Deoteronomia 4:28 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 28 Hanompo andriamanitra+ nataon-tanan’olona ianareo any, dia vato aman-kazo+ izay tsy mahita na mandre na mihinana na mandre fofona.+ Deoteronomia 28:36 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 36 Ary halefan’i Jehovah+ hankany amin’ny firenena tsy fantatrao, sady tsy fantatry ny razanao, ianao sy ny mpanjaka+ izay hapetrakao hifehy anao. Hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo ianao any.+ Jeremia 16:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Dia hakifiko hiala eto amin’ity tany ity ianareo+ ka halefako any amin’ny tany tsy fantatrareo+ sady tsy fantatry ny razanareo. Any ianareo no hanompo andriamani-kafa+ andro aman’alina, satria tsy hankasitraka anareo aho.”’
28 Hanompo andriamanitra+ nataon-tanan’olona ianareo any, dia vato aman-kazo+ izay tsy mahita na mandre na mihinana na mandre fofona.+
36 Ary halefan’i Jehovah+ hankany amin’ny firenena tsy fantatrao, sady tsy fantatry ny razanao, ianao sy ny mpanjaka+ izay hapetrakao hifehy anao. Hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo ianao any.+
13 Dia hakifiko hiala eto amin’ity tany ity ianareo+ ka halefako any amin’ny tany tsy fantatrareo+ sady tsy fantatry ny razanareo. Any ianareo no hanompo andriamani-kafa+ andro aman’alina, satria tsy hankasitraka anareo aho.”’