Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
13 Jehovah ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy?+ Ho mandrakizay ve?+
Mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?+
2 Mandra-pahoviana aho no hiady irery,
Ka halahelo am-po foana tontolon’ny andro?
Mandra-pahoviana ny fahavaloko no hisandratra ho ambony noho izaho?+
3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô!
Ampamirapirato ny masoko,+ sao ho renoky ny torimasom-pahafatesana+ aho,