Josoa 7:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Dia nandrovitra ny lamba fitafiny i Josoa. Ary niankohoka+ tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah izy sy ny anti-panahin’ny Israely mandra-paharivan’ny andro, sady nasian’izy ireo vovoka foana ny lohany.+ 2 Samoela 13:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Dia nasian’i Tamara lavenona+ ny lohany, ary norovitiny ilay akanjo lava mitsipitsipika nanaovany. Ary niloloha tanana izy+ ka lasa nandeha, sady nitomany teny am-pandehanana. 2 Samoela 15:32 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 32 Rehefa tonga teny an-tampony i Davida, teo amin’ny toerana fiankohofan’ny olona tamin’Andriamanitra, dia tonga hitsena azy i Hosay+ Arkita,+ ary rovitra ny akanjo lava nanaovany sady nihosim-bovoka ny lohany.+ Nehemia 9:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’io volana+ io, dia nivory ny zanak’Israely, ka nifady hanina+ sy nitafy lamba gony+ ary nihosim-bovoka.+ Joba 2:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Rehefa nahatazana azy avy lavitra izy telo lahy, dia tsy nahafantatra azy. Ary nidradradradra nitomany izy ireo, ka samy nandrovitra+ ny akanjony ivelany tsy misy tanany, sady nanipy vovoka ho amin’ny lanitra, hiraraka eo amin’ny lohany.+
6 Dia nandrovitra ny lamba fitafiny i Josoa. Ary niankohoka+ tamin’ny tany teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah izy sy ny anti-panahin’ny Israely mandra-paharivan’ny andro, sady nasian’izy ireo vovoka foana ny lohany.+
19 Dia nasian’i Tamara lavenona+ ny lohany, ary norovitiny ilay akanjo lava mitsipitsipika nanaovany. Ary niloloha tanana izy+ ka lasa nandeha, sady nitomany teny am-pandehanana.
32 Rehefa tonga teny an-tampony i Davida, teo amin’ny toerana fiankohofan’ny olona tamin’Andriamanitra, dia tonga hitsena azy i Hosay+ Arkita,+ ary rovitra ny akanjo lava nanaovany sady nihosim-bovoka ny lohany.+
9 Tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’io volana+ io, dia nivory ny zanak’Israely, ka nifady hanina+ sy nitafy lamba gony+ ary nihosim-bovoka.+
12 Rehefa nahatazana azy avy lavitra izy telo lahy, dia tsy nahafantatra azy. Ary nidradradradra nitomany izy ireo, ka samy nandrovitra+ ny akanjony ivelany tsy misy tanany, sady nanipy vovoka ho amin’ny lanitra, hiraraka eo amin’ny lohany.+