24 Koa izao no lazaiko aminareo:+ “Ianareo no haka ny tanin’izy ireo ho fanananareo, ary izaho no hanome izany mba halainareo ho fanananareo, dia tany tondra-dronono sy tantely.+ Ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay nanavaka anareo tamin’ireo firenena.”+
6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+