ny fivavahana katolika romana tany Amerika atsimo ireo misionera. Nampiova finoana ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka izy ireo, nefa, toy ireo Samaritana fahiny, dia tsy nanadino ireo andriamaniny taloha ny sarambabem-bahoaka. Tahaka izany, any Brezila dia mbola tandreman’ireo “kristiana” ihany ireo fombafomba “vaudou”, ary koa ireo fankalazana manome voninahitra andriamanitra fahiny toy ny andriamani-bavy Iemanjá. Mitovy amin’izany ny zava-mitranga any amin’ny tany hafa any Amerika atsimo.
Ankoatra izany, ilay fivavahana nampidirin’ireo misionera ireo tany Amerika atsimo dia efa fifangaroam-pivavahana ihany koa. Avy amin’ny fivavahana sy filôzôfian’ny mpanompo sampy fahiny ny maro tamin’ireo fampianarany, toy ny Trinite, ny afobe mirehitra ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Tsy isalasalana fa tsy hita tao amin’ny Baiboly mihitsy ireo. Tahaka izany koa, ireo fankalazany — anisan’izany ny Krisimasy sy ny Paka — dia nanam-piaviana tsy kristiana.a Azo atao ve ny mitandrina fankalazana avy amin’ny mpanompo sampy toy izany sy mino fampianarana tsy kristiana toy izany sady mbola hanompo ilay Andriamanitry ny Baiboly izay nilaza hoe: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany”? (Eksodosy 20:3). Tsia dia tsia tokoa!
“Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”
Diniho ny ohatra hafa iray mampiseho fa voafitaka ny olona eo amin’ny fanompoam-pivavahany. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21). Misy eo amin’ny arivo tapitrisa eo ho eo ireo olona voasoratra ho anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary azo heverina fa mihambo ho manompo ilay Andriamanitra notompoin’i Jaona izy ireo. Kanefa dia mitsaoka sarina “olo-masina”, sarin’i Jesosy ary sarin’i Maria virijiny ny an-jato tapitrisany amin’izy ireo.
Misy endriky ny fanompoan-tsampy hafa an-kolaka kokoa. Tamin’ny 44 am.fan.ir., i Heroda Agripa mpanjaka dia nanao lahateny ampahibemaso iray, ary nanjary nientanentana aoka izany ny vahoaka ka niantso hoe: “Feon’Andriamanitra izany, fa tsy an’olona!” (Asan’ny apostoly 12:21, 22). Eny, nanompo an’i Heroda izy ireo ka nanao azy ho andriamanitra. Misy zavatra mitovy amin’izany mitranga ankehitriny. Nandritra ireo andro feno fikorontanana niakaran’ny nazisma teo amin’ny fahefana tany Eoropa, dia tena nanjary antsoantsom-pankalazana ny hiaka hoe “Heil Hitler!” Maro ireo izay vonona ny hiady sy ho faty ho an’ilay Führer toy ny hoe andriamanitra, ilay mpamonjy ny fireneny, izy. Kanefa ny ankamaroan’ireo nanolotra izany fanajana fatratra izany dia efa mpikambana tao amin’ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana!
Taloha sy taorian’i Hitler, dia nisy mpitondra ara-politika maro hafa nampisondro-tena ho mpamonjy toy izany ka nitaky fifikirana taminy irery ihany. Ireo izay latsaka tao anatin’izany dia nanao ireny lehilahy ireny ho andriamanitra, na inona na inona fivavahana efa nisy ireny “mpanolotra fanompoam-pivavahana” ireny ary koa na dia nilaza ny tenany ho tsy nino an’Andriamanitra aza izy ireny. Ny fanajana fatratra azon’ireo olo-malaza eo amin’ny fanatanjahan-tena, ny sarimihetsika ary ireo mpampiala voly hafa samy mahay mampientana avy amin’ireo mpankasitraka azy dia toy ny fanompoam-pivavahana ihany.
Ny fanompoana ny vola
Ambonin’izany, dia eritrereto ny tena dikan’ny tenin’i Jesosy rehefa nilaza izy hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena hianareo.” (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Moa ve ianao mahafantatra olona mpikambana amin’ny fivavahana iray nefa ny hahazo vola no ilofosany voalohany indrindra eo amin’ny fiainana? Iza àry no tena tompoin’izany olona izany, Andriamanitra sa ny harena? Olona tsy mpino firy no fantatrao ho voaray ao anatin’ny fikatsahana harena toy ny adala? Tsy misy isalasalana fa izy ireo koa dia mpanompo ny vola, angamba aza mazoto kokoa noho ny mpino maro.
Nanazava fotopoto-pitsipika mitovy amin’izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra hoe: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana [fitsiriritana, MN], dia fanompoan-tsampy izany.” (Kolosiana 3:5). Raha mitsiriritra zavatra iray amin’ny fomba mahery aoka izany isika hany ka mampiasa ny fiezahantsika rehetra mba hahazoana azy, angamba amin’ny fandikana lalàna mihitsy aza eo am-pikatsahana azy, amin’izay dia toy ny sampy na andriamanitra io zavatra io amintsika. (Efesiana 5:5). Ao amin’ny taratasy hafa iray, ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao momba ny mpanao ratsy sasany: “Ny kibony no andriamaniny”. (Filipiana 3:19). Raha ny hany zava-kendrentsika eo amin’ny fiainana dia ny hampifaly ny tenantsika, na koa hoe ny hameno ny kibontsika, raha azo atao ny miteny toy izany, amin’izay dia isika ihany no andriamanitry ny tenantsika. Firy ny olona fantatrao fa manompo io karazan’andriamanitra io?
Eny, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia “misy andriamanitra maro sy tompo maro”. Ary amin’ny tarehin-javatra maro, ireo mpanompo azy ireny dia toy ireo Samaritana fahiny, manompo andriamanitra iray amin’ny vava fa manompo andriamanitra hafa iray amin’ny ataony. Raha ny marina anefa, dia iray ihany ny Andriamanitra mendrika ny hahazo ny fanompoam-pivavahantsika. Fantatrao ve hoe iza izany? Ambonin’izany, dia misy zavatra iray izay mampiray ny fanompoana ireo andriamanitra hafa rehetra ivelan’izy io? Inona izany? Ho hitantsika izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, pejy faha-212 sy faha-213, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.