Salamo
Hiran’i Davida.
29 Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry zanaky ny mahery ô!
Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.+
2 Ekeo fa be voninahitra ny anaran’i Jehovah.+
Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fitafiana masina.+
3 Eny ambonin’ny rano ny feon’i Jehovah.+
Mampirefotra kotroka+ ilay Andriamanitra be voninahitra.+
Eny ambonin’ny rano be i Jehovah.+
5 Tapatapaka ny sedera noho ny feon’i Jehovah.
Eny, ataon’i Jehovah tapatapaka tanteraka ny sederan’i Libanona.+
6 Ataony mitsambikimbikina toy ny zanak’omby ireny,+
Ary ataony mifalihavanja toy ny zanak’ombidia i Libanona sy Siriona.+
7 Mahatonga afo ny feon’i Jehovah.+
8 Ny feon’i Jehovah no mahatonga ny tany efitra hiolanolana noho ny fanaintainana,+
Eny, ataon’i Jehovah miolanolana ny tany efitr’i Kadesy.+
9 Mampihetsi-jaza ny serfavavy ny feon’i Jehovah,+
Sady mampangadihady ny toerana rakotra ala.+
Koa samy milaza daholo ny ao an-tempoliny hoe: “Voninahitra ho an’Andriamanitra!”+