13 Ampiaraho amin’izany ny fanatitra varimbazaha, dia lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, nafangaro menaka, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah sy ho hanitra mampitony. Ampiaraho aminy koa ny fanatitra zava-pisotro, dia divay ampahefatry ny hina.