Inona no Lazain’ny Baiboly?
Iza moa Ireo Demonia?
EFA nandre hoe angatra, lolo, matoatoa, avelo, na demonia ve ianao? Ireo no iantsoan’ny olona ny fanahy. Misy, hono, tsara, misy kosa ratsy, ary misy sady manao ny tsara no manisy ratsy. Ny hafa indray mihevitra hoe tsy misy izany, fa finoanoam-poana na foronin’ny saina fotsiny. Inona no lazain’ny Baiboly?
Ampianarin’ny Baiboly fa Fanahy Andriamanitra, ary namorona fanahy na anjely maro be izy tamin’ny voalohany. (Jaona 4:24; Hebreo 1:13, 14) Milaza koa ny Baiboly fa misy ny fanahy ratsy na demonia. (1 Korintianina 10:20, 21; Jakoba 2:19) Tsy ampianariny anefa hoe Andriamanitra no namorona azy ireny. Iza marina àry ireo demonia, ary ahoana no nampisy azy?
“Anjely nanota”
Noforonin’Andriamanitra hanana safidy malalaka ny anjely. Afaka nifidy àry izy ireo na hanao ny tsara na hanao ny ratsy. Nampalahelo fa rehefa avy noforonina ny olombelona, dia nisy anjely maro nifidy ny hanao ratsy ka nikomy tamin’Andriamanitra.
Lasa nantsoina hoe Satana ilay anjely nikomy voalohany, izay ratsy toetra indrindra. “Tsy nifikitra tamin’ny marina” izy, hoy i Jesosy Kristy. (Jaona 8:44) Inona no nahatonga an’i Satana hikomy tamin’Andriamanitra? Ny Mpamorona irery no tokony hivavahana, nefa nitsiriritra an’izany i Satana ka tiany hoe izy indray no hotompoina. Notanterahiny tokoa izany faniriany izany. Izy ihany àry no nanao ny tenany ho “Satana”, izay midika hoe “mpanohitra.” Nisy anjely hafa niandany taminy, taonjato maro tatỳ aoriana, talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Nandao ny toerany tany an-danitra izy ireo, ka nitafy vatan’olombelona ary nipetraka tetỳ an-tany. (Genesisy 6:1-4; Jakoba 1:13-15) Niverina tany an-danitra ireo “anjely nanota” rehefa tonga ny Safodrano. (2 Petera 2:4; Genesisy 7:17-24) Nantsoina hoe demonia izy ireo tatỳ aoriana.—Deoteronomia 32:17; Marka 1:34.
Tsy nahazo ny tombontsoa nananany taloha intsony anefa ireo anjely nikomy. Hoy ny Joda 6: “Ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy, dia notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” Tsy navelan’Andriamanitra hitana ny toerany taloha intsony àry ireo demonia. Nalefany ao amin’ny ‘lavaka maizim-be’ kosa izy ireo, izany hoe tsy mahazo fahazavana ara-panahy intsony.
“Mamitaka ny tany rehetra misy mponina”
Tsy navela hitafy nofo intsony ireo demonia, nefa mbola tena manan-kery eo amin’ny sain’ny olona sy ny fiainany. “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” mihitsy aza i Satana sy ireo demoniany. (Apokalypsy 12:9; 16:14) Ahoana no anaovany izany? Ny “fampianaran’ny demonia” no fomba lehibe indrindra ampiasainy. (1 Timoty 4:1) Ny fivavahana matetika no mampiely an’ireny fampianaran-diso ireny. Lasa jamba àry ny sain’ny olona an-tapitrisany ka tsy mahalala ny marina momba an’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:4) Anisan’ny famitahan’ny demonia, ohatra, ireto:
● Mampianatra hoe mbola velona ny maty. Mampiasa fahitana, feo, ary zavatra hafa ny demonia mba hamitahana ny olona ka hinoany hoe afaka mifandray ny velona sy ny maty. Noho izany, dia lasa mino ny sasany fa misy zavatra misaraka amin’ny vatana rehefa maty ny olona. Lainga anefa izany, satria hoy ny Baiboly: ‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’ (Mpitoriteny 9:5, 6) Efa ‘nidina any amin’ny toerana mangina’ izy ireo, ka tsy afaka midera an’Andriamanitra akory aza.—Salamo 115:17.a
● Mampirisika hanaram-po amin’ny ratsy. Hoy ny 1 Jaona 5:19: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ Manararaotra an’izany fahefana izany i Satana sy ireo demoniany, ka mandrisika ny olona hanaram-po amin’ny fanirian’ny nofo, amin’ny alalan’ny tele na radio na zavatra hafa. (Efesianina 2:1-3) Lasa mirongatra izaitsizy àry ny faharatsiana isan-karazany, anisan’izany ny firaisana mamoafady. Heverina ho ara-dalàna mihitsy aza izany, fa matetika kosa ny fitsipiky ny Baiboly no lazaina hoe lany andro na maneritery.
● Mampirisika hifandray amin’ny herin’ny maizina. Nahita ankizivavy nisy “demonia mpilaza ny hoavy” ny apostoly Paoly. “Nahay naminany” izy io “ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.” (Asan’ny Apostoly 16:16) Tsy nety nihaino an’ilay ankizivavy anefa i Paoly, satria fantany hoe ny demonia no nanome azy hery mahagaga. Tsy te hampahatezitra an’Andriamanitra koa izy. Maharikoriko Azy mantsy izay rehetra misy ifandraisana amin’ny fanahy ratsy, anisan’izany ny mijery tononandro sy vintana, na miantso fanahy.—Deoteronomia 18:10-12.
Mitandrema amin’ny demonia!
Ahoana no hiarovanao tena amin’ny fanahy ratsy? Hoy ny Baiboly: “Maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7) Mankatò an’izany isika rehefa mampihatra izay lazain’ny Baiboly. Io boky io irery no tena mampiharihary ny marina momba an’i Satana sy ireo demonia ary ny “teti-dratsiny.” (Efesianina 6:11; 2 Korintianina 2:11) Milaza koa ny Baiboly fa mbola haringana ireo fanahy ratsy sy izay rehetra manohitra an’Andriamanitra. (Romanina 16:20) “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo”, hoy ny Ohabolana 2:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava ny marina momba ny maty sy ny fananganana ny maty ny toko 6 sy 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
● Andriamanitra ve no namorona ny demonia?—2 Petera 2:4.
● Afaka miresaka aminao ve ny maty?—Mpitoriteny 9:5, 6.
● Ahoana no hiarovanao tena amin’ny demonia?—Jakoba 4:7.
[Sary, pejy 21]
Mamitaka ny olona amin’ny fomba maro ny demonia