Toko 35
Afaka ny ho Naman’Andriamanitra ve Aho?
Nisy zavatra nampalahelo be nanjo an’i Tefy. Nanomboka teo no nahitany fa tena ilaina ny minamana amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Nilaozan’ny dadanay izahay, tamin’izaho 12 taona. Nivavaka mafy aho indray alina hoe: ‘Jehovah ô, mba ataovy izay iverenan’i Dada!’ ”
Naka Baiboly i Tefy avy eo, ary nanomboka namaky, na dia mbola kivy be aza. Nihetsi-po be izy rehefa tonga teo amin’ny Salamo 10:14. Izao no voalaza ao momba an’i Jehovah: “Ianao no ianteheran’ny ory sy ny kamboty ray. Ianao no mpanampy azy.” Hoy i Tefy: “Tonga dia haiko hoe niresaka tamiko i Jehovah. Te hilaza tamiko izy hoe izy no mpanampy ahy sady dadako. Tsy hahita dada tsara noho izy aho!”
TIAN’I Jehovah ho namany ianao, na dia tsy mampalahelo toy ny fiainan’i Tefy aza ny fiainanao. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Eritrereto ange izany e! Tsy afaka mahita an’i Jehovah Andriamanitra ianao, sady ambony lavitra noho ianao izy. Manasa anao ho namany anefa izy!
Misy ezaka mila ataonao anefa. Ity misy ohatra: Tsy mitombo ho azy ny voninkazo ao an-trano. Raha tianao haniry tsara ilay izy, dia tsy maintsy tondrahanao foana, ary apetrakao eo amin’ny toerana mety aminy. Misy ezaka mila ataonao koa, raha te ho naman’Andriamanitra ianao. Inona avy izany?
Mianara Baiboly
Misy zavatra roa ifanaovan’ny mpinamana. Inona izany? Mihaino sy miresaka. Izany koa no tsy maintsy ataonao, raha te ho naman’Andriamanitra ianao. Mihaino azy ianao, rehefa mamaky sy mianatra Baiboly.—Salamo 1:2, 3.
Tsy dia tia mianatra angamba ianao. Aleon’ny tanora maro mijery tele na manao lalao video, na miarakaraka amin’ny namany, toy izay mianatra. Tsy mandeha ho azy anefa izany hoe minamana amin’Andriamanitra izany. Tsy maintsy mihaino azy ianao, izany hoe mianatra ny Teniny.
Aza matahotra hoe hankaleo be ny mianatra Baiboly. Mety hahafinaritra anao ihany ilay izy raha miezaka ianao, na dia tsy tia mianatra loatra aza. Inona no zavatra voalohany tokony hataonao? Mila manokana fotoana hianarana ianao. Hoy i Raissa: “Efa misy fotoana famakiako Baiboly. Vao mifoha aho isa-maraina dia mamaky toko iray.” Hafa indray ny an’i Mirana, 15 taona. Hoy izy: “Mamaky andininy maromaro aho isan’alina, alohan’ny hatoriana.”
Andramo aloha ireo soso-kevitra eo amin’ny pejy 292. Soraty eto avy eo hoe isaky ny inona ianao no afaka manokana antsasak’adiny eo ho eo monja, mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra.
․․․․․
Aza mora kivy anefa. Rehefa tena manomboka mianatra mantsy ianao, dia tsy maintsy hahita fa misy zavatra sarotra be ao. Mety hitovy hevitra ianao sy Mahenina, ankizilahy 11 taona. Hoy izy: “Misy zavatra sarotra be ao amin’ny Baiboly, ka tsy mahafinaritra ny mamaky azy.” Izany koa ve no hitanao? Aza kivy! Eritrereto foana hoe rehefa mamaky Baiboly ianao, dia mihaino an’i Jehovah Andriamanitra, ilay namanao. Tohizo hatrany àry ny fianarana Baiboly. Hahafinaritra sady hahasoa anao ilay izy, rehefa ela ny ela!
Mivavaha
Ny vavaka no fomba iresahantsika amin’Andriamanitra. Fanomezana avy aminy izy io, sady fanomezana tena miavaka! Afaka miresaka aminy mantsy ianao na andro na alina. Vonona hihaino foana izy. Tsy vitan’izay fa te hihaino anao koa izy. Hoy àry ny Baiboly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”—Filipianina 4:6.
Hita avy amin’izany fa maro ny zavatra azonao resahina amin’i Jehovah. Anisan’izany ny olana manjo anao sy ny zavatra mampitebiteby anao. Afaka misaotra azy koa anefa ianao noho izay nataony ho anao. Misaotra ny namantsika isika, rehefa manao zavatra tsara ho antsika izy, sa tsy izany? Isaory koa àry i Jehovah. Mbola be lavitra ny nataony ho anao, raha oharina amin’izay efa nataon’ny namanao.—Salamo 106:1.
Soraty eto ny zavatra sasany nataon’i Jehovah ho anao, ka tianao hisaorana azy.
․․․․․
Tsy maintsy hisy zavatra hampahatahotra na hampitebiteby anao koa indraindray. Izao no asain’ny Salamo 55:22 hataonao, raha mitranga izany: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”
Soraty eto izay mampitebiteby anao, ka tianao horesahina aminy.
․․․․․
Jereo ny zavatra iainanao
Mbola misy zavatra hafa tsy tokony hohadinoinao, raha te ho naman’Andriamanitra ianao. Hoy i Davida mpanao salamo: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” (Salamo 34:8) Nisy zavatra nampahatahotra be nahazo an’i Davida, taloha kelin’ny nanoratany ny Salamo faha-34. Tsy maintsy nandositra izy, satria nitady hamono azy i Saoly Mpanjaka. Tena mafy ny nahazo azy, nefa mbola tsy maintsy tany amin’ny Filistinina fahavalony indray izy no niafina. Fantapantany fa nitady hamono azy ny Filistinina, ka mody nanao adala izy. Afaka soa aman-tsara àry izy, na dia efa saika maty aza.—1 Samoela 21:10-15.
Tsy nirehareha i Davida hoe nahay nanavotra ny tenany. Nilaza kosa izy fa i Jehovah no namonjy azy. Hoy izy: “Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy, ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.” (Salamo 34:4) Hitany tamin’ny zavatra niainany fa manampy ny olony i Jehovah. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.”a
Hitanao koa ve fa manampy anao i Jehovah? Inona, ohatra, no nataony ho anao? Soraty eto ambany izany. Tsy voatery ho zavatra miavaka be ilay izy. Misy fitahiana madinidinika omeny antsika isan’andro, nefa tsy hitantsika akory indraindray.
․․․․․
Mampianatra Baiboly anao angamba ny ray aman-dreninao. Efa fitahiana izany. Ianao mihitsy anefa no mila minamana amin’Andriamanitra. Raha mbola tsy nanao an’izany ianao, dia araho ireo soso-kevitra eo aloha ireo. Hitahy ny ezaka hataonao i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo.”—Matio 7:7.
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 38 SY 39, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Sarotra aminao ve ny mitory? Te ho sahy hanao an’izany ve ianao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Izao no andikan’ny Baiboly sasany an’ilay hoe “andramo ka jereo”: “Ianao mihitsy no mila mahita”, “ho hitanao amin’ny zavatra iainanao.”—Dikan-teny Anglisy Maoderina, Ny Baiboly Amin’ny Teny Anglisy Tsotra.
ANDININ-TENY
“Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.
SOSO-KEVITRA
Mamakia pejy dimy monja isan’andro, dia ho voavakinao ao anatin’ny herintaona eo ho eo ny Baiboly manontolo.
FANTATRAO VE... ?
Efa manampy anao i Jehovah, matoa ianao mamaky an’ity boky ity, sy mampihatra ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly hita ato.—Jaona 6:44.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Izao no hataoko, mba handraisako lesona bebe kokoa rehefa mianatra Baiboly: ․․․․․
Izao no hataoko, mba tsy hohadinoiko mihitsy ny mivavaka tsy tapaka: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany:
AHOANA NY HEVITRAO?
● Inona no azonao atao, mba hahafinaritra anao kokoa ny mianatra Baiboly?
● Nahoana i Jehovah no te hihaino ny vavaka ataontsika olombelona tsy lavorary?
● Inona no azonao atao, mba hanatsaranao ny vavaka ataonao?
[Teny notsongaina, pejy 291]
Nanao tsianjery be fotsiny aho taloha, rehefa nivavaka. Miezaka kosa aho izao mivavaka momba izay zavatra nahafinaritra ahy sy izay olana nahazo ahy tao anatin’ny andro tsirairay. Mba miovaova amin’izay ny zavatra lazaiko isan’andro.’’—Haingo
[Efajoro/Sary, pejy 292]
Fantaro ny ao Anatin’ny Baibolinao
1. Mifidiana tantara iray tianao ao amin’ny Baiboly. Mivavaha mba ho azonao tsara ilay izy.
2. Vakio tsara ilay tantara. Aza maimaika. Alao sary an-tsaina araka izay azonao atao ilay izy. Ataovy toy ny hoe mahita izay nitranga ianao, mahare ny feon’ny olona sy ny fofon-javatra, manandrana ny sakafo, sy ny sisa. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao!
3. Saintsaino ilay tantara. Valio ireto fanontaniana ireto:
● Nahoana no nataon’i Jehovah tao amin’ny Teniny ity tantara ity?
● Iza amin’ireo olona tao no tsara hotahafiko, ary iza kosa no tsy tokony hotahafiko?
● Inona no zavatra tsara nianarako avy amin’io tantara io?
● Inona no ianarako momba an’i Jehovah sy ny fomba fiasany?
4. Manaova vavaka fohy. Lazao amin’i Jehovah izay lesona noraisinao avy tamin’ilay tantara, sy izay eritreretinao hatao mba hampiharana izany. Isaory foana izy noho ny Baiboly. Fanomezana nomeny anao mantsy izy io!
[Sary]
“Jiro ho an’ny tongotro ny teninao, sady fahazavana ho an’ny lalako.”—Salamo 119:105.
[Efajoro/Sary, pejy 294]
Fantaro Izay Tokony Hatao Voalohany
Tsy manam-potoana hivavahana na hianarana Baiboly ve ianao? Nahoana? Matetika izany no miankina amin’izay zavatra fidinao hatao voalohany.
Andramo ange izao e: Makà siô, ary asio vato be maromaro ao anatiny. Andraraho fasika avy eo ao anatin’ilay siô, ary fenoy tsara. Sady feno vato izao ilay siô no feno fasika.
Esory avy eo ilay vato sy fasika, nefa aza mbola ariana. Ny fasika indray aloha no ataovy ao anaty siô, izay vao ny vato. Inona no mitranga? Tsy antonona ilay siô! Ny fasika tsinona no nataonao voalohany tao anatiny.
Inona no ianaranao avy amin’izany? Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Raha ny zavatra madinika toy ny fialam-boly no ataonao voalohany, dia tsy hanam-potoana firy hanaovana ny zavatra lehibe kokoa ianao. Tsy inona izany fa ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha arahinao kosa ny Filipianina 1:10, dia sady hanam-potoana hanaovana ireo zavatra lehibe ireo ianao, no ho afaka hiala voly kely. Fantaro tsara àry izay tokony hatao voalohany!
[Sary, pejy 290]
Misy ezaka mila atao raha tiana haniry tsara ny voninkazo. Misy ezaka mila ataonao koa, raha te ho naman’Andriamanitra ianao