Eksodosy 22:25 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 25 “Raha toa ianao mampisambo-bola ny oloko ory izay miara-monina aminao,+ dia aza manao toy ny mpanjana-bola. Aza mangataka zanabola aminy.+ Deoteronomia 23:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 “Aza maka tombony amin’ny rahalahinao+ rehefa mampisambotra vola na sakafo+ na zavatra hafa mety ho azo akana tombony. Nehemia 5:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Koa rehefa nandinika tsara an’ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny+ ireo olona ambony sy solontenam-panjakana. Ary hoy aho tamin’izy ireo: “Be loatra ny zanabola+ takinareo amin’ny rahalahinareo.” Nandamina fivoriana lehibe ho azy ireo koa aho.+ Salamo 15:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+Ary tsy mandray kolikoly hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+Tsy hangozohozo mihitsy izay manao izany rehetra izany.+ Ohabolana 28:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Izay mampitombo ny harenany amin’ny fakana zanabola+ sy tombony tafahoatra dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.+ Ezekiela 18:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Naka tombony izy+ na naka zanabola rehefa nampisambo-bola+ ka ho faty tokoa. Izany zava-maharikoriko rehetra izany no nataony,+ ka hovonoina ho faty tokoa izy. Ary izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+
25 “Raha toa ianao mampisambo-bola ny oloko ory izay miara-monina aminao,+ dia aza manao toy ny mpanjana-bola. Aza mangataka zanabola aminy.+
19 “Aza maka tombony amin’ny rahalahinao+ rehefa mampisambotra vola na sakafo+ na zavatra hafa mety ho azo akana tombony.
7 Koa rehefa nandinika tsara an’ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny+ ireo olona ambony sy solontenam-panjakana. Ary hoy aho tamin’izy ireo: “Be loatra ny zanabola+ takinareo amin’ny rahalahinareo.” Nandamina fivoriana lehibe ho azy ireo koa aho.+
5 Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+Ary tsy mandray kolikoly hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+Tsy hangozohozo mihitsy izay manao izany rehetra izany.+
8 Izay mampitombo ny harenany amin’ny fakana zanabola+ sy tombony tafahoatra dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.+
13 Naka tombony izy+ na naka zanabola rehefa nampisambo-bola+ ka ho faty tokoa. Izany zava-maharikoriko rehetra izany no nataony,+ ka hovonoina ho faty tokoa izy. Ary izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+