Miezaha Hanetry Tena sy Hangoraka toa An’i Jesosy
‘I Kristy nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.’—1 PET. 2:21.
1. Nahoana isika no ho akaiky kokoa an’i Jehovah raha manahaka an’i Jesosy?
MORA manahaka ny toetra sy ny fanaon’ny olona tiantsika isika. I Jesosy Kristy anefa no mendrika hotahafina indrindra. Nahoana? Hoy izy: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Nitovy tanteraka tamin’ny toetran’ny Rainy ny toetran’i Jesosy, ka toy ny hoe mahita ny Ray isika rehefa mandinika azy. Rehefa manahaka an’i Jesosy àry isika, dia lasa akaiky kokoa an’i Jehovah, ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao. Hahazo valisoa tokoa izay manahaka ny toetran’i Jesosy sy ny fanaony.
2, 3. a) Nahoana i Jehovah no nanome antsika boky miresaka momba ny Zanany, ary inona no tiany hataontsika? b) Inona no hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
2 Ahoana anefa no hahalalantsika ny toetran’i Jesosy? Soa ihany fa nomen’Andriamanitra boky miresaka momba an’i Jesosy isika. Izany dia ny Soratra Grika Kristianina. Nomeny antsika izy io satria tiany hahalala tsara ny Zanany isika ka hanahaka azy. (Vakio ny 1 Petera 2:21.) Oharin’ny Baiboly amin’ny dian-tongotra ny modely navelan’i Jesosy. Toy ny mandidy antsika i Jehovah mba handeha ao aorian’i Jesosy ka hanaraka ny diany. Namela modely lavorary ho antsika i Jesosy. Tsy lavorary anefa isika ka tsy takin’i Jehovah amintsika ny hoe hitovy tanteraka amin’ilay Zanany. Tiany kosa raha manahaka an’i Jesosy araka izay farany vitantsika isika.
3 Hodinihintsika izao ny toetra mahafinaritra sasany ananan’i Jesosy. Ny fanetren-tenany sy ny fangorahany no horesahina ato. Ho hita ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa hoe be herim-po sy nahay nanavaka izy. Isaky ny handinika toetra iray isika dia hijery ny famaritana an’ilay toetra, ny fomba nampisehoan’i Jesosy azy io, ary izay azontsika atao mba hanahafana azy.
NANETRY TENA I JESOSY
4. Inona no atao hoe manetry tena?
4 Inona no atao hoe manetry tena? Mihevi-tena ho ambony ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka misy mihevitra fa malemy na tsy matoky tena ny olona manetry tena. Ny mifanohitra amin’izany anefa matetika no marina. Mila herim-po sy fahasahiana ny olona te hanetry tena. Ny hoe “manetry tena” dia midika hoe “tsy tia manambony tena.” Mila mihevi-tena araka ny tokony ho izy aloha isika, raha te hanetry tena. Hoy ny diksionera iray ara-baiboly: “Ny hoe manetry tena dia midika hoe miaiky fa tena ambany eo anatrehan’Andriamanitra.” Tsy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa isika, raha tena manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra. (Rom. 12:3; Fil. 2:3) Tsy mora amin’ny olombelona tsy lavorary ny manetry tena. Hahavita izany anefa isika raha misaintsaina ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy manaraka ny dian’ny Zanany.
5, 6. a) Iza i Mikaela arkanjely? b) Ahoana no nampisehoan’i Mikaela fa nanetry tena izy?
5 Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanetry tena izy? Efa nanetry tena foana ilay Zanak’Andriamanitra, na tamin’izy anjely mahery tany an-danitra na tamin’izy olombelona lavorary teto an-tany. Diniho ireto ohatra ireto.
6 Ny toe-tsainy: Nitantara zava-nitranga iray talohan’ny naha olombelona an’i Jesosy i Joda. (Vakio ny Joda 9.) “Nifamaly tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy” i Mikaela arkanjely, izany hoe i Jesosy. Nalevin’i Jehovah tany amin’ny toerana tsy misy mahalala i Mosesy rehefa maty. (Deot. 34:5, 6) Tian’ny Devoly hampiasain’ny olona tamin’ny fivavahan-diso angamba ilay faty. Na inona na inona anefa tao an-tsain’ny Devoly, dia sahy nisakana azy i Mikaela. Milaza ny boky iray fa “nampiasaina tamin’ny resaka ady eny amin’ny fitsarana” koa ilay teny grika nadika hoe “nifamaly” sy “nifanditra”, ary mety hidika hoe “nilaza i Mikaela fa ‘tsy manan-jo’ haka ny fatin’i Mosesy ‘ny Devoly.’ ” Niaiky anefa ilay Filohan’ny Anjely fa tsy anjarany ny manameloka ny Devoly. Nankininy tamin’i Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony, izany. Tsy nanao zavatra tsy nananany fahefana àry i Mikaela, na dia nisy nampahatezitra azy aza. Nanetry tena tokoa izy!
7. Nahoana ny tenin’i Jesosy sy izay nataony no manaporofo fa nanetry tena izy?
7 Hita tamin’ny tenin’i Jesosy sy ny zavatra nataony teto an-tany fa nanetry tena izy. Ny teniny: Tsy nisarika loatra ny sain’ny olona ho amin’ny tenany izy, fa nomeny ny Rainy ny voninahitra rehetra. (Mar. 10:17, 18; Jaona 7:16) Tsy nanambany ny mpianany izy na nanao zavatra hahatonga azy ireo hihevi-tena ho ambany. Nanaja azy ireo kosa izy, ka nidera azy ireo noho ny toetra tsarany sady nampiseho fa natoky azy ireo. (Lioka 22:31, 32; Jaona 1:47) Ny zavatra nataony: Nifidy ny hanana fiainana tsotra i Jesosy ary tsy nanan-javatra be dia be. (Mat. 8:20) Vonona hanao ny asa heverina ho ambany indrindra izy. (Jaona 13:3-15) Hita hoe tena nanetry tena izy rehefa nankatò. (Vakio ny Filipianina 2:5-8.) Tsy toy ny olona miavonavona sy tsy tia mankatò i Jesosy. Nanaiky izay nampanaovin’Andriamanitra azy izy, na dia “hatramin’ny fahafatesana” aza. Marina tokoa fa nanetry tena ny Zanak’olona.—Mat. 11:29.
MIEZAHA HANETRY TENA TOA AN’I JESOSY
8, 9. Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena isika?
8 Ahoana no ampisehoantsika fa manetry tena toa an’i Jesosy isika? Ny toe-tsaintsika: Tsy hanao zavatra tsy ananantsika fahefana isika raha manetry tena. Tsy ho maika hanakiana ny hafa noho ny fahadisoany na hiahiahy ny antony anaovany zavatra isika, raha manaiky fa tsy manana fahefana hitsara azy. (Lioka 6:37; Jak. 4:12) Tsy ho “marina loatra” isika raha manetry tena, sady tsy hanambany ireo tsy manana ny fahaizana na ny tombontsoa ananantsika. (Mpito. 7:16) Tsy mihevi-tena ho ambony noho ny mpiara-manompo aminy ny anti-panahy manetry tena. ‘Manao ny hafa ho ambony noho ny tenany’ kosa izy, ka mihevi-tena ho toy ny kely indrindra.—Fil. 2:3; Lioka 9:48.
9 Diniho ny ohatr’i W. Thorn. Mpitety fiangonana na mpiandraikitra mpitety faritany izy nanomboka tamin’ny 1894. Nanao izany nandritra ny taona maro izy, ary avy eo voatendry hikarakara akoho tany amin’ny Toeram-piompiana sy Fambolen’ilay Fanjakana, any Etazonia. Hoy izy: ‘Nibedy ny tenako aho isaky ny mitady hanambony tena. Mieritreritra aho hoe: “Ô ry piti-bovoka kely a, inona koa izao no mampieboebo anao eo?”’ (Vakio ny Isaia 40:12-15.) Nanetry tena tokoa izy.
10. Tokony hanao ahoana ny tenintsika sy ny ataontsika raha manetry tena isika?
10 Ny tenintsika: Ho hita amin’izay lazaintsika raha tena manetry tena isika. (Lioka 6:45) Tsy hanasongadina be ny zava-bitantsika na ny tombontsoantsika isika rehefa miresaka amin’ny olona. (Ohab. 27:2) Hanamarika ny toetra tsara sy fahaizana ary zava-bitan’ireo rahalahy sy anabavy kosa isika, ka hidera azy. (Ohab. 15:23) Ny zavatra ataontsika: Tsy mitady laza na voninahitra eto amin’ity tontolo ity ny Kristianina manetry tena. Manatsotra fiainana izy ireo ka vonona hanao asa heverina ho ambany. Afaka manompo betsaka araka izay azony atao izy amin’izay. (1 Tim. 6:6, 8) Tena hita hoe manetry tena koa isika raha mankatò. Ilaina ny fanetren-tena mba ‘hankatoavana an’ireo mitarika’ eo anivon’ny fiangonana ary mba hanekena sy hampiharana ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah.—Heb. 13:17.
NANGORAKA I JESOSY
11. Inona no atao hoe mangoraka?
11 Inona no atao hoe mangoraka? Midika izy io hoe “malahelo olona ory na mijaly na sahirana mafy ka mitady izay hamonjena azy.” Lafiny iray amin’ny fitiavana izy io. Asehon’ny Soratra Masina fa tena mangoraka sy be fitiavana i Jehovah sy Jesosy. (Lioka 1:78; 2 Kor. 1:3; Fil. 1:8) Mampirisika antsika hangoraka ny Baiboly. Hoy ny boky iray momba izany: ‘Tsy fampirisihana antsika mba hitsetra an’ireo mila fanampiana na hiombom-pihetseham-po aminy fotsiny ilay izy. Ampirisihina kosa isika mba tena hiahy an’ilay olona, ka hanao zavatra ho azy mba hanatsarana indray ny fiainany.’ Mandrisika antsika hanampy olona sy hanova ny fiainany ny fangorahana.
12. Inona no mampiseho fa nangoraka i Jesosy, ary nandrisika azy hanao inona izany?
12 Inona no mampiseho fa nangoraka i Jesosy? Ny fihetseham-pony sy ny zavatra nataony: Nitsetra an’ireo olona nijaly izy. Nitomany i Maria naman’i Jesosy sy ny olon-kafa, rehefa maty i Lazarosy anadahiny. “Nirotsaka ny ranomason’i Jesosy” rehefa nahita izany. (Vakio ny Jaona 11:32-35.) Hontsa izy ka natsangany tamin’ny maty i Lazarosy, ary mety ho afaka hiaina any an-danitra. Azo inoana fa izany koa no nahatonga azy hanangana an’ilay zanakalahin’ny mpitondratena, talohan’izay. (Lioka 7:11-15; Jaona 11:38-44) “Nangoraka” ny vahoaka tonga teo aminy koa i Jesosy tany aloha, ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.” (Mar. 6:34) Niova ny fiainan’izay nanaiky ny fampianarany. Tsy fihetseham-po fotsiny àry ny fangorahan’i Jesosy fa nandrisika azy hanampy ny hafa koa.—Mat. 15:32-38; 20:29-34; Mar. 1:40-42.
13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nangoraka izy rehefa niresaka tamin’ny olona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
13 Ny teniny: Nangoraka i Jesosy ka tsara fanahy rehefa niresaka tamin’ny olona, indrindra fa ireo nampahorina. Nasehon’ny apostoly Matio fa i Jesosy no tian’i Isaia horesahina amin’ilay hoe: “Tsy hotapahiny ny bararata folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy.” (Isaia 42:3; Mat. 12:20) Nisy olona nijaly ka toy ny bararata folaka na lahin-jiro efa ho faty. Nilaza zavatra nampahery azy ireny i Jesosy. Nitory hafatra nahavelom-panantenana an’ireo “torotoro fo” izy. (Isaia 61:1) Nasainy hankany aminy ireo “miasa mafy sy mavesatra entana” ary nomeny toky fa “ho velombelona.” (Mat. 11:28-30) Nanome toky an’ireo mpanara-dia azy izy fa mangoraka ny mpanompony tsirairay Andriamanitra, anisan’izany ireo “madinika”, izany hoe ireo heverin’ity tontolo ity ho tsinontsinona.—Mat. 18:12-14; Lioka 12:6, 7.
MIEZAHA HANGORAKA TOA AN’I JESOSY
14. Inona no hanampy antsika hangoraka?
14 Ahoana no ampisehoantsika fa mangoraka toa an’i Jesosy isika? Ny fihetseham-pontsika: Tsy tonga ho azy ao amintsika ny hoe mangoraka, nefa ampirisihin’ny Baiboly mba hiezaka hanana an’io fihetseham-po io isika. Anisan’ny toetra vaovao tokony hotafin’ny Kristianina rehetra ny “fitiavana lalina sy fangoraham-po.” (Vakio ny Kolosianina 3:9, 10, 12.) Inona no hanampy anao hangoraka? ‘Halalaho ny fonao.’ (2 Kor. 6:11-13) Mihainoa tsara rehefa misy mamboraka aminao ny fihetseham-pony sy ny mampanahy azy. (Jak. 1:19) Alao sary an-tsaina ny manjo an’ilay olona ary eritrereto hoe: ‘Inona no mety ho tsapako raha izaho no teo amin’ny toerany? Inona no mety ho nilaiko?’—1 Pet. 3:8.
15. Ahoana no azo anampiana an’ireo mijaly?
15 Ny zavatra ataontsika: Mandrisika antsika ny fangorahana mba hanampy ny olona, indrindra fa ireo mijaly ka toy ny bararata folaka na lahin-jiro mitsilopilopy. Inona no azontsika atao? “Miaraha mitomany amin’izay mitomany”, hoy ny Romanina 12:15. Matetika no olona hiara-ory aminy no ilain’ireo kivy fa tsy vahaolana. Namoy ny zanany vavy, ohatra, ny anabavy iray, ary nampahery azy ny mpiray finoana aminy. Hoy izy: “Tena faly aho rehefa nisy namako nitsidika ahy, na dia hoe niara-nitomany tamiko fotsiny aza izy ireo.” Afaka manao zavatra hanampiana an’ilay olona koa isika. Mahafantatra olona maty vady ve ianao, ary mila ampiana izy hanamboatra izay simba ao an-tranony? Sa misy be taona mila entina mivory, na mitory, na mankany amin’ny dokotera? Na zavatra kely aza no ataontsika, dia efa hanampy be an’ireo mpiara-manompo mila fanampiana. (1 Jaona 3:17, 18) Tena mangoraka isika raha manao izay fara herintsika amin’ny fitoriana. Izany no fomba lehibe indrindra azo anampiana an’ireo tso-po.
16. Inona no azontsika lazaina mba hampaherezana an’ireo kivy?
16 Ny tenintsika: Mandrisika antsika “hanao teny mampahery ny kivy” ny fangorahana. (1 Tes. 5:14) Inona no azontsika lazaina mba hampaherezana azy ireny? Hampahery azy ireny isika raha tsapa amin’ny tenintsika fa tena tia sy miahy azy. Azo atao ny midera azy amin’ny fo mba ho tsapany fa manana toetra tsara sy fahaizana izy. Azo ampahatsiahivina azy koa fa sarobidy amin’i Jehovah izy matoa notaominy mba hanara-dia ny Zanany. (Jaona 6:44) Afaka manome toky azy koa isika fa tena miahy an’ireo mpanompony “torotoro fo” sy “ketraka” i Jehovah. (Sal. 34:18) Mety hampitraka an’ireo mila fampiononana ny teny feno fangorahana lazaintsika.—Ohab. 16:24.
17, 18. a) Ahoana no tian’i Jehovah hitondran’ny anti-panahy ny ondry? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Ry anti-panahy, tian’i Jehovah hangoraka ny ondriny ianareo. (Asa. 20:28, 29) Tadidio fa anjaranareo ny mampianatra sy mampahery ary mamelombelona ny ondrin’i Jehovah. (Isaia 32:1, 2; 1 Pet. 5:2-4) Tsy mifehifehy ny fiainan’ny ondry na mamorona fitsipika àry ny anti-panahy mangoraka. Tsy ataony izay hahatonga ny olona hanamelo-tena mba hanerena azy hanao zavatra tsy vitany. Manampy an’ireo rahalahy sy anabavy mba hahita fifaliana kosa izy, ary matoky fa tia an’i Jehovah izy ireny ka hanome azy ny tsara indrindra.—Mat. 22:37.
18 Azo antoka fa te hanaraka foana ny dian’i Jesosy isika, rehefa misaintsaina ny fanetren-tenany sy ny fangorahany. Nahay nanavaka sy be herim-po koa izy. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo toetrany mahafinaritra ireo.