10 Renirano afo no nikoriana sy nivoaka avy teo anatrehany.+ Arivoarivo no nanompo azy,+ ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.+ Nanomboka ny Fitsarana,+ ka nisy boky nosokafana.
10 Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo+ any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra.+
11 Ary nahita aho, ary reko ny feon’ny anjely maro nanodidina an’ilay seza fiandrianana sy ny zavamananaina ary ny anti-panahy. Ary niisa alinalina+ sy arivoarivo+ izy ireo,