11 Ary aoka izy ireo ho vonona ho amin’ny andro fahatelo, satria hidina eo an-tendrombohitra Sinay, eo imason’ny olona rehetra i Jehovah, amin’ny andro fahatelo.+
22 Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho,+ eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, ka hilaza aminao ny didy rehetra omeko anao ho an’ny zanak’Israely.+