16 Ankalazao koa ny fetin’ny fijinjana ny voaloham-bokatra,+ avy amin’izay nisasaranao sy nafafinao tany an-tsaha.+ Ary ankalazao koa ny fetin’ny fanangonam-bokatra atao amin’ny faramparan’ny taona, rehefa angoninao avy any an-tsaha ny vokatry ny fisasaranao.+
13 “Fito andro no hankalazanao ny fetin’ny trano rantsankazo,+ rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao ianao.
4 Dia nankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo+ araka izay voasoratra izy ireo,+ ka nanao ireo sorona dorana isan’andro araka ny isa efa voatondro ho an’ny andro tsirairay.+
14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ilay lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy,+ hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo+ ny zanak’Israely mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+
16 “Ary ny sisa tavela amin’ny firenena rehetra izay tonga hiady amin’i Jerosalema,+ dia hiakatra isan-taona+ hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka,+ dia i Jehovah Tompon’ny tafika,+ sy hankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo.+