FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alakamisy 4 Jona

Hitsangana ... ny mponin’i Ninive amin’ny Andro Fitsarana.​—Mat. 12:41.

Nampahatsiahivin’Andriamanitra an’i Jona hoe ‘tsy nahalala akory ny mety sy ny tsy mety’ ny Ninivita. (Jona 1:1, 2; 3:10; 4:9-11) Nampiasa an’io ohatra io i Jesosy tatỳ aoriana, rehefa nampianatra hoe manao ny rariny sy mamindra fo i Jehovah. Inona ilay “Andro fitsarana” noresahin’i Jesosy tamin’izy niteny hoe “hitsangana” ny Ninivita? Nampianatra izy fa hisy olona “hatsangana mba hotsaraina.” (Jaona 5:29) Ilay Fanjakana Arivo Taona no tiany horesahina. Samy hatsangana ny “marina sy ny tsy marina” mandritra an’io fotoana io. (Asa. 24:15) “Hatsangana mba hotsaraina” ny tsy marina, izany hoe hodinihin’i Jehovah sy Jesosy izay ataony ary hojeren-dry zareo hoe mampihatra an’izay ampianarina azy ve izy. Raha misy Ninivita iray natsangana nefa tsy manaiky hanaraka ny fivavahana madio, dia homelohina izy. (Isaia 65:20) Tsy hiharan’izany didim-pitsarana izany kosa izay mifidy hanompo an’i Jehovah sy tsy hivadika aminy. Ho afaka hanantena hiaina mandrakizay ry zareo!​—Dan. 12:2. w24.05 18:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Zoma 5 Jona

Tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’olona.​—Lioka 19:10.

Nahariharin’i Jesosy tamin’ny olona hoe mamindra fo be ny Rainy. (Jaona 14:9) Nasehon’i Jesosy tamin’izay nataony sy nolazainy fa tia olona ilay Rainy mangoraka sy mamindra fo, sady te hanampy ny olona tsirairay handresy ny ota. Nampian’i Jesosy ny mpanota, amin’izay ry zareo te hiova sy hanara-dia azy. (Lioka 5:27, 28) Efa fantatr’i Jesosy izay niandry azy. Imbetsaka izy no niteny tamin’ny mpanara-dia azy hoe hisy hamadika sy hovonoina eo amin’ny tsato-kazo. (Mat. 17:22; 20:18, 19) Hainy hoe hanala tanteraka ny fahotan’izao tontolo izao ny sorona hataony. Nampianarin’i Jesosy koa fa “hitaona ny karazan’olona rehetra hanatona” azy izy, rehefa avy manao sorona ny ainy. (Jaona 12:32) Afaka ny hampifaly an’i Jehovah àry ny olombelona mpanota rehefa manaiky an’i Jesosy ho Tompony sy manara-dia azy. ‘Hafahana amin’ny ota’ ry zareo raha manao an’izany. (Rom. 6:14, 18, 22; Jaona 8:32) Be herim-po àry i Jesosy sady vonona hijaly sy ho faty.​—Jaona 10:17, 18. w24.08 31:11-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Asabotsy 6 Jona

Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.​—Mar. 13:10.

Mba eritrereto ange ny fihetseham-ponao tamin’ianao vao nahalala ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra e! Lasa fantatrao, ohatra, hoe tia anao ilay Rainao any an-danitra, dia tiany ho anisan’ilay fianakaviana manompo azy ianao. Nianaranao koa fa nampanantena i Jehovah hoe hamarana ny fahoriana sy ny fijaliana izy, dia ho afaka hahita indray an’ireo olona akaiky anao efa nodimandry ianao ao amin’ny tontolo vaovao. (Mar. 10:29, 30; Jaona 5:28, 29; Rom. 8:38, 39; Apok. 21:3, 4) Tena nanohina ny fonao ireny fahamarinana ireny. (Lioka 24:32) Tianao sady sarobidy aminao ny zavatra nianaranao, dia may erỳ ianao hiresaka an’ilay izy amin’ny hafa! (Ampitahao amin’ny Jeremia 20:9.) Rehefa mamaka tsara ao am-pontsika ny fitiavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tsy voatanantsika izany fa tiantsika horesahina amin’ny olona. (Lioka 6:45) Mitovy amin’izay tsapan’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany no tsapantsika. Izao no notenenin-dry zareo: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.” (Asa. 4:20) Tena tiantsika ny fahamarinana, ka te hiresaka azy io amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika. w24.05 20:5, 7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara