FITONDRAN-TENA BARANAHINY
Zavatra ataon’ny olona sahisahy ratsy, na olona manao tsinontsinona ny lalàna sy ny fahefana, na maniratsira izany mihitsy aza. Nadika hoe “fitondran-tena baranahiny” ny teny hebreo hoe zimmah (Le 18:17; 19:29) sy ny teny grika hoe aselgeia. Azo adika hoe “fitondran-tenan’ny olona tsy te hofehifehezin’ny fitsipika, adalam-piraisana, tsy mahalala menatra, ary vetaveta saina” koa ny hoe aselgeia. (Ga 5:19; 2Pe 2:7) Tsy resaka fitondran-tena maloto fotsiny no ampiasana ny zimmah sy aselgeia. Lazain’ny Soratra Masina fa fitondran-tena baranahiny koa ny fanolanana ataon’olona maromaro amin’olona iray ihany (Mpts 19:25; 20:6), ny fivarotan-tena (Je 13:27; Ezk 23:44), ary ny fandatsahan-dra (Sl 26:9, 10; Ezk 22:9; Ho 6:9). Voalaza fa mitetika ny hampirisika olona hanaraka fitondran-tena baranahiny ny “olona maty eritreritra”, ary sokajina ho tsisy saina na ratsy fitondran-tena ny olona mihevitra ny fitondran-tena baranahiny ho “toy ny kilalao” fotsiny.—Is 32:7; Oh 10:23.
‘Avy ao am-po.’ Nanazava i Jesosy fa avy ao am-po ny fitondran-tena baranahiny. Hoy izy: ‘Avy ao anatin’ny olona, eny, avy ao am-pony, no ivoahan’ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, fitondran-tena baranahiny. Avy ao anatin’ny olona avokoa ireo zava-dratsy rehetra ireo, ka mandoto azy.’ (Mr 7:20-23) Anisan’ny “asan’ny nofo” ny fitondran-tena baranahiny, ary anisan’ny fanirian’ny nofo izay ‘misakana tsy hahazoana ny fiainana.’ Voalaza fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”—Ga 5:19, 21; 1Pe 2:11.
Tian’ny Kristianina ny mazava, izany hoe ny fahamarinana. Nilazana izy ireo mba “hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, ka hifady ny lanonana feno filibana sy ny fibobohan-toaka, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna sy ny fitondran-tena baranahiny.” (Ro 13:13; Jn 3:19-21) Hoy ny apostoly Petera: “Ampy izay ny fotoana lasa [tamin’ianareo mbola tsy nanompo an’Andriamanitra] nanaovanareo ny sitrapon’izao tontolo izao, fony ianareo niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny.” (1Pe 4:3) Nilaza ny apostoly Paoly fa “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana avy amin’Andriamanitra” ny olona eo amin’ity tontolo ity, ary “efa tsy mahalala menatra intsony ..., ka manaram-po amin’ny fitondran-tena baranahiny hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.” Te hananatra ny Kristianina i Paoly, satria izy ireo efa nifanerasera tamin’ny olona toy ireny taloha.—Ef 4:17-19.
Misy milaza ho mpanompon’Andriamanitra sy Kristy nefa tsy manaraka ny lalan’ny fahazavana, ka sahisahy ratsy manohitra ny lalàn’Andriamanitra sy ny fahefany. Nalahelo i Paoly satria na dia efa nananatra aza izy dia nisy tamin’ireo anisan’ny fiangonana tao Korinto tsy nibebaka tamin’ny “fahalotoany sy ny fijangajangany ary ny fitondran-tenany baranahiny izay samy efa fanaony.” (2Ko 12:21) Nampitandrina ny Kristianina voalohany i Petera fa hisy mpampianatra sandoka eo amin’izy ireo, ary maro no hanaraka fitondran-tena baranahiny toa azy ireny, ka hanala baraka ny lalan’ny fahamarinana. (2Pe 2:1, 2) Asehon’ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Pergamosy sy Tyatira, izay nosoratan’i Jaona tamin’ny 96 tany ho any, fa tanteraka tamin’izany andro izany ny faminanian’i Petera sasany. (Ap 2:12, 14, 18, 20) Samy nilaza ny sazy miandry an’ireo mpanaraka fitondran-tena baranahiny na i Petera na i Joda.—2Pe 2:17-22; Jd 7.
Misy olona fatra-panaraka fitondran-tena baranahiny sady miezaka mitaona sy mamitaka olona sasany eo anivon’ny fiangonana kristianina. Milaza izy ireny fa lehibe ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, ka tsy hijery ny helony Andriamanitra satria mahafantatra hoe tsy lavorary sy malemy izy ireo. Nilaza anefa i Joda rahalahin’i Jesosy fa “olona tsy matahotra an’Andriamanitra ireny, ka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitsika no avadiny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny. Ary mivadika amin’i Jesosy Kristy, ilay hany Tompo nividy antsika, koa ireny.” (Jd 4) Na milaza aza ny olona toy ireny hoe Kristianina izy, dia tsy misy dikany izany. Tsy eken’Andriamanitra ny fanompoany. Hoy ilay olon-kendry teo amin’ny Israely: “Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ny ratsy fanahy, mainka moa raha olona manana fitondran-tena baranahiny no manatitra izany.”—Oh 21:27.
Tsy niova ny fiheveran’Andriamanitra ny fitondran-tena baranahiny. Efa voarara izy io teo ambanin’ny Lalàna, ary voaheloka ho faty izay nanao izany. (Le 18:17; 20:14) Niangavy an’Andriamanitra àry i Davida mba tsy handripaka azy “miaraka amin’ny mpandatsa-dra, izay manana fitondran-tena baranahiny.”—Sl 26:9, 10.
Nampiasa an’i Jeremia sy Ezekiela i Jehovah mba hilaza tamin’ny Israely hoe hanameloka azy ireo Andriamanitra noho izy ireo nanaraka fitondran-tena baranahiny ara-bakiteny sy an’ohatra.—Je 13:26, 27; Ezk 16:27, 43, 58; 22:9; 23:21-49; 24:13.