-
Deoteronomia 4:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Tandremo koa sao ianao miandrandra ny lanitra ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy.+ Nataon’i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ny firenen-drehetra ambanin’ny lanitra manontolo+ mantsy ireny.
-
-
Ezekiela 8:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia nentiny tao amin’ny tokotany anatiny misy ny tranon’i Jehovah+ aho, ary indreo fa nisy lehilahy tokotokony ho dimy amby roapolo,+ teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempolin’i Jehovah, teo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara.+ Niamboho ny tempolin’i Jehovah izy ireo,+ ka nitodika niantsinanana. Niankohoka niantsinanana, nanandrify ny masoandro, izy ireo.+
-